Péricope du Dimanche 29 Septembre

Table des matières

Ancien Testament

Nomery 11 : 25 – 29 (MRV)

25 Ary nidina teo amin’ny rahona Jehovah ka niteny taminy, dia nangalany ny Fanahy izay tao amin’i Mosesy ka napetrany tao amin’ny loholona fito-polo lahy; ary raha mbola nitoetra tao aminy ny Fanahy, dia naminany izy, nefa tsy nanao intsony.
26 Fa nisy roa lahy nijanona teo an-toby, Eldada no anaran’ny anankiray, ary Medada no anaran’ny anankiray; ary ny Fanahy nitoetra tao aminy; ary isan’izay voasoratra izy roa lahy, nefa tsy mba nankeo amin’ny trano-lay; dia naminany teo an-toby izy roa lahy.
27 Ary nisy zatovo nihazakazaka, dia nilaza tamin’i Mosesy ka nanao hoe: Eldada sy Medada maminany etsy an-toby.
28 Dia namaly Josoa, zanak’i Nona, izay nanompo an’i Mosesy hatry ny fony tanora, ka nanao hoe: Ry Mosesy, tompoko, rarao izy roa lahy.
29 Fa hoy Mosesy taminy: Izaho va no ialonanao? enga anie ka ho mpaminany avokoa ny olon’i Jehovah rehetra, ka halatsak’i Jehovah aminy ny Fanahiny!

25 L’Éternel descendit dans la nuée, et parla à Moïse; il prit de l’esprit qui était sur lui, et le mit sur les soixante-dix anciens. Et dès que l’esprit reposa sur eux, ils prophétisèrent; mais ils ne continuèrent pas.
26 Il y eut deux hommes, l’un appelé Eldad, et l’autre Médad, qui étaient restés dans le camp, et sur lesquels l’esprit reposa; car ils étaient parmi les inscrits, quoiqu’ils ne fussent point allés à la tente; et ils prophétisèrent dans le camp.
27 Un jeune garçon courut l’annoncer à Moïse, et dit: Eldad et Médad prophétisent dans le camp.
28 Et Josué, fils de Nun, serviteur de Moïse depuis sa jeunesse, prit la parole et dit: Moïse, mon seigneur, empêche-les!
29 Moïse lui répondit: Es-tu jaloux pour moi? Puisse tout le peuple de l’Éternel être composé de prophètes; et veuille l’Éternel mettre son esprit sur eux!

.

Epître

Jakoba 5 : 1 – 6 (MRV)

1 He! ianareo manan-karena, mitomania sy midradradradrà noho ny fahoriana izay efa manjo anareo.
2 Ny harenareo efa simba, ary ny fitafianareo efa lanin’ny kalalao.
3 Ny volamena sy ny volafotsinareo dia efa harafesina; ary ny harafesiny dia ho vavolombelona hiampanga anareo sady handany ny nofonareo tahaka ny afo. Efa namory harena amin’ny andro farany ianareo.
4 Indro, ny karaman’ny mpiasa nijinja ny taninareo, izay hazoninareo, dia mitaraina; ary ny fitarainan’ny mpijinja dia efa tafiditra amin’ny sofin’ny Tompon’ny maro.
5 Efa velona tamin’ny fy tetỳ ambonin’ny tany ianareo sady nanaram-po tamin’ny fahafinaretana; efa namahy ny fonareo tamin’ny andro hamonoana ianareo.
6 Efa nanameloka namono ny marina ianareo; fa tsy manohitra anareo izy.

Jacques 5 : 1 – 6 (S21)

1 A vous maintenant, riches! Pleurez et gémissez, à cause des malheurs qui viendront sur vous.
2 Vos richesses sont pourries, et vos vêtements sont rongés par les teignes.
3 Votre or et votre argent sont rouillés; et leur rouille s’élèvera en témoignage contre vous, et dévorera vos chairs comme un feu. Vous avez amassé des trésors dans les derniers jours!
4 Voici, le salaire des ouvriers qui ont moissonné vos champs, et dont vous les avez frustrés, crie, et les cris des moissonneurs sont parvenus jusqu’aux oreilles du Seigneur des armées.
5 Vous avez vécu sur la terre dans les voluptés et dans les délices, vous avez rassasiez vos coeurs au jour du carnage.
6 Vous avez condamné, vous avez tué le juste, qui ne vous a pas résisté.

Evangile

Marka 9 : 38 – 48 (MRV)

38 Ary hoy Jaona taminy: Mpampianatra ô, nahita olona anankiray namoaka demonia tamin’ny anaranao izahay, ka noraranay izy, satria tsy nanaraka antsika.
39 Fa hoy Jesosy: Aza mandrara azy; fa tsy misy olona izay hanao asa lehibe amin’ny anarako ka hahateny ratsy Ahy vetivety.
40 Fa izay tsy manohitra antsika dia momba antsika.
41 Fa na iza na iza no manome anareo rano eran’ny kapoaka hosotroinareo, satria an’i Kristy ianareo, dia lazaiko aminareo marina tokoa fa tsy ho very ny valim-pitiany.
42 Ary na iza na iza no mahatafintohina na iray aza amin’ireo madinika mino Ahy ireo, dia tsara ho azy, raha anantonana vato lehibe fikosoham-bary ny vozony, ka hatsipy ao anaty ranomasina izy.
43 Ary raha ny tananao no manafintohina anao, tapaho izy; fa tsara ho anao ny hiditra kilemaina any amin’ny fiainana noho ny manana tanana roa, nefa hariana any amin’ny helo, dia any amin’ny afo tsy azo vonoina.
44 any amin’ny kankana tsy maty, ary ny afo tsy vonoina
45 Ary raha ny tongotrao no manafintohina anao, tapaho izy; fa tsara ho anao ny hiditra mandringa any amin’ny fiainana noho ny manana tongotra roa, nefa hariana any amin’ny helo.
46 any amin’ny afo tsy azo vonoina; any ny kankany tsy maty, ary ny afo tsy vonoina
47 Ary raha ny masonao no manafintohina anao, esory hiala izy: fa tsara ho anao ny hiditra toka-maso amin’ny fanjakan’Andriamanitra noho ny manana maso roa, nefa hariana any amin’ny helo;
48 any ny kankany tsy maty, ary ny afo tsy vonoina.

38 Jean lui dit: Maître, nous avons vu un homme qui chasse des démons en ton nom; et nous l’en avons empêché, parce qu’il ne nous suit pas.
39 Ne l’en empêchez pas, répondit Jésus, car il n’est personne qui, faisant un miracle en mon nom, puisse aussitôt après parler mal de moi.
40 Qui n’est pas contre nous est pour nous.
41 Et quiconque vous donnera à boire un verre d’eau en mon nom, parce que vous appartenez à Christ, je vous le dis en vérité, il ne perdra point sa récompense.
42 Mais, si quelqu’un scandalisait un de ces petits qui croient, il vaudrait mieux pour lui qu’on lui mît au cou une grosse meule de moulin, et qu’on le jetât dans la mer.
43 Si ta main est pour toi une occasion de chute, coupe-la; mieux vaut pour toi entrer manchot dans la vie,
44 que d’avoir les deux mains et d’aller dans la géhenne, dans le feu qui ne s’éteint point.
45 Si ton pied est pour toi une occasion de chute, coupe-le; mieux vaut pour toi entrer boiteux dans la vie,
46 que d’avoir les deux pieds et d’être jeté dans la géhenne, dans le feu qui ne s’éteint point.
47 Et si ton oeil est pour toi une occasion de chute, arrache-le; mieux vaut pour toi entrer dans le royaume de Dieu n’ayant qu’un oeil, que d’avoir deux yeux et d’être jeté dans la géhenne,
48 où leur ver ne meurt point, et où le feu ne s’éteint point.

Retour en haut