Péricope du Dimanche 7 Juin 2026

Table des matières

Ancien testament

Hosea 6 : 3 – 6 (MRV)

3 Dia aoka hahalala isika; eny, aoka hiezaka hahalala NY TOMPO. Mahatoky toy ny maraina ny fiposahany, fa ho avy amintsika toy ny ranonorana mivatravatra Izy ary toy ny faraorana mahavonto ny tany.
4 Inona re no ho azoko atao aminao, ry Efraima ? Inona re no ho azoko atao aminao, ry Joda ? Fa toy ny rahona amin’ny maraina ny fitiavanareo, tahaka ny ando izay levona raha vao maraina.
5 Noho izany no nitondrako ny mpaminany hamely azy; ny tenin’ny vavako no nentiko namono azy ary ny fitsarana anao dia hiposaka toy ny mazava
6 satria famindrampo no sitrako fa tsy fanatitra alatsa-dra ary fahalalana an’Andriamanitra noho ny fanatitra dorana manontolo.

Osée 6 : 3 – 6 (PDV)

3 Alors reconnaissons le Seigneur comme Dieu. Cherchons vraiment à le connaître. Sa venue est sûre comme la venue du matin. Il viendra à nous comme la pluie, comme la dernière pluie de la saison qui arrose la terre. »
4 Le Seigneur vous répond : « Que faire pour toi, Éfraïm ? et pour toi, Juda ? Votre amour pour moi est comme le nuage du matin, comme les gouttes d’eau de la nuit qui disparaissent aussitôt.
5 C’est pourquoi je vous ai combattus, en vous envoyant des prophètes, j’ai prononcé contre vous des menaces de mort. Mon jugement jaillit comme la lumière.
6 Oui, je désire l’amour et non les sacrifices d’animaux. Je veux qu’on me reconnaisse comme Dieu plutôt que de brûler des animaux sur l’autel. »

Epîtres

Romana 4 : 18 – 25 (MRV)

18 Na dia efa tsy nisy nanantenana aza dia nanantena ihany izy ka nino, mba ho tonga rain’ny firenena maro; araka ny voalaza hoe: «Ho tahaka izany ny taranakao» (Gen 15.5).
19 Tsy mba nalemy finoana izy na dia nihevitra ny tenany ho efa toy ny maty aza, satria efa tokony ho zato taona izy, toy izany koa ny fahafatesan’ny kibon’i Saraha.
20 Tsy nisalasala tamin’ny tsy finoana ny amin’ny teny fikasan’Andriamanitra izy fa nampaherezin’ny finoana ka nanome voninahitra an’Andriamanitra
21 sady natoky tanteraka fa izay nolazainy dia hainy hatao tokoa.
22 Dia nisaina ho fahamarinany izany.
23 Nefa tsy ho azy ihany no nanoratana hoe: Nisaina ho azy izany,
24 fa ho antsika izay hanisana izany koa, dia isika izay mino Ilay nanangana an’i Jesosy Tompontsika tamin’ny maty,
25 Izay natolotra noho ny fahadisoantsika ary natsangana indray ho fanamarinana antsika.

18 Il n’y avait plus d’espoir, et pourtant Abraham a espéré. Il a cru en Dieu et pour cela, il est devenu « le père de beaucoup de peuples ». Les Livres Saints le disent : « Ceux qui vont naître de toi seront très nombreux. »
19 La foi d’Abraham est restée solide, pourtant il avait à peu près 100 ans. Et il le savait : son corps était déjà comme mort et Sara ne pouvait pas avoir d’enfant.
20 Devant la promesse de Dieu, il n’a pas manqué de confiance. Au contraire, sa foi l’a rempli de force, et il a rendu gloire à Dieu.
21 Il était sûr d’une chose : ce que Dieu a promis, il est assez puissant pour le faire.
22 C’est pourquoi Dieu a reconnu Abraham comme juste.
23 Quand les Livres Saints disent : « Dieu l’a reconnu comme juste », ces paroles ne sont pas pour Abraham seulement.
24 Elles sont aussi pour nous, et Dieu tiendra compte de notre foi. En effet, nous croyons en lui, qui a réveillé Jésus notre Seigneur de la mort.
25 Jésus a été livré à cause de nos fautes, mais Dieu l’a réveillé de la mort pour nous rendre justes.

.

Evangile

Matio 9 : 9 13 (MRV)

Ny sakafo niarahana tamin’ireo mpanota
9 Nony niala teo Jesosy dia nahita lehilahy iray antsoina hoe Matio nipetraka teo am-pamorian-ketra ka hoy Izy taminy: Andeha hanaraka Ahy. Dia nitsangana i Matio ka nanaraka Azy.
10 Ary raha nipetraka nisakafo tao an-trano Izy dia indreo, nisy mpanota sy mpamory hetra maro tonga ka niara-nipetraka tamin’i Jesosy mbamin’ny mpianany.
11 Raha nahita izany ny Fariseo dia niteny tamin’ny mpianatra hoe: Nahoana kosa ny Mpampianatra anareo no miara-komana amin’ny mpamory hetra sy ny mpanota?
12 Nony nahare izany Jesosy dia niteny hoe: Tsy ny salama no mila mpitsabo fa ny marary.
13 Fa mandehana ka mianara izay hevitry ny teny hoe: «Famindrampo no sitrako fa tsy fanatitra alatsa-dra» (Hos 6.6); fa tsy tonga hiantso ny marina Aho fa ny mpanota.

Jésus appelle Matthieu à le suivre
9 Jésus s’en va. En passant, il voit un homme appelé Matthieu assis au bureau des impôts. Jésus lui dit : « Suis-moi ! » Matthieu se lève et il suit Jésus.
10 Ensuite, Jésus prend un repas dans la maison de Matthieu. Beaucoup d’employés des impôts et de pécheurs viennent manger avec Jésus et ses disciples.
11 En voyant cela, les Pharisiens disent aux disciples de Jésus : « Votre maître mange avec les employés des impôts et avec les pécheurs. Pourquoi donc ? »
12 Jésus les a entendus et il dit : « Les gens en bonne santé n’ont pas besoin de médecin. Ce sont les malades qui en ont besoin.
13 Allez donc apprendre le sens de cette phrase des Livres Saints : “Je désire l’amour, et non les sacrifices d’animaux.” En effet, je ne suis pas venu appeler ceux qui se croient justes, mais ceux qui se reconnaissent pécheurs. »

Retour en haut