Péricope du Dimanche 08 Février 2026

Table des matières

Ancien Testament

Isaia 58 : 7 – 10 (MRV)

7 Moa tsy ny hizara ny mofonao ho an’ny noana va sy ny hampiantrano ny ory manjenjena ary ny mba hanafianao izay hitanao mitanjaka ka tsy hihirim-belona amin’ny iray ra aminao ianao ?
8 Fa raha izany dia hiposaka tahaka ny fahazavan’ny maraina ny fahazavanao ary ho tonga haingana ny fahasitrananao; ny fahamarinanao no hialoha lalana anao ary ny voninahitry NY TOMPO no ho vodilalanao.
9 Amin’izany dia hiantso ianao ary hamaly NY TOMPO; eny, hanandratra ny feonao ianao ary hiteny Izy hoe: Inty Aho! Raha esorinao tsy ho eo aminao ny zioga sy ny fanondro miampanga ary ny fitenenan-dratsy,
10 ary afoinao ho an’ny noana izay hanina tianao ka mahavoky ny ory ianao, dia hiposaka ao amin’ny maizina ny fahazavanao ary ho tonga tahaka ny mitataovovonana ny haizim-pitonao.

7 C’est partager ton pain avec celui qui a faim, loger les pauvres qui n’ont pas de maison, habiller ceux qui n’ont pas de vêtements. C’est ne pas te détourner de celui qui est ton frère. »
8 Alors ta lumière jaillira comme l’aurore, et ta plaie se fermera vite. Tes bonnes actions marcheront devant toi, et la gloire du Seigneur fermera la marche derrière toi.
9 Quand tu appelleras, le Seigneur répondra. Quand tu crieras, il dira : « Je suis là ! » Si tu fais disparaître de ton pays ce qui écrase les autres, les gestes de menace et les paroles blessantes,
10 alors ta lumière se lèvera dans la nuit, ton obscurité sera comme la lumière de midi. Ce sera la même chose si tu partages ta nourriture avec celui qui a faim, si tu donnes à manger à ceux qui sont dans la misère.

.

Epître

1 Korintiana 2 : 1 – 5 (MRV)

1 Ary izaho koa, ry rahalahy, raha tonga tany aminareo, dia tsy tonga tamin’ny teny marevaka na fahendrena, rehefa nitory taminareo ny zavamiafina ny amin’Andriamanitra.
2 Fa ninia tsy hahafantatra zavatra hafa teo aminareo aho, afa-tsy Jesosy Kristy, dia Izy voahombo tamin’ny hazofijaliana;
3 ary izaho aza raha tany aminareo dia azon’ny fahalemena sy ny fahatahorana ary ny fangovitana be;
4 ary ny teniko sy ny toriteniko dia tsy tamin’ny teny fahendrena izay natao hampiaiky, fa tamin’ny fanehoana ny Fanahy sy ny hery
5 mba tsy hiorenan’ny finoanareo amin’ny fahendren’ny olona fa amin’ny herin’Andriamanitra.

1 Corinthiens 2 : 1 – 5 (PDV)

1 Moi-même, frères et sœurs chrétiens, je suis venu chez vous pour vous annoncer le projet caché de Dieu. Mais je ne l’ai pas fait avec des paroles compliquées ni avec des connaissances extraordinaires.
2 En effet, au milieu de vous, je n’ai rien voulu savoir, sinon Jésus-Christ, et Jésus-Christ cloué sur une croix.
3 Moi-même, devant vous, j’ai été faible, j’avais peur, je tremblais.
4 Ma parole et mon enseignement n’avaient rien à voir avec les discours convaincants de la sagesse humaine. Mais c’est la puissance de l’Esprit Saint qui apparaissait clairement dans ce que je disais.
5 Ainsi votre foi ne peut pas s’appuyer sur la sagesse humaine, mais sur la puissance de Dieu.

Evangile

Matio 5 : 13 – 16 (MRV)

Fanasin’ny tany sy fahazavan’izao tontolo izao
13 Ianareo no fanasin’ny tany; fa raha ny sira no tonga matsatso, inona indray no hahasira azy ? Tsy misy heriny hanaovana na inona na inona intsony izy, fa hariana any ivelany ka hohitsahin’ny olona.
14 Ianareo no fahazavan’izao tontolo izao. Tsy azo afenina izay tanàna miorina eo an-tampon-tendrombohitra.
15 Ary koa, tsy misy olona mandrehitra jiro ka mametraka azy ao ambanin’ny vata famarana, fa apetrany eo amin’ny fitoeran-jiro izany mba ho fanazavana ho an’izay rehetra ao an-trano.
16 Aoka hazava eo imason’ny olona toy izany koa ny fahazavanareo mba hahitany ny asa tsara ataonareo ka hankalazany ny Rainareo izay any an-danitra.

Les disciples sont le sel de toute la terre et la lumière du monde
13 « Vous êtes le sel de toute la terre. Mais quand le sel perd son goût, comment lui rendre son bon goût ? Il ne sert plus à rien. On le jette dehors et les gens marchent dessus.
14 « Vous êtes la lumière du monde. Quand une ville est construite sur une montagne, elle ne peut pas être cachée.
15 Et quand on allume une lampe, ce n’est pas pour la mettre sous un seau ! Au contraire, on la met bien en haut, et elle brille pour tous ceux qui sont dans la maison.
16 De la même façon, votre lumière doit briller devant tout le monde. Alors les autres verront le bien que vous faites. Ils pourront chanter la gloire de votre Père qui est dans les cieux. »

Retour en haut