
Ancien Testament
12 Koa maminania ka lazao aminy hoe: Izao no lazain’NY TOMPO Andriamanitra: Indro, ry oloko, Izaho no hanokatra ny fasanareo, ary hampiakariko avy amin’ny fasanareo ianareo ka ho entiko ho any amin’ny tanin’ny Israely;
13 dia ho fantatrareo fa Izaho no TOMPO, rehefa manokatra ny fasanareo Aho, ry oloko, ka mampiakatra anareo hiala amin’ny fasanareo!
14 Ary hataoko ao anatinareo ny Fanahiko dia ho velona ianareo, ary hamponeniko any amin’ny taninareo ianareo; dia ho fantatrareo fa Izaho TOMPO no efa niteny sady nanatanteraka izany, hoy NY TOMPO.
12 Eh bien, annonce-leur ces paroles de ma part : Moi, le Seigneur Dieu, je vous le dis, je vais ouvrir vos tombes et je vous en ferai sortir, vous, mon peuple. Je vous ramènerai sur la terre d’Israël.
13 Quand j’ouvrirai vos tombes, quand je vous en ferai sortir, vous mon peuple, vous saurez que le Seigneur, c’est moi !
14 Je mettrai en vous mon esprit, et vous vivrez. Je vous installerai sur votre terre. Alors vous le saurez : c’est moi, le Seigneur, qui ai parlé, et je fais ce que je dis. » Voilà ce que le Seigneur déclare.
.
Epître
8 Ary izay ao amin’ny nofo dia tsy mahay manao ny sitrapon’Andriamanitra.
9 Fa ianareo dia tsy ao amin’ny nofo fa ao amin’ny Fanahy, raha ny Fanahin’Andriamanitra no mitoetra ao anatinareo. Raha misy kosa tsy manana ny Fanahin’i Kristy dia tsy Azy izy.
10 Fa raha Kristy no mitoetra ao anatinareo, na dia maty ihany aza ny tena noho ny ota dia fiainana kosa ny an’ny Fanahy noho ny fahamarinana.
11 Ary raha ny Fanahin’Izay nanangana an’i Jesosy tamin’ny maty no mitoetra ao anatinareo, dia Izay nanangana an’i Kristy Jesosy tamin’ny maty no hamelona ny tenanareo mety maty amin’ny Fanahiny izay mitoetra ao anatinareo.
8 Et ceux qui suivent ces désirs ne peuvent pas plaire à Dieu.
9 Or, vous, vous ne suivez plus ces désirs, vous suivez l’Esprit de Dieu parce qu’il habite en vous. Si quelqu’un n’a pas l’Esprit du Christ, il n’appartient pas au Christ.
10 Mais le Christ est en vous. Bien sûr, votre corps va mourir à cause du péché. Mais, puisque vous avez été rendus justes, l’Esprit Saint vous donne la vie.
11 Dieu a réveillé Jésus de la mort. Si l’Esprit de Dieu habite en vous, ce Dieu qui a réveillé le Christ de la mort donnera la vie par son Esprit à vos corps qui doivent mourir.
Evangile
Ny nahafatesan’i Lazarosy, ilay sakaizan’i Jesosy
1 Nisy lehilahy iray narary, dia i Lazarosy avy any Betania, tanànan’i Maria sy i Marta rahavaviny.
2 I Maria dia ilay nanosotra menaka manitra ny Tompo sy namaoka ny tongony tamin’ny volon-dohany, ary i Lazarosy anadahiny ity narary ity.
3 Nandefa iraka tany amin’i Jesosy izy mirahavavy mba hilaza hoe: Tompoko, indro, marary ilay tianao.
4 Ary rehefa ren’i Jesosy izany dia hoy Izy: Tsy ho fahafatesana no anton’izany aretina izany, fa ny hampisehoana ny voninahitr’Andriamanitra, mba hankalazana ny Zanak’Andriamanitra.
5 Ary Jesosy tia an’i Marta sy ny rahavaviny ary i Lazarosy.
6 Nony ren’i Jesosy fa narary i Lazarosy dia mbola nitoetra roa andro teo amin’izay nitoerany ihany Izy.
7 Taorianan’izany, vao hoy Izy tamin’ny mpianatra: Andeha isika ho any Jodia indray.
8 Hoy ny mpianatra taminy: Raby ô, vao haingana teo no nitadiavan’ny Jiosy hitora-bato Anao, koa hankany indray va Ianao?
9 Dia hoy ny navalin’i Jesosy hoe: Tsy roa amby folo va ny ora amin’ny indray andro? Raha misy mandeha amin’ny antoandro dia tsy mba tafintohina izy, fa mahita ny fahazavan’izao tontolo izao.
10 Fa raha misy kosa mandeha amin’ny alina dia ho tafintohina izy satria tsy misy mazava ao aminy.
11 Izay no nolazainy; ary taorianan’izany dia hoy Izy taminy: Matory i Lazarosy sakaizantsika; fa handeha hamoha azy Aho.
12 Dia hoy ny mpianatra Taminy: Tompoko, raha matory izy dia azo vonjena ihany.
13 Nefa Jesosy tamin’io dia nilaza ny fahafatesan’i Lazarosy; saingy nataon’izy ireo kosa fa ny fialan-tsasatra amin’ny torimaso no nolazainy.
14 Tamin’izay Jesosy vao nilaza mazava taminy hoe: Maty i Lazarosy.
15 Ary faly Aho noho ny aminareo satria tsy tany, mba hinoanareo; fa andeha isika hankany aminy.
16 Dia hoy i Tomasy, izay atao hoe Kambana, tamin’ny mpianatra namany: Andeha koa isika mba hiara-maty aminy.
Ny fitsanganana amin’ny maty sy ny fiainana
17 Nony tonga Jesosy dia hitany fa efa nilevina hefarana izy.
18 Ary Betania dia tao akaikin’i Jerosalema, tokony ho dimy amby folo stadio no elanelany.
19 Ary maro tamin’ny Jiosy no efa tonga teo amin’i Marta sy i Maria mba hitsapa alahelo azy noho ny amin’ny anadahiny.
20 Ary i Marta, raha nandre fa tamy Jesosy, dia nandeha nitsena Azy; fa i Maria kosa dia nitoetra tao an-trano.
21 Ary hoy i Marta tamin’i Jesosy: Tompoko, raha teto Ianao dia tsy maty ny anadahiko.
22 Nefa fantatro fa na dia ankehitriny izao aza, na inona na inona no hangatahinao amin’Andriamanitra, dia homen’Andriamanitra Anao.
23 Hoy Jesosy taminy: Hitsangana ny anadahinao.
24 Fa hoy i Marta taminy: Fantatro ihany fa hitsangana izy amin’ny fitsanganan’ny maty amin’ny andro farany.
25 Hoy Jesosy taminy: Izaho no fananganana ny maty sy fiainana; izay mino Ahy, na dia maty aza, dia ho velona indray.
26 Ary izay rehetra velona ka mino Ahy dia tsy ho faty mandrakizay. Mino izany va ianao?
27 Hoy izy Taminy: Eny, Tompoko; mino aho fa Ianao no Kristy, Zanak’Andriamanitra, ilay ho tonga amin’izao tontolo izao.
28 Rehefa nilaza izany izy dia nandeha niantso mangingina an’i Maria rahavaviny ka hoy izy hoe: Tonga ny Mpampianatra ka miantso anao.
29 Raha vao nandre izany i Maria dia nitsangana haingana ka nankeo Aminy.
30 Nefa tsy mbola tonga tao an-tanàna Jesosy, fa mbola teo amin’ilay toerana nitsenan’i Marta Azy ihany.
31 Ary ny Jiosy izay tao amin’i Maria tao an-trano ka nitsapa alahelo azy, raha nahita azy nitsangana haingana ka nivoaka avy tao dia nanaraka azy satria nataony fa nankany amin’ny fasana hitomany any izy.
32 Ary i Maria, rehefa tonga teo amin’izay nisy an’i Jesosy ka nahita Azy, dia niankohoka teo amin’ny tongony ka niteny Taminy hoe: Tompoko, raha teto Ianao dia tsy maty ny anadahiko.
33 Ary Jesosy nony nahita azy nitomany sy ny Jiosy izay niaraka taminy nitomany koa dia vonto ny fanahiny ka nangorohoro ny tenany;
34 ary hoy Izy: Aiza moa no nandevenanareo azy? Dia hoy ireo Taminy: Tompoko, andeha hizaha.
35 Jesosy nitomany.
36 Dia hoy ny Jiosy: Akory ity haben’ny fitiavany azy!
37 Fa hoy ny sasany: Moa tsy hain’Ilehity izay nampahiratra ny mason’ilay jamba va, ny manao izay tsy ho nahafaty an-dRalehilahy ity?
Mamerina an’i Lazarosy amin’ny fiainana Jesosy
38 Dia vonto indray ny fanahin’i Jesosy ka nankeo amin’ny fasana Izy, ary zohy izany sady nisy vato narindrina teo.
39 Hoy Jesosy: Esory ny vato. Hoy i Marta, anabavin’ny maty, Taminy: Tompoko, efa maimbo izy izao, fa efa hefarana izay.
40 Hoy Jesosy taminy: Tsy voalazako va fa raha hino ianao dia ho hitanao ny voninahitr’Andriamanitra?
41 Dia nesoriny ny vato. Ary Jesosy dia nanandratra ny masony ka niteny hoe: Ray ô, misaotra Anao Aho, fa efa nihaino Ahy Ianao.
42 Raha Izaho dia fantatro fa mihaino Ahy mandrakariva Ianao; fa noho ny vahoaka mitsangana manodidina no nilazako izany mba hinoany fa Ianao no naniraka Ahy.
43 Rehefa nilaza izany teny izany Izy dia niantso tamin’ny feo mahery hoe: Ry Lazarosy, mivoaha!
44 Dia nivoaka tao ny maty, ny tanany sy ny tongony dia nisy fehim-paty sady voasarona lambam-paty koa ny tavany. Hoy Jesosy tamin’ny olona: Vahao izy ka avelao handeha.
45 Ary maro tamin’ny Jiosy, izay nankeo amin’i Maria ka nahita ireo zavatra nataon’i Jesosy ireo, no nino Azy.
La mort de Lazare
1Il y a un homme malade appelé Lazare. Il habite à Béthanie, le village de Marie et de sa sœur Marthe.
2 Marie est la femme qui a versé du parfum sur les pieds du Seigneur et qui les a essuyés avec ses cheveux. C’est le frère de Marie, Lazare, qui est malade.
3 Les deux sœurs envoient quelqu’un dire à Jésus : « Seigneur, ton ami est malade. »
4 Quand Jésus entend cela, il dit : « La maladie de Lazare ne va pas le faire mourir, mais elle va servir à montrer la gloire de Dieu. Ainsi elle donnera de la gloire au Fils de Dieu. »
5 Jésus aime Marthe et sa sœur, et Lazare.
6 Il apprend que Lazare est malade, et pourtant, pendant deux jours, Jésus reste là où il est.
7 Ensuite il dit à ses disciples : « Retournons en Judée. »
8 Ses disciples lui disent : « Maître, l’autre jour, des Juifs cherchaient à te tuer en te jetant des pierres, et tu veux retourner là-bas ? »
9 Jésus leur répond : « Il y a douze heures dans une journée. Si on marche pendant le jour, on ne tombe pas, parce qu’on voit clair.
10 Mais si on marche pendant la nuit, on tombe, parce qu’on ne voit pas clair. »
11 Ensuite Jésus ajoute : « Notre ami Lazare s’est endormi, mais je vais aller le réveiller. »
12 Les disciples lui disent : « Seigneur, s’il s’est endormi, il guérira. »
13 Jésus a voulu dire : « Lazare est mort », mais les disciples croient qu’il parle du sommeil normal.
14 Alors Jésus leur dit clairement : « Lazare est mort.
15 Je n’étais pas là-bas et je m’en réjouis, à cause de vous. De cette façon, vous pourrez croire en moi. Mais allons auprès de Lazare. »
16 Alors Thomas, appelé aussi le Jumeau, dit aux autres disciples : « Allons-y nous aussi, pour mourir avec Jésus ! »
Jésus est la vie
17 Quand Jésus arrive, il apprend qu’on a mis Lazare dans la tombe il y a quatre jours déjà.
18 Béthanie est près de Jérusalem, à trois kilomètres environ.
19 C’est pourquoi beaucoup de Juifs sont venus chez Marthe et Marie, pour les consoler de la mort de leur frère.
20 Marthe apprend que Jésus arrive et elle part à sa rencontre. Marie reste assise à la maison.
21 Marthe dit à Jésus : « Seigneur, si tu avais été là, mon frère ne serait pas mort.
22 Mais, même maintenant, Dieu te donnera tout ce que tu lui demanderas, j’en suis sûre. »
23 Jésus lui dit : « Ton frère se relèvera de la mort. »
24 Marthe lui répond : « Oui, je le sais, il se relèvera de la mort quand tous les morts se relèveront, le dernier jour. »
25 Jésus lui dit : « Celui qui relève de la mort, c’est moi. La vie, c’est moi. Celui qui croit en moi aura la vie, même s’il meurt.
26 Et tous ceux qui vivent et qui croient en moi ne mourront jamais. Est-ce que tu crois cela ? »
27 Marthe répond à Jésus : « Oui, Seigneur, je crois que tu es le Messie, le Fils de Dieu, celui qui devait venir dans le monde. »
Jésus pleure à cause de la mort de Lazare
28 Après que Marthe a dit cela, elle part appeler sa sœur Marie. Elle lui dit tout bas : « Le Maître est là et il te demande de venir. »
29 Quand Marie entend cela, elle se lève tout de suite et elle va trouver Jésus.
30 Jésus n’est pas encore entré dans le village. Il est toujours à l’endroit où Marthe l’a rencontré.
31 Des Juifs sont dans la maison avec Marie, pour la consoler. Ils voient qu’elle s’est levée tout de suite et qu’elle est sortie. Ils pensent : elle part vers la tombe, pour pleurer là-bas. Alors ils la suivent.
32 Marie arrive à l’endroit où Jésus se trouve. Quand elle le voit, elle se jette à ses pieds et lui dit : « Seigneur, si tu avais été là, mon frère ne serait pas mort. »
33 Jésus voit qu’elle pleure. Les Juifs qui sont venus avec elle pleurent aussi. Alors Jésus est bouleversé et troublé.
34 Il demande : « Où est-ce que vous l’avez mis ? » Ils lui répondent : « Seigneur, viens et tu verras. »
35 Jésus se met à pleurer.
36 Les Juifs disent : « Regardez ! Il aimait beaucoup Lazare ! »
37 Mais d’autres disent : « Il a ouvert les yeux de l’aveugle, et il n’a pas pu empêcher Lazare de mourir ? »
Jésus rend la vie à Lazare
38 De nouveau, Jésus est bouleversé et il part vers la tombe. C’est une grotte avec une grosse pierre placée devant l’entrée.
39 Jésus dit : « Enlevez la pierre ! » Marthe, la sœur du mort, lui dit : « Seigneur, il doit déjà sentir mauvais. Il est dans la tombe depuis quatre jours. »
40 Mais Jésus lui répond : « Je t’ai dit : “Si tu crois, tu verras la gloire de Dieu.” »
41 On enlève donc la pierre. Jésus lève les yeux vers le ciel et il dit : « Père, je te dis merci, parce que tu m’as écouté.
42 Tu m’écoutes toujours, je le sais. Mais je dis cela à cause des gens qui sont autour de moi. Ainsi, ils pourront croire que tu m’as envoyé. »
43 Ensuite Jésus crie d’une voix forte : « Lazare, sors de là ! »
44 Et Lazare sort, lui qui était mort. Il a les pieds et les mains attachés avec des bandes de tissu. Son visage est enveloppé dans un linge. Jésus dit aux gens : « Enlevez-lui tout cela et laissez-le partir. »
45 Beaucoup de Juifs sont allés chez Marie et ils ont vu ce que Jésus a fait. Ils se mettent à croire en lui.
