
Ancien Testament
Manosotra an’i Davida ho mpanjakan’ny Israely i Samoela
1 Hoy NY TOMPO tamin’i Samoela : Mandra-pahoviana no halahelovanao an’i Saoly, nefa Izaho efa nandà azy tsy ho mpanjakan’ny Israely ? Fenoy diloilo ny tandrokao ka mandehana, fa hirahiko ho any amin’i Jese betlehemita ianao; fa efa nahita mpanjaka ho Ahy ao amin’ny zanany Aho.
2 Fa hoy i Samoela : Hataoko ahoana no fandeha any ? Raha ren’i Saoly izany, moa tsy hovonoiny va aho ? Hoy NY TOMPO : Mitondrà ombivavy kely ianao ka lazao hoe : Avy hamono zavatra hatao fanatitra ho an’NY TOMPO aho.
3 Dia antsoy i Jese mba ho any amin’ny fanatitra, ary Izaho no hampahafantatra anao izay hataonao ka hohosoranao ho Ahy izay holazaiko aminao.
4 Ary nanatanteraka izay nolazain’NY TOMPO i Samoela ka tonga tao Betlehema. Nitsena azy tamin-kovitra ny loholona teo an-tanàna ka niteny hoe : Fihavanana va no iavianao ?
5 Dia hoy izy : Fihavanana; avy hamono zavatra hatao fanatitra ho an’NY TOMPO aho; hamasino ny tenanareo, ary andeha hiaraka amiko ho any amin’ny fanatitra. Dia nohamasininy i Jese sy ny zanany ka nasainy ho any amin’ny fanatitra.
6 Nony tonga ireo dia nijery an’i Eliaba izy ka niteny hoe : Ny voahosotry NY TOMPO tokoa ity eto anatrehany.
7 Fa hoy NY TOMPO tamin’i Samoela : Aza mijery ny tarehiny na ny haavon’ny tsanganany fa efa nolaviko izy; satria tsy mba toy ny fijerin’ny olona no fijerin’NY TOMPO; ny olona dia mijery ny miseho eo ivelany, fa NY TOMPO kosa mijery ny fo.
8 Ary niantso an’i Abinadaba i Jese ka nampandalo azy teo anatrehan’i Samoela. Fa hoy izy : Tsy ity no nofidin’NY TOMPO.
9 Dia nampandalo an’i Sama indray i Jese. Fa hoy izy : Tsy ity no nofidin’NY TOMPO.
10 Nampandalo fito lahy tamin’ny zanany teo anatrehan’i Samoela i Jese, nefa hoy i Samoela tamin’i Jese : Tsy nofidin’NY TOMPO ireto.
11 Ary hoy i Samoela tamin’i Jese : Tapitra eto avokoa va ny zanakao lahy rehetra ? Dia hoy izy : Ny faralahy no sisa, fa miandry ondry izy. Hoy i Samoela tamin’i Jese : Maniraha olona haka azy, fa tsy hipetraka hihinana isika raha tsy tonga eto izy.
12 Dia nandefa iraka haka azy izy. Mena volo izy sady bary maso no tsara tarehy. Ary hoy NY TOMPO : Mitsangàna, hosory izy, fa io no izy.
13 Ary nandray ny tandroka feno diloilo i Samoela ka nanosotra azy teo anatrehan’ny rahalahiny; nanomboka tamin’iny andro iny dia tonga tamin’i Davida ny Fanahin’NY TOMPO. Dia nitsangana i Samoela ka nankany Rama.
Le Seigneur choisit David comme nouveau roi
1 Le Seigneur dit à Samuel : « Est-ce que tu vas pleurer Saül encore longtemps ? C’est moi qui l’ai rejeté, et il ne sera plus roi d’Israël. Prends de l’huile et va à Bethléem. Je t’envoie là-bas, chez Jessé. En effet, j’ai choisi parmi ses fils le roi qui me plaît. »
2 Samuel demande : « Comment est-ce que je peux faire cela ? Si je vais à Bethléem, Saül va l’apprendre et il va me tuer ! » Le Seigneur lui répond : « Prends avec toi un veau. Tu diras : “Je viens offrir un sacrifice au Seigneur.”
3 Invite Jessé à la cérémonie. Je te dirai ce que tu dois faire. Je te montrerai celui que j’ai choisi, et tu verseras de l’huile sur lui pour le faire roi. »
4 Samuel fait ce que le Seigneur a dit. Quand il arrive à Bethléem, les anciens de la ville sont inquiets. Ils viennent à sa rencontre et lui demandent : « Est-ce que tu viens nous annoncer une bonne nouvelle ? »
5 Samuel répond : « Oui. Je viens offrir un sacrifice au Seigneur. Rendez-vous purs pour la cérémonie et venez ensuite avec moi. » Samuel dit aussi à Jessé et à ses fils : « Rendez-vous purs, je vous invite au sacrifice. »
6 Quand Jessé et ses fils arrivent, Samuel voit Éliab et pense : « C’est sûrement lui que le Seigneur a choisi. »
7 Mais le Seigneur lui dit : « Cet homme est beau et il est grand. Mais ne fais pas attention à cela ! Ce n’est pas lui que j’ai choisi. Je ne juge pas comme les êtres humains. Les gens font attention à ce qui se voit, mais moi, je regarde le fond du cœur. »
8 Ensuite Jessé appelle Abinadab. Il le fait passer devant Samuel, mais Samuel dit : « Ce n’est pas non plus cet homme-là que le Seigneur a choisi. »
9 Jessé fait passer encore Chamma, mais Samuel dit : « Ce n’est pas lui non plus. »
10 Jessé fait passer ainsi sept de ses fils devant Samuel. Samuel lui dit : « Le Seigneur n’a choisi aucun d’eux. »
11 Puis il ajoute : « Est-ce que tes fils sont tous là ? » Jessé répond : « Non, il y a encore David, le plus jeune. Il garde les moutons. » Samuel lui dit : « Envoie quelqu’un le chercher ! Nous ne commencerons pas le repas du sacrifice avant son arrivée. »
12 Aussitôt Jessé fait venir David. David a le teint clair, avec de beaux yeux et un beau visage. Alors le Seigneur dit à Samuel : « C’est lui ! Verse de l’huile sur sa tête pour le faire roi ! »
13 Samuel prend l’huile et il la verse sur la tête de David devant ses frères. L’esprit du Seigneur descend sur David et, à partir de ce jour-là, il ne le quitte plus. Ensuite Samuel part et il retourne à la ville de Rama.
.
Epître
8 Fa maizina ianareo fahiny, nefa efa mazava ao amin’ny Tompo kosa ankehitriny. Mandehana tahaka ny zanaky ny mazava
9 satria ny vokatry ny mazava dia ao amin’ny fahatsaram-panahy rehetra sy ny fahamarinana ary ny fahitsiana.
10 Fantaro izay ankasitrahan’ny Tompo,
11 ary aza miombona amin’ny asan’ny maizina tsy mahavoka-tsoa, fa aleo mampahafantatra izany.
12 Izay ataony ao amin’ny miafina mantsy dia mahamenatra na dia ny milaza azy ihany aza.
13 Fa ny zavatra rehetra, rehefa ampahafantarina, dia asehon’ny mazava;
14 fa na inona na inona aseho dia mazava. Koa izany no ilazany hoe : Mifohaza ianao izay matory ary mitsangàna amin’ny maty, dia hampahazava anao Kristy.
8 Oui, avant, vous étiez dans la nuit, mais maintenant, en étant unis au Seigneur, vous êtes dans la lumière. Vivez comme des gens qui appartiennent à la lumière.
9 Ce que la lumière produit, c’est toute action bonne, juste et vraie.
10 Cherchez ce qui plaît au Seigneur.
11 Les actions qui appartiennent à la nuit ne produisent rien de bon. N’y participez pas, au contraire, dénoncez-les !
12 Oui, ce que ces gens-là font en cachette, on a honte d’en parler.
13 Pourtant, quand on dénonce ce qu’ils font, leurs actions apparaissent en pleine lumière.
14 En effet, tout ce qui apparaît clairement devient lumière. C’est pourquoi on dit : « Réveille-toi, toi qui dors. Lève-toi du milieu des morts, et le Christ t’éclairera de sa lumière. »
Evangile
Ny nampahiratan’i Jesosy ilay lehilahy teraka jamba
1 Raha nandalo toerana iray Jesosy dia nahita lehilahy jamba hatramin’ny nahaterahany.
2 Ary nanontany Azy ny mpianany hoe : Raby ô, iza moa no nanota, io lehilahy io va sa ny ray aman-dreniny, no dia teraka jamba izy ?
3 Dia novalìn’i Jesosy hoe : Tsy io lehilahy io no nanota na ny ray aman-dreniny, fa ny hanehoana ny asan’Andriamanitra eo aminy no anton’izao.
4 Isika tsy maintsy manao ny asan’izay naniraka Ahy, raha mbola antoandro; avy ny alina ka tsy mahazo miasa ny olona.
5 Raha amin’izao tontolo izao Aho dia fahazavan’izao tontolo izao.
6 Rehefa avy nilaza izany Izy dia nandrora tamin’ny tany ka nanao feta tamin’ny rora, dia nahosony ny mason’ilay jamba.
7 Ary hoy Izy taminy : Andeha, sasao any amin’ny farihy Siloama, izay atao hoe Nirahina, ny masonao. Dia lasa ilay jamba nanasa ny masony, ary niverina nahiratra.
8 Koa izay nifanolo-bodirindrina taminy sy izay nahita azy fa mpangataka izy taloha dia niteny hoe : Tsy ity va ilay nipetraka nangataka ?
9 Hoy ny sasany : Izy ity, fa hoy ny sasany : Tsia, fa tahaka azy ihany ity. Hoy kosa izy : Izaho no izy.
10 Dia hoy ny olona taminy : Ahoana no nahiratan’ny masonao ?
11 Ary hoy izy hoe : Ilay lehilahy atao hoe Jesosy no nanao feta, dia nanosotra ny masoko ka niteny tamiko hoe : Mankanesa any Siloama ka sasao ny masonao; dia nandeha aho ka nanasa azy ary nahiratra.
12 Ary hoy ny olona taminy : Aiza moa izany lehilahy izany ? Hoy Ralehilahy : Tsy fantatro.
Nanadihady ilay jamba sitrana ny Fariseo
13 Dia noentiny tany amin’ny Fariseo* ilay jamba taloha.
14 Ary tamin’ny andro Sabata no nanaovan’i Jesosy ny feta sy nampahiratany ny mason-dRalehilahy.
15 Ary mbola nanontany azy ny amin’izay nahiratan’ny masony koa ny Fariseo. Dia hoy izy taminy : Nasiany feta ny masoko dia nosasako ka nahiratra aho.
16 Ary hoy ny Fariseo sasany : Tsy avy amin’Andriamanitra izany lehilahy izany satria tsy mitandrina ny Sabata Izy. Hoy ny sasany : Hataon’ny lehilahy mpanota ahoana no fahay manao fahagagana toy izany ? Dia nisara-tsaina izy ireo.
17 Ary hoy indray izy tamin’ilay jamba : Inona no ilazanao ilay nampahiratra ny masonao ? Dia hoy izy : Mpaminany Izy.
18 Fa ny Jiosy dia tsy nino azy ho jamba nahiratra, raha tsy niantso ny ray aman-drenin’ilay nahiratra
19 ka nanontaniany hoe : Zanakareo moa ity, izay lazainareo hoe teraka jamba ? Koa nanao ahoana ary no nahiratany izao indray ?
20 Dia hoy ny navalin’ireto ray aman-dreniny hoe : Fantatray fa zanakay ity sady teraka jamba;
21 fa tsy fantatray izay fomba nahiratany toy izao; ary tsy fantatray izay olona nampahiratra ny masony; izy ihany no anontanio; efa lehibe izy, aoka izy no hilaza ny amin’ny tenany.
22 Izany teny izany no nolazain’ny ray aman-dreniny satria natahotra ny Jiosy izy ireo; fa efa nifanaiky mantsy ny Jiosy fa raha misy manaiky Azy ho Kristy dia horoahina tsy ho isan’ny amin’ny sinagoga.
23 Izany no nilazan’ny ray aman-dreniny hoe : Efa lehibe izy, koa izy no anontanio.
24 Dia niantso ilay jamba teo aloha indray izy ireo ka niteny taminy hoe : Omeo voninahitra Andriamanitra; izahay dia mahalala fa mpanota izany lehilahy izany.
25 Fa hoy izy hoe : Tsy fantatro na mpanota Izy na tsia; zavatra iray loha ihany no fantatro : Jamba aho teo aloha fa mahiratra aho izao.
26 Dia hoy izy taminy : Inona no nataony taminao ? Nanao ahoana hoe no nampahiratany ny masonao ?
27 Dia hoy izy hoe : Efa voalazako taminareo ihany fa tsy nihaino ianareo; nahoana indray no te hihaino ianareo izao ? Moa te ho mpianany koa va ianareo ?
28 Dia nanevateva azy izy ireo hoe : Ialahy no mpianany; fa izahay dia mpianatr’i Mosesy.
29 Izahay dia mahalala fa i Mosesy no nitenenan’Andriamanitra; fa ny amin’izany lehilahy izany dia tsy fantatray izay niaviany.
30 Namaly azy Ralehilahy hoe : Mba mahagaga tokoa lahy izany ! Fa tsy fantatrareo izay niaviany, nefa nampahiratra ny masoko Izy.
31 Fantatsika fa Andriamanitra tsy mihaino ny mpanota; fa izay mivavaka aminy sy manao ny sitrapony no henoiny.
32 Hatrizay hatrizay dia tsy mbola re fa nisy nampahiratra ny mason’izay teraka jamba.
33 Raha tsy avy amin’Andriamanitra izany lehilahy izany dia tsy nahefa na inona na inona Izy.
34 Ary hoy ny navalin’izy ireo azy hoe : Tena teraka tamin’ny ota tokoa Ialahy, koa Ialahy indray va no hampianatra anay ? Dia noroahiny ho any ivelany izy.
35 Ren’i Jesosy fa efa noroahiny ho any ivelany Ralehilahy; koa rehefa nahita azy Izy dia niteny hoe : Mino ny Zanak’Andriamanitra va ianao ?
36 Namaly Ralehilahy hoe : Iza moa no Izy, Tompoko, mba hinoako Azy ?
37 Hoy Jesosy taminy : Efa nahita Azy ianao sady izay miresaka aminao izao no Izy.
38 Dia hoy izy : Tompoko, mino aho. Sady niankohoka teo anatrehany izy.
Iza moa no tena jamba ?
39 Ary hoy Jesosy : Ho fitsarana no nahatongavako eto amin’izao tontolo izao, mba hahiratra ny tsy mahiratra ary mba ho tonga jamba kosa ny mahiratra.
40Ary ny Fariseo sasany izay teo Aminy, nony nandre izany, dia niteny taminy hoe : Izahay koa va mba jamba ?
41 Hoy Jesosy taminy : Raha jamba ianareo dia tsy ho nanan-keloka; fa noho ianareo ankehitriny miteny hoe : Mahiratra izahay dia tsy afaka ny helokareo.
Jésus guérit un aveugle
1 Sur le chemin, Jésus voit un homme qui est aveugle depuis sa naissance.
2 Les disciples de Jésus demandent : « Maître, cet homme est aveugle depuis sa naissance. Donc, qui a péché, lui ou ses parents ? »
3 Jésus répond : « Ni lui ni ses parents. Mais puisqu’il est aveugle, on va reconnaître clairement que Dieu agit pour lui.
4 Pendant le jour, nous devons accomplir le travail de Celui qui m’a envoyé. La nuit arrive, et personne ne pourra travailler.
5 Pendant que je suis dans le monde, je suis la lumière du monde. »
6 Après que Jésus a dit cela, il crache par terre. Avec sa salive, il fait de la boue et il met la boue sur les yeux de l’aveugle.
7 Ensuite, il lui dit : « Va te laver dans l’eau, à Siloé. » Le nom « Siloé » veut dire « Envoyé ». L’aveugle y va et il se lave. Quand il revient, il voit clair.
8 Cet homme était un mendiant. Ses voisins et ceux qui avaient l’habitude de le voir avant disent : « Est-ce que ce n’est pas l’aveugle qui était assis et qui mendiait ? »
9 Les uns disent : « Oui, c’est lui. » D’autres disent : « Non, c’est quelqu’un qui lui ressemble. » Mais l’homme dit : « C’est bien moi. »
10 Alors les gens lui demandent : « Tes yeux se sont ouverts comment ? »
11 Il répond : « L’homme qu’on appelle Jésus a fait de la boue. Il l’a mise sur mes yeux et il m’a dit : “Va à Siloé et lave-toi.” J’y suis allé, je me suis lavé et maintenant je vois clair. »
12 Les gens lui demandent : « Où est-il, cet homme ? » Il répond : « Je ne sais pas. »
Les Pharisiens interrogent l’aveugle guéri
13 On conduit chez les Pharisiens l’homme qui, avant, était aveugle.
14 Le jour où Jésus a fait de la boue et a ouvert les yeux de l’aveugle, c’était le jour du sabbat.
15 Les Pharisiens, eux aussi, demandent à l’homme : « Tu vois clair maintenant ? Qu’est-ce qui s’est passé ? » L’homme leur dit : « Il m’a mis de la boue sur les yeux. Je me suis lavé, et maintenant je vois. »
16 Quelques Pharisiens disent : « L’homme qui a fait cela ne vient pas de Dieu. En effet, il ne respecte pas le jour du sabbat. » Mais d’autres disent : « Un homme qui est pécheur ne pourrait pas faire des signes aussi étonnants. » Les Pharisiens ne sont pas d’accord entre eux.
17 Alors ils demandent encore à l’homme qui était aveugle : « Et toi, qu’est-ce que tu dis de celui qui t’a ouvert les yeux ? » Il répond : « C’est un prophète. »
18 Mais les chefs juifs ne veulent pas croire que cet homme était aveugle, et que, maintenant, il voit clair. C’est pourquoi ils font venir ses parents,
19 et ils leur demandent : « Est-ce que cet homme est bien votre fils ? Vous dites qu’il est aveugle depuis sa naissance ? Maintenant il voit. Qu’est-ce qui s’est donc passé ? »
20 Les parents de l’homme répondent : « Nous le savons : c’est bien notre fils, et il était aveugle depuis sa naissance.
21 Maintenant il voit clair. Mais ce qui s’est passé, nous ne le savons pas. Qui lui a ouvert les yeux ? Nous ne savons pas. Interrogez-le ! Il est assez grand, il répondra lui-même ! »
22 Les parents disent cela parce qu’ils ont peur des chefs juifs. En effet, ceux-ci se sont déjà mis d’accord. Ils vont chasser de la maison de prière tous ceux qui affirment : « Jésus est le Messie ! »
23 C’est pourquoi les parents de l’homme disent : « Il est assez grand, interrogez-le ! »
24 Alors, pour la deuxième fois, les Pharisiens appellent l’homme qui était aveugle, et ils lui disent : « Dis la vérité devant Dieu ! Nous, nous le savons, celui qui t’a guéri est un homme pécheur. »
25 Il leur répond : « Je ne sais pas si c’est un pécheur. Mais je sais une seule chose : j’étais aveugle et maintenant je vois clair. »
26 Ils lui demandent : « Qu’est-ce qu’il t’a fait ? Comment est-ce qu’il t’a ouvert les yeux ? »
27 L’homme leur répond : « Je vous l’ai déjà dit, mais vous n’avez pas écouté. Vous voulez l’entendre une deuxième fois, pourquoi donc ? Vous avez peut-être envie de devenir les disciples de Jésus, vous aussi ! »
28 Alors ils se mettent à l’insulter. Ils lui disent : « C’est toi qui es le disciple de cet homme, nous, nous sommes les disciples de Moïse !
29 Nous, nous savons que Dieu a parlé à Moïse, mais cet homme-là, nous ne savons pas d’où il vient. »
30 L’aveugle guéri leur répond : « Voilà une chose étonnante ! Il m’a ouvert les yeux, et pourtant vous ne savez pas d’où il vient !
31 Nous le savons, Dieu n’écoute pas les pécheurs. Mais il écoute celui qui est fidèle envers lui et qui fait sa volonté.
32 On n’a jamais entendu dire : quelqu’un a ouvert les yeux d’un homme qui est né aveugle.
33 L’homme qui fait cela vient de Dieu, sinon, il ne pourrait rien faire. »
34 Ils lui répondent : « Depuis ta naissance, tu es tout entier dans le péché, et tu veux nous apprendre quelque chose ? » Alors ils le mettent dehors.
Les vrais aveugles
35 Jésus apprend que les Pharisiens ont mis dehors l’aveugle guéri. Jésus va donc le trouver et il lui dit : « Est-ce que toi, tu crois au Fils de l’homme ? »
36 L’homme lui répond : « Seigneur, qui est-ce ? Je veux croire en lui. »
37 Jésus lui dit : « Eh bien, tu le vois : celui qui te parle maintenant, c’est lui. »
38 L’homme dit : « Seigneur, je crois. » Et il se met à genoux devant Jésus.
39 Ensuite Jésus dit : « Je suis venu dans ce monde pour que les aveugles voient clair et pour que ceux qui voient clair deviennent aveugles. Voilà le jugement. »
40 Quelques Pharisiens sont là. Ils entendent les paroles de Jésus et ils lui demandent : « Est-ce que nous sommes aveugles, nous aussi ? »
41 Jésus leur répond : « Si vous étiez aveugles, vous ne seriez pas pécheurs. Mais, en fait, vous dites : “Nous voyons clair.” C’est pourquoi vous restez des pécheurs. »
