
Ancien Testament
3 Teo no nangetaheta ny olona ka nimonomonona tamin’i Mosesy ary niteny hoe: Nahoana no noentinao niakatra niala tany Ejipta ho fatin’ny hetaheta izahay sy ny zanakay ary ny bibinay ?
4 Ary nitaraina tamin’NY TOMPO i Mosesy hoe: Inona no hataoko amin’ireto olona ireto? Mila hitora-bato ahy izy !
5 Dia hoy NY TOMPO tamin’i Mosesy: Mandrosoa eo alohan’ny olona, ary mitondrà loholon’ny Israely hiaraka aminao; ary ny tehinao, ilay nikapohanao an’i Neily, dia ento eny an-tananao ka mandehana.
6 Ary indro, hijoro eo anatrehanao eo ambonin’ny harambato any Horeba Aho dia hikapoka ny harambato ianao ka hisy rano hivoaka avy aminy hosotroin’ny olona. Dia nanatanteraka izany teo imason’ireo loholon’ny Israely i Mosesy.
7 Ary ny anaran’izany tany izany dia nataony hoe: Masa sy Meriba, noho ny ady nataon’ny Zanak’Israely sy noho ny nakany fanahy NY TOMPO hoe: Eto aminay va NY TOMPO, sa tsia?
3 Mais le peuple a soif et il continue à parler contre Moïse. Il dit : « Pourquoi est-ce que tu nous as fait quitter l’Égypte ? Est-ce que tu veux nous faire mourir de soif, nous, nos enfants et nos troupeaux ? »
4 Moïse se met à crier vers le Seigneur : « Qu’est-ce que je dois faire pour ce peuple ? Encore un peu, et ils vont me tuer en me jetant des pierres ! »
5 Le Seigneur répond à Moïse : « Passe devant eux ! Prends avec toi quelques anciens d’Israël. Tiens à la main le bâton avec lequel tu as frappé le Nil.
6 Je vais me tenir devant toi, là, sur un rocher du mont Horeb. Tu frapperas le rocher. De l’eau en sortira, et le peuple pourra boire. » Moïse obéit au Seigneur sous les yeux des anciens.
7 On a appelé cet endroit Massa, c’est-à-dire « Provocation », et Meriba, « Querelle ». En effet, à cet endroit, les Israélites ont cherché querelle à Moïse et ils ont provoqué le Seigneur en disant : « Est-ce que le Seigneur est au milieu de nous, oui ou non ? »
.
Epître
5.1 Koa satria efa nohamarinina tamin’ny finoana isika dia manana fihavanana amin’Andriamanitra amin’ny alalan’i Jesosy Kristy Tompontsika.
5.2 Tamin’ny alalany koa no nahazoantsika ny fahafahana manatona izao fahasoavana itoerantsika izao, noho ny finoana; koa mirehareha amin’ny fanantenana ny voninahitr’Andriamanitra isika.
5.5 Ary ny fanantenana dia tsy mba mahamenatra, satria ny fitiavan’Andriamanitra dia nampidinina ho ao am-pontsika tamin’ny alalan’ny Fanahy Masina izay nomena antsika.
5.6 Fa fony mbola tsy nanan-kery isika dia maty Kristy tamin’ny fotoanandro hamonjy ny ratsy fanahy.
5.7 Fa zara raha misy olona manaiky ho faty hamonjy ny marina; nefa angamba hisy ihany ny sasany sahy maty aza hamonjy ny manao soa.
5.8 Nefa Andriamanitra
5.1 Oui, nous avons été rendus justes en croyant, et maintenant nous sommes en paix avec Dieu, par notre Seigneur Jésus-Christ.
5.2 Nous croyons et, par Jésus, nous pouvons nous approcher du Dieu d’amour en qui nous vivons maintenant. Et nous sommes fiers parce que nous espérons recevoir la gloire de Dieu.
5.5 et cette espérance ne trompe pas. En effet, Dieu a répandu son amour dans nos cœurs par l’Esprit Saint qu’il nous a donné.
5.6 Oui, quand nous étions encore sans force, le Christ est mort pour les gens mauvais, au moment décidé par Dieu.
5.7 Déjà, pour une personne juste, on ne serait guère prêt à mourir. Pour une personne qui fait le bien, on aurait peut-être le courage de mourir.
5.8 Mais voici comment Dieu a prouvé son amour pour nous : le Christ est mort pour nous, et pourtant, nous étions encore pécheurs.
Evangile
5 Tonga tao an-tanàna iray any Samaria, izay atao hoe Sikara, Jesosy; izy io dia akaikin’ny tany izay nomen’i Jakoba ho an’i Josefa zanany.
6 Ary teo ilay fantsakan’i Jakoba. Koa satria sasatra tamin’ny nalehany Jesosy dia nipetraka teo am-pantsakana, rehefa tokony ho tamin’ny ora fahenina.
7 Ary nisy vehivavy samaritana iray avy hantsaka rano; dia hoy Jesosy taminy: Omeo Aho hosotroiko.
8 Fa efa lasa nankany an-tanàna hividy hanina ny mpianany.
9 Fa hoy Ravehivavy samaritana Taminy: Jiosy* Ianao ka nahoana no mangataka amiko rano hosotroina nefa aho vehivavy samaritana? Fa ny Jiosy dia tsy manan-draharaha amin’ny Samaritana.
10 Ary hoy Jesosy: Raha fantatrao ny fanomezan’Andriamanitra sy izay miteny aminao hoe: Omeo Aho hosotroiko dia ianao no ho nangataka Taminy ka nomeny rano velona.
11 Hoy Ravehivavy taminy: Tompoko, tsy manana fanovozana Ianao, sady lalina ny fantsakana; koa avy aiza no hahazoanao izany rano velona izany?
12 Ianao va lehibe noho i Jakoba razantsika izay nanome anay ity fantsakana ity, sady izy sy ny zanany mbamin’ny bibiny no nisotro teto?
13 Fa Jesosy namaly azy hoe: Izay rehetra misotro ity rano ity dia mbola hangetaheta indray;
14 fa na iza na iza no misotro ny rano izay homeko azy dia tsy hangetaheta mandrakizay; satria ny rano izay homeko azy dia ho loharano miboiboika ao aminy ho fiainana mandrakizay.
15 Dia hoy Ravehivavy Taminy: Tompoko, omeo izany rano izany aho mba tsy hangetaheta na hanketo hantsaka intsony.
16 Ary hoy Jesosy taminy: Andeha ary antsoy ny vadinao dia mankanesa atỳ.
17 Namaly Azy Ravehivavy hoe: Tsy manambady aho. Hoy Jesosy taminy: Marina ihany izay nolazainao hoe: Tsy manambady aho;
18 fa efa nanambady indimy ianao sady tsy vadinao ilay itoeranao ankehitriny; marina izany voalazanao izany.
19 Hoy Ravehivavy taminy: Tompoko, hitako fa mpaminany ianao.
20 Ny razanay dia nivavaka teto amin’ity tendrombohitra ity; ianareo anefa dia milaza fa any Jerosalema ihany no tokony hivavahana.
21 Hoy Jesosy taminy: Ravehivavy, minoa Ahy, fa avy ny andro ka tsy amin’ity tendrombohitra ity, na any Jerosalema aza, no hivavahanareo amin’ny Ray.
22 Ianareo dia mivavaka amin’izay tsy fantatrareo; izahay kosa dia mivavaka amin’izay fantatray satria avy amin’ny Jiosy ny famonjena.
23 Fa avy ny fotoana sady tonga ankehitriny, raha ny tena mpivavaka hivavaka amin’ny Ray amin’ny fanahy sy ny fahamarinana; satria ny Ray koa mitady ny mpivavaka Aminy ho tahaka izany.
24 Andriamanitra dia Fanahy; ary izay mivavaka Aminy dia tsy maintsy mivavaka amin’ny fanahy sy ny fahamarinana.
25 Dia hoy Ravehivavy taminy: Fantatro fa ho avy ny Mesia, ilay atao hoe Kristy; koa rehefa tonga Izy dia hambarany amintsika ny zavatra rehetra.
26 Hoy Jesosy taminy: Izaho izay miresaka aminao no Izy.
27 Tamin’izay dia tonga ny mpianany ka gaga satria vehivavy no niresahany; nefa tsy nisy nahateny hoe: Inona no tadiavinao ? Na hoe: Nahoana no miresaka aminy Ianao ?
28 Dia nandao ny sininy Ravehivavy ka nankany an-tanàna ary nilaza tamin’ny olona hoe :
29 Andeha isika hizaha lehilahy iray, izay nilaza tamiko ny nataoko rehetra; izao angaha no Kristy !
30 Dia nivoaka avy tao an-tanàna ny olona ka nankeo amin’i Jesosy.
31 Nandritra izany fotoana izany kosa dia niangavy Azy ny mpianany hoe: Hano, Raby ô.
32 Fa hoy Jesosy taminy: Izaho manan-kanina izay tsy fantatrareo.
33 Dia niresaka ny mpianatra hoe: Nisy olona nitondra zavatra hohaniny va re ?
34 Hoy Jesosy taminy: Ny haniko dia ny manao ny sitrapon’izay naniraka Ahy sy ny mahavita ny asany.
35 Moa tsy ianareo va no milaza hoe: Efa-bolana no sisa dia ho tonga ny fararano ? Indro, lazaiko aminareo: Atopazy ny masonareo ka jereo, fa efa masaka sahady ho amin’ny fijinjana ny eny an-tsaha.
36 Ary izay mijinja dia mandray karama ka mamory vokatra ho amin’ny fiainana mandrakizay mba hiara-mifaly ny mpamafy sy ny mpijinja.
37 Ary amin’izany dia marina ilay teny hoe: Mamafy ny iray, mijinja kosa ny iray.
38 Izaho naniraka anareo hijinja izay tsy nisasaranareo; olon-kafa no nisasatra, fa ianareo kosa no niditra teo amin’izay nisasarany.
39 Maro ny Samaritana avy tao amin’izany tanàna izany no nino an’i Jesosy noho ny filazan-dRavehivavy izay nanambara hoe: Nolazainy tamiko avokoa izay rehetra nataoko.
40 Rehefa nanatona Azy ny Samaritana dia nangataka Azy hitoetra tao aminy; koa nitoetra tao roa andro Izy. 41 Ary maro koa no nino noho ny teniny
42 ka nilaza tamin-dRavehivavy hoe: Tsy noho ny filazanao ihany no inoanay, fa ny tenanay no mandre ka fantatray fa Izy tokoa no Mpamonjy izao tontolo izao.
5 Il arrive près d’une ville de Samarie appelée Sychar. Elle est près du champ que Jacob a donné à son fils Joseph.
6 À cet endroit, il y a le puits de Jacob. Jésus est fatigué par le voyage, et il s’assoit au bord du puits. Il est à peu près midi.
7 Une femme de Samarie vient chercher de l’eau. Jésus lui dit : « Donne-moi à boire. »
8 Ses disciples sont allés à la ville pour acheter à manger.
9 La femme samaritaine dit à Jésus : « Comment ? Toi, un Juif, tu me demandes à boire, à moi, une Samaritaine ? » En effet, les Juifs n’ont pas de contacts avec les Samaritains.
10 Jésus lui répond : « Tu ne connais pas le don de Dieu. Tu ne connais pas celui qui te dit : “Donne-moi à boire.” Sinon, c’est toi qui demanderais à boire, et je te donnerais une eau pleine de vie. »
11 La femme lui dit : « Seigneur, tu n’as rien pour puiser de l’eau, et le puits est profond. Cette eau pleine de vie, où peux-tu la prendre ?
12 Toi, est-ce que tu es plus grand que Jacob, notre ancêtre ? C’est lui qui nous a donné ce puits. Et lui-même, avec ses fils et ses bêtes, il a bu l’eau de ce puits. »
13 Jésus lui répond : « Si quelqu’un boit de cette eau, il aura encore soif.
14 Mais s’il boit l’eau que je lui donnerai, il n’aura plus jamais soif. Au contraire, l’eau que je lui donnerai deviendra en lui une source, et cette source donne la vie avec Dieu pour toujours. »
15 La femme lui dit : « Seigneur, donne-moi cette eau. Alors je n’aurai plus soif, et je n’aurai plus besoin de venir puiser de l’eau ici. »
16 Jésus lui dit : « Va appeler ton mari et reviens ici. »
17 La femme lui répond : « Je n’ai pas de mari. » Jésus lui dit : « Tu as raison de dire : “Je n’ai pas de mari.”
18 En effet, tu as eu cinq maris, et l’homme que tu as maintenant, ce n’est pas ton mari. Tu as dit la vérité. »
19 Alors la femme lui dit : « Seigneur, tu es un prophète, je le vois !
20 Nos ancêtres samaritains ont adoré Dieu sur cette montagne. Et vous, les Juifs, vous dites : “Le lieu où il faut adorer, c’est Jérusalem.” »
21 Jésus lui répond : « Crois-moi, le moment arrive où vous n’irez plus ni sur cette montagne ni à Jérusalem pour adorer le Père.
22 Vous, les Samaritains, vous adorez ce que vous ne connaissez pas. Nous, les Juifs, nous adorons ce que nous connaissons. En effet, le salut que Dieu donne vient des Juifs.
23-24 Mais le moment arrive, et c’est maintenant, où Dieu donne son Esprit. Alors ceux qui adorent vraiment le Père vont l’adorer avec l’aide de l’Esprit Saint et comme le Fils l’a montré. Oui, le Père cherche des gens qui l’adorent de cette façon. Ils doivent l’adorer avec l’aide de l’Esprit Saint et comme le Fils l’a montré. »
25 La femme dit à Jésus : « Je sais que le Messie va venir, celui qu’on appelle Christ. Quand il viendra, il nous expliquera tout. »
26 Jésus lui répond : « Le Christ, c’est moi qui te parle. »
27 À ce moment-là, ses disciples reviennent. Ils sont étonnés parce que Jésus parle avec une femme. Pourtant personne ne lui demande : « Qu’est-ce que tu veux ? » ou : « Pourquoi est-ce que tu parles avec elle ? »
28 Alors la femme laisse son récipient à cet endroit. Elle part à la ville et elle dit aux gens :
29 « Venez voir ! J’ai rencontré un homme qui m’a dit tout ce que j’ai fait. C’est peut-être le Messie ! »
30 Les gens sortent de la ville et ils viennent voir Jésus.
31 Pendant ce temps, les disciples de Jésus insistent : « Maître, mange donc ! »
32 Mais il leur dit : « J’ai à manger une nourriture que vous ne connaissez pas. »
33 Alors les disciples se demandent entre eux : « Est-ce que quelqu’un lui a apporté de la nourriture ? »
34 Jésus leur dit : « Dieu m’a envoyé dans le monde. Ma nourriture, c’est de faire ce que Dieu veut et de réaliser jusqu’au bout le travail qu’il m’a donné.
35 Vous-mêmes, vous dites : “Encore quatre mois et ce sera la récolte.” Mais moi, je vous dis : levez les yeux et regardez les champs ! Les épis sont déjà mûrs pour la récolte.
36 Celui qui récolte reçoit déjà sa récompense et il rassemble tout pour vivre toujours avec Dieu. Alors celui qui sème et celui qui récolte sont joyeux tous les deux.
37 En effet, il est bien vrai, ce proverbe : “Quelqu’un sème, un autre récolte.”
38 Je vous ai envoyés récolter là où vous n’avez pas travaillé. D’autres ont travaillé et vous, vous profitez de leur fatigue. »
39 Beaucoup de Samaritains de la ville de Sychar se mettent à croire en Jésus à cause des paroles de la femme. En effet, elle leur a affirmé : « Cet homme m’a dit tout ce que j’ai fait. »
40 Quand les gens arrivent auprès de Jésus, ils lui demandent : « Reste chez nous ! » Et pendant deux jours, Jésus reste là.
41 Alors les Samaritains sont encore plus nombreux à croire en lui, parce que c’est lui-même qui leur parle.
42 Ils disent à la femme : « Maintenant, nous ne croyons plus seulement à cause de ce que tu as dit. Mais nous l’avons entendu nous-mêmes. Et nous le savons : le Sauveur du monde, c’est vraiment lui ! »
