
Ancien Testament
1 Ary hoy NY TOMPO tamin’i Abrama: Mandehana miala amin’ny taninao sy ny havanao ary ny tranon’ny rainao hankany amin’ny tany izay hasehoko anao.
2 Hahatonga anao ho firenena lehibe Aho sady hitahy anao sy hahalehibe ny anaranao; ho fitahiana tokoa ianao.
3 Hitahy izay manisy soa anao Aho, fa hanozona izay manozona anao. Aminao no hitahiana ny firenena rehetra ambonin’ny tany.
4 Dia nandeha i Abrama, araka izay nolazain’NY TOMPO taminy, ary mba niaraka taminy koa i Lota. Efa dimy amby fitopolo taona i Abrama raha niala tao Harana.
1 Le Seigneur dit à Abram : « Quitte ton pays, ta famille et la maison de ton père. Puis va dans le pays que je vais te montrer.
2 Je ferai naître de toi un grand peuple, je te bénirai et je rendrai ton nom célèbre. Je bénirai les autres par toi.
3 Je bénirai ceux qui te béniront, je maudirai celui qui te maudira. Par toi, je bénirai toutes les familles de la terre. »
4 Abram s’en va comme le Seigneur l’a commandé, et son neveu Loth part avec lui. Au moment où il quitte Haran, Abram a 75 ans.
.
Epître
8 Koa aza menatra ny ho vavolombelon’ny Tompontsika ianao na amiko izay mpifatony. Fa aoka ianao ho mpiombona fahoriana amiko noho ny Filazantsara araka ny herin’Andriamanitra,
9 dia izay namonjy antsika sy niantso antsika tamin’ny fiantsoana masina, tsy araka ny asantsika fa araka ny fikasany sy ny fahasoavany izay nomena antsika tao amin’i Kristy Jesosy hatry ny fony fahagola.
10 Naharihary izany ankehitriny tamin’ny nisehoan’i Kristy Jesosy, Mpamonjy antsika, izay nahafoana ny herin’ny fahafatesana, koa ny Filazantsara no nampisehoany mazava ny fiainana sy ny tsy fahalovana mandrakizay.
8 N’aie donc pas honte de rendre témoignage à notre Seigneur, et n’aie pas honte de moi qui suis en prison pour lui. Mais souffre avec moi pour la Bonne Nouvelle avec la puissance de Dieu.
9 Dieu nous a sauvés et il nous a appelés pour que nous soyons à lui. Il n’a pas fait cela à cause de nos actes, mais parce qu’il l’a décidé. C’est un don gratuit qu’il nous a fait dans le Christ Jésus, avant que le monde existe.
10 Maintenant, ce don est devenu visible quand notre Sauveur, le Christ Jésus, est apparu. C’est lui qui a enlevé son pouvoir à la mort et, par la Bonne Nouvelle, il a fait connaître la vie qui ne meurt pas.
Evangile
Ny niovan’i Jesosy tarehy tao an-tendrombohitra
1 Nony afaka henemana, Jesosy, dia naka an’i Petera sy i Jakoba ary i Jaona rahalahiny ka nitondra azy ireo niakatra ho any an-tendrombohitra avo mba hitokana.
2 Dia niova tarehy teo anatrehan’izy ireo Izy, koa ny tarehiny dia namirapiratra tahaka ny masoandro, ary tonga fotsy tahaka ny mazava ny fitafiany.
3 Ary indreo, niseho tamin’ny mpianatra i Mosesy sy i Elia, niresaka tamin’i Jesosy.
4 Dia niteny tamin’i Jesosy i Petera hoe: Tompoko, tsara raha mitoetra eto isika; koa raha sitrakao dia hanao tranolay telo eto aho: Ny iray dia ho Anao, ny iray dia ho an’i Mosesy ary ny iray dia ho an’i Elia.
5 Raha mbola niteny izy dia indro, nisy rahona mazava nanarona azy ireo; ary injao, nisy feo avy tao amin’ny rahona niteny hoe: Ity no Zanako malalako izay sitrako; Izy no henoy.
6 Ary nony nandre izany ny mpianatra dia lavo niankohoka sady natahotra indrindra.
7 Ary Jesosy nankeo aminy dia nikasika azy ireo sady niteny hoe: Mitsangàna fa aza matahotra.
8 Nefa nony niandrandra izy ireo dia tsy nahita na iza na iza, afa-tsy Jesosy irery.
9 Rehefa nidina avy teny an-tendrombohitra izy ireo dia nandrara azy ireo Jesosy hoe: Aza milazalaza amin’olona iny fahitana iny, mandra-pitsangan’ny Zanak’Olona amin’ny maty.
Pierre, Jacques et Jean voient Jésus dans la gloire de Dieu
1 Six jours après, Jésus emmène avec lui Pierre, Jacques et Jean le frère de Jacques. Il les conduit sur une haute montagne, loin des gens.
2 Sous leurs yeux, Jésus change d’aspect. Son visage brille comme le soleil et ses vêtements deviennent blancs comme la lumière.
3 Tout à coup, les trois disciples voient Moïse et Élie qui parlent avec Jésus.
4 Alors Pierre dit à Jésus : « Seigneur, c’est une bonne chose pour nous d’être ici. Si tu le veux, je vais faire ici trois abris, un pour toi, un pour Moïse et un pour Élie. »
5 Pendant qu’il parle, un nuage brillant arrive et les couvre de son ombre. Une voix vient du nuage et dit : « Celui-ci est mon Fils très aimé. C’est lui que j’ai choisi avec joie. Écoutez-le ! »
6 Quand les disciples entendent cela, ils tombent, le front contre le sol. Ils ont très peur.
7 Jésus s’approche, il les touche et leur dit : « Relevez-vous ! N’ayez pas peur ! »
8 Les disciples lèvent les yeux, et ils ne voient plus que Jésus seul.
9 Pendant qu’ils descendent de la montagne, Jésus leur donne cet ordre : « Ne dites à personne ce que vous avez vu, jusqu’à ce que le Fils de l’homme se réveille de la mort. »
