
Actes des Apôtres
Asan’ny Apostoly 10 : 34 – 43 (MRV)
Ny toritenin’i Petera
34 Dia niloa-bava i Petera ka niteny hoe: Hitako marina tokoa izao fa tsy mizaha tavan’olona Andriamanitra;
35 fa amin’ny firenena rehetra, izay olona matahotra Azy ka manao ny marina no ankasitrahany.
36 Ianareo mahalala ny teny izay nampitondrainy ho amin’ny Zanak’Israely, mitory teny soa milaza fiadanana amin’ny alalan’i Jesosy Kristy izay Tompon’izao rehetra izao,
37 dia ilay teny natomboka hatrany Galilia ka notorina tany Jodia rehetra taorianan’ny batisa izay notorin’i Jaona,
38 dia ny amin’i Jesosy avy any Nazareta izay nohosoran’Andriamanitra tamin’ny Fanahy Masina sy ny hery ary nandehandeha nanao soa sy nahasitrana izay rehetra azon’ny herin’ny devoly, satria nomba Azy Andriamanitra.
39 Vavolombelon’ny zavatra rehetra izay nataony tany amin’ny tanin’ny Jiosy sy tany Jerosalema izahay; Izy dia novonoiny rehefa nahantony teo amin’ny hazo;
40 nefa natsangan’Andriamanitra kosa tamin’ny andro fahatelo ka nasehony marina,
41 tsy tamin’ny olona rehetra, fa tamin’ny vavolombelona izay efa notendren’Andriamanitra rahateo, dia taminay izay niara-nihinana sy nisotro taminy, rehefa nitsangana tamin’ny maty Izy.
42 Ary nandidy anay Izy hitory amin’ny olona ka hanambara fa Izy no voatendrin’Andriamanitra ho Mpitsara ny velona sy ny maty.
43 Izy no ambaran’ny mpaminany rehetra fa amin’ny anarany no hahazoan’izay rehetra mino Azy famelan-keloka.
Actes des Apôtres 10 : 34 – 43 (PDV)
Pierre parle chez Corneille
34 Alors Pierre prend la parole et dit : « Maintenant, je comprends vraiment que Dieu accueille tout le monde.
35 Si quelqu’un le respecte avec confiance et fait ce qui est juste, cette personne plaît à Dieu. C’est vrai dans tous les pays.
36 Dieu a envoyé sa parole au peuple d’Israël : il lui a annoncé la Bonne Nouvelle de la paix par Jésus-Christ, qui est le Seigneur de tous.
37 Tout a commencé après que Jean a lancé cet appel : “Faites-vous baptiser !” Vous savez ce qui est arrivé, d’abord en Galilée, puis dans toute la Judée.
38 Vous savez comment Dieu a répandu la puissance de l’Esprit Saint sur Jésus de Nazareth. Jésus est passé partout en faisant le bien. Il guérissait tous ceux qui étaient prisonniers de l’esprit du mal, parce que Dieu était avec lui.
39 Et nous, nous sommes témoins de tout ce qu’il a fait dans le pays des Juifs et à Jérusalem. On l’a supprimé en le clouant sur une croix.
40 Mais, le troisième jour, Dieu l’a réveillé de la mort et il lui a donné de se montrer
41 non pas à tout le peuple, mais à nous. En effet, Dieu nous a choisis d’avance comme témoins. Quand Jésus s’est relevé de la mort, nous avons mangé et bu avec lui.
42 Il nous a commandé d’annoncer la Bonne Nouvelle au peuple et de rendre ce témoignage : Jésus est celui que Dieu a choisi pour juger les vivants et les morts.
43 Tous les prophètes ont parlé de lui en disant : “Toute personne qui croit en Jésus reçoit par son nom le pardon des péchés.” »
.
Epître
1 Koa raha niara-natsangana tamin’i Kristy ianareo dia katsaho ny zavatra any ambony, any amin’ny itoeran’i Kristy, izay mipetraka eo ankavanan’Andriamanitra.
2 Saino ny zavatra any ambony fa tsy ny zavatra etỳ an-tany.
3 Fa efa maty ianareo, ary miara-miafina amin’i Kristy ao amin’Andriamanitra ny fiainanareo.
4 Rehefa hiseho Kristy fiainantsika dia hiara-miseho Aminy amin’ny voninahitra koa ianareo.
1 C’est avec le Christ que vous avez été réveillés de la mort. Cherchez donc les choses d’en haut, là où le Christ se trouve, assis à la droite de Dieu.
2 Le but de votre vie est en haut et non sur la terre.
3 Oui, vous êtes passés par la mort, et votre vie est cachée avec le Christ en Dieu.
4 Le Christ est votre vie. Quand il paraîtra, vous aussi, vous paraîtrez avec lui et vous participerez à sa gloire.
Evangile
Ny fitsanganan’i Jesosy tamin’ny maty
1 Tamin’ny alin’ny Sabata, raha vao nazava ratsy ny andro voalohany amin’ny herinandro, dia avy hijery ny fasana i Maria Magdalena sy ilay Maria iray hafa.
2 Dia indro, nisy horohoron-tany mafy; fa nisy anjelin’ny Tompo nidina avy tany an-danitra, nankeo ka nanakodia ny vato, dia nipetraka teo amboniny.
3 Ny fijery azy dia tahaka ny tselatra, ary ny akanjony dia fotsy tahaka ny orampanala;
4 ary tora-kovitra noho ny tahotra azy ny mpiambina ka tonga tahaka ny maty.
5 Ary ilay anjely dia niteny tamin’ireo vehivavy hoe: Aza matahotra ianareo, fantatro fa Jesosy, ilay nohomboana tamin’ny hazofijaliana, no tadiavinareo.
6 Tsy ato Izy fa efa nitsangana araka izay efa nolazainy. Avia ka jereo ny toerana nandriany.
7 Dia mandehana haingana ka lazao amin’ny mpianany fa efa nitsangana tamin’ny maty Izy; ary indro, mialoha anareo any Galilia Izy; any no hahitanareo Azy; indro, efa nilaza taminareo aho.
8 Dia niala haingana tamin’ny fasana izy ireo sady natahotra no faly indrindra, ary nihazakazaka hilaza amin’ny mpianany.
9 Nefa indro Jesosy nifanena taminy sady niteny hoe: Finaritra. Ary nanatona izy ireo dia nihazona ny tongony ka niankohoka teo anatrehany.
10 Dia hoy Jesosy: Aza matahotra; fa mandehana, ilazao ny rahalahiko mba hankany Galilia; fa any no hahitany Ahy.
Jésus s’est réveillé de la mort
1 Après le sabbat, le dimanche, au lever du jour, Marie de Magdala et l’autre Marie vont voir la tombe.
2 Tout à coup, il y a un grand tremblement de terre. Un ange du Seigneur descend du ciel. Il vient rouler la pierre de la tombe et il s’assoit dessus.
3 Il brille comme un éclair et ses vêtements sont très blancs.
4 Les soldats qui gardent la tombe sont effrayés. Ils se mettent à trembler et ils deviennent comme des morts.
5 L’ange dit aux femmes : « Vous, n’ayez pas peur. Je sais que vous cherchez Jésus, celui qu’on a cloué sur une croix.
6 Il n’est pas ici, il s’est réveillé de la mort, comme il l’a dit. Venez voir l’endroit où il était couché.
7 Ensuite, allez vite dire à ses disciples : “Il s’est réveillé de la mort et il vous attend en Galilée. Vous le verrez là-bas.” Voilà ce que j’ai à vous dire. »
8 Les femmes quittent vite la tombe. Elles ont peur, mais elles sont très joyeuses. Elles courent annoncer la nouvelle aux disciples de Jésus.
9 Tout à coup, Jésus vient à leur rencontre et il leur dit : « Je vous salue ! » Elles s’approchent de lui, elles saisissent ses pieds et l’adorent.
10 Alors Jésus leur dit : « N’ayez pas peur. Allez dire à mes frères de partir pour la Galilée. Ils me verront là-bas. »
