Péricope du Dimanche 19 Avril 2026

Table des matières

Actes des Apôtres

Asan’ny Apostoly 2 : 14 – 33 (MRV)

Nitoriteny tamin’ny vahoaka i Petera
14 Nitsangana i Petera sy ny iraika amby folo lahy, dia nanandra-peo ka niteny tamin’izy ireo hoe : Ry lehilahy Jiosy sy izay rehetra monina eto Jerosalema, aoka ho fantatrareo izao ka henoy ny teniko :
15 Tsy mamo araka ny hevitrareo tsy akory ireo fa vao ora fahatelo ihany izao ny andro.
16 Fa izao ilay nampilazaina an’i Joela mpaminany hoe :
17«Amin’ny andro farany, hoy Andriamanitra, no handrotsahako ny Fanahiko amin’ny nofo rehetra; ny zanakareo lahy sy ny zanakareo vavy dia haminany, ny zatovonareo dia hahita fahitana, ny lahiantitrareo dia hanonofy;
18 ary ny mpanompoko, na lahy na vavy, dia handrotsahako ny Fanahiko amin’izany andro izany, ka haminany;
19 hanisy fahagagana eny amin’ny lanitra ambony Aho ary famantarana amin’ny tany ambany; dia ra sy afo ary setroka manjavona;
20 ny masoandro dia hiova ho haizina, ary ny volana dia ho ra, alohan’ny hahatongavan’ny Andron’NY TOMPO, dia ilay sady lehibe no malaza;
21 ary izay rehetra hiantso ny anaran’NY TOMPO dia ho voavonjy.» (Joe 3.1-5)
22 Ry lehilahy Israelita, mihainoa izao teny izao: Jesosy avy any Nazareta, lehilahy nasehon’Andriamanitra teo aminareo tamin’ny asa lehibe sy ny fahagagana ary ny famantarana izay nampanaovin’Andriamanitra Azy teo aminareo, araka ny fantatrareo ihany,
23 Izy dia natolotra noho ny fandaharana sy ny fahalalan’Andriamanitra mialoha, ary nohomboinareo sy novonoinareo tamin’ny tanan’ny olona tsy tan-dalàna;
24 nefa Andriamanitra nanangana Azy, rehefa nahafaka ny fanaintainan’ny fahafatesana, satria tsy azon’izany nohazonina Izy.
25 Fa i Davida dia milaza Azy hoe : «Nijery NY TOMPO teo anatrehako mandrakariva aho; satria eo ankavanako Izy, mba tsy hangozohozo aho,
26dia izany no nifalian’ny foko sy niravoravoan’ny lelako; ny nofoko koa dia hitoetra amin’ny fanantenana;
27 fa tsy ho foinao ho any amin’ny fitoeran’ny maty ny aiko ary tsy hamela Ilay Masinao ho tratry ny lo Ianao.
28 Nampahafantatra ahy ny lalan’aina Ianao; hampifaly ahy indrindra amin’ny tavanao Ianao» (Sal 16.8-11).
29 Ry rahalahy, aoka aho mba hilaza marina aminareo ny amin’i Davida patriarka, fa efa maty izy ka nalevina, ary eto amintsika mandraka androany ny fasany.
30 Satria mpaminany izy ka nahafantatra fa Andriamanitra efa nianiana taminy fa izay hateraky ny kibony no hapetrany eo ambonin’ny sezafiandrianany,
31 koa raha nahita mialoha izy dia nilaza ny fitsanganan’i Kristy, fa tsy nafoy ho any amin’ny fitoeran’ny maty Izy, ary ny nofony dia tsy tratry ny lo.
32 Izany Jesosy izany dia efa natsangan’Andriamanitra ary vavolombelon’izany izahay rehetra.
33 Rehefa nasandratry ny tanana ankavanan’Andriamanitra Izy sady nandray tamin’ny Ray ny Fanahy Masina izay nokasainy dia nandrotsaka izao hitanareo sy renareo izao.

Pierre parle à la foule
14 Alors Pierre, debout avec les onze apôtres, se met à dire d’une voix forte : « Frères juifs, et vous tous qui habitez à Jérusalem, vous devez comprendre ce qui se passe. Écoutez bien ce que je vais dire.
15 Ces gens ne sont pas ivres, comme vous le pensez. En effet, il est seulement neuf heures du matin.
16 Mais ce que le prophète Joël a annoncé, cela arrive maintenant. Voici ses paroles :
17 “Dieu dit : Dans les derniers jours, je donnerai mon Esprit à tous. Vos fils et vos filles parleront de ma part. Je ferai voir des choses nouvelles à vos jeunes gens, j’enverrai des rêves à vos vieillards.
18 Oui, en ces jours-là, je donnerai mon Esprit à mes serviteurs et à mes servantes, et ils parleront de ma part.
19 Je ferai des choses extraordinaires en haut dans le ciel et des choses étonnantes en bas sur la terre. Il y aura du sang, du feu et des nuages de fumée.
20 Le soleil deviendra sombre et la lune sera rouge comme du sang. Ensuite, le jour du Seigneur viendra, ce jour grand et magnifique.
21 Alors tous ceux qui feront appel au Seigneur seront sauvés.”
22 « Frères israélites, écoutez ce que je vais dire : Dieu vous a montré qui était Jésus de Nazareth. En effet, au milieu de vous, Dieu a fait par Jésus des miracles, des choses extraordinaires et étonnantes, vous le savez bien.
23 Cet homme, on vous l’a livré. Dieu savait cela d’avance, et l’avait décidé. Vous avez supprimé Jésus en le faisant clouer sur une croix par des gens qui ne connaissaient pas Dieu.
24 Mais Dieu l’a relevé en le délivrant des douleurs de la mort. En effet, la mort n’avait pas le pouvoir de le garder.
25 David a parlé de Jésus en disant : “Je voyais sans cesse le Seigneur devant moi. Oui, quand il est près de moi, je ne tombe pas.
26 Alors mon cœur se réjouit et ma bouche chante de joie. Et même dans la tombe, mon corps reposera plein d’espérance.
27 Non, tu ne m’abandonneras pas dans le monde des morts, tu ne laisseras pas ton ami fidèle pourrir dans la tombe.
28 Tu m’as montré les chemins qui conduisent à la vie, tu me rempliras de joie par ta présence.” »
29 Pierre ajoute : « Frères, je peux vous le dire très clairement : notre ancêtre David est mort, on l’a enterré, et sa tombe est encore chez nous aujourd’hui.
30 Mais David était prophète et il savait que Dieu lui avait fait ce serment : “Je mettrai un de tes enfants sur ton siège royal.”
31« David avait prévu que le Christ allait se relever de la mort. En effet, il a dit : “Dieu ne l’abandonnera pas dans le monde des morts, et son corps ne pourrira pas dans la tombe.”
32« Ce Jésus, Dieu l’a relevé de la mort, nous en sommes tous témoins.
33 Dieu l’a fait monter jusqu’à sa droite, il a reçu du Père l’Esprit Saint promis et il nous l’a donné. Voilà ce que vous voyez et entendez maintenant.

.

Epître

1 Petera 1 : 3 – 9 (MRV)

17 Ary raha Ilay tsy mizaha tavan’olona fa mitsara araka ny asan’izy rehetra, no antsoinareo hoe Ray, dia mitondrà tena amin’ny fahatahorana mandritra ny andron’ny fivahiniananareo etỳ.
18 Fa fantatrareo fa tsy tamin’ny zavatra mety ho simba, na volafotsy na volamena no nanavotana anareo
tamin’ny fitondrantena adala izay nolovanareo tamin’ny razanareo,
19 fa tamin’ny ra sarobidin’i Kristy, toy ny tamin’ny ran’ny zanak’ondry tsy misy kilema ary tsy misy pentimpentina,
20 Izy no efa fantatra mialoha, talohan’ny nanorenana an’izao tontolo izao, fa naseho kosa amin’izao andro farany izao noho ny aminareo
21 izay mino an’Andriamanitra amin’ny alalany, dia Ilay nanangana Azy tamin’ny maty ka nanome voninahitra Azy, mba hiorenan’ny finoanareo sy ny fanantenanareo amin’Andriamanitra.

1 Pierre 1 : 17 – 21 (PDV)

17 Dans vos prières, vous appelez « Père » celui qui juge chacun selon ce qu’il a fait, sans faire de différence entre les gens. Alors, vivez en respectant Dieu avec confiance, pendant que vous êtes sur la terre.
18 La façon de vivre que vous avez reçue de vos ancêtres ne menait à rien. Mais vous le savez, Dieu a payé un grand prix pour vous libérer de cette façon de vivre. En effet, il ne l’a pas fait avec des choses qui peuvent s’abîmer, comme l’or ou l’argent.
19 Mais il vous a libérés avec le sang précieux du Christ, qui est comme un agneau sans défaut et sans tache.
20 Dieu l’a choisi avant la création du monde, et pour votre bien, il l’a fait connaître maintenant, en ces temps qui sont les derniers.
21C’est par le Christ que vous croyez en Dieu, qui l’a réveillé de la mort et lui a donné la gloire. Voilà pourquoi vous mettez votre foi et votre espérance en Dieu.

Evangile

Lioka 24 : 13 – 35 (MRV)

Teny an-dalana nankany Emaosy
13 Indreo, nisy roa lahy tamin’izy ireo nandeha tamin’izany andro izany hankany amin’ny vohitra atao hoe Emaosy, tokony ho enimpolo stadio avy eo Jerosalema.
14 Dia niresaka ny amin’izay zava-nitranga rehetra izy.
15 Ary raha mbola niresaka sy niady hevitra izy ireo dia nanatona Jesosy ka niaraka taminy.
16 Nefa nosakanana ny mason’ireo mba tsy hahafantarany Azy.
17 Ary hoy Izy taminy: Inona izany resahinareo etỳ am-pandehanana izany? Dia nijanona ireo sady nalahelo tarehy.
18 Ary ny iray, izay atao hoe Kleopasy, dia namaly hoe: Ianao irery va no vahiny mitoetra ao Jerosalema izay tsy mba mahalala ny zava-nitranga tao, amin’izao andro izao?
19 Fa hoy Izy taminy: Zavatra inona moa izany? Ary hoy izy roa lahy taminy: Ny amin’i Jesosy avy any Nazareta, mpaminany mahery tamin’ny asa sy ny teny teo anatrehan’Andriamanitra sy ny vahoaka rehetra,
20 dia ny amin’ny nanoloran’ireo lehiben’ny mpisorona sy ny mpanapaka eto amintsika Azy hanamelohany Azy ho faty sy ny nanomboany Azy tamin’ny hazofijaliana.
21 Nefa nantenainay fa Izy no Ilay efa hanavotra ny Israely; ary tsy izany ihany, fa androany no andro fahatelo taorianan’ny nitrangan’izany.
22 Nefa koa ny vehivavy sasany namanay dia nahavery hevitra anay, fa tany amin’ny fasana vao maraina be izy ireo
23 ka tsy nahita ny faty, dia tonga ka nilaza fa nahita anjely niseho, izay nilaza fa velona Izy.
24 Dia nandeha nankany amin’ny fasana ny sasany izay miaraka aminay, ary nahita araka izay nolazain’ny vehivavy; nefa tsy hitany Izy.
25 Ary hoy Izy taminy : Ry adala sy votsa saina ka tsy mino izay rehetra nolazain’ny mpaminany !
26 Moa tsy tokony ho niaritra izany va Kristy ka hiditra any amin’ny voninahiny ?
27 Dia nanomboka hatramin’i Mosesy sy ny mpaminany rehetra Izy ka nanambara taminy ny hevitry ny teny milaza Azy ao amin’ny Soratra Masina rehetra.
28 Rehefa akaiky ny vohitra izay halehan’izy roa lahy, Jesosy kosa, dia toa nikasa handeha lavitra kokoa.
29 Fa izy roa lahy dia nanery Azy hoe: Mitoera atỳ aminay; fa efa ho hariva izao ka lasan-davitra ny andro. Dia niditra hitoetra tao amin’izy ireo Izy.
30 Rehefa nipetraka hisakafo niaraka taminy Izy dia nandray ny mofo ka nisaotra sy namaky izany ary nanome azy ireo.
31 Dia nahiratra ny mason’ireo ka nahafantatra Azy; fa Izy kosa dia tonga tsy hitany.
32 Dia nifampiresaka izy ireo hoe : Tsy nangorakoraka va ny fontsika, raha niresaka tamintsika teny an-dalana Izy ka namoaka ny hevitry ny Soratra Masina tamintsika ?
33 Dia niainga tamin’izany ora izany izy roa lahy ka niverina nankany Jerosalema, ary nahita ny iraika amby folo lahy mbamin’izay niaraka taminy tafangona teo
34 sady nilaza hoe: Efa nitsangana marina tokoa ny Tompo ka efa niseho tamin’i Simona.
35 Ary ireo kosa dia nilaza izay efa niseho teny an-dalana sy ny nahafantarany Azy teo am-pamakiana ny mofo.

Deux disciples rencontrent Jésus
13 Le même jour, deux disciples vont à un village appelé Emmaüs. C’est à deux heures de marche de Jérusalem.
14 Ils parlent ensemble de tout ce qui vient de se passer.
15 Pendant qu’ils parlent et qu’ils discutent, Jésus lui-même s’approche et il marche avec eux.
16 Les disciples le voient, mais quelque chose les empêche de le reconnaître.
17 Jésus leur demande : « Vous discutiez de quoi en marchant ? » Alors les disciples s’arrêtent, ils ont l’air triste.
18 L’un d’eux, appelé Cléopas, lui répond : « Tous les habitants de Jérusalem savent ce qui est arrivé ces jours-ci ! Et toi seul, tu ne le sais pas ? »
19 Il leur dit : « Quoi donc ? » Ils lui répondent : « Ce qui est arrivé à Jésus de Nazareth. C’était un grand prophète. Sa parole était puissante et il faisait des choses extraordinaires devant Dieu et devant tout le peuple.
20 Nos chefs des prêtres et nos dirigeants l’ont livré pour le faire condamner à mort. On l’a cloué sur une croix.
21 Et nous, nous espérions que c’était lui qui allait libérer Israël. Mais, voici déjà le troisième jour depuis que c’est arrivé.
22 Pourtant, quelques femmes de notre groupe nous ont beaucoup étonnés. Ce matin, très tôt, elles sont allées à la tombe.
23 Elles n’ont pas trouvé le corps de Jésus et elles sont revenues nous dire : “Des anges se sont montrés à nous. Ils nous ont dit : Jésus est vivant !”
24 Quelques-uns de notre groupe sont allés à la tombe, eux aussi. Ils ont tout trouvé comme les femmes l’avaient dit, mais Jésus, ils ne l’ont pas vu ! »
25 Alors Jésus leur dit : « Vous ne comprenez rien ! Votre cœur met beaucoup de temps à croire ce que les prophètes ont annoncé !
26 Il fallait que le Messie souffre de cette façon et que Dieu lui donne sa gloire ! »
27 Et Jésus leur explique ce que les Livres Saints disent à son sujet. Il commence par les livres de Moïse, ensuite, il continue par tous les livres des prophètes.
28 Ils arrivent près du village où les disciples devaient aller. Jésus fait semblant d’aller plus loin.
29 Mais les deux hommes lui disent en insistant : « Reste avec nous ! C’est le soir et bientôt il va faire nuit. » Jésus entre dans la maison pour rester avec eux.
30 Il se met à table avec eux. Il prend le pain et dit la prière de bénédiction. Ensuite, il partage le pain et il le leur donne.
31 Alors, les disciples voient clair et ils reconnaissent Jésus. Mais, au même moment, Jésus disparaît.
32 Ils se disent l’un à l’autre : « Oui, il y avait comme un feu dans notre cœur, pendant qu’il nous parlait sur la route et nous expliquait les Livres Saints ! »
33 Ils se lèvent et ils retournent tout de suite à Jérusalem. Ils arrivent dans la ville, là où les onze disciples et tous les autres sont réunis.
34 Tous disent aux deux disciples : « C’est bien vrai, le Seigneur s’est réveillé de la mort ! Simon l’a vu ! »
35 Les deux disciples leur racontent ce qui s’est passé sur la route et ils disent : « Nous avons reconnu Jésus quand il a partagé le pain. »

Retour en haut