Péricope du Dimanche 03 Mai 2026

Table des matières

Actes des Apôtres

Asan’ny Apostoly  6 : 1 – 7 (MRV)

Ireo fito lahy voafidy ho mpanampy ny Apostoly
1 Tamin’izany andro izany, rehefa nihamaro ny isan’ny mpianatra, dia nisy fimonomononan’ny Helenista tamin’ny Hebreo, satria tsy mba voajery tamin’ny fanampiana isanandro ny mpitondratenany.
2 Ary nampiantso ny mpianatra rehetra ny roa amby folo lahy ka nilaza taminy hoe: Tsy mety raha mandao ny tenin’Andriamanitra mba hitandrina latabatra izahay.
3 Koa araka izany, ry rahalahy, mifidiana fito lahy eo aminareo, izay tsara laza sady feno ny Fanahy sy fahendrena, mba hotendrenay hitandrina izany raharaha izany.
4 Fa izahay kosa dia haharitra amin’ny fivavahana sy ny fampianarana.
5 Dia sitraky ny olona rehetra ny teniny ka nifidy an’i Stefana izy, lehilahy feno finoana sy ny Fanahy Masina, mbamin’i Filipo, i Prokoro, i Nikanora, i Timona, i Parmena ary i Nikoleo izay prozelita avy any Antiokia.
6 Ireo no narosony teo anatrehan’ny Apostoly; ary rehefa nivavaka ireo dia nametra-tanana taminy.
7 Dia nandroso ny tenin’Andriamanitra; ary nihamaro tokoa ny isan’ny mpianatra tany Jerosalema; maro tamin’ny mpisorona koa no nanaiky ny finoana.

On choisit sept hommes pour aider les apôtres
1 À ce moment-là, le nombre des disciples devient de plus en plus grand, et les Juifs qui parlent grec se plaignent des Juifs du pays. Ils disent : « Chaque jour, au moment où on distribue la nourriture, on oublie les veuves de notre groupe. »
2 Alors les douze apôtres réunissent l’ensemble des autres disciples, et ils leur disent : « Nous ne devons pas cesser d’annoncer la parole de Dieu pour nous occuper des repas.
3 C’est pourquoi, frères, choisissez parmi vous sept hommes que tout le monde respecte, remplis d’Esprit Saint et de sagesse. Nous leur confierons le service des repas
4 et nous, nous continuerons fidèlement à prier et à annoncer la parole de Dieu. »
5 L’assemblée entière est d’accord avec eux. On choisit Étienne, un homme rempli de foi et d’Esprit Saint. On choisit aussi Philippe, Procore, Nicanor, Timon, Parménas et Nicolas, un homme d’Antioche de Syrie, qui obéit à la loi de Moïse.
6 On les amène devant les apôtres. Les apôtres prient pour eux en posant les mains sur leur tête.
7 La parole de Dieu est de plus en plus connue. À Jérusalem, il y a de plus en plus de disciples. De très nombreux prêtres juifs croient en Jésus.

.

Epître

1 Petera 2 : 4 – 9 (MRV)

4 Izy no hatoninareo toy ny vato velona, nolavin’ny olona, nefa voafidy sady sarobidy eo anatrehan’Andriamanitra.
5 Ary ianareo koa dia atsangana tahaka ny vato velona ho trano ara-panahy, ho fisoronana masina, mba hanolorana fanatitra ara-panahy sitrak’Andriamanitra amin’ny alalan’i Jesosy Kristy.
6 Fa misy teny ao amin’ny Soratra Masina milaza hoe: «Indro, mametraka vato fehizoro ao Ziona Aho, dia vato voafidy sady sarobidy, ary izay mino Azy dia tsy hitsanga-menatra» (Isa 28.16).
7 Koa ny voninahitra dia ho anareo izay mino. Fa amin’izay tsy mino kosa, «ny vato izay nolavin’ny mpanao trano no tonga fehizoro» (Sal 118.22),
8 «ary vato mahatafintohina sy vatolampy mahasolafaka» (Isa 8.14). Ary satria tsy nanaiky ireo dia tafintohina tamin’ny teny izy sady izany koa no nanendrena azy.
9 Fa ianareo kosa dia taranaka voafidy, «fanjaka-mpisorona, firenena masina» (Eks 19.6), olona nalain’Andriamanitra ho an’ny tenany, mba hilazanareo ny hatsaran’Ilay niantso anareo hiala tamin’ny maizina ho amin’ny fahazavany mahagaga;

1 Pierre 2 : 20 – 25 (PDV)

4 Approchez-vous du Seigneur Jésus. Il est la pierre vivante. Les gens l’ont rejetée, mais Dieu l’a choisie, et elle est précieuse à ses yeux.
5 Approchez-vous de lui. Alors, vous aussi, comme des pierres vivantes, vous servirez à construire la maison de l’Esprit Saint. Vous formerez une communauté de prêtres saints, pour offrir des sacrifices selon l’Esprit de Dieu, et Dieu les acceptera à cause de Jésus-Christ.
6 En effet, les Livres Saints disent de la part de Dieu : « Regardez ! J’ai choisi une pierre précieuse et je la pose dans la ville de Sion comme pierre principale. Celui qui s’appuie sur elle ne sera pas déçu. »
7 Pour vous qui croyez, cette pierre vous donne de l’honneur. Mais pour ceux qui ne croient pas, « la pierre que les constructeurs ont rejetée, est devenue la pierre principale de la maison. »
8 Et ailleurs ils disent : « C’est une pierre qui fait perdre l’équilibre, un rocher qui fait tomber. » Les gens se cognent contre elle parce qu’ils refusent de croire à la parole de Dieu, et c’est cela qui devait leur arriver.
9 Mais vous, vous êtes la race choisie, la communauté des prêtres du Roi, la nation sainte. Vous êtes le peuple que Dieu a choisi pour annoncer les grandes choses qu’il a faites. Il vous a appelés à sortir de la nuit, pour vous conduire vers sa lumière magnifique.

Evangile

Jaona 14 : 1 – 12 (MRV)

Ny lalana mankany amin’ny Ray
1 Aza mangorohoro ny fonareo; minoa an’Andriamanitra ianareo, ary minoa Ahy koa.
2 Ao amin’ny tranon’ny Raiko misy fonenana maro; raha tsy izany dia efa nilaza taminareo Aho; fa handeha hamboatra fitoerana ho anareo Aho.
3 Ary raha handeha hamboatra fitoerana ho anareo Aho dia ho avy indray ka handray anareo ho any Amiko, ary izay misy Ahy no hisy anareo koa.
4 Ary fantatrareo koa ny lalana ho any amin’izay halehako.
5 Hoy i Tomasy Taminy: Tompoko, tsy fantatray izay alehanao; koa hataonay ahoana no fahafantatra ny lalana?
6 Hoy Jesosy taminy: Izaho no lalana sy fahamarinana ary fiainana; tsy misy olona mankany amin’ny Ray, afa-tsy amin’ny alalako.
7 Raha nahafantatra Ahy ianareo dia ho nahafantatra ny Raiko koa; ary hatramin’izao dia mahafantatra Azy ianareo sady efa nahita Azy.
8 Hoy i Filipo Taminy: Tompoko, asehoy anay ny Ray dia ampy ho anay izay.
9 Hoy Jesosy taminy: Izay ela izay no efa nitoerako teto aminareo ka tsy mbola fantatrao ihany va Aho, ry Filipo? Izay nahita Ahy dia nahita ny Ray; koa ahoana no itenenanareo hoe: Asehoy anay ny Ray?
10 Tsy mino va ianao fa Izaho ao amin’ny Ray ary ny Ray ato Amiko? Ny teny izay lazaiko aminareo dia tsy avy amin’ny fahefan’ny tenako no ilazako izany; fa ny Ray mitoetra ato Amiko no manao ny asa.
11 Minoa Ahy fa Izaho ao amin’ny Ray ary ny Ray ato Amiko; fa raha tsy izany dia minoa Ahy noho ny asa ihany aza.
12 Lazaiko aminareo marina dia marina tokoa: Izay mino Ahy, ny asa ataoko no hataony koa; ary hanao asa lehibe noho izany aza izy satria Izaho mankany amin’ny Ray.

Jésus est le chemin qui conduit au Père
1 Jésus dit à ses disciples : « Ne soyez pas inquiets, croyez en Dieu et croyez aussi en moi.
2 Dans la maison de mon Père, il y a beaucoup d’endroits pour habiter. C’est pourquoi je vous ai dit : “Je vais vous préparer une place.”
3 Et, quand je serai allé vous préparer une place, je reviendrai et je vous prendrai avec moi. De cette façon, vous serez vous aussi là où je suis.
4 Et le chemin qui conduit là où je vais, vous le connaissez. »
5 Thomas lui dit : « Seigneur, nous ne savons pas où tu vas. Comment est-ce que nous pourrions connaître le chemin ? »
6 Jésus lui répond : « Le chemin, la vérité, la vie, c’est moi. Personne ne va au Père sans passer par moi.
7 Si vous me connaissez, vous connaîtrez aussi mon Père. À partir de maintenant, vous le connaissez et vous l’avez vu. »
8 Philippe dit à Jésus : « Seigneur, montre-nous le Père, et cela nous suffit. »
9 Jésus lui répond : « Philippe, je suis avec vous depuis si longtemps, et tu ne me connais pas ? Celui qui m’a vu a vu le Père. Comment peux-tu dire : “Montre-nous le Père” ?
10 Je vis dans le Père et le Père vit en moi. Tu ne crois pas cela ? Les paroles que je vous dis ne viennent pas de moi, mais le Père habite en moi, et c’est lui qui agit.
11 Croyez-moi quand je vous dis : “Je vis dans le Père, et le Père vit en moi.” Sinon, croyez au moins à cause de mes actions.
12 « Oui, je vous le dis, c’est la vérité : si quelqu’un croit en moi, il fera lui aussi les actions que je fais. Cette personne fera même des actions encore plus grandes, parce que je vais près du Père.

Retour en haut