Péricope du Jeudi 14 Mai 2026 – Ascension

Table des matières

Actes des Apôtres

Asan’ny Apostoly 1 : 1 – 11 (MRV)

Eo am-piandrasana ny Fanahy Masina
1 Ry Teofilo, Ilay boky voalohany dia nosoratako momba izay natombok’i Jesosy natao sy nampianarina,
2 hatramin’ny andro nampiakarana Azy, rehefa avy nodidiany tamin’ny alalan’ny Fanahy Masina ny Apostoly izay nofidiny.
3 Niseho tamin’ireo tamin’ny famantarana maro koa Izy fa velona, taorianan’ny nijaliany; eny, niseho tamin’izy ireo nandritra ny efapolo andro Izy ary nilaza ny amin’ny fanjakan’Andriamanitra.
4 Raha niara-nisakafo tamin’izy ireo Jesosy dia namepetra azy tsy hiala tao Jerosalema fa hiandry ny teny fikasan’ny Ray izay efa renareo tamiko, hoy Izy;
5 fa i Jaona dia nanao batisa tamin’ny rano fa ianareo kosa dia hatao batisa amin’ny Fanahy Masina rehefa afaka andro vitsivitsy.
Ny niakaran’i Jesosy ho any an-danitra
6 Koa izay tafangona teo dia nanontany Azy hoe: Tompoko, amin’izao va no hampodianao ny fanjakana ho amin’ny Israely?
7 Fa hoy kosa Izy taminy: Tsy anjaranareo ny hahafantatra ny andro na ny fotoana izay efa notendren’ny Ray amin’ny fahefany irery ihany.
8 Fa hahazo hery ianareo amin’ny hahatongavan’ny Fanahy Masina aminareo ka ho vavolombeloko any Jerosalema sy manerana an’i Jodia* sy i Samaria ary hatrany amin’ny faran’ny tany.
9 Rehefa nilaza izany Jesosy dia nakarina, raha mbola nijery izy ireo; nisy rahona nitondra Azy ka tsy hitan’ny masony intsony Izy.
10 Ary raha mbola nandinika ny lanitra izy ireo tamin’ny nandehanan’i Jesosy dia indreo, nisy roa lahy tonga teo anilany, niakanjo fotsy,
11 ary niteny hoe: Ry lehilahy galiliana, nahoana no mijanona eto mijery ny lanitra ianareo? Iny Jesosy izay nampiakarina niala taminareo ho any an-danitra iny dia mbola ho avy indray tahaka ny nahitanareo Azy niakatra ho any an-danitra.

Luc présente son livre
1 Cher Théophile, dans mon premier livre, j’ai raconté tout ce que Jésus a fait et enseigné depuis le début
2 jusqu’au jour où il est monté au ciel. Il a choisi des hommes comme apôtres, et avant de monter au ciel, il leur a donné ses commandements par la force de l’Esprit Saint.
Jésus promet l’Esprit Saint
3 Après sa mort, Jésus se présente à ses apôtres, et il leur prouve de plusieurs façons qu’il est bien vivant. Pendant 40 jours, il se montre à eux et il leur parle du Royaume de Dieu.
4 Un jour, pendant qu’il mange avec eux, il leur donne cet ordre : « Ne quittez pas Jérusalem, mais attendez ce que le Père a promis. Moi-même, je vous l’ai déjà annoncé :
5 Jean a baptisé avec de l’eau, mais vous, dans quelques jours, vous serez baptisés dans l’Esprit Saint. »
Jésus monte au ciel
6 Les apôtres sont donc réunis avec Jésus et ils lui demandent : « Seigneur, est-ce maintenant que tu vas rétablir le royaume d’Israël ? »
7 Jésus leur répond : « Vous n’avez pas besoin de connaître le temps et le moment où ces choses doivent arriver. C’est mon Père qui décide cela, lui seul a le pouvoir de le faire.
8 Mais vous allez recevoir une force, celle de l’Esprit Saint qui descendra sur vous. Alors vous serez mes témoins à Jérusalem, dans toute la Judée et la Samarie, et jusqu’au bout du monde. »
9 Après que Jésus a dit cela, il monte au ciel sous les yeux de ses apôtres. Ensuite, un nuage le cache, et ils ne le voient plus.
10 Mais pendant que Jésus s’éloigne, les apôtres continuent à regarder le ciel. Tout à coup, deux hommes en vêtements blancs sont à côté d’eux.
11 Ils disent aux apôtres : « Hommes de Galilée, vous restez là à regarder le ciel. Pourquoi donc ? Jésus vous a quittés pour aller vers le ciel. Et il reviendra de la même façon que vous l’avez vu aller vers le ciel. »

.

Epître

Efesiana 1 : 17 – 23 (MRV)

17 mba homen’Andriamanitr’i Jesosy Kristy Tompontsika, Rain’ny voninahitra, ho anareo ny fanahin’ny fahendrena sy ny fanambaràna mba hahalalanareo Azy tsara.
18 Dia mba hampahiratina ny mason’ny sainareo ka ho fantatrareo ny fanantenana izay miaraka amin’ny fiantsoany sy ny harena feno voninahitra ao amin’ny lova omeny anareo miaraka amin’ny olona masina,
19 ary mba ho fantatrareo fa lehibe tsy hita lany ny heriny izay nasehony ho antsika mpino. Izany dia nataony araka ny heriny tsy hay tohaina.
20 Izany heriny izany no nananganany an’i Kristy tamin’ny maty sy nampitoerany Azy eo ankavanany any an-danitra,
21 ambony lavitra noho ny fanapahana rehetra, ny fahefana, ny hery, ny fanjakana ary ny anarana rehetra azo tononina, tsy amin’izao fiainana izao ihany, fa amin’ny ho avy koa.
22 Nampanaiky ny zavatra rehetra ho eo ambanin’ny tongony Izy ka nanao Azy ho ambonin’ny zavatra rehetra sady Lohan’ny fiangonana 23izay tenany, dia ny fahafenoan’Izay mameno tanteraka ny zavatra rehetra.

Ephésiens 1 : 17 – 23 (PDV)

17 Je demande au Dieu de notre Seigneur Jésus-Christ, le Père rempli de gloire, de vous donner la sagesse. Alors vous découvrirez Dieu et vous le connaîtrez vraiment.
18 Je lui demande d’ouvrir les yeux de votre intelligence. Ainsi, vous pourrez connaître l’espérance qu’il vous a donnée en vous appelant. Vous connaîtrez la richesse magnifique des biens qu’il donne à ceux qui lui appartiennent.
19 Vous connaîtrez la puissance extraordinaire que Dieu a montrée pour nous qui croyons en lui. Sa puissance et sa force,
20 Dieu les a montrées dans le Christ quand il l’a réveillé de la mort, quand il l’a fait asseoir à sa droite dans les cieux.
21 Ainsi, le Christ est placé au-dessus de toutes les forces et de toutes les puissances qui ont autorité et pouvoir. Il est au-dessus de tout ce qui existe, non seulement dans le monde d’aujourd’hui, mais aussi dans le monde qui vient.
22 Oui, Dieu a tout mis sous les pieds du Christ. Il a mis le Christ au-dessus de tout, et il l’a donné comme tête à l’Église.
23 L’Église est le corps du Christ. En elle, le Christ est totalement présent, lui en qui Dieu habite totalement.

Evangile

Matio 28 : 16 – 20 (MRV)

Naniraka ny mpianany Ilay nitsangana tamin’ny maty
16 Ary ny mpianatra iraika amby folo lahy dia nankany Galilia, ho any amin’ilay tendrombohitra nasain’i Jesosy halehany.
17 Ary nony nahita Azy izy ireo dia niankohoka, nefa ny sasany dia nisalasala.
18 Ary nanatona Jesosy dia niteny taminy hoe: Efa nomena Ahy ny fahefana rehetra any an-danitra sy etỳ an-tany;
19 koa mandehana ianareo, dia ataovy mpianatra ny firenena rehetra, manao batisa azy ho amin’ny anaran’ny Ray sy ny Zanaka ary ny Fanahy Masina,
20 sady mampianatra azy hitandrina izay rehetra nandidiako anareo; ary indro Aho momba anareo mandrakariva, ambara-pahatongan’ny fahataperan’izao tontolo izao.

Jésus se montre à ses disciples
16 Les onze disciples partent pour la Galilée. Ils arrivent sur la montagne où Jésus leur a dit d’aller.
17 En voyant Jésus, ils l’adorent mais certains hésitent à croire.
18 Jésus s’approche et leur dit : « J’ai reçu tout pouvoir au ciel et sur la terre.
19 Allez chez tous les peuples pour que les gens deviennent mes disciples. Baptisez-les au nom du Père, du Fils et de l’Esprit Saint.
20 Apprenez-leur à obéir à tous les commandements que je vous ai donnés. Et moi, je suis avec vous tous les jours, jusqu’à la fin du monde. »

Retour en haut