
Actes des Apôtres
Asan’ny Apostoly 1 : 12 – 14 (MRV)
Ny fiombonan’ny Apostoly
12 Dia niverina nankany Jerosalema izy ireo rehefa avy teo amin’ny tendrombohitra atao hoe Oliva izay akaikin’i Jerosalema, halaviran-dalana azo aleha amin’ny Sabata.
13 Rehefa tafiditra ny tanàna izy ireo dia niakatra ho any amin’ny efitra ambony rihana izay nipetrahany; i Petera, i Jaona, i Jakoba, i Andrea, i Filipo, i Tomasy, i Bartolomeo, i Matio, i Jakoba zanak’i Alfeo, i Simona Zelota ary i Jodasy, zanak’i Jakoba no tao.
14 Ireo rehetra ireo dia niray saina sady naharitra nivavaka niaraka tamin’ny vehivavy sy i Maria, renin’i Jesosy, ary ireo rahalahiny.
Actes des Apôtres 1 : 12 – 14(PDV)
Le groupe des apôtres
12 Alors les apôtres quittent la colline appelée « mont des Oliviers » et ils retournent à Jérusalem. Ce n’est pas très loin, à un kilomètre environ.
13 Quand ils arrivent à Jérusalem, ils vont dans une pièce, en haut d’une maison, c’est là qu’ils ont l’habitude de se réunir. Il y a Pierre, Jean, Jacques et André, Philippe et Thomas, Barthélemy et Matthieu, Jacques le fils d’Alphée, Simon le nationaliste et Jude le fils de Jacques.
14 Tous prient fidèlement d’un seul cœur. Avec eux, il y a quelques femmes, Marie la mère de Jésus, et les frères de Jésus.
.
Epître
13 Fa mainka mifalia araka ny iombonanareo fijaliana amin’i Kristy mba hifalianareo sy hiravoravoanareo koa amin’ny fisehoan’ny voninahiny.
14 Sambatra ianareo raha haratsina noho ny anaran’i Kristy, fa ny Fanahin’ny voninahitra, dia ny Fanahin’Andriamanitra no mipetraka aminareo!
15 Fa aoka tsy hisy eo aminareo hijaly satria mpamono olona, na mpangalatra na mpanao ratsy na mpitsabaka amin’ny raharahan’ny hafa.
16 Fa raha misy mijaly satria Kristiana dia aoka tsy ho menatra izy; fa aoka hankalaza an’Andriamanitra amin’izany anarana izany izy.
13 Si vraiment vous participez aux souffrances du Christ, soyez joyeux. Alors, quand vous verrez sa gloire, vous serez également heureux et pleins de joie.
14 Si on vous insulte parce que vous êtes disciples du Christ, quel bonheur pour vous ! L’Esprit de Dieu, l’Esprit glorieux est sur vous !
15 Parmi vous, si quelqu’un souffre, il ne faut pas que cela lui arrive parce qu’il a tué, parce qu’il a volé, parce qu’il a fait le mal, ou parce qu’il a semé le désordre.
16 Mais s’il souffre parce qu’il est chrétien, il ne doit pas avoir honte. Il doit plutôt remercier Dieu de pouvoir porter le nom du Christ.
Evangile
Mivavaka ho an’ny mpianany Jesosy
1 Rehefa nolazain’i Jesosy izany teny izany dia nanandratra ny masony ho amin’ny lanitra Izy ka niteny hoe: Ray ô, tonga ny fotoanandro; mankalazà ny Zanakao mba hankalazan’ny Zanaka Anao,
2 araka ny nanomezanao Azy fahefana amin’ny nofo rehetra mba hanome fiainana mandrakizay ho an’izay rehetra nomenao Azy.
3 Ary izao no fiainana mandrakizay dia ny mahafantatra Anao izay Andriamanitra tokana sady marina sy Jesosy Kristy izay nirahinao.
4 Izaho efa nankalaza Anao tetỳ ambonin’ny tany; vitako ny asa nomenao Ahy hataoko.
5 Ary ankehitriny, Ray ô, mankalazà Ahy amin’ny tenanao, dia amin’ny voninahitra niarahako nanana Taminao, fony tsy mbola ary izao tontolo izao.
6 Nasehoko tamin’ny olona izay nomenao Ahy avy tamin’izao tontolo izao ny anaranao; Anao ireny ka nomenao Ahy; ary notandremany ny teninao.
7 Fantany ankehitriny fa avy Taminao izay rehetra efa nomenao Ahy.
8 Fa ny teny izay nomenao Ahy dia nomeko azy kosa, ary noraisiny ka fantany marina tokoa fa avy Taminao Aho; ary nino izy fa Ianao no naniraka Ahy.
9Mangataka ho azy Aho; tsy mangataka ho an’izao tontolo izao Aho, fa ho an’izay nomenao Ahy satria Anao izy.
10 Ary izay Ahy rehetra dia Anao ary izay Anao dia Ahy; ary efa ankalazaina eo aminy Aho.
11 Ary tsy ho eto amin’izao tontolo izao intsony Aho, fa izy ireto no ho eto amin’izao tontolo izao, ary Izaho mankany Aminao. Ray masina ô, tehirizo ireo amin’ny anaranao izay nomenao Ahy mba ho iray ihany izy, tahaka ny maha iray Antsika.
Jésus prie pour ses disciples
1 Après que Jésus a dit cela, il lève les yeux vers le ciel et il prie : « Père, le moment est arrivé. Donne de la gloire à ton Fils, pour que ton Fils te donne de la gloire.
2 Tu lui as donné le pouvoir sur tous les êtres humains. Alors il donnera la vie pour toujours à tous ceux que tu lui as donnés.
3 Et la vie pour toujours, c’est te connaître, toi, le seul vrai Dieu, et connaître celui que tu as envoyé, Jésus-Christ.
4 Je t’ai donné de la gloire sur la terre et j’ai fini tout ce que tu m’as donné à faire.
5 Maintenant, Père, donne-moi cette gloire que j’avais auprès de toi avant que le monde existe.
6 « J’ai fait connaître ton nom aux hommes. Tu les as pris dans le monde pour me les donner. Ils étaient à toi, tu me les as donnés, et ils ont obéi à ta parole.
7 Maintenant, tout ce que tu m’as donné, ils savent que cela vient de toi.
8 En effet, je leur ai donné les paroles que tu m’as données. Ils les ont reçues, ils savent vraiment que je suis venu de toi et ils croient que tu m’as envoyé.
9 « Moi, je prie pour eux. Je ne prie pas pour le monde, mais je prie pour ceux que tu m’as donnés. Oui, ils sont à toi.
10 Tout ce qui est à moi est à toi. De même, tout ce qui est à toi est à moi, et ma gloire apparaît en eux.
11 « Maintenant, je ne suis plus dans le monde, mais eux, ils sont dans le monde. Et moi, je vais auprès de toi. Père saint, garde-les par la force de ton nom, le nom que tu m’as donné. Ainsi, ils seront un, comme toi et moi, nous sommes un.
