
Ancien testament
2 Rehefa nifindra niala tao Refidima izy ka tonga tany amin’ny tany efitr’i Sinay dia nitoby teo amin’ny tany efitra; nitoby teo, tandrifin’ny tendrombohitra ny Israely.
3 Ary niakatra ho ao amin’Andriamanitra i Mosesy, dia niantso azy avy tao an-tendrombohitra NY TOMPO ka niteny hoe: Izao no holazainao amin’ny taranak’i Jakoba sy hambaranao amin’ny Zanak’Israely:
4 Ianareo dia efa nahita izay nataoko tamin’ny Ejiptiana sy izay nitondrako anareo tamin’ny elatry ny voromahery ary ny nitondrako anareo ho atỳ Amiko.
5 Ankehitriny, raha hihaino ny feoko tokoa ianareo ka hitandrina ny fanekeko, dia ho fananako sarobidy indrindra mihoatra noho ny firenena rehetra ianareo; fa Ahy ny tany rehetra.
6 Dia ho fanjaka-mpisorona sy ho firenena masina ho Ahy ianareo.
1-2 Les Israélites quittent Refidim. Le troisième mois après leur sortie d’Égypte, le premier jour du mois, ils arrivent au désert du Sinaï. Et ils installent leur camp dans le désert, en face de la montagne.
3 Moïse monte pour rencontrer Dieu. Le Seigneur appelle Moïse du haut de la montagne et il lui dit : « Voici ce que tu diras aux gens de la famille de Jacob, les Israélites :
4 “Vous avez vu vous-mêmes ce que j’ai fait aux Égyptiens. Vous avez vu comment je vous ai amenés ici, auprès de moi. Je vous ai portés comme sur les ailes d’un aigle.
5 Et maintenant, si vous écoutez mes paroles et si vous respectez mon alliance avec vous, vous serez pour moi comme un trésor parmi tous les peuples. Oui, le monde entier est à moi,
6 mais vous serez pour moi un royaume de prêtres, un peuple choisi pour me servir.”
Epîtres
6 Fa fony mbola tsy nanan-kery isika dia maty Kristy tamin’ny fotoanandro hamonjy ny ratsy fanahy.
7 Fa zara raha misy olona manaiky ho faty hamonjy ny marina; nefa angamba hisy ihany ny sasany sahy maty aza hamonjy ny manao soa.
8 Nefa Andriamanitra mampiseho ny fitiavany antsika satria fony mbola mpanota isika dia maty hamonjy antsika Kristy.
9 Koa manoatra noho izany ny hamonjeny antsika ho afaka amin’ny fahatezerana, rehefa nohamarinina tamin’ny rany isika ankehitriny!
10 Raha fony mbola fahavalo aza isika no nampihavanina tamin’Andriamanitra tamin’ny nahafatesan’ny Zanany, mainka ny hamonjena antsika amin’ny fahavelomany, rehefa nampihavanina.
11 Ary tsy izany ihany koa, fa mirehareha ao amin’Andriamanitra isika amin’ny alalan’i Jesosy Kristy Tompontsika, izay nahazoantsika ny fihavanana ankehitriny.
6 Oui, quand nous étions encore sans force, le Christ est mort pour les gens mauvais, au moment décidé par Dieu.
7 Déjà, pour une personne juste, on ne serait guère prêt à mourir. Pour une personne qui fait le bien, on aurait peut-être le courage de mourir.
8 Mais voici comment Dieu a prouvé son amour pour nous : le Christ est mort pour nous, et pourtant, nous étions encore pécheurs.
9 Maintenant, son sacrifice nous a rendus justes. Alors, c’est sûr, le Christ va nous sauver aussi de la colère de Dieu.
10 Oui, quand nous étions les ennemis de Dieu, il nous a réconciliés avec lui par la mort de son Fils. Puisqu’il nous a réconciliés, alors c’est sûr, Dieu va aussi nous sauver par la vie de son Fils.
11 Ce n’est pas tout ! Nous sommes fiers de Dieu à cause de notre Seigneur Jésus-Christ, qui nous a maintenant réconciliés avec Dieu.
.
Evangile
9.36 Ary nony nahita ny vahoaka Jesosy dia nahonena Azy ny fijeriny ireo satria trotraka izy ireo fa nafoy toy ny ondry tsy misy mpiandry.
9.37 Dia hoy Izy tamin’ny mpianany:
9.38 Be ny vokatra fa ny mpiasa no vitsy; koa amin’izany mangataha amin’ny Tompon’ny vokatra mba hampandehanany mpiasa hanangona ny vokatra.
Ny Apostoly roa amby folo
10.1 Ary Jesosy niantso ny mpianany roa amby folo lahy hankeo Aminy ka nanome azy ireo fahefana handroaka fanahy maloto sy hanasitrana ny aretina rehetra mbamin’ny rofy rehetra.
10.2 Izao no anaran’ny Apostoly roa amby folo lahy: Ny voalohany, i Simona, izay atao hoe Petera, sy i Andrea rahalahiny; i Jakoba, zanak’i Zebedio, sy i Jaona rahalahiny;
10.3 i Filipo sy i Bartolomeo; i Tomasy sy i Matio mpamory hetra; i Jakoba, zanak’i Alfeo;
10.4 i Tadeo; i Simona kananeana ary i Jodasy iskariota, ilay namadika Azy.
Ny nanirahan’i Jesosy ny roa amby folo lahy
10.5 Nirahin’i Jesosy ireo roa amby folo lahy ireo ka nohafatrafarany hoe: Aza mandeha any amin’ny lalan’ny Jentilisa ary aza miditra amin’izay tanànan’ny Samaritana,
10.6 fa aleo mankany amin’ny ondry very amin’ny taranak’Israely.
10.7 Ary raha mandeha ianareo dia mitoria hoe: Efa manakaiky ny fanjakan’ny lanitra.
10.8 Sitrano ny marary, atsangano ny maty, diovy ny boka, roahy ny demonia; efa nahazo maimaimpoana ianareo, koa manomeza maimaimpoana.
9.36 Jésus voit les foules et son cœur est plein de pitié. En effet, les gens sont fatigués et découragés, comme des moutons qui n’ont pas de berger.
9.37 Alors Jésus dit à ses disciples : « Il y a une grande récolte à faire, mais les ouvriers ne sont pas assez nombreux.
9.38 Demandez donc au propriétaire de la récolte d’envoyer encore des ouvriers pour faire sa récolte. »
Les douze apôtres
10.1 Jésus appelle ses douze disciples. Il leur donne le pouvoir de chasser les esprits mauvais et de guérir toutes les maladies et toutes les douleurs.
10.2 Voici les noms de ces douze apôtres : d’abord Simon qu’on appelle Pierre et André, son frère, Jacques et son frère Jean, les fils de Zébédée,
10.3 Philippe et Barthélemy, Thomas et Matthieu l’employé des impôts, Jacques le fils d’Alphée et Thaddée, 10.4 Simon le nationaliste et Judas Iscariote, celui qui va livrer Jésus.
Jésus envoie les douze apôtres annoncer la Bonne Nouvelle
10.5 Jésus envoie les douze apôtres dans le pays. Il leur donne ces ordres et ces conseils : « N’allez pas chez les gens qui ne sont pas juifs, n’entrez pas dans les villes de Samarie.
10.6 Allez plutôt vers les gens d’Israël qui sont comme des moutons perdus.
10.7 Sur les chemins, annoncez : “Le Royaume des cieux est tout près de vous !”
10.8 Guérissez les malades, rendez la vie aux morts, guérissez les lépreux, chassez les esprits mauvais. Vous avez reçu gratuitement, donnez donc gratuitement.
