Péricope du Dimanche 26 Juillet 2026

Table des matières

Ancien Testament

1 Mpanjaka 3.5 ; 7 – 12 (MRV)

5 Tao Gibeona no nisehoan’NY TOMPO tamin’i Solomona tamin’ny nofy nony alina. Hoy Andriamanitra: Angataho izay tianao homeko anao.
7 Koa ankehitriny, ry TOMPO Andriamanitro ô, Ianao efa nampanjaka ahy mpanomponao handimby an’i Davida raiko; nefa izaho moa mbola zaza ihany ka tsy fantatro akory izay tokony hataoko.
8 Ary izaho mpanomponao koa dia eo afovoan’ny olonao izay nofidinao, sady olona betsaka tsy tambo isaina ary tsy hita isa noho ny hamaroany.
9 Koa omeo ahy mpanomponao ny saina mahiratra hoentiko mitsara ny olonao, mba hahaizako manavaka ny soa sy ny ratsy! Fa iza moa no mahay mitsara izao olona betsaka izao?
10 Sitraky NY TOMPO ny nangatahan’i Solomona izany zavatra izany
11 ka hoy Andriamanitra taminy: Satria nangataka izany zavatra izany ianao fa tsy ny ho ela velona, na ny hanankarena, na ny ain’ny fahavalonao, fa satria fahaizana hitsara no nangatahinao,
12 dia indro, efa nanatanteraka ny teninao Aho, dia efa nanome anao saina hendry sady mahiratra izao, koa tsy nisy tahaka anao ny talohanao, ary tsy hisy ho tahaka anao ny ao aoriananao.

5 À cet endroit, le Seigneur se montre à Salomon pendant la nuit, dans un rêve. Il lui dit : « Demande-moi ce que tu veux, je te le donnerai. »
7 Oui, Seigneur mon Dieu, c’est toi qui m’as fait roi à la place de David mon père. Mais moi, je suis très jeune, je ne sais pas encore comment me conduire.
8 Et je suis à la tête du peuple que tu as choisi. C’est un peuple nombreux, si nombreux qu’on ne peut pas le compter exactement.
9 Je suis ton serviteur, donne-moi donc un cœur intelligent pour gouverner ton peuple et distinguer le bien du mal. Sans cela, qui est capable de gouverner un peuple si important ? »
10 Cette demande de Salomon plaît au Seigneur.
11 Dieu répond au roi : « Tu n’as pas demandé pour toi une longue vie. Tu n’as pas demandé la richesse, ni la mort de tes ennemis. Mais tu as seulement demandé de savoir bien juger, pour gouverner avec justice. Puisque tu as demandé cela,
12 je vais te donner ce que tu as demandé : un cœur sage et intelligent. Avant toi, personne n’a été aussi sage et intelligent. Et après toi, personne ne le sera autant que toi.

.

Epître

Romana 8 : 28 – 30 (MRV)

28 Fantatsika koa fa ny zavatra rehetra dia miara-miasa hahasoa izay tia an’Andriamanitra, dia izay voaantso araka ny fikasany rahateo.
29 Satria ireo izay fantany mialoha no notendreny koa hitovy endrika amin’ny Zanany, mba ho Lahimatoa amin’ny rahalahy maro Izy.
30 Izay notendreny mialoha no nantsoiny koa; izay nantsoiny no nohamarininy koa; ary izay nohamarininy no nomeny voninahitra koa.

Romains 8 : 28 – 30 (PDV)

28 Nous savons encore une chose : Dieu fait tout pour le bien de ceux qui ont de l’amour pour lui. Ceux-là, il les a appelés selon son projet.
29 En effet, ceux que Dieu a choisis d’avance, il a aussi décidé d’avance de les faire ressembler à son Fils. Ainsi, son Fils sera l’aîné d’une grande famille.
30 Ceux que Dieu a choisis d’avance, il les a aussi appelés. Ceux qu’il a appelés, il les a aussi rendus justes, et ceux qu’il a rendus justes, il leur a aussi donné sa gloire.

Evangile

Matio 13 : 44 – 52 (MRV)

Fanoharana ny amin’ny harena nafenina
44 Ny fanjakan’ny lanitra dia tahaka ny harena nafenina tany an-tsaha izay hitan’olona ka nafeniny; ary noho ny hafaliany dia lasa nandeha izy ka nivarotra ny fananany rehetra dia nividy izany saha izany.
Fanoharana ny amin’ny vatosoa
45 Ary koa, ny fanjakan’ny lanitra dia tahaka ny mpivaro-mandeha iray izay nikatsaka vatosoa;
46 koa rehefa nahita vatosoa iray sarobidy izy dia lasa nivarotra ny fananany rehetra ka nividy azy.
Fanoharana ny amin’ny harato tarihina
47 Ary koa, ny fanjakan’ny lanitra dia tahaka ny harato tarihina, izay nalatsaka tao amin’ny ranomasina ka nahavory ny samihafa karazana rehetra;
48 ary rehefa feno izany dia notarihiny ho eny an-tanety, dia nipetraka ny olona ka nifantina ny tsara hataony ao anaty harona fa ny ratsy kosa dia nariany.
49 Dia tahaka izany no hatao amin’ny fahataperan’izao tontolo izao; hiainga ny anjely ka hanavaka ny ratsy fanahy hisaraka amin’ny marina,
50 dia hatsipiny any amin’ny fandoroana lehibe mirehitra afo izy; any no hisy ny fitomaniana sy ny fikitroha-nify.
Ny taloha sy ny vaovao
51 Azonareo va izany rehetra izany? Hoy ireo Taminy: Eny.
52 Dia hoy Izy taminy: Koa amin’izany ary ny mpanoradalàna rehetra izay nampianarina ny amin’ny fanjakan’ny lanitra dia tahaka ny tompon-trano iray izay mamoaka zava-baovao sy tranainy avy ao amin’ny firaketany.

Le trésor caché
44 « Le Royaume des cieux ressemble à ceci : Il y a un trésor caché dans un champ. Un homme trouve le trésor et il le cache de nouveau. Il est plein de joie, il va vendre tout ce qu’il a et il achète ce champ. »
La perle
45 « Le Royaume des cieux ressemble encore à ceci : Un marchand cherche de belles perles.
46 Il trouve une perle qui a beaucoup de valeur. Alors, il va vendre tout ce qu’il a et il achète la perle. »
Le filet
47 « Le Royaume des cieux ressemble encore à ceci : On jette un filet dans le lac et il ramène toutes sortes de poissons.
48 Quand le filet est plein, les pêcheurs le tirent au bord de l’eau. Ils s’assoient. Ils ramassent les bons poissons dans des paniers et ils rejettent ceux qui ne valent rien.
49 À la fin du monde, ce sera la même chose. Les anges viendront séparer les méchants et les justes.
50 Ils jetteront les méchants dans le grand feu. Là, ils pleureront et grinceront des dents. »
Conclusion
51 Jésus demande à ses disciples : « Est-ce que vous avez compris tout cela ? » Ils lui répondent : « Oui. »
52 Jésus leur dit : « Un maître de la loi qui devient disciple du Royaume des cieux, voici à qui il ressemble : il est comme un maître de maison qui tire de son trésor des choses nouvelles et des choses anciennes. »

Retour en haut