Péricope du Dimanche 16 Aout 2026

Table des matières

Ancien Testament

Isaia 56 : 1 – 7 (MRV)

1 Izao no lazain’NY TOMPO : Tandremo ny rariny ary manaova ny marina, fa efa madiva ho tonga ny famonjeko ary efa hiseho ny fahamarinako.
2 Sambatra ny zanak’olombelona izay manao izany, ary ny zanak’olona izay mitana izany, dia izay mitandrina ny Sabata
ka tsy manamavo azy sady miaro ny tanany tsy hanao izay ratsy akory.
3 Aoka ny hafa firenena izay efa manaiky ho an’NY TOMPO tsy hiteny hoe : Hesorin’NY TOMPO tsy ho isan’ny olony tokoa aho ; ary aoka ny ionòka tsy hiteny hoe : Indro, hazo maina aho !
4 Fa izao no lazain’NY TOMPO : Ny amin’ny ionòka izay mitandrina ny Sabatako sy mifidy izay sitrako ary mitana ny fanekeko,
5 dia hanaovako fahatsiarovana sy anarana ao an-tranoko sy ao anatin’ny mandako izy, izay tsara lavitra noho ny an’ny zanakalahy sy ny zanakavavy ; fa anarana mandrakizay izay tsy hesorina no homeko azy.
6 Ary ny hafa firenena izay manaiky ho an’NY TOMPO mba hanompo Azy sy ho tia ny anaran’NY TOMPO mba ho mpanompony, dia izay rehetra mitandrina ny Sabata ka tsy manamavo azy sady mitana ny fanekeko,
7 dia hoentiko ho any amin’ny tendrombohitro masina ka hampifaliako ao amin’ny tranoko fivavahana ; ny fanatitra dorana manontolo atolony sy ny fanatiny hafa alatsa-dra dia hankasitrahana eo ambonin’ny alitarako, satria ny tranoko hatao hoe Trano fivavahana ho an’ny firenena rehetra.

1 Voici ce que le Seigneur dit : « Respectez le droit, faites ce qui est juste. La libération que j’apporte est sur le point d’arriver, vous allez découvrir que je veux vous sauver.
2 Il est heureux, celui qui fait ce que je dis, qui s’y tient solidement. Il est heureux, celui qui respecte fidèlement le sabbat, qui évite toute action mauvaise. »
3 L’étranger qui s’est attaché au Seigneur ne doit pas penser : « Le Seigneur va sûrement m’exclure de son peuple. » L’eunuque ne doit pas se dire : « Je ne suis qu’un arbre sec. »
4 En effet, voici ce que le Seigneur affirme : « Certains eunuques respectent mes sabbats. Ils choisissent de faire ce qui me plaît et s’attachent à mon alliance.
5 Eh bien, à l’intérieur des murs de mon temple je leur dresserai une pierre pour y graver leur nom. Cela aura plus de valeur pour eux que des fils et des filles. Le nom que je leur donnerai restera pour toujours, il ne sera jamais effacé. »
6 Certains étrangers sont attachés au Seigneur. Ils l’honorent, ils l’aiment et ils sont ses serviteurs. De ceux-là, le Seigneur dit : « Tous ceux qui respectent fidèlement le sabbat, qui s’attachent à mon alliance,
7 je les ferai venir sur ma montagne sainte, je les remplirai de joie dans ma maison de prière. J’accepterai les sacrifices et les dons qu’ils m’offrent sur l’autel. Oui, on appellera ma maison “Maison de prière pour tous les peuples”. »

.

Epître

Romana 11 : 13-15 : 29-32 (MRV)

13 Fa ianareo Jentilisa no itenenako. Koa satria apostolin’ny Jentilisa aho dia mankalaza ny fanompoako,
14 mba hisy hahazoako hampialona ireo iray ra amiko, mba hamonjeko ny sasany aminy.
15 Fa raha ny fampihatahana azy no fampihavanana izao tontolo izao, tsy ho fampodiana ny fiainana avy amin’ny fahafatesana va ny fandraisana azy ?
29 Satria ny fanomezana ny fahasoavana sy ny fiantsoan’Andriamanitra dia tsy azo ovana.
30 Fa tahaka anareo fahiny, izay tsy nankatò an’Andriamanitra, nefa ankehitriny dia ny tsy fanekeny no nahazoanareo famindrampo,
31 dia toy izany koa ankehitriny, tsy nankatò ireny, mba hahazoany famindrampo ankehitriny noho ny famindrampo azonareo.
32 Fa nanidy azy rehetra tao amin’ny tsy fankatoavana Andriamanitra mba hamindrany fo amin’izy rehetra.

Romains 11 : 13-15 : 29-32 (PDV)

13 Maintenant, vous qui n’êtes pas juifs, c’est à vous que je parle. Je suis l’apôtre de ceux qui ne sont pas juifs. Ce service est pour moi un honneur,
14 et je le rends en espérant augmenter la jalousie de mes frères et sœurs juifs pour en sauver quelques-uns.
15 En effet, quand Dieu les a mis de côté, il a réconcilié le monde avec lui. Alors, quand il les accueillera de nouveau, que va-t-il se passer ? Ceux qui étaient morts reviendront à la vie.
29 En effet, Dieu ne reprend jamais ce qu’il a donné, il ne rejette jamais ceux qu’il a appelés.
30 Autrefois, vous n’avez pas obéi à Dieu, mais maintenant, Dieu a eu pitié de vous, parce que les Juifs n’ont pas obéi.
31 Pour eux, c’est la même chose. Maintenant, ils n’ont pas obéi à Dieu, pour que Dieu ait pitié de vous. Alors maintenant, eux aussi pourront recevoir la pitié de Dieu.
32 Dieu a permis que tous les êtres humains refusent d’obéir, pour montrer à tous sa pitié.

Evangile

Matio 15 : 21 – 28 (MRV)

Ny finoan’ilay vehivavy kananita
21 Dia niala teo Jesosy ka nankany amin’ny faritanin’i Tiro sy Sidona.
22 Ary indro, nisy vehivavy kananita iray avy tamin’izany faritra izany niantsoantso hoe : Mamindrà fo amiko, Tompoko, Zanak’i Davida ô! Ny zanako vavy dia ampahorin’ny demonia loatra.
23 Kanefa Izy tsy namaly azy akory na dia teny indraimbava aza. Dia nanatona ny mpianany ka nangataka Taminy hoe : Roahy izy fa miantsoantso mafy ato aorianantsika.
24 Fa Izy namaly hoe: Tsy nirahina Aho afa-tsy ho amin’ny ondry very amin’ny taranak’Israely.
25 Nanatona ihany anefa Ravehivavy sady niankohoka teo anatrehany no niteny Taminy hoe : Tompoko ô, vonjeo aho.
26 Ary Izy namaly hoe : Tsy mety raha maka ny mofon-jaza ka manipy azy ho an’ny amboa kely.
27 Fa hoy Ravehivavy : Marina izany, Tompoko; fa na dia ny amboa kely aza mba mihinana izay sombintsombiny latsaka avy amin’ny latabatry ny tompony ihany.
28 Dia namaly azy Jesosy hoe: Ravehivavy, lehibe ny finoanao; tongava aminao araka izay irinao. Dia sitrana ny zanany vavy tamin’izay ora izay.

Une femme non juive croit en Jésus
21 Ensuite, Jésus quitte cet endroit et il va dans la région de Tyr et de Sidon.
22 Une femme de cette région, une Cananéenne, arrive. Elle se met à crier : « Seigneur, Fils de David, aie pitié de moi ! Ma fille a un esprit mauvais en elle, elle va très mal. »
23 Mais Jésus ne lui répond pas un mot. Ses disciples s’approchent de lui et lui disent : « Fais partir cette femme ! Elle n’arrête pas de crier derrière nous ! »
24 Jésus répond : « Dieu m’a envoyé seulement pour les gens d’Israël, qui sont comme des moutons perdus. »
25 Mais la femme vient se mettre à genoux devant lui en disant : « Seigneur, aide-moi ! »
26 Jésus lui répond : « Ce n’est pas bien de prendre la nourriture des enfants et de la jeter aux petits chiens. »
27 La femme lui dit : « Seigneur, tu as raison. Pourtant, les petits chiens mangent les miettes qui tombent de la table de leurs maîtres. »
28 Alors Jésus répond à la femme : « Ta foi est grande ! Que les choses se passent pour toi comme tu le veux ! » Et au même moment, sa fille est guérie.

Retour en haut