
Ancien Testament
Isaia 25 : 6 – 10a (MRV)
6 Andriamanitra, Tompon’izao rehetra izao, dia hanao fanasana ho an’ny firenena rehetra eto amin’ity tendrombohitra ity; fanasana amin’ny hena matavy, fanasana amin’ny divay efa niotrika ela, hena matavy, be tsoka, divay efa niotrika ela, voadio tsara.
7 Eto amin’ity tendrombohitra ity no hanafoanany ny sarona izay manakona ny olona rehetra sy ny rakotra izay mandrakotra ny firenena rehetra;
8 hofoanany tsy hisy mandrakizay ny fahafatesana; NY TOMPO Andriamanitra no hamafa ny ranomaso amin’ny tava rehetra sady hanafoana eny amin’ny tany rehetra ny fahafaham-baraka amin’ny olony. NY TOMPO no niteny.
Fanalam-baraka an’i Moaba
9 Holazaina amin’izany andro izany hoe : Indro Andriamanitsika izay nantenaintsika hamonjy antsika. Indro NY TOMPO izay nandrasantsika, koa aoka isika hifaly sady hiravoravo amin’ny famonjeny !
10 Fa mipetraka amin’ity tendrombohitra ity ny tanan’NY TOMPO; ary hohosihosena ao amin’izay misy azy i Moaba…
6 Sur la montagne de Sion, le Seigneur de l’univers, préparera pour tous les peuples un repas de viandes grasses arrosé de bons vins, un repas de viandes tendres et grasses et de vins purs.
7 Sur cette montagne, il enlèvera le voile de deuil qui enveloppe tous les peuples, le drap des morts qui couvre tous les pays.
8 Il détruira la mort pour toujours. Le Seigneur Dieu essuiera les larmes sur tous les visages. Dans tout le pays, il enlèvera la honte de son peuple. Voilà ce que le Seigneur a promis.
Le Seigneur sauve son peuple et renverse Moab
9 Et ce jour-là, on dira : « C’est lui, notre Dieu. Nous comptions sur lui, et il nous a sauvés. Oui, c’est dans le Seigneur que nous avons mis notre espoir. Dansons de joie, réjouissons-nous : il nous a sauvés !
10 La main du Seigneur protège la montagne de Sion. »
.
Epître
Filipiana 4 : 12-14 ; 19 – 20 (MRV)
12 Mahay mivelona amin’ny fahantrana aho ary mahay mivelona amin’ny fananam-be; na aiza na aiza, ary na amin’ny inona na amin’ny inona, dia efa nampianarina ny ho voky sy ho noana ary hanam-be sy hahantra aho. 13 Mahay ny zavatra rehetra aho ao amin’Ilay mampahery ahy.
14 Kanefa nanao soa ianareo tamin’ny niarahanareo ory tamiko.
19 Koa Andriamanitro anie hanatanteraka izay rehetra tokony ho anareo araka ny harenany amin’ny voninahitra ao amin’i Kristy Jesosy.
20 Ary ho an’Andriamanitra Raintsika anie ny voninahitra mandrakizay mandrakizay ! Amena !
Philippiens 4 : 12-14 ; 19 – 20 (PDV)
12 Je sais vivre dans la pauvreté, je sais vivre dans la richesse. Toujours et partout, j’ai appris à être rassasié et à avoir faim, à vivre avec beaucoup et avec peu.
13 Je suis capable de tout cela grâce au Christ qui me rend fort.
14 Pourtant, vous avez bien fait de prendre part à mes souffrances.
19 Et mon Dieu vous donnera tout ce qui vous manque par le Christ Jésus, tellement sa gloire est grande.
20 Rendons gloire à Dieu notre Père pour toujours ! Amen !
Evangile
Fanoharana ny amin’ny fampakaram-bady
1 Ary Jesosy mbola niteny taminy tamin’ny fanoharana hafa hoe :
2 Ny fanjakan’ny lanitra dia tahaka ny mpanjaka iray izay nanao fanasana noho ny amin’ny fampakaram-badin’ny zanany lahy.
3 Ary naniraka ny mpanompony izy hiantso izay efa nasaina mba hankao amin’ny fampakaram-bady; nefa tsy nety ho avy ireo.
4 Dia naniraka mpanompo hafa indray izy ka niteny hoe : Lazao amin’ireo izay efa nasaina hoe : Indro, efa vonona ny sakafo nomaniko; efa voavono ny ombiko sy ny nafahiko ka efa vonona avokoa ny zavatra rehetra; koa tongava amin’izay atỳ amin’ny fampakaram-bady ianareo.
5 Nefa tsy nahoan’ireo akory izany, fa samy lasa nandeha izy, ny iray dia ho any amin’ny sahany, ny iray dia ho any amin’ny varony.
6 Ary ny sisa dia nisambotra ny mpanompony, dia nisetrasetra taminy ka namono azy.
7 Dia tezitra ilay mpanjaka ka naniraka ny miaramilany dia nandringana ireny mpamono olona ireny sady nandoro ny tanànany.
8 Dia hoy izy tamin’ny mpanompony: Efa vonona ny fampakaram-bady fa ireo izay nasaina no tsy mendrika.
9 Koa mankanesa ianareo eny amin’ny sampanan-dalana ary izay hitanareo dia asao ho ao amin’ny fampakaram-bady.
10 Dia nandeha ho eny amin’ny lalana ireny mpanompo ireny ka namory izay rehetra hitany, na ny ratsy na ny tsara; dia feno mpiara-misakafo ny fampakaram-bady.
11 Nony efa niditra ny mpanjaka hizaha ny mpiara-misakafo dia nahita lehilahy iray izay tsy niakanjo ny akanjo fitondra amin’ny fampakaram-bady.
12 Dia hoy izy taminy: Ry sakaiza, ahoana no idiranao eto, nefa ianao tsy manana ny akanjo fitondra amin’ny fampakaram-bady? Dia tsy nahateny izy.
13 Ary hoy ny mpanjaka tamin’ny mpanompony: Afatory ny tongony aman-tanany dia ario any amin’ny maizina any ivelany izy; any no hisy ny fitomaniana sy ny fikitroha-nify.
14 Fa maro no antsoina nefa vitsy no fidina.
L’histoire du grand repas de mariage
1 Jésus se met encore à parler aux foules en utilisant des comparaisons. Il leur dit :
2 « Le Royaume des cieux ressemble à ceci : Un roi prépare un grand repas pour le mariage de son fils.
3 Il envoie ses serviteurs appeler les invités au repas, mais les invités ne veulent pas venir.
4 Il envoie encore d’autres serviteurs pour dire aux invités : “Maintenant, le repas est prêt ! J’ai fait tuer mes bœufs et mes bêtes bien grasses. Tout est prêt, venez au repas de mariage !”
5 Mais les invités n’y font pas attention, et ils s’en vont, l’un à son champ, l’autre à son commerce.
6 Les autres prennent les serviteurs, ils leur font du mal et ils les tuent.
7 Le roi se met en colère. Il envoie ses soldats tuer les assassins et brûler leur ville.
8 Ensuite il dit à ses serviteurs : “Le repas de mariage est prêt, mais les invités n’étaient pas dignes de le manger.
9 Allez donc aux croisements des chemins et invitez au repas tous les gens que vous rencontrerez.”
10 Les serviteurs partent sur les chemins, ils rassemblent tous les gens qu’ils trouvent, les mauvais et les bons. Ainsi la salle de fête est pleine de monde.
11 « Le roi entre pour regarder les invités, il voit un homme qui n’a pas le vêtement de fête.
12 Il lui dit : “Mon ami, comment ? Tu es entré ici sans le vêtement de fête !” L’homme ne répond rien.
13 Alors le roi dit aux serviteurs : “Attachez-lui les mains et les pieds et jetez-le dehors, dans la nuit. Là, il pleurera et il grincera des dents.” »
14 Et Jésus ajoute : « Oui, Dieu appelle un grand nombre de gens, mais il n’y en a pas beaucoup qui sont choisis. »
