
Ancien Testament
Ny tanim-boaloboky NY TOMPO
1 Avelao aho hihira ho an’ny malalako, dia ny hiran’ny malalako ny amin’ny tanim-boalobony. Ny malalako dia nanana tanim-boaloboka teo amin’ny havoana lonaka.
2 Nasainy io ka nesoriny ny vato dia novoleny karazam-boaloboka tsara; nanao trano fiambenana teo afovoany Izy ary nandavaka famiazam-boaloboka teo. Dia nanantena azy hamoa voaloboka tsara Izy, kanjo namoa voalobo-dratsy io.
3 Noho izany, ry mponina any Jerosalema sy ry lehilahy amin’ny Joda, miangavy anareo aho, tsarao Aho sy ny tanim-boaloboko !
4 Inona moa no mbola azo natao tamin’ny tanim-boaloboko ka tsy efa nataoko taminy ? Koa raha nanantena azy hamoa voaloboka tsara Aho, nahoana no namoa voalobo-dratsy izy ?
5 Koa ankehitriny, aoka hambarako anareo izay hataoko amin’ny tanim-boaloboko. Hesoriko ny fefy tsilony ka holevonina izy; harodako ny fefy vatony ka ho voahitsakitsaka izy;
6 Hataoko simba tanteraka izy: Tsy hohetezana ny sampam-boalobony ary tsy hohevoina izy fa ho rakotry ny anjavidy sy ny tsilo. Ary hodidiako ny rahona tsy hampilatsaka ranonorana aminy.
7 Fa tanim-boalobok’Andriamanitra, Tompon’izao rehetra izao, ny taranak’Israely, ary ny lehilahy amin’i Joda no voly tiany. Dia nanantena fitsarana marina Izy, kanjo indro, heloka be vava ! Niandry fahamarinana Izy, kanjo indro, fitarainana !
Le peuple du Seigneur est comme une vigne qui produit de mauvais fruits
1 Laissez-moi chanter une chanson au nom de mon ami. Elle parle de mon ami et de sa vigne : Mon ami avait une vigne sur une petite colline au sol fertile.
2 Il a retourné la terre, il a enlevé les pierres, et dans sa vigne, il a mis des plants de bonne qualité. Il a construit une tour pour surveiller la plantation et il a aussi creusé un pressoir. Il attendait de sa vigne du bon raisin, mais elle n’a donné que du raisin acide.
3 Alors mon ami a dit : « Vous qui habitez Jérusalem, vous les gens de Juda, c’est vous qui allez juger entre ma vigne et moi.
4 J’ai tout fait pour ma vigne, je ne pouvais rien faire de plus. J’attendais du bon raisin, mais elle n’a donné que du raisin acide. Pourquoi donc ?
5 « Eh bien, je veux vous dire ce que je vais faire à ma vigne : j’arracherai la clôture qui l’entoure, et les animaux mangeront les feuilles de ses plants. Je démolirai son mur, et les passants écraseront sa terre en marchant dessus.
6 Je ferai d’elle une terre de brousse. Personne ne coupera ses branches, personne n’arrachera ses mauvaises herbes. Des buissons d’épines pousseront dans ma vigne, et j’interdirai aux nuages de laisser tomber la pluie sur elle. »
7 La vigne du Seigneur de l’univers, c’est Israël, oui, la plantation qu’il aimait tant, c’est le peuple de Juda. Le Seigneur attendait de lui qu’il respecte le droit. Mais partout, c’est l’injustice. Il attendait de lui la justice. Mais partout, ce sont les cris des gens sans défense.
.
Epître
6 Aza manahy na amin’ny inona na amin’ny inona fa aoka ny fivavahana sy ny fifonana mbamin’ny fisaorana no hoentinareo manambara ny fangatahanareo amin’Andriamanitra amin’ny zavatra rehetra.
7 Ary ny fiadanan’Andriamanitra izay mihoatra noho ny fahalalana rehetra, hiaro ny fonareo sy ny hevitrareo ao amin’i Kristy Jesosy.
8 Farany, ry rahalahy, na inona na inona marina, na inona na inona manan-kaja, na inona na inona mahitsy, na inona na inona madio, na inona na inona maha te ho tia, na inona na inona tsara laza, raha misy hatsaram-panahy ary raha misy dera, dia hevero izany.
9 Ataovy izay efa nianaranareo sy efa noraisinareo ary efa renareo sy efa hitanareo tamiko. Ary ho aminareo ny Andriamanitry ny fiadanana.
6 Ne soyez inquiets de rien, mais demandez toujours à Dieu ce qu’il vous faut. Et quand vous priez, faites vos demandes avec un cœur reconnaissant.
7 Ainsi la paix de Dieu, qui dépasse tout ce que nous pouvons comprendre, gardera vos cœurs et vos pensées unis au Christ Jésus.
8 En tout cas, frères et sœurs, voici ce qui doit vous intéresser : tout ce qui est vrai et mérite d’être respecté, tout ce qui est juste et pur, tout ce qu’on peut aimer et approuver, tout ce qui est très bon et ce qui mérite des félicitations.
9 Faites ce que vous avez appris de moi, ce que vous avez reçu et entendu de moi, ce que vous m’avez vu faire. Et le Dieu qui donne la paix sera avec vous.
Evangile
33 Mihainoa fanoharana hafa koa: Nisy lehilahy tompon-trano nanamboatra tanim-boaloboka ka namefy azy manodidina sy nihady famiazana teo anatiny ary nanorina trano fiambenana, dia nahofany tamin’olona mpiasa tany izany ary nandeha ho any an-tany lavitra izy.
34 Ary rehefa nanakaiky ny fotoana fiakaran’ny vokatra dia naniraka ny mpanompony izy hankany amin’ireo mpiasa tany mba handray ny vokatra.
35 Ny mpiasa tany anefa dia nisambotra ireo mpanompony, koa ny iray dia nokapohiny, ny iray dia novonoiny ary ny iray dia notorahany vato.
36 Dia naniraka mpanompo hafa indray izy, maro noho ny teo; nefa nataony toy izany koa ireny.
37 Ary nony farany dia naniraka ny zanany hankany aminy izy sady niteny hoe: Hanaja ny zanako ireo.
38 Kanjo ny mpiasa tany, nony nahita ilay zanaka, dia nifampiresaka hoe: Ity no mpandova; andeha hovonointsika dia ho lasantsika ny lovany.
39 Dia nosamborin’ireo izy ka navoakany teny ivelan’ny tanim-boaloboka ary novonoiny.
40 Koa rehefa tonga ny tompon’ny tanim-boaloboka, hataony ahoana moa ireo mpiasa tany ireo ?
41 Hoy ireo taminy: Ho loza tokoa ny handringanany izany olon-doza izany, ary ny tanim-boaloboka dia hahofany amin’ny mpiasa tany hafa izay hanome azy ny vokatra amin’izay fotoanany.
42 Hoy Jesosy taminy: Tsy mbola novakinareo akory tao amin’ny Soratra Masina va izao: «Ny vato izay nolavin’ny mpanao trano, dia izany no tonga vato fehizoro; avy tamin’NY TOMPO izao ka mahagaga eo imasontsika ? » (Sal 118.22, 23)
43 Ary noho izany dia lazaiko aminareo hoe : Hesorina aminareo ny fanjakan’Andriamanitra ka homena izay firenena mahavokatra ny voany.
33 « Écoutez une autre histoire : Un propriétaire plante une vigne. Il l’entoure d’un mur, il creuse un trou pour le pressoir à raisin. Il construit une tour pour surveiller la vigne. Ensuite, il laisse la vigne à des vignerons et il part en voyage.
34 Au moment où on récolte le raisin, il envoie ses serviteurs vers les vignerons, pour aller chercher son raisin.
35 Mais les vignerons prennent les serviteurs, ils frappent le premier, ils tuent le deuxième et ils font mourir le troisième à coups de pierres.
36 Le propriétaire envoie encore d’autres serviteurs, plus nombreux que les premiers. Mais les vignerons leur font la même chose.
37 Enfin, le propriétaire leur envoie son fils en se disant : “Ils respecteront mon fils.”
38 Mais quand les vignerons voient le fils, ils se disent entre eux : “C’est lui qui sera le propriétaire plus tard ! Venez ! Tuons-le, et la vigne sera à nous !”
39 Ils prennent le fils, ils le font sortir de la vigne et le tuent. »
40 Jésus demande : « Quand le propriétaire de la vigne viendra, qu’est-ce qu’il va faire à ces vignerons ? »
41 Les chefs religieux répondent à Jésus : « Il va tuer sans pitié ces gens méchants. Il louera la vigne à d’autres vignerons, et au moment de la récolte, ces vignerons lui donneront le raisin. »
42 Alors Jésus leur dit : « Vous avez sûrement lu ces phrases dans les Livres Saints : “La pierre que les maçons ont rejetée est devenue la pierre principale de la maison. C’est le Seigneur qui a fait cela. Quelle chose merveilleuse pour nous !”
43 C’est pourquoi, je vous le dis, Dieu vous enlèvera le Royaume et il le donnera à un peuple qui produira les fruits du Royaume. »
