Péricope du Dimanche 27 Septembre 2026

Table des matières

Ancien Testament

Ezekiela 18 : 25 – 28 (MRV)

25 Nefa hoy ianareo: Tsy marina ny lalan’ny Tompo. Mihainoa ange, ry taranak’Israely! Moa ny lalako va no tsy marina? Tsy ny lalanareo va no tsy marina ?
26 Raha ny marina no miala amin’ny fahamarinany ary manao meloka ka maty amin’izany dia maty noho ny heloka nataony ihany izy.
27 Ary raha ny ratsy fanahy no miala amin’ny faharatsiana nataony ka manao izay marina sy mahitsy dia hahavonjy ny ainy izy.
28 Raha mahita ny fahadisoana rehetra izay nataony izy ka miala amin’izany dia ho velona tokoa izy fa tsy ho faty.

25 Pourtant vous dites : “La façon de faire du Seigneur n’est pas bonne !” Écoutez, vous, les Israélites, est-ce ma façon de faire qui n’est pas bonne ? Ce sont plutôt vos façons de faire qui sont mauvaises.
26 Prenons un exemple : Voici une personne qui agissait bien, mais elle ne fait plus ce qui est juste. Elle fait le mal et elle meurt. Eh bien, elle meurt à cause du mal qu’elle a fait.
27 Au contraire, une personne mauvaise se détourne du mal qu’elle commet, elle respecte les lois et fait ce qui est juste. Eh bien, elle sauvera sa vie.
28 Si elle se rend compte de ses mauvaises actions, si elle s’en détourne, elle vivra, c’est sûr, elle ne mourra pas.

.

Epître

Filipiana 2 : 1 – 11 (MRV)

Ny fanetren-tenan’i Kristy sy ny fahalehibiazany
1 Koa raha misy fampirisihana ao amin’i Kristy, raha misy fampiononana avy amin’ny fitiavana, raha misy fiombonana ao amin’ny Fanahy, raha misy famindrampo sy fiantrana,
2 dia tanteraho ny fifaliako, amin’ny firaisanareo saina, miray fitiavana, miray fo, miray hevitra;
3 tsy manao na inona na inona amin’ny fifampiandaniana na amin’ny fieboeboana foana; fa aoka kosa samy hihevitra ny namany ho mihoatra noho ny tenany amin’ny fanetren-tena.
4 Aza samy mihevitra ny azy ihany fa aoka samy hihevitra ny an’ny namany koa.
5 Aoka ho ao aminareo izao saina izao, izay tao amin’i Kristy Jesosy koa :
6 Na dia nanana ny endrik’Andriamanitra aza Izy dia tsy nataony ho zavatra hofikiriny mafy ny fitoviana amin’Andriamanitra,
7 fa nofoanany ny tenany tamin’ny nakany ny endriky ny mpanompo sy ny nahatongavany ho manam-pitoviana amin’ny olona; ary rehefa hita fa nanan-tarehy ho olona Izy
8 dia nanetry tena ka nanaiky hatramin’ny fahafatesana, dia ilay fahafatesana teo amin’ny hazofijaliana.
9 Noho izany no nanandratan’Andriamanitra Azy ho ambony indrindra sy nanomezany Azy ny anarana izay ambony noho ny anarana rehetra,
10 mba ho amin’ny anaran’i Jesosy no handohalehan’ny lohalika rehetra, na ny any an-danitra na ny etỳ an-tany na ny any ambanin’ny tany,
11 sy haneken’ny lela rehetra fa Jesosy Kristy no Tompo ho voninahitr’Andriamanitra Ray.

Philippiens 2 : 1 – 11 (PDV)

Le Christ s’est fait serviteur
1 Le Christ vous rend plus forts. Son amour vous donne du courage et son Esprit vous unit. Vous êtes pleins de tendresse et de pitié les uns pour les autres. C’est vrai, n’est-ce pas ?
2 Eh bien, remplissez-moi de joie en vous mettant d’accord. Ayez un même amour, un même cœur, une même pensée.
3 Ne faites rien pour passer devant les autres ou pour que les autres vous admirent, cela ne vaut rien. Au contraire, soyez simples et pensez que les autres sont meilleurs que vous.
4 Ne cherchez pas votre intérêt à vous, mais cherchez l’intérêt des autres.
5 Entre vous, conduisez-vous comme des gens unis au Christ Jésus.
6 Lui, il est l’égal de Dieu, parce qu’il est Dieu depuis toujours. Pourtant, cette égalité, il n’a pas cherché à la garder à tout prix pour lui.
7 Mais tout ce qu’il avait, il l’a laissé. Il s’est fait serviteur, il est devenu comme les hommes, et tous voyaient que c’était bien un homme.
8 Il s’est fait plus petit encore : il a obéi jusqu’à la mort, et il est mort sur une croix !
9 C’est pourquoi Dieu l’a placé très haut et il lui a donné le nom qui est au-dessus de tous les autres noms.
10 Alors tous ceux qui sont dans le ciel, sur la terre et chez les morts tomberont à genoux quand ils entendront le nom de Jésus.
11 Et tous reconnaîtront ceci : Jésus-Christ est le Seigneur, pour la gloire de Dieu le Père.

Evangile

Matio 21 : 28 – 32 (MRV)

Fanoharana ny amin’ireo zanaka roa lahy
28 Fa ahoana kosa ny hevitrareo ? Nisy lehilahy iray nanana zanaka roa lahy; dia nankeo amin’ny lahimatoa izy ka niteny hoe: Anaka, andeha miasa any amin’ny tanim-boaloboka anio.
29 Fa namaly izy hoe: Tsy handeha aho; nefa nony avy eo dia nanenina izy ka nandeha ihany.
30 Dia nankeo amin’ny faralahy izy ka niteny toy izany koa. Ary namaly azy kosa izy hoe: Handeha aho, tompoko; kanjo tsy nandeha izy.
31 Koa iza amin’izy mirahalahy moa no nanao ny sitrapon’ny rainy ? Dia hoy ireo: Ny lahimatoa. Dia hoy Jesosy taminy: Lazaiko aminareo marina tokoa fa ny mpamory hetra sy ny vehivavy janga dia mialoha anareo ho any amin’ny fanjakan’Andriamanitra.
32 Fa nankany aminareo tamin’ny lalan’ny fahamarinana i Jaona, nefa tsy nino azy ianareo; fa ny mpamory hetra sy ny vehivavy janga no nino azy; fa ianareo kosa, na dia efa nahita izany aza, dia mbola tsy nanenina avy eo mba hinoanareo azy.

L’histoire des deux fils
28 Jésus dit encore : « Qu’est-ce que vous pensez de cette histoire ? Un homme a deux fils. Il dit au premier : “Mon fils, va travailler aujourd’hui dans la vigne.”
29 Le fils répond : “Je ne veux pas.” Plus tard, il regrette sa réponse et il y va.
30 Le père dit la même chose au deuxième fils. Le fils répond : “Oui, père, j’y vais.” Mais il n’y va pas.
31 Lequel des deux fils a fait la volonté du père ? » Les chefs religieux lui répondent : « C’est le premier. » Jésus leur dit : « Je vous le dis, c’est la vérité : les employés des impôts et les prostituées entrent avant vous dans le Royaume de Dieu.
32 En effet, Jean-Baptiste est venu à vous, en montrant le chemin juste, et vous ne lui avez pas fait confiance. Pourtant les employés des impôts et les prostituées lui ont fait confiance. Vous avez bien vu cela, mais ensuite, vous n’avez pas changé votre cœur pour faire confiance à Jean. »

Retour en haut