
Ancien Testament
Zefania 1 : 14 – 16 (MRV)
14 Efa antomotra ny Andro lehiben’NY TOMPO ; eny, efa antomotra sady miha haingana indrindra. Injany ny feon’ny Andron’NY TOMPO, mitomany mafy any ny lehilahy mahery.
15 Andron’ny fahatezerana izany andro izany, andron’ny fahoriana sy tebiteby, andron’ny fandringanana sy fandravana, andro maizina sy manjombona, andro mandrahona sy maizim-pito.
16 Andron’ny feon’ny anjomara sy ny horakoraka, hamelezana ny tanàna mimanda sy ny tilikambon’ny mpiambina eny amin’ny zoron’ny manda.
Sophonie 1 : 14 – 16 (S21)
14 Le grand jour de l’Eternel est proche, il est proche, il arrive très vite ; le jour de l’Eternel fait entendre sa voix, et le héros pousse des cris amers.
15 Ce jour est un jour de fureur, un jour de détresse et d’angoisse, un jour de ruine et de destruction, un jour de ténèbres et d’obscurité, un jour de nuages et de brouillard,
16 un jour où retentiront la trompette et les cris de guerre contre les villes fortifiées et les hautes tours.
.
Epître
1 Tesaloniana 4 : 13 – 18 (MRV)
Ny amin’izay efa nodimandry
13 Fa tsy tianay tsy ho fantatrareo, ry rahalahy, ny amin’izay efa nodimandry mba tsy halahelovanareo tahaka ny sasany izay tsy manana fanantenana.
14 Fa raha inoantsika fa efa maty Jesosy sady efa nitsangana indray dia toy izany koa no hitondran’Andriamanitra izay efa nodimandry tao amin’i Jesosy hiaraka Aminy.
15 Fa izao no lazainay aminareo amin’ny tenin’ny Tompo: Isika, izay velona ka mbola ho eo amin’ny andro hiavian’ny Tompo, dia tsy mba hialoha izay efa nodimandry tsy akory.
16 Fa ny Tompo, Izy tenany, no hidina avy any an-danitra, miaraka amin’ny baiko sy ny feon’ny arikanjely ary ny trompetran’Andriamanitra, koa izay maty ao amin’i Kristy no hitsangana aloha ;
17 ary rehefa afaka izany dia isika izay velona ka mbola ho eo no hakarina hiaraka amin’ireo ho eny amin’ny rahona hitsena ny Tompo any amin’ny habakabaka; dia ho any amin’ny Tompo mandrakariva isika.
18 Koa dia mifampionòna ianareo amin’ireo teny ireo.
1 Thessaloniciens 4 : 13 – 18 (S21)
Résurrection des croyants et retour du Seigneur
13 Nous ne voulons pas, frères et sœurs, que vous soyez dans l’ignorance au sujet de ceux qui sont morts, afin que vous ne soyez pas dans la tristesse comme les autres, qui n’ont pas d’espérance.
14 En effet, si nous croyons que Jésus est mort et qu’il est ressuscité, nous croyons aussi que Dieu ramènera par Jésus et avec lui ceux qui sont morts.
15 Voici ce que nous vous déclarons d’après la parole du Seigneur: nous les vivants, restés pour le retour du Seigneur, nous ne devancerons pas ceux qui sont morts.
16 En effet, le Seigneur lui-même, à un signal donné, à la voix d’un archange et au son de la trompette de Dieu, descendra du ciel et ceux qui sont morts en Christ ressusciteront d’abord.
17 Ensuite, nous qui serons encore en vie, nous serons tous ensemble enlevés avec eux sur des nuées à la rencontre du Seigneur dans les airs, et ainsi nous serons toujours avec le Seigneur.
18 Encouragez-vous donc les uns les autres par ces paroles.
Evangile
Matio 25 : 1 – 13 (MRV)
Fanoharana ny amin’ny virijiny folo
1 Ary amin’izany ny fanjakan’ny lanitra dia ho tahaka ny virijiny folo izay nitondra ny fanalany ka niainga mba hitsena ny mpampakatra.
2 Ny dimy tamin’ireo dia adala fa ny dimy kosa dia hendry.
3 Fa nandray ny fanalany ny adala nefa tsy nitondra solika fiandry ;
4 ary ny hendry kosa dia nitondra solika tao anatin’ny fitondrana azy sy ny fanalany.
5 Ary raha naharitra ela ny mpampakatra dia samy rendremana izy rehetra ka natory.
6 Nefa nony misasakalina dia nisy antso hoe: Iny ny mpampakatra! Mitsangàna mba hitsena azy.
7 Dia nitsangana ireo virijiny rehetra ireo ka samy nanamboatra ny fanalany.
8 Dia hoy ny adala tamin’ny hendry: Mba omeo kely amin’ny solikareo izahay; fa efa ho faty ny fanalanay.
9 Fa namaly azy ireo ny hendry hoe : Tsia, tsy ampy ho anay sy ho anareo ny anay, fa mandehana mankany amin’ny mpivarotra ka mividiana ho anareo.
10 Nefa raha mbola lasa nividy izy ireo dia tonga ny mpampakatra, ary izay efa vonona dia niara-niditra taminy tao amin’ny fampakaram-bady dia narindrina ny varavarana.
11 Taorianan’izany vao tonga kosa ireo virijiny sisa ka niteny hoe: Tompoko, tompoko, vohay izahay !
12 Fa hoy izy hoe : Lazaiko aminareo marina tokoa : Tsy fantatro ianareo.
13 Koa amin’izany miambena ianareo, fa tsy fantatrareo na ny andro na ny ora.
Matthieu 25 : 1 – 13 (S21)
Parabole des dix jeunes filles
1 »Alors le royaume des cieux ressemblera à dix jeunes filles qui ont pris leurs lampes pour aller à la rencontre du marié.
2 Cinq d’entre elles étaient folles et cinq étaient sages.
3 Celles qui étaient folles ne prirent pas d’huile avec elles en emportant leurs lampes,
4 tandis que les sages prirent, avec leurs lampes, de l’huile dans des vases.
5 Comme le marié tardait, toutes s’assoupirent et s’endormirent.
6 Au milieu de la nuit, on cria : ‘Voici le marié, allez à sa rencontre !’
7 Alors toutes ces jeunes filles se réveillèrent et préparèrent leurs lampes.
8 Les folles dirent aux sages : ‘Donnez-nous de votre huile, car nos lampes s’éteignent.’
9 Les sages répondirent : ‘Non, il n’y en aurait pas assez pour nous et pour vous. Allez plutôt chez ceux qui en vendent et achetez-en pour vous.’
10 Pendant qu’elles allaient en acheter, le marié arriva. Celles qui étaient prêtes entrèrent avec lui dans la salle des noces et la porte fut fermée.
11 Plus tard, les autres jeunes filles vinrent et dirent: ‘Seigneur, Seigneur, ouvre-nous!’
12 mais il répondit: ‘Je vous le dis en vérité, je ne vous connais pas.’
13 Restez donc vigilants, puisque vous ne savez ni le jour ni l’heure [où le Fils de l’homme viendra].
