Péricope du Dimanche 22 Novembre 2026

Table des matières

Ancien Testament

Ezekiela 31 : 11 – 17 (MRV)

11 dia hatolotro eo an-tanan’ilay mahery amin’ny firenena ianao; hamely anao tokoa io; noho ny faharatsianao no nandroahako anao.
12 Izay fahavalo masiaka indrindra amin’ny firenena no nanapaka azy sady nanary azy; ary dia nihahaka teny an-tendrombohitra sy lohasaha rehetra teny ny sampany, ary notapatapahina teny amoron’ny ony rehetra amin’ny tany ny rantsany; dia nidina niala tamin’ny alokalony ny firenena rehetra ka nahafoy azy.
13 Mipetraka eo amin’ny vatany nianjera ny voromanidina rehetra ary eny amin’ny sampany ny bibidia rehetra
14 mba tsy hisy hiavonavona intsony noho ny haavony ny hazo rehetra eny amoron’ny rano, na hanandratra ny lohany ho eo amin’ny rahona matevina sady tsy hisy hitoky amin’ny haavony intsony ny hazo mifo-drano rehetra. Fa voatolotra ho faty ho any ambanin’ny tany izy rehetra, ho any amin’ny zanak’olombelona, dia any amin’izay midina any an-davaka.
15 Izao no lazain’NY TOMPO Andriamanitra : Tamin’ny andro nidinany ho any amin’ny fitoeran’ny maty dia nampanao fisaonana Aho : Nanarona ny rano any amin’ny lalina noho ny aminy Aho sady nanampina ny ony avy aminy ka nijanona ny ranobe; nampisaoniko i Libanona noho ny aminy ka nalazo noho izany ny hazo rehetra tany an-tsaha.
16 Tamin’ny fiezinezin’ny fianjerany dia nampihorohoroiko ny firenena rehefa nampidiniko ho any amin’ny fitoeran’ny maty izy ho naman’izay midina any an-davaka; ary ny hazo rehetra any Edena, dia ny notsongaina sady soa indrindra any Libanona, izay mifo-drano rehetra, dia samy nampionona ny tenany any ambanin’ny tany.
17 Ireo koa dia niara-nidina taminy ho any amin’ny fitoeran’ny maty ho any amin’izay voatrabaky ny sabatra, mbamin’ireo izay nianteherany ka nipetraka teo ambanin’ny alokalony teo amin’ny firenena.

11 je l’ai livré entre les mains du chef des nations, qui l’a traité conformément à sa méchanceté: je l’ai chassé. 12 Des étrangers, les plus violents parmi les nations, l’ont abattu avant de l’abandonner. Ses branches sont tombées sur les montagnes et dans toutes les vallées, ses rameaux se sont brisés dans tous les cours d’eau du pays. Tous les peuples de la terre se sont retirés loin de son ombre et l’ont abandonné.
13 »Tous les oiseaux du ciel se sont installés sur ses débris et toutes les bêtes des champs sont venues vivre parmi ses rameaux.
14 Ainsi, aucun arbre planté près de l’eau ne s’enorgueillira plus de sa taille et ne lancera plus sa cime au milieu d’épais buissons, aucun des puissants arrosés par l’eau ne se reposera plus sur sa hauteur. En effet, ils sont tous livrés à la mort, aux profondeurs de la terre, parmi les humains, avec ceux qui descendent dans la tombe.
15 »Voici ce que dit le Seigneur, l’Eternel: Le jour où il est descendu dans le séjour des morts, j’ai proclamé un deuil, j’ai recouvert l’abîme à cause de lui et j’ai retenu ses fleuves. Les grandes eaux ont été arrêtées. J’ai attristé le Liban à cause de lui et tous les arbres de la campagne sont devenus secs à cause de lui.
16 Par le bruit de sa chute j’ai fait trembler les nations, quand je l’ai précipité dans le séjour des morts avec ceux qui descendent dans la tombe. Tous les arbres d’Eden ont été consolés dans les profondeurs de la terre, les plus beaux et les meilleurs du Liban, tous ceux qui étaient arrosés par l’eau.
17 Eux aussi sont descendus avec lui dans le séjour des morts, vers les victimes de l’épée, eux qui constituaient son soutien et habitaient à son ombre parmi les nations.

.

Epître

1 Korintiana 15 : 20 – 28 (MRV)

20 Nefa tsy izany, fa efa natsangana tamin’ny maty tokoa Kristy ho santatr’izay efa nodimandry.
21 Ary satria olona iray no nisehoan’ny fahafatesana dia olona iray kosa no nisehoan’ny fitsanganan’ny maty.
22 Fa tahaka ny ahafatesan’ny olona rehetra ao amin’i Adama no ahaveloman’ny olona rehetra kosa ao amin’i Kristy.
23 Nefa samy amin’ny filaharany avy: Kristy no santatra; rehefa afaka izany dia izay an’i Kristy amin’ny fiaviany.
24 Ary rehefa afaka izany dia avy ny farany ka amin’izay dia hatolony ho an’Andriamanitra Ray ny fanjakana, rehefa nofoanany ny fanapahana rehetra sy ny fahefana rehetra ary ny hery rehetra.
25 Fa tsy maintsy manjaka Izy, mandra-panaony ny fahavalony rehetra ho eo ambanin’ny tongony (Sal 110.1).
26 Ny fahafatesana no fahavalo farany horesena.
27 Fa «efa nampanekeny ho eo ambanin’ny tongony ny zavatra rehetra» (Sal 8.6). Fa na dia lazainy aza hoe : «Ny zavatra rehetra no nampanekena», dia mazava fa tsy mba isan’izany ny Ray izay nampanaiky Azy ny zavatra rehetra.
28 Ary rehefa nampanekena Azy ny zavatra rehetra dia ny tenan’ny Zanaka koa aza no hanaiky ny Ray izay nampanaiky Azy ny zavatra rehetra mba tsy hisy fototra sy antony afa-tsy Andriamanitra irery ihany.

1 Corinthiens 15 : 20 – 28 (S21)

20 Mais en réalité, Christ est ressuscité, précédant ainsi ceux qui sont morts.
21 En effet, puisque la mort est venue à travers un homme, c’est aussi à travers un homme qu’est venue la résurrection des morts.
22 Et comme tous meurent en Adam, de même aussi tous revivront en Christ,
23 mais chacun à son propre rang: Christ en premier, puis ceux qui appartiennent à Christ lors de son retour.
24 Ensuite viendra la fin, quand il remettra le royaume à celui qui est Dieu et Père, après avoir anéanti toute domination, toute autorité et toute puissance.
25 En effet, il faut qu’il règne jusqu’à ce qu’il ait mis tous ses ennemis sous ses pieds.
26 Le dernier ennemi qui sera anéanti, c’est la mort.
27 Dieu, en effet, a tout mis sous ses pieds.Mais lorsque Dieu dit que tout lui a été soumis, il est évident que c’est à l’exception de celui qui lui a soumis toute chose.
28 Lorsque tout lui aura été soumis, alors le Fils lui-même se soumettra à celui qui lui a soumis toute chose, afin que Dieu soit tout en tous.

Evangile

Matio 25 : 31 – 46 (MRV)

Ny fitsarana farany
31 Ary raha tonga amin’ny voninahiny ny Zanak’Olona, miaraka amin’ny anjely rehetra, dia hipetraka eo ambonin’ny sezafiandrianan’ny voninahiny Izy ;
32 ary hovoriana eo anatrehany ny firenena rehetra dia hanavaka azy ireo Izy, tahaka ny mpiandry ondry manavaka ny ondry amin’ny osy ;
33 koa hametraka ny ondry eo amin’ny ankavanany Izy fa ny osy kosa dia eo amin’ny ankaviany.
34 Amin’izay ny Mpanjaka dia hilaza amin’izay eo amin’ny ankavanany hoe : Avia ianareo izay notahin’ny Raiko, mandovà ny fanjakana izay voaomana ho anareo hatrizay nanorenana izao tontolo izao ;
35 fa noana Aho dia nomenareo hanina; nangetaheta Aho dia nampisotroinareo; nivahiny Aho dia nampiantranoinareo ;
36 tsy nanan-kitafy Aho dia nampiakanjoinareo; narary Aho dia notsaboinareo ; tao an-tranomaizina Aho dia novangianareo.
37 Ary hamaly Azy ny marina ka hiteny hoe : Tompoko, oviana no hitanay noana Ianao ka nomenay hanina, na nangetaheta ka nampisotroinay ?
38 Ary oviana no hitanay nivahiny Ianao ka nampiantranoinay, na tsy nanan-kitafy ka nampiakanjoinay ?
39 Oviana koa no hitanay narary Ianao, na tao an-tranomaizina ka novangianay ?
40 Dia hamaly ny Mpanjaka ka hiteny aminy hoe: Lazaiko aminareo marina tokoa : Araka izay efa nataonareo tamin’ny iray amin’ireto rahalahiko kely indrindra ireto no nataonareo Tamiko.
41 Hilaza indray amin’izay eo amin’ny ankaviany kosa Izy hoe : Mialà amiko, ianareo izay voaozona ho any amin’ny afo maharitra mandrakizay izay voavoatra ho an’ny devoly sy ny anjeliny ;
42 fa noana Aho nefa tsy mba nomenareo hanina; nangetaheta Aho nefa tsy mba nampisotroinareo ;
43 nivahiny Aho nefa tsy mba nampiantranoinareo ; tsy nitafy Aho nefa tsy mba nampiakanjoinareo ; narary sy tao an-tranomaizina Aho nefa tsy mba novangianareo.
44 Ary hamaly kosa ireo hoe : Tompoko, oviana no hitanay noana Ianao, na nangetaheta, na nivahiny, na tsy nitafy, na narary, na tao an-tranomaizina, ka tsy mba nanompo Anao izahay ?
45 Fa Izy hamaly azy ireo hoe : Lazaiko aminareo marina tokoa : Araka izay tsy nataonareo tamin’ny iray amin’ireto kely indrindra ireto no tsy mba nataonareo Tamiko.
46 Ary ireo dia hiala ho any amin’ny fampijaliana mandrakizay ; fa ny marina dia ho any amin’ny fiainana mandrakizay.

Jugement des nations
31 »Lorsque le Fils de l’homme viendra dans sa gloire avec tous les [saints] anges, il s’assiéra sur son trône de gloire.
32 Toutes les nations seront rassemblées devant lui. Il séparera les uns des autres, comme le berger sépare les brebis des boucs;
33 il mettra les brebis à sa droite et les boucs à sa gauche.
34 Alors le roi dira à ceux qui seront à sa droite : ‘Venez, vous qui êtes bénis par mon Père, prenez possession du royaume qui vous a été préparé dès la création du monde !
35 En effet, j’ai eu faim et vous m’avez donné à manger ; j’ai eu soif et vous m’avez donné à boire ; j’étais étranger et vous m’avez accueilli ;
36 j’étais nu et vous m’avez habillé ; j’étais malade et vous m’avez rendu visite ; j’étais en prison et vous êtes venus vers moi.’
37 Les justes lui répondront : ‘Seigneur, quand t’avons-nous vu affamé et t’avons-nous donné à manger, ou assoiffé et t’avons-nous donné à boire ?
38 Quand t’avons-nous vu étranger et t’avons-nous accueilli, ou nu et t’avons-nous habillé ?
39 Quand t’avons-nous vu malade ou en prison et sommes-nous allés vers toi ?’
40 Et le roi leur répondra : ‘Je vous le dis en vérité, toutes les fois que vous avez fait cela à l’un de ces plus petits de mes frères, c’est à moi que vous l’avez fait.’
41 Ensuite il dira à ceux qui seront à sa gauche : ‘Eloignez-vous de moi, maudits, allez dans le feu éternel qui a été préparé pour le diable et pour ses anges !
42 En effet, j’ai eu faim et vous ne m’avez pas donné à manger ; j’ai eu soif et vous ne m’avez pas donné à boire ;
43 j’étais étranger et vous ne m’avez pas accueilli ; j’étais nu et vous ne m’avez pas habillé ; j’étais malade et en prison et vous ne m’avez pas rendu visite.’
44 Ils répondront aussi : ‘Seigneur, quand t’avons-nous vu affamé, ou assoiffé, ou étranger, ou nu, ou malade ou en prison et ne t’avons-nous pas servi ?’
45 Et il leur répondra : ‘Je vous le dis en vérité, toutes les fois que vous n’avez pas fait cela à l’un de ces plus petits, c’est à moi que vous ne l’avez pas fait.’
46 Et ils iront à la peine éternelle, tandis que les justes iront à la vie éternelle.»

Retour en haut