Péricope du Dimanche 03 Mars 2024 (Carême III)

Table des matières

Ancien testament

Eksodosy 20 : 1 – 17 (MRV)

Ireo Teny Folo na ny Didy Folo
1 Dia nilaza izao teny rehetra izao Andriamanitra:
2 Izaho no TOMPO Andriamanitrao izay nitondra anao nivoaka avy tany amin’ny tany Ejipta, tamin’ny trano nanandevozana.
3 Aza manana andriamanitra hafa fa Izaho ihany.
4 Aza manao sarin-javatra voasokitra, na izay mety ho endriky ny zavatra izay eny amin’ny lanitra ambony, na izay etỳ amin’ny tany ambany, na izay any amin’ny rano ambanin’ny tany.
5 Aza miankohoka eo anatrehany ary aza manompo azy; fa Izaho, TOMPO Andriamanitrao, dia Andriamanitra saro-piaro ka mamaly ny heloky ny ray amin’ny zanaka hatramin’ny zafiafy sy ny zafindohalika, dia amin’izay mankahala Ahy,
6 nefa mamindra fo kosa amin’ny olona arivo mandimby izay tia Ahy ka mitandrina ny didiko.
7 Aza manonona foana ny anaran’NY TOMPO Andriamanitrao, fa tsy hataon’NY TOMPO ho tsy manan-tsiny izay manonona foana ny anarany.
8 Mahatsiarova ny andro Sabata hanamasina azy.
9 Henemana no hiasanao sy hanaovanao ny raharahanao rehetra.
10 Fa Sabatan’NY TOMPO Andriamanitrao ny andro fahafito; koa aza manao raharaha akory ianao amin’izany, na ny zanakao lahy, na ny zanakao vavy, na ny mpanompolahinao, na ny mpanompovavinao, na ny biby fiompinao, na ny vahininao izay tafiditra eo am-bavahadinao.
11 Fa henemana no nanaovan’NY TOMPO ny lanitra sy ny tany sy ny ranomasina mbamin’izay rehetra ao aminy, dia nitsahatra Izy tamin’ny andro fahafito. Izany no nitahian’NY TOMPO ny andro Sabata sy nanamasinany azy.
12 Manajà ny rainao sy ny reninao mba ho maro andro ianao eo amin’ny tany izay omen’NY TOMPO Andriamanitrao anao.
13 Aza mamono olona.
14 Aza mijangajanga.
15 Aza mangalatra.
16 Aza mety ho vavolombelona mandainga hanameloka ny namanao.
17 Aza mitsiriritra ny tranon’ny namanao; aza mitsiriritra ny vadin’ny namanao, na ny mpanompolahiny, na ny mpanompovaviny, na ny ombiny, na ny borikiny, na izay mety ho an’ny namanao

Les dix commandements
1 Alors Dieu prononça toutes ces paroles:
2 «Je suis l’Eternel, ton Dieu, qui t’ai fait sortir d’Egypte, de la maison d’esclavage.
3 Tu n’auras pas d’autres dieux devant moi.
4 Tu ne te feras pas de sculpture sacrée ni de représentation de ce qui est en haut dans le ciel, en bas sur la terre et dans l’eau plus bas que la terre.
5 Tu ne te prosterneras pas devant elles et tu ne les serviras pas, car moi, l’Eternel, ton Dieu, je suis un Dieu jaloux. Je punis la faute des pères sur les enfants jusqu’à la troisième et la quatrième génération de ceux qui me détestent,
6 et j’agis avec bonté jusqu’à 1000 générations envers ceux qui m’aiment et qui respectent mes commandements.
7 Tu n’utiliseras pas le nom de l’Eternel, ton Dieu, à la légère, car l’Eternel ne laissera pas impuni celui qui utilisera son nom à la légère.
8 Souviens-toi de faire du jour du repos un jour saint.
9 Pendant 6 jours, tu travailleras et tu feras tout ce que tu dois faire.
10 Mais le septième jour est le jour du repos de l’Eternel, ton Dieu. Tu ne feras aucun travail, ni toi, ni ton fils, ni ta fille, ni ton esclave, ni ta servante, ni ton bétail, ni l’étranger qui habite chez toi.
11 En effet, en 6 jours l’Eternel a fait le ciel, la terre, la mer et tout ce qui s’y trouve, et il s’est reposé le septième jour. Voilà pourquoi l’Eternel a béni le jour du repos et en a fait un jour saint.
12 Honore ton père et ta mère afin de vivre longtemps dans le pays que l’Eternel, ton Dieu, te donne.
13 Tu ne commettras pas de meurtre.
14 Tu ne commettras pas d’adultère.
15 Tu ne commettras pas de vol.
16 Tu ne porteras pas de faux témoignage contre ton prochain.
17 Tu ne convoiteras pas la maison de ton prochain; tu ne convoiteras pas la femme de ton prochain, ni son esclave, ni sa servante, ni son bœuf, ni son âne, ni quoi que ce soit qui lui appartienne.»

.

Epître

I Korintiana 1 : 22 – 25 (MRV)

22 Fa mila famantarana ny Jiosy, ary mitady fahendrena ny Grika,
23 fa izahay kosa dia mitory an’i Kristyvoahombo tamin’ny hazofijaliana, dia fahatafintohinana amin’ny Jiosy ary fahadalana amin’ny Grika,
24 fa amin’izay voaantso kosa, na Jiosy na Grika, dia Kristy izay herin’Andriamanitra sy fahendren’Andriamanitra.
25 Fa ny fahadalan’Andriamanitra dia hendry noho ny olona, ary ny fahalemen’Andriamanitra dia mahery noho ny olona.

22 Les Juifs demandent un signe miraculeux et les Grecs recherchent la sagesse.
23 Or nous, nous prêchons un Messie crucifié, scandale pour les Juifs et folie pour les non-Juifs,
24 mais puissance de Dieu et sagesse de Dieu pour ceux qui sont appelés, qu’ils soient juifs ou non.
25 En effet, la folie de Dieu est plus sage que les hommes et la faiblesse de Dieu est plus forte que les hommes.

Evangile

Jaona 2 : 13 – 25 (MRV)

Ny nandroahan’i Jesosy ireo mpivarotra tao amin’ny tempoly
13 Nony akaiky ny Paska an’ny Jiosy dia niakatra tany Jerosalema Jesosy.
14 Ary hitany nipetraka tao amin’ny tempoly ireo mpivarotra omby sy ondry ary voromailala, tao koa ireo mpanakalo vola;
15 dia nanao kotopia kofehy Izy ka nandroaka azy rehetra hiala tao amin’ny tempoly, na ny ondry na ny omby, ary naparitany ny volan’ny mpanakalo vola sady nazerany ny latabatra;
16 dia hoy Izy tamin’ny mpivarotra ny voromailala: Ento mivoaka any ireto zavatra ireto; aza ataonareo trano fivarotana ny tranon’ny Raiko.
17 Ary tsaroan’ny mpianany fa voasoratra hoe: «Ny firehetako ny amin’ny tranonao no haharìtra aina ahy».
18 Fa hoy ny Jiosy Taminy: Inona no famantarana asehonao aminay no manao izao zavatra izao Ianao?
19 Jesosy namaly azy ireo hoe: Ravao ity tempoly ity, fa ao anatin’ny hateloana dia hatsangako indray.
20 Nefa hoy ny Jiosy: Nandritra ny enina amby efapolo taona no efa nananganana ity tempoly ity, koa Ianao va hahatsangana azy amin’ny hateloana?
21 Ny tenany anefa no tempoly nolazainy.
22 Koa rehefa nitsangana tamin’ny maty Izy dia tsaroan’ny mpianany fa efa nilaza izany Izy; ary nino ny Soratra Masina sy ny teny izay nolazain’i Jesosy izy ireo.
Jesosy mahalala ny amin’ny olona
23 Nony tao Jerosalema Jesosy tamin’ny Paska, izany hoe tamin’ny andro firavoravoana, dia maro no nino ny anarany raha nahita ny famantarana izay nataony.
24 Nefa Jesosy tsy natoky azy satria fantany avokoa ny olona rehetra;
25 ary tsy nitady olona hanambara olona Izy; fa ny tenany no nahalala izay tao am-pon’ny olona

Jésus dans le temple, à Jérusalem
13 La Pâque juive était proche et Jésus monta à Jérusalem.
14 Il trouva les vendeurs de bœufs, de brebis et de pigeons ainsi que les changeurs de monnaie installés dans le temple.
15 Alors il fit un fouet avec des cordes et les chassa tous du temple, ainsi que les brebis et les bœufs. Il dispersa la monnaie des changeurs et renversa leurs tables.
16 Et il dit aux vendeurs de pigeons: «Enlevez cela d’ici, ne faites pas de la maison de mon Père une maison de commerce.»
17 Ses disciples se souvinrent qu’il est écrit: Le zèle de ta maison me dévore.
18 Les Juifs prirent la parole et lui dirent: «Quel signe nous montres-tu, pour agir de cette manière?»
19 Jésus leur répondit: «Détruisez ce temple et en 3 jours je le relèverai.»
20 Les Juifs dirent: «Il a fallu 46 ans pour construire ce temple et toi, en 3 jours tu le relèverais!»
21 Cependant, lui parlait du temple de son corps.
22 C’est pourquoi, lorsqu’il fut ressuscité, ses disciples se souvinrent qu’il avait dit cela et ils crurent à l’Ecriture et à la parole que Jésus avait dite.
23 Pendant que Jésus était à Jérusalem, lors de la fête de la Pâque, beaucoup crurent en lui en voyant les signes miraculeux qu’il faisait.
24 Mais Jésus n’avait pas confiance en eux, parce qu’il les connaissait tous.
25 Il n’avait pas besoin qu’on le renseigne sur les hommes, car il savait lui-même ce qui est dans l’homme.

Retour en haut