Péricope du Dimanche 10 Mars 2024 (Carême IV)

Table des matières

Ancien testament

II Tantara 36 : 14 – 23 (MRV)

14 Ary ny lehibe rehetra tamin’ny mpisorona sy ny vahoaka koa dia nanao izay mahadiso indrindra araka ny fahavetavetana rehetra fanaon’ny Jentilisa ka nandoto ny tranon’NY TOMPO tany Jerosalema izay nohamasininy.
15 Kanefa NY TOMPO, Andriamanitry ny razany, nampitondra teny ny iraka izay nirahiny ho any aminy; eny, nifoha vao maraina Izy ka naniraka, fa namindra fo tamin’ny olony sy ny fonenany.
16 Kanjo nihomehy ireny irak’Andriamanitra ireny ny olona sady nanazimba ny teniny sy namazivazy ny mpaminaniny mandra-pihatra ny fahatezeran’NY TOMPO taminy ka tsy nisy fanafany intsony.
17 Koa noentiny namely azy ny mpanjakan’ny Kaldeana, izay namono ny zatovony tamin’ny sabatra tao amin’ny trano fitoerana masina, ary tsy nisy namindrany fo, na zatovo na virijiny, na ny antitra sy ny fotsy volo; fa izy rehetra dia natolony ho eo an-tanany avokoa.
18 Ary ny fanaka rehetra tao amin’ny tranon’Andriamanitra, na ny vaventy na ny madinika, mbamin’ny harena tao amin’ny tranon’NY TOMPO ary ny harena tao amin’ny mpanjaka sy ny mpanapaka; ireny rehetra ireny dia noentiny ho any Babilona avokoa.
19 Nodorany koa ny tranon’Andriamanitra, ary noravany ny mandan’i Jerosalema; nodorany tamin’ny afo koa ny lapan’andriana rehetra tao, ary nosimbany ny fanaka tsara rehetra tao.
20 Ary ny olona sisa tsy matin-tsabatra dia noentiny ho babo tany Babilona ka tonga mpanompo azy sy ny zanany ireny mandra-panjakan’ny mpanjakan’i Persia,
21 hahatanterahana ny tenin’NY TOMPO nampilazaina an’i Jeremia, mandra-panonitry ny tany ny Sabatany; fa tamin’ny andro rehetra izay nahafoanany dia natsahatra ny tany mba hanonitra ny Sabatany mandra-pahatapitra ny fitopolo taona.
Navelan’i Kirosy haorina indray ny tempoly
22 Tamin’ny taona voalohany nanjakan’i Kirosy, mpanjakan’i Persia, dia notairin’NY TOMPO ny fanahin’i Kirosy, mpanjakan’i Persia, mba hanatanteraka ny tenin’NY TOMPO izay nampilazainy an’i Jeremia ka nandefa teny manerana ny fanjakany rehetra izy, sady nataony an-tsoratra koa izany hoe:
23 Izao no lazain’i Kirosy, mpanjakan’i Persia: Ny fanjakana rehetra eto ambonin’ny tany dia efa nomen’NY TOMPO, Andriamanitry ny lanitra, ahy; ary Izy efa nandidy ahy hanorina trano ho Azy any Jerosalema, izay any Joda. Koa iza avy aminareo rehetra moa no olony? NY TOMPO Andriamaniny anie homba azy, koa aoka hiakatra izy.

14 Tous les chefs des prêtres et le peuple multiplièrent eux aussi les infidélités en imitant toutes les pratiques abominables des nations. Ils rendirent impure la maison de l’Eternel, celle qu’il avait consacrée à Jérusalem.
15 L’Eternel, le Dieu de leurs ancêtres, leur envoya très tôt et sans se lasser des messagers, car il voulait épargner son peuple et sa propre demeure,
16 mais ils se moquèrent des messagers de Dieu, méprisèrent ses paroles et rirent de ses prophètes, jusqu’à ce que la colère de l’Eternel contre son peuple devienne sans remède.
17 Alors l’Eternel fit monter contre eux le roi des Babyloniens et il tua leurs jeunes gens par l’épée dans leur sanctuaire. Il n’épargna ni le jeune homme ni la jeune fille, ni l’ancien ni le vieillard: il livra tout entre ses mains.
18 Nebucadnetsar emporta à Babylone tous les ustensiles de la maison de Dieu, grands et petits, les trésors de la maison de l’Eternel et ceux du roi et de ses chefs.
19 Les Babyloniens brûlèrent la maison de Dieu, démolirent les murailles de Jérusalem, livrèrent au feu tous ses palais et détruisirent tous les objets précieux.
20 Nebucadnetsar exila à Babylone ceux qui échappèrent à l’épée et ils lui furent asservis, à lui et à ses fils, jusqu’à ce que le royaume de Perse prenne le pouvoir.
21 Ainsi s’accomplit la parole de l’Eternel prononcée par Jérémie: jusqu’à ce que le pays ait compensé ses sabbats, durant toute la période où il fut dévasté, il se reposa, jusqu’à la fin des 70 ans.
Edit de Cyrus
22 La première année du règne de Cyrus sur la Perse, l’Eternel réveilla l’esprit de Cyrus, roi de Perse, afin que s’accomplisse la parole qu’il avait prononcée par Jérémie, et celui-ci fit faire de vive voix, et même par écrit, la proclamation que voici dans tout son royaume:
23 «Voici ce que dit Cyrus, roi de Perse: L’Eternel, le Dieu du ciel, m’a donné tous les royaumes de la terre et m’a désigné pour lui construire un temple à Jérusalem, en Juda. Qui parmi vous fait partie de son peuple? Que l’Eternel, son Dieu, soit avec lui et qu’il y monte!»

.

Epître

Efesiana 2 : 4 – 10 (MRV)

4 Andriamanitra anefa manankarena famindrampo, noho ny halehiben’ny fitiavany izay nitiavany antsika,
5 koa fony mbola maty noho ny fahadisoana isika dia novelominy niaraka tamin’i Kristy. Fahasoavana no namonjena anareo.
6 Niara-natsangany isika ary niara-napetrany any an-danitra ao amin’i Kristy Jesosy
7 mba hasehony amin’ny andro ho avy ny harenan’ny fahasoavany tsy hita lany amin’ny fahamoram-panahiny amintsika ao amin’i Kristy Jesosy.
8 Fa fahasoavana no namonjena anareo amin’ny alalan’ny finoana; ary tsy avy aminareo izany, fa fanomezana avy amin’Andriamanitra;
9 tsy avy amin’ny asa, fandrao hisy hirehareha.
10 Fa asany isika, voaforona tao amin’i Kristy Jesosy mba hanao asa tsara izay nomanin’Andriamanitra rahateo mba handehanantsika amin’izany.

4 Mais Dieu est riche en compassion. A cause du grand amour dont il nous a aimés,
5 nous qui étions morts en raison de nos fautes, il nous a rendus à la vie avec Christ – c’est par grâce que vous êtes sauvés –,
6 il nous a ressuscités et fait asseoir avec lui dans les lieux célestes, en Jésus-Christ.
7 Il a fait cela afin de montrer dans les temps à venir l’infinie richesse de sa grâce par la bonté qu’il a manifestée envers nous en Jésus-Christ.
8 En effet, c’est par la grâce que vous êtes sauvés, par le moyen de la foi. Et cela ne vient pas de vous, c’est le don de Dieu.
9 Ce n’est pas par les œuvres, afin que personne ne puisse se vanter.
10 En réalité, c’est lui qui nous a faits; nous avons été créés en Jésus-Christ pour des œuvres bonnes que Dieu a préparées d’avance afin que nous les pratiquions.

Evangile

Jaona 3 : 14 – 21 (MRV)

14 Ary tahaka ny nanandratan’i Mosesy ny menarana tany an-tany efitra no tsy maintsy hanandratana ny Zanak’Olona
15 mba hanana fiainana mandrakizay izay rehetra mino Azy.
16 Fa toy izao no nitiavan’Andriamanitra izao tontolo izao: Nomeny ny Zanany Lahitokana mba tsy ho very izay rehetra mino Azy fa hanana fiainana mandrakizay.
17 Fa tsy naniraka ny Zanaka ho amin’izao tontolo izao Andriamanitra mba hitsara izao tontolo izao fa mba hamonjy izao tontolo izao.
18 Izay mino Azy dia tsy hotsaraina; fa izay tsy mino kosa dia efa voatsara rahateo satria tsy nino ny anaran’ny Zanakalahitokan’Andriamanitra izy.
19 Ary izao no fitsarana: Tonga eto amin’izao tontolo izao ny mazava, nefa aleon’ny olona ny maizina toy izay ny mazava satria ratsy ny asany.
20 Fa izay rehetra manao ny ratsy dia mankahala ny mazava sady tsy manatona ny mazava, fandrao hita miharihary ny asany.
21 Fa izay manao ny marina kosa dia manatona ny mazava, mba haseho ny asany, satria atao ao amin’Andriamanitra izany

14 Et tout comme Moïse a élevé le serpent dans le désert, il faut aussi que le Fils de l’homme soit élevé
15 afin que quiconque croit en lui [ne périsse pas mais qu’il] ait la vie éternelle.
16 En effet, Dieu a tant aimé le monde qu’il a donné son Fils unique afin que quiconque croit en lui ne périsse pas mais ait la vie éternelle.
17 Dieu, en effet, n’a pas envoyé son Fils dans le monde pour juger le monde, mais pour que le monde soit sauvé par lui.
18 Celui qui croit en lui n’est pas jugé, mais celui qui ne croit pas est déjà jugé parce qu’il n’a pas cru au nom du Fils unique de Dieu.
19 Et voici quel est ce jugement: la lumière est venue dans le monde et les hommes ont préféré les ténèbres à la lumière parce que leur manière d’agir était mauvaise.
20 En effet, toute personne qui fait le mal déteste la lumière, et elle ne vient pas à la lumière pour éviter que ses actes soient dévoilés.
21 Mais celui qui agit conformément à la vérité vient à la lumière afin qu’il soit évident que ce qu’il a fait, il l’a fait en Dieu.»

Retour en haut