Péricope du Dimanche 17 Mars 2024 (Carême V)

Table des matières

Ancien testament

Jeremia 31 : 31 – 34 (MRV)

Ny fanekena vaovao
31 Indro, avy ny andro, hoy NY TOMPO, izay hanaovako fanekena vaovao amin’ny taranak’Israely sy amin’ny taranak’i Joda,
32 nefa tsy tahaka ny fanekena nataoko tamin’ny razany tamin’ny andro nitantanako azy nivoaka avy tany amin’ny tany Ejipta; fa izy ireny dia nivadika ny fanekeko, nefa Izaho no tompony hoy NY TOMPO.
33 Fa izao no fanekena hataoko amin’ny taranak’Israely, rehefa afaka izany andro izany, hoy NY TOMPO: Hataoko ao an-tsainy ny lalànako sady hosoratako ao am-pony; Ary Izaho ho Andriamaniny ary ho oloko izy.
34 Ary samy tsy hampianatra ny namany sy ny rahalahiny avy intsony izy hoe: Mahalalà NY TOMPO; fa samy hahalala Ahy avokoa izy rehetra, hatramin’ny kely indrindra ka hatramin’ny lehibe indrindra, hoy NY TOMPO. Fa havelako ny helony ary tsy hotsarovako intsony ny fahotany.

31 Voici que les jours viennent, déclare l’Eternel, où je conclurai avec la communauté d’Israël et la communauté de Juda une alliance nouvelle.
32 Elle ne sera pas comme l’alliance que j’ai conclue avec leurs ancêtres le jour où je les ai pris par la main pour les faire sortir d’Egypte. Eux, ils ont violé mon alliance, alors que moi, j’étais leur maître, déclare l’Eternel.
33 Mais voici l’alliance que je ferai avec la communauté d’Israël après ces jours-là, déclare l’Eternel: je mettrai ma loi à l’intérieur d’eux, je l’écrirai dans leur cœur, je serai leur Dieu et ils seront mon peuple.
34 Personne n’enseignera plus son prochain ni son frère en disant: «Vous devez connaître l’Eternel!» car tous me connaîtront, depuis le plus petit jusqu’au plus grand d’entre eux, déclare l’Eternel. En effet, je pardonnerai leur faute et je ne me souviendrai plus de leur péché.

.

Epître

Hebreo 5 : 7 – 9 (MRV)

7 Tamin’ny andron’ny nofony, raha nanao fivavahana sy fangatahana niaraka tamin’ny fitarainana mafy sy ranomaso be tamin’izay nahavonjy Azy tamin’ny fahafatesana Izy, ary nohenoina noho ny fahatahorany an’Andriamanitra,
8 dia nianatra fankatoavana tamin’izay fahoriana noentiny Izy, na dia Zanaka aza.
9 Ary rehefa nahatanteraka izany Izy dia tonga loharanon’ny famonjena mandrakizay ho an’izay rehetra mankatò Azy

7 Pendant sa vie terrestre, Christ a présenté avec de grands cris et avec larmes des prières et des supplications à celui qui pouvait le sauver de la mort, et il a été exaucé à cause de sa piété.
8 a appris, bien qu’il fût Fils, l’obéissance par les choses qu’il a souffertes,
9 Et parfaitement qualifié, il est devenu pour tous ceux qui lui obéissent l’auteur d’un salut éternel,

Evangile

Jaona 12 : 20 – 33 (MRV)

20 Nisy Grika ny sasany tamin’ireo niakatra hivavaka tamin’ny andro firavoravoana,
21 ary izy ireo dia nankany amin’i Filipo avy any Betsaida any Galilia, dia nangataka taminy hoe: Tompoko, mba ta hahita an’i Jesosy izahay.
22 Dia lasa nilaza tamin’i Andrea i Filipo; avy eo kosa dia lasa nilaza tamin’i Jesosy i Andrea sy i Filipo.
23 Ary hoy Jesosy: Tonga ny fotoanandro hankalazana ny Zanak’Olona.
24 Lazaiko aminareo marina dia marina tokoa: Raha tsy latsaka ao amin’ny tany ny voam-bary ka maty dia mitoetra foana izy; fa raha maty kosa izy dia hahavokatra be.
25 Izay tia ny ainy no mahavery izany; fa izay mankahala ny ainy amin’izao fiainana izao no hitahiry izany ho amin’ny fiainana mandrakizay.
26 Raha misy olona manompo Ahy dia aoka izy hanaraka Ahy, ary izay itoerako dia ao koa no hitoeran’ny mpanompoko; raha misy olona manompo Ahy dia hankalaza azy ny Ray.
27 Ankehitriny, mangorohoro ny fanahiko; ary inona no holazaiko: Ray ô, vonjeo Aho ho afaka amin’ity ora ity? Nefa izao no niaviako ho amin’ity ora ity;
28 Ray ô, mankalazà ny anaranao. Dia nisy feo avy tany an-danitra hoe: Efa nankalaza Azy Aho ary mbola hankalaza Azy indray.
29 Ary ny vahoaka izay nijoro teo ka nahare dia niteny hoe: Kotrokorana izany. Hoy ny sasany: Anjely no niteny Taminy.
30 Fa hoy Jesosy hoe: Tsy noho ny Amiko no nahatongavan’izany feo izany fa noho ny aminareo.
31 Tonga ankehitriny ny fitsarana izao tontolo izao; ankehitriny ny andrianan’izao tontolo izao dia horoahina any ivelany.
32 Ary Izaho rehefa hasandratra hiala amin’ny tany dia hitaona ny olona rehetra hanatona Ahy.
33 Izany no nolazainy mba hanambarana ny fomban’ny fahafatesana izay efa hiaretany.

20 Il y avait des non-Juifs parmi ceux qui étaient montés pour adorer pendant la fête.
21 Ils s’adressèrent à Philippe, qui était de Bethsaïda en Galilée, et lui demandèrent: «Seigneur, nous voudrions voir Jésus.»
22 Philippe alla le dire à André, puis André et Philippe le dirent à Jésus.
23 Jésus leur répondit: «L’heure où le Fils de l’homme va être élevé dans sa gloire est venue.
24 En vérité, en vérité, je vous le dis, si le grain de blé tombé en terre ne meurt pas, il reste seul; mais s’il meurt, il porte beaucoup de fruit.
25 Celui qui aime sa vie la perdra et celui qui déteste sa vie dans ce monde la conservera pour la vie éternelle.
26 Si quelqu’un me sert, qu’il me suive, et là où je suis, là aussi sera mon serviteur. Si quelqu’un me sert, le Père l’honorera.
27 Maintenant mon âme est troublée. Et que dirai-je? Père, délivre-moi de cette heure? Mais c’est pour cela que je suis venu jusqu’à cette heure.
28 Père, révèle la gloire de ton nom!» Une voix vint alors du ciel: «J’ai révélé sa gloire et je la révélerai encore.»
29 La foule qui était là, et qui avait entendu, disait que c’était le tonnerre. D’autres disaient: «Un ange lui a parlé.»
30 Jésus reprit la parole: «Ce n’est pas à cause de moi que cette voix s’est fait entendre, c’est à cause de vous.
31 C’est maintenant qu’a lieu le jugement de ce monde; c’est maintenant que le prince de ce monde va être jeté dehors.
32 Et moi, quand j’aurai été élevé de la terre, j’attirerai tous les hommes à moi.»
33 Par ces paroles, il indiquait de quelle mort il allait mourir.

Retour en haut