Péricope du Dimanche 24 Mars 2024 (Rameaux)

Table des matières

Ancien testament

Isaia 50 : 4 – 7 (MRV)

Ny Mpanompon’NY TOMPO
4 NY TOMPO Andriamanitra no nanome Ahy ny lelan’ny efa mahay, mba hahaizako milaza teny hampatanjaka izay reraka; fohaziny isa-maraina isa-maraina Aho; eny, fohaziny ny sofiko mba hihaino tahaka ny efa mahay.
5 Nanokatra ny sofiko NY TOMPO Andriamanitra ary tsy nanohitra na nihemotra Aho.
6 Natolotro ho amin’ny mpikapoka ny lamosiko ary ny takolako ho amin’izay manongotra ny volombavako. Tsy nafeniko tamin’ny henatra sy ny rora ny tavako.
7 Nefa NY TOMPO Andriamanitra no namonjy Ahy ka tsy resin-kenatra Aho; efa nohamafisiko ho tahaka ny vatoafo ny tavako ka fantatro fa tsy hitsanga-menatra Aho.

Le serviteur de l’Eternel insulté
4 Le Seigneur, l’Eternel, m’a donné le langage des disciples pour que je sache soutenir par la parole celui qui est abattu. Il réveille, oui, matin après matin il réveille mon oreille pour que j’écoute comme le font des disciples.
5 Le Seigneur, l’Eternel, m’a ouvert l’oreille, et moi, je ne me suis pas rebellé, je n’ai pas reculé.
6 J’ai présenté mon dos à ceux qui me frappaient et mes joues à ceux qui m’arrachaient la barbe, je n’ai pas caché mon visage aux insultes et aux crachats.
7 Cependant, le Seigneur, l’Eternel, est venu à mon aide. Voilà pourquoi je ne me suis pas laissé atteindre par les insultes, voilà pourquoi j’ai rendu mon visage dur comme une pierre, et je sais que je ne serai pas couvert de honte.

.

Epître

Filipiana 2 : 6 – 11 (MRV)

6 Na dia nanana ny endrik’Andriamanitra aza Izy dia tsy nataony ho zavatra hofikiriny mafy ny fitoviana amin’Andriamanitra,
7 fa nofoanany ny tenany tamin’ny nakany ny endriky ny mpanompo sy ny nahatongavany ho manam-pitoviana amin’ny olona; ary rehefa hita fa nanan-tarehy ho olona Izy
8 dia nanetry tena ka nanaiky hatramin’ny fahafatesana, dia ilay fahafatesana teo amin’ny hazofijaliana.
9 Noho izany no nanandratan’Andriamanitra Azy ho ambony indrindra sy nanomezany Azy ny anarana
izay ambony noho ny anarana rehetra,
10 mba ho amin’ny anaran’i Jesosy no handohalehan’ny lohalika rehetra, na ny any an-danitra na ny etỳ an-tany na ny any ambanin’ny tany,
11 sy haneken’ny lela rehetra fa Jesosy Kristy no Tompo ho voninahitr’Andriamanitra Ray.

6 lui qui est de condition divine, il n’a pas regardé son égalité avec Dieu comme un butin à préserver,
7 mais il s’est dépouillé lui-même en prenant une condition de serviteur, en devenant semblable aux êtres humains. Reconnu comme un simple homme,
8 il s’est humilié lui-même en faisant preuve d’obéissance jusqu’à la mort, même la mort sur la croix.
9 C’est aussi pourquoi Dieu l’a élevé à la plus haute place et lui a donné le nom qui est au-dessus de tout nom
10 afin qu’au nom de Jésus chacun plie le genou dans le ciel, sur la terre et sous la terre
11 et que toute langue reconnaisse que Jésus-Christ est le Seigneur, à la gloire de Dieu le Père.

Evangile

Marka 11 : 1 – 10 (MRV)

Ny niakaran’i Jesosy tany Jerosalema
1 Ary rehefa nanakaiky an’i Jerosalema ho any Betifaga sy Betania, teo akaikin’ny tendrombohitra Oliva izy ireo, dia naniraka roa lahy tamin’ny mpianany Jesosy
2 ka niteny tamin’izy ireo hoe: Mankanesa amin’iroa vohitra tandrifinareo iroa; ary raha vao miditra ao ianareo, avy hatrany dia hahita zana-boriky iray mifatotra izay mbola tsy nitaingenan’olona; vahao izy ka ento etỳ.
3 Ary raha misy olona miteny aminareo hoe: Nahoana ianareo no manao izao? Dia lazao hoe: Misy ilàn’ny Tompo azy. Dia havelany hoentina etỳ miaraka amin’izay izy io.
4 Dia nandeha izy ireo ka nahita zana-boriky nifatotra teo alatrano anilan’ny varavarana teo an-dalana, dia novahany.
5 Ary ny olona sasany teo dia niteny tamin’izy ireo hoe: Nahoana no vahanareo ny zana-boriky?
6 Dia nilaza taminy araka izay nolazain’i Jesosy taminy izy ireo ka navelan’ny olona handeha.
7 Dia noentiny teo amin’i Jesosy ilay zana-boriky ka nataon’ireo teo amboniny ny lambany; dia nitaingina azy Jesosy.
8 Ary maro no namelatra ny lambany teny an-dalana; ny an’ny sasany kosa dia rantsan-kazo izay notapahiny tany an-tsaha.
9 Ary izay nandeha teo alohany sy izay nanaraka teo aorianany dia samy niantso hoe: «Hosana! Isaorana anie izay avy amin’ny anaran’NY TOMPO!
10 Hotahina anie ity fanjakana izay avy ity, dia ny an’i Davida raintsika! Hosana any amin’ny avo indrindra!»

Entrée triomphale de Jésus à Jérusalem
1 Lorsqu’ils approchèrent de Jérusalem, près de Bethphagé et de Béthanie, vers le mont des Oliviers, Jésus envoya deux de ses disciples
2 en leur disant: «Allez au village qui est devant vous. Dès que vous y serez entrés, vous trouverez un ânon attaché, sur lequel personne n’est encore monté. Détachez-le et amenez-le.
3 Si quelqu’un vous demande: ‘Pourquoi faites-vous cela?’ répondez: ‘Le Seigneur en a besoin’, et à l’instant il le laissera venir ici.»
4 Les disciples partirent; ils trouvèrent l’ânon attaché dehors près d’une porte, dans la rue, et ils le détachèrent.
5 Quelques-uns de ceux qui étaient là leur dirent: «Que faites-vous? Pourquoi détachez-vous cet ânon?»
6 Ils répondirent comme Jésus le leur avait dit, et on les laissa faire.
7 Ils amenèrent l’ânon à Jésus, jetèrent leurs vêtements sur lui, et Jésus s’assit dessus.
8 Beaucoup de gens étendirent leurs vêtements sur le chemin, et d’autres des branches qu’ils coupèrent dans les champs.
9 Ceux qui précédaient et ceux qui suivaient Jésus criaient: «Hosanna! Béni soit celui qui vient au nom du Seigneur!
10 Béni soit le règne qui vient [au nom du Seigneur], le règne de David, notre père! Hosanna dans les lieux très hauts!»

Retour en haut