Péricope du Lundi 25 Mars 2024 (Lundi saint)

Marka 14 : 53 – 65 (MRV)

Ny nitsaran’ny Sinedriona an’i Jesosy
53 Ary nitondra an’i Jesosy ho any amin’ny Mpisoronabe izy ireo; ary nivory ireo lehiben’ny mpisorona rehetra sy ireo loholona ary ireo mpanoradalàna.
54 Ary i Petera dia nanaraka Azy teny lavidavitra teny hatrany anatin’ny kianjan’ny tranon’ny Mpisoronabe. Ary niara-nipetraka teo amin’ny mpiandry raharaha izy ka namindro teo anilan’ny afo.
55 Ary ireo lehiben’ny mpisorona sy ny Sinedriona manontolo dia nitady zavatra hiampangana an’i Jesosy ka hamonoany Azy ho faty, nefa tsy nahita.
56 Fa maro no niampanga lainga Azy, nefa tsy nifanaraka ny fanambaràny.
57 Dia nitsangana ny sasany ka niampanga lainga Azy hoe:
58 Izahay nandre Azy niteny hoe: Izaho handrava ity tempoly nataon-tanana ity ary amin’ny hateloana dia hanangana hafa izay tsy nataon-tanana Aho.
59 Tsy nifanaraka anefa ny filazany na dia tamin’izany aza.
60 Dia nitsangana ny Mpisoronabe ka nankeo afovoany nanontany an’i Jesosy hoe: Tsy manan-kavaly va Ianao? Inona no iampangan’ireto Anao?
61 Fa tsy niteny Jesosy sady tsy namaly akory. Dia nanontany Azy indray ny Mpisoronabe ka niteny taminy hoe: Ianao va no Kristy, Zanaky ny Isaorana?
62 Dia hoy Jesosy: Izaho no Izy. Ary ho hitanareo ny Zanak’Olona mipetraka eo ankavanan’ny Hery sady avy eny amin’ny rahon’ny lanitra.
63 Ary nandriatra ny fitafiany ny Mpisoronabe ka nilaza hoe: Inona indray no mbola ilantsika vavolombelona?
64 Efa renareo ny fitenenan-dratsy ka ahoana ny hevitrareo? Dia nanameloka Azy ho mendrika ho faty izy rehetra.
65 Ary nanomboka nandrora Azy ny sasany dia nanarona ny tavany sady namely tehamaina Azy ka niteny hoe: Maminania! Ary namely Azy tamin’ny tehamaina koa ireo mpiandry raharaha.

Marc 14 : 53 – 65 (S21)

Jésus devant le conseil juif
53 Ils emmenèrent Jésus chez le grand-prêtre, où se rassemblèrent tous les chefs des prêtres, les anciens et les spécialistes de la loi.
54 Pierre le suivit de loin jusqu’à l’intérieur de la cour du grand-prêtre; il s’assit avec les serviteurs et il se chauffait près du feu.
55 Les chefs des prêtres et tout le sanhédrin cherchaient un témoignage contre Jésus pour le faire mourir, et ils n’en trouvaient pas.
56 Beaucoup rendaient en effet de faux témoignages contre lui, mais les témoignages n’étaient pas concordants.
57 Quelques-uns se levèrent et portèrent un faux témoignage contre lui en disant:
58 «Nous l’avons entendu dire: ‘Je détruirai ce temple fait par la main de l’homme, et en trois jours j’en construirai un autre qui ne sera pas fait de main d’homme.’»
59 Même sur ce point-là, leurs témoignages ne concordaient pas.
60 Alors le grand-prêtre se leva au milieu de l’assemblée et interrogea Jésus en disant: «Ne réponds-tu rien? Pourquoi ces gens témoignent-ils contre toi?»
61 Mais Jésus gardait le silence et ne répondit rien. Le grand-prêtre l’interrogea de nouveau et lui dit: «Es-tu le Messie, le Fils du Dieu béni?»
62 Jésus répondit: «Je le suis. Et vous verrez le Fils de l’homme assis à la droite du Tout-Puissant et venant sur les nuées du ciel.»
63 Alors le grand-prêtre déchira ses vêtements et dit: «Qu’avons-nous encore besoin de témoins?
64 Vous avez entendu le blasphème. Qu’en pensez-vous?» Tous le condamnèrent, déclarant qu’il méritait la mort.
65 Quelques-uns se mirent à cracher sur lui, à lui mettre un voile sur le visage et à le frapper à coups de poing en lui disant: «Devine!» Même les serviteurs le frappaient en lui donnant des gifles.

.

Jaona 12 : 20 – 36 (MRV)

Ireo Grika izay ta hahita an’i Jesosy
20 Nisy Grika ny sasany tamin’ireo niakatra hivavaka tamin’ny andro firavoravoana,
21 ary izy ireo dia nankany amin’i Filipo avy any Betsaida any Galilia, dia nangataka taminy hoe: Tompoko, mba ta hahita an’i Jesosy izahay.
22 Dia lasa nilaza tamin’i Andrea i Filipo; avy eo kosa dia lasa nilaza tamin’i Jesosy i Andrea sy i Filipo.
23 Ary hoy Jesosy: Tonga ny fotoanandro hankalazana ny Zanak’Olona.
24 Lazaiko aminareo marina dia marina tokoa: Raha tsy latsaka ao amin’ny tany ny voam-bary ka maty dia mitoetra foana izy; fa raha maty kosa izy dia hahavokatra be.
25 Izay tia ny ainy no mahavery izany; fa izay mankahala ny ainy amin’izao fiainana izao no hitahiry izany ho amin’ny fiainana mandrakizay.
26 Raha misy olona manompo Ahy dia aoka izy hanaraka Ahy, ary izay itoerako dia ao koa no hitoeran’ny mpanompoko; raha misy olona manompo Ahy dia hankalaza azy ny Ray.
Milaza ny hahafatesany Jesosy
27 Ankehitriny, mangorohoro ny fanahiko; ary inona no holazaiko: Ray ô, vonjeo Aho ho afaka amin’ity ora ity? Nefa izao no niaviako ho amin’ity ora ity;
28 Ray ô, mankalazà ny anaranao. Dia nisy feo avy tany an-danitra hoe: Efa nankalaza Azy Aho ary mbola hankalaza Azy indray.
29 Ary ny vahoaka izay nijoro teo ka nahare dia niteny hoe: Kotrokorana izany. Hoy ny sasany: Anjely no niteny Taminy.
30 Fa hoy Jesosy hoe: Tsy noho ny Amiko no nahatongavan’izany feo izany fa noho ny aminareo.
31 Tonga ankehitriny ny fitsarana izao tontolo izao; ankehitriny ny andrianan’izao tontolo izao dia horoahina any ivelany.
32 Ary Izaho rehefa hasandratra hiala amin’ny tany dia hitaona ny olona rehetra hanatona Ahy.
33 Izany no nolazainy mba hanambarana ny fomban’ny fahafatesana izay efa hiaretany.
34 Dia hoy ny vahoaka Taminy hoe: Efa renay tamin’ny lalàna fa Kristy dia haharitra mandrakizay; koa ahoana no ilazanao hoe: Tsy maintsy hasandratra ny Zanak’Olona? Iza moa izany Zanak’Olona izany?
35 Dia hoy Jesosy taminy: Mbola kely ihany no itoeran’ny mazava aminareo. Mandehana, raha mbola manana ny mazava ianareo, mba tsy hahatratra anareo ny maizina; fa izay mandeha amin’ny maizina dia tsy mahalala izay alehany.
36 Raha mbola manana ny mazava ianareo dia minoa ny mazava mba ho tonga zanaky ny mazava. Rehefa avy nilaza izany Jesosy dia niala Izy ka niery azy ireo.

Jean 12 : 20 – 36 (S21)

20 Il y avait des non-Juifs parmi ceux qui étaient montés pour adorer pendant la fête.
21 Ils s’adressèrent à Philippe, qui était de Bethsaïda en Galilée, et lui demandèrent: «Seigneur, nous voudrions voir Jésus.»
22 Philippe alla le dire à André, puis André et Philippe le dirent à Jésus.
23 Jésus leur répondit: «L’heure où le Fils de l’homme va être élevé dans sa gloire est venue.
24 En vérité, en vérité, je vous le dis, si le grain de blé tombé en terre ne meurt pas, il reste seul; mais s’il meurt, il porte beaucoup de fruit.
25 Celui qui aime sa vie la perdra et celui qui déteste sa vie dans ce monde la conservera pour la vie éternelle.
26 Si quelqu’un me sert, qu’il me suive, et là où je suis, là aussi sera mon serviteur. Si quelqu’un me sert, le Père l’honorera.
27 Maintenant mon âme est troublée. Et que dirai-je? Père, délivre-moi de cette heure? Mais c’est pour cela que je suis venu jusqu’à cette heure.
28 Père, révèle la gloire de ton nom!» Une voix vint alors du ciel: «J’ai révélé sa gloire et je la révélerai encore.»
29 La foule qui était là, et qui avait entendu, disait que c’était le tonnerre. D’autres disaient: «Un ange lui a parlé.»
30 Jésus reprit la parole: «Ce n’est pas à cause de moi que cette voix s’est fait entendre, c’est à cause de vous.
31 C’est maintenant qu’a lieu le jugement de ce monde; c’est maintenant que le prince de ce monde va être jeté dehors.
32 Et moi, quand j’aurai été élevé de la terre, j’attirerai tous les hommes à moi.»
33 – Par ces paroles, il indiquait de quelle mort il allait mourir. –
34 La foule lui répondit: «Nous avons appris par la loi que le Messie vivra éternellement. Comment donc peux-tu dire: ‘Il faut que le Fils de l’homme soit élevé’? Qui est ce Fils de l’homme?»
35 Jésus leur dit: «La lumière est encore pour un peu de temps parmi vous. Marchez pendant que vous avez la lumière afin que les ténèbres ne vous surprennent pas, car celui qui marche dans les ténèbres ne sait pas où il va.
36 Pendant que vous avez la lumière, croyez en elle afin de devenir des enfants de lumière.» Après avoir dit cela, Jésus s’en alla et se cacha loin d’eux.

Retour en haut