Péricope du Mardi 26 Mars 2024 (Mardi saint)

Marka 14 : 66 – 72 (MRV)

Ny nandavan’i Petera an’i Jesosy
66 Ary raha mbola teo ambany, teo an-kianja i Petera, dia avy ny iray tamin’ny ankizivavin’ny Mpisoronabe.
67 Nony nahita an’i Petera namindro izy dia nijery azy ary niteny hoe: Ianao koa dia niaraka tamin’Ilay Nazareana atao hoe Jesosy.
68 Nandà anefa izy ka niteny hoe: Sady tsy fantatro no tsy azoko ny teninao. Dia nandeha nankany ivelany ho any amin’ny vavahady izy, ary nisy akoho naneno tamin’izay.
69 Ary nahita azy ilay ankizivavy ka namerina niteny tamin’ireo izay nanatrika teo fa io lehilahy io dia naman-dry zareo ireo.
70 Fa mbola nandà indray izy. Nony afaka kelikely, ireo izay nanatrika teo, dia niteny indray tamin’i Petera hoe: Marina mihitsy fa anisan’ireny ianao; fa Galiliana koa ianao.
71 Dia niozona sy nianiana izy hoe: Tsy fantatro izany Lehilahy lazainareo izany.
72 Ary niaraka tamin’izay dia nisy akoho naneno fanindroany. Ary tsaroan’i Petera ny teny izay nolazain’i Jesosy taminy hoe: Raha mbola tsy misy akoho maneno fanindroany dia handa Ahy intelo ianao. Dia niala teo izy sady nigogogogo nitomany.

Marc 14 : 66 – 72 (S21)

66 Pendant que Pierre était en bas dans la cour, une des servantes du grand-prêtre arriva.
67 Elle vit Pierre qui se chauffait, le regarda et lui dit: «Toi aussi, tu étais avec Jésus de Nazareth.»
68 Il le nia en disant: «Je ne sais ni ne comprends ce que tu veux dire.» Puis il sortit pour aller dans le vestibule. [Alors un coq chanta.]
69 La servante le vit et se mit à dire de nouveau à ceux qui étaient présents: «Il fait partie de ces gens-là.» Il le nia de nouveau.
70 Peu après, ceux qui étaient présents dirent encore à Pierre: «Certainement, tu fais partie de ces gens-là, car tu es galiléen, [tu as le même langage].»
71 Alors il se mit à jurer en lançant des malédictions: «Je ne connais pas cet homme dont vous parlez.»
72 [Aussitôt,] pour la seconde fois, un coq chanta. Pierre se souvint alors de ce que Jésus lui avait dit: «Avant que le coq chante deux fois, tu me renieras trois fois.» Et en y réfléchissant, il pleurait.

.

Jaona 12 : 37 – 50 (MRV)

Ny tsy finoan’ny olona
37 Na dia efa nanao ireo famantarana betsaka ireo teo anatrehany aza Izy dia tsy mba nino Azy izy ireo
38 mba hahatanteraka ny teny nataon’Isaia mpaminany hoe: «Tompoko, iza no nino ny teny nampitondraina anay? Ary iza no nampisehoana ny sandrin’NY TOMPO?» (Isa 53.1)
39 Izany no tsy nahaizany nino, satria hoy koa Isaia:
40 «Efa nanajamba ny masony sy nanamafy ny fony Izy mba tsy hahita ny masony na hahalala ny fony, dia tsy hibebaka izy ka tsy hahasitrana azy Aho» (Isa 6.10).
41 Izany teny izany no nolazain’Isaia satria nahita ny voninahiny izy ka nilaza Azy.
42 Kanefa na dia maro aza ny mpitondra no nino Azy dia tsy nanaiky izy ireo noho ny Fariseo, fandrao horoahina tsy ho isan’ny ao amin’ny sinagoga.
43 Fa aleon’izy ireo voninahitra avy amin’ny olona toy izay ny voninahitra avy amin’Andriamanitra.
Ny tenin’i Jesosy no hitsara
44 Ary Jesosy niantso hoe: Izay mino Ahy dia tsy Izaho no inoany fa izay naniraka Ahy.
45 Ary izay mahita Ahy dia mahita izay naniraka Ahy.
46 Izaho tonga amin’izao tontolo izao ho fahazavana mba tsy hitoetra ao amin’ny maizina izay rehetra mino Ahy.
47 Raha misy mandre ny teniko ka tsy mitandrina izany, Izaho tsy mitsara azy; fa tsy tonga hitsara izao tontolo izao Aho fa hamonjy izao tontolo izao.
48 Izay mandà Ahy ka tsy mandray ny teniko dia manana izay mitsara azy: Ny teny izay nolazaiko, izany ihany no hitsara azy amin’ny andro farany,
49 satria Izaho tsy niteny amin’ny fahefan’ny tenako, fa ny Ray izay naniraka Ahy, Izy no nandidy Ahy ny amin’izay holazaiko sy izay hambarako.
50 Ary fantatro fa fiainana mandrakizay ny didiny; koa izay lazaiko dia lazaiko araka izay nolazain’ny Ray Tamiko.

Jean 12 : 37 – 50 (S21)

37 Malgré tous les signes miraculeux qu’il avait faits devant eux, ils ne croyaient pas en lui.
38 Ainsi s’accomplit la parole annoncée par le prophète Esaïe: Seigneur, qui a cru à notre prédication? Et à qui le bras du Seigneur a-t-il été révélé?
39 Esaïe a dit encore pourquoi ils ne pouvaient pas croire:
40 Il a aveuglé leurs yeux et il a endurci leur cœur pour qu’ils ne voient pas de leurs yeux, qu’ils ne comprennent pas dans leur cœur, qu’ils ne se convertissent pas et que je ne les guérisse pas.
41 Esaïe dit cela lorsqu’il vit sa gloire et qu’il parla de lui.
42 Cependant, même parmi les chefs, beaucoup crurent en lui; mais, à cause des pharisiens, ils ne le déclaraient pas, de crainte d’être exclus de la synagogue.
43 En effet, ils aimèrent la gloire des hommes plus que la gloire de Dieu.
44 Quant à Jésus, il s’écria: «Celui qui croit en moi ne croit pas seulement en moi, mais en celui qui m’a envoyé, 45 et celui qui me voit voit celui qui m’a envoyé.
46 Moi, la lumière, je suis venu dans le monde afin que quiconque croit en moi ne reste pas dans les ténèbres.
47 Si quelqu’un entend mes paroles mais n’y croit pas, ce n’est pas moi qui le juge, car je suis venu non pour juger le monde, mais pour le sauver.
48 Celui qui me rejette et qui n’accepte pas mes paroles a son juge: la parole que j’ai annoncée, c’est elle qui le jugera, le dernier jour.
49 En effet, je n’ai pas parlé de ma propre initiative, mais le Père, qui m’a envoyé, m’a prescrit lui-même ce que je dois dire et annoncer,
50 et je sais que son commandement est la vie éternelle. C’est pourquoi ce que j’annonce, je l’annonce comme le Père me l’a dit.»

Retour en haut