Péricope du Mercredi 27 Mars 2024 (Mercredi saint)

Marka 15 : 1 – 15 (MRV)

Ny nitsaran’i Pilato an’i Jesosy
1 Ary raha vao maraina ny andro, ireo lehiben’ny mpisorona sy ny loholona ary mpanoradalàna mbamin’ny Sinedriona manontolo, dia nivory niara-nihevitra, koa rehefa avy namatotra an’i Jesosy izy dia nitondra Azy ka nanolotra Azy tamin’i Pilato.
2 Ary nanontany Azy i Pilato hoe: Ianao va no Mpanjakan’ny Jiosy? Dia namaly azy Izy hoe: Voalazanao.
3 Ary ireo lehiben’ny mpisorona dia niampanga Azy tamin-javatra maro.
4 Dia nanontany Azy indray i Pilato hoe: Tsy manan-kavaly akory va Ianao? E izao hamaroan’ny zavatra iampangan’izy ireo Anao izao!
5 Fa tsy namaly intsony Jesosy na dia indraimbava aza, hany ka gaga i Pilato.
Ny nanamelohana an’i Jesosy ho faty
6 Ary isaky ny andro firavoravoana dia manafaka mpifatotra iray izay angatahin’ny vahoaka izy.
7 Ary nisy iray, ilay antsoina hoe Barabasy, niara-nifatotra tamin’ny mpikomy sasany, izay efa nahafaty olona tamin’ny fikomiana.
8 Dia niakatra ny vahoaka ka nangataka an’i Pilato hanao araka izay fanaony aminy.
9 Fa namaly azy ireo i Pilato hoe: Tianareo va raha ny Mpanjakan’ny Jiosy no hafahako ho anareo?
10 Fantany mantsy fa fialonana no nanoloran’ireo lehiben’ny mpisorona Azy.
11 Fa nanome fo ny vahoaka ireo lehiben’ny mpisorona fa aleo, hoy izy ireo, i Barabasy no hafahan’i Pilato.
12 Dia hoy indray i Pilato: Koa inona ary no hataoko amin’ilay ataonareo hoe Mpanjakan’ny Jiosy?
13 Dia niantsoantso indray ny vahoaka hoe: Homboy amin’ny hazofijaliana Izy!
14 Ary hoy i Pilato taminy: Fa inona moa no ratsy nataony? Nefa vao mainka niantsoantso izy ireo ka niteny hoe: Homboy amin’ny hazofijaliana Izy!
15 Ary ta hanome fahafaham-po ny vahoaka i Pilato ka nanafaka an’i Barabasy ho azy ireo; fa Jesosy kosa dia natolony mba hokaravasina sy hohomboina amin’ny hazofijaliana.

Marc 15 : 1 – 15 (S21)

Jésus devant le gouverneur romain
1 Dès le matin, les chefs des prêtres tinrent conseil avec les anciens, les spécialistes de la loi et tout le sanhédrin. Après avoir attaché Jésus, ils l’emmenèrent et le livrèrent à Pilate.
2 Pilate l’interrogea: «Es-tu le roi des Juifs?» Jésus lui répondit: «Tu le dis.»
3 Les chefs des prêtres portaient contre lui beaucoup d’accusations.
4 Pilate l’interrogea de nouveau: «Ne réponds-tu rien? Vois tous les témoignages qu’ils portent contre toi.»
5 Mais Jésus ne répondit plus rien, ce qui étonna Pilate.
6 A chaque fête, il relâchait un prisonnier, celui que le peuple réclamait.
7 Il y avait en prison le dénommé Barabbas avec ses complices, pour un meurtre qu’ils avaient commis lors d’une émeute.
8 La foule se mit à demander à grands cris ce qu’il avait l’habitude de leur accorder.
9 Pilate leur répondit: «Voulez-vous que je vous relâche le roi des Juifs?»
10 En effet, il savait que c’était par jalousie que les chefs des prêtres avaient fait arrêter Jésus.
11 Cependant, les chefs des prêtres excitèrent la foule afin que Pilate leur relâche plutôt Barabbas.
12 Pilate reprit la parole et leur dit: «Que voulez-vous donc que je fasse de celui que vous appelez le roi des Juifs?»
13 Ils crièrent de nouveau: «Crucifie-le!»
14 «Quel mal a-t-il fait?» leur dit Pilate. Ils crièrent encore plus fort: «Crucifie-le!»
15 Voulant satisfaire la foule, Pilate leur relâcha Barabbas et, après avoir fait fouetter Jésus, il le livra à la crucifixion.

.

Jaona 13 : 1 – 38 (MRV)

Ny nanasan’i Jesosy ny tongotry ny mpianany
1 Talohan’ny andro firavoravoana tamin’ny Paska, satria fantatr’i Jesosy fa tonga ny fotoana hialany amin’izao tontolo izao ho any amin’ny Ray, ary tia ny Azy izay ao amin’izao tontolo izao Izy, dia tia azy hatramin’ny farany.
2 Raha mbola teo amin’ny fisakafoanana hariva izy ireo, ary i Jodasy iskariota, zanak’i Simona, dia efa nomen’ny devoly saina rahateo mba hamadika Azy,
3 sady fantatr’i Jesosy koa fa ny Ray efa nanolotra ny zavatra rehetra ho eo an-tanany, ary Andriamanitra no niaviany, sady Andriamanitra koa no iverenany,
4 dia nitsangana niala teo am-pisakafoanana Izy ka nametraka ny akanjony ivelany ary naka lamba famaohana ka nisikinany;
5 avy eo dia nampidina rano tamin’ny koveta Izy ka nanomboka nanasa ny tongotry ny mpianatra sy namaoka azy tamin’ny lamba famaohana izay nisikinany.
6 Dia nankeo amin’i Simona Petera Izy; fa hoy i Petera Taminy: Tompoko, Ianao va no hanasa ny tongotro?
7 Dia hoy Jesosy: Izay ataoko dia tsy fantatrao ankehitriny fa ho fantatrao aorianan’izao.
8 Fa hoy i Petera taminy: Sanatria raha hanasa ny tongotro Ianao. Dia hoy Jesosy hoe: Raha tsy hosasako ianao dia tsy manana anjara Amiko.
9 Dia hoy i Simona Petera Taminy: Tompoko, tsy ny tongotro ihany ary fa ny tanako sy ny lohako koa.
10 Fa hoy Jesosy taminy: Izay efa nandro dia tsy mila hosasana, afa-tsy ny tongotra ihany, fa efa madio avokoa; ary ianareo dia madio, nefa tsy ianareo rehetra.
11 Fa fantany ilay efa hamadika Azy; koa izany no nilazany hoe: Tsy madio avokoa ianareo rehetra.
12 Rehefa voasasany ny tongony dia nandray ny akanjony ivelany Izy ka nipetraka indray sady niteny taminy hoe: Fantatrareo va izay nataoko taminareo?
13 Ianareo dia miantso Ahy hoe Mpampianatra sy Tompo; ary marina ny filazanareo fa izany tokoa Aho.
14 Koa raha Izaho, Tompo sy Mpampianatra aza, no nanasa ny tongotrareo, ianareo koa dia mba tokony hifanasa tongotra.
15 Fianarana no nomeko anareo mba hanaovanareo araka izay nataoko taminareo.
16 Lazaiko aminareo marina dia marina tokoa: Ny andevo dia tsy lehibe noho ny tompony, na ny iraka noho izay maniraka azy.
17 Raha fantatrareo izany dia sambatra ianareo raha manao izany.
18 Tsy milaza anareo rehetra Aho; fa fantatro izay nofidiko; fa mba hahatanteraka ny Soratra Masina hoe: «Izay homana ny mofoko no nanainga ny voditongony hamely Ahy» (Sal 41.9).
19 Hatramin’izao dia milaza aminareo Aho, raha tsy mbola tonga izany mba hinoanareo rehefa tonga, fa Izaho no Izy.
20 Lazaiko aminareo marina dia marina tokoa: Izay mandray izay hirahiko dia mandray Ahy; ary izay mandray Ahy dia mandray izay naniraka Ahy.
Ny nilazan’i Jesosy fa hamadika Azy i Jodasy
21 Rehefa nilaza izany Jesosy dia nangorohoro ny fanahiny ka nanambara Izy hoe: Lazaiko aminareo marina dia marina tokoa fa ny iray aminareo no hamadika Ahy.
22 Dia nifampijerijery ny mpianatra ka nieritreritra izay iray nolazainy.
23 Ary nisy mpianatra iray nipetraka nihinana teo anilan’i Jesosy, dia ilay tian’i Jesosy.
24 Niantso azy i Simona Petera ka nanontany azy hoe: Iza no lazainy amin’izany.
25 Raha mbola nipetraka tahaka izany izy dia niraika ho amin’ny tratran’i Jesosy ka niteny Taminy hoe: Tompoko, iza moa izany?
26 Dia namaly Jesosy hoe: Ilay homeko ny sombi-mofo izay hatsoboko no izy. Ary rehefa natsobony ny sombi-mofo dia noraisiny ka nomeny an’i Jodasy, zanak’i Simona iskariota.
27 Taorianan’izany no nidiran’i Satana tao aminy, koa hoy Jesosy taminy: Izay ataonao dia ataovy haingana.
28 Fa tsy nisy tamin’izay nipetraka nihinana no nahalala ny anton’ny nilazany izany taminy.
29 Fa nataon’ny sasany hoe satria i Jodasy no nitondra ny kitapo, no nilazan’i Jesosy taminy hoe: Vidio ny zavatra ilaintsika amin’ny andro firavoravoana na mandehana manome zavatra ho an’ny mahantra.
30 Ary rehefa nandray ny sombi-mofo izy dia niala teo niaraka tamin’izay. Ary efa alina ny andro tamin’izay.
Ny didy vaovao
31 Nony efa tafavoaka izy dia hoy Jesosy: Ankehitriny dia efa ankalazaina ny Zanak’Olona; ary Andriamanitra no ankalazaina ao Aminy.
32 Ary Andriamanitra hankalaza Azy amin’ny tenany; eny, hankalaza Azy miaraka amin’izay Izy.
33 Anaka, vetivety foana no sisa hitoerako eto aminareo. Hitady Ahy ianareo, nefa araka ny voalazako tamin’ny Jiosy hoe: Izay alehako dia tsy ho azonareo aleha, dia toy izany koa no lazaiko aminareo ankehitriny.
34 Didy vaovao no omeko anareo dia ny mba hifankatiavanareo; eny, aoka ho tahaka ny nitiavako anareo no mba hifankatiavanareo koa.
35 Izany no hahafantaran’ny olona rehetra fa mpianatro ianareo raha mifankatia.
Ny nilazan’i Jesosy fa handa azy i Petera
36 Hoy i Simona Petera taminy: Tompoko, ho aiza moa Ianao? Dia novalìn’i Jesosy hoe: Izay alehako dia tsy azonao anarahana Ahy ankehitriny, fa hanaraka Ahy ihany ianao rahatrizay.
37 Hoy i Petera taminy: Tompoko, nahoana no tsy mahazo manaraka Anao aho ankehitriny? Na ny aiko aza anefa dia hafoiko noho ny Aminao.
38 Fa hoy Jesosy: Ny ainao va hafoinao noho ny Amiko? Lazaiko aminao marina dia marina tokoa: Tsy mbola hisy akoho haneno dia handa Ahy intelo ianao.

Jean 13 : 1 – 38 (S21)

Dernières instructions de Jésus à ses disciples
Jésus lave les pieds de ses disciples

1 Avant la fête de la Pâque, Jésus, sachant que son heure était venue de passer de ce monde au Père et ayant aimé ceux qui lui appartenaient dans le monde, les aima jusqu’à l’extrême.
2 C’était pendant le souper. Le diable avait déjà mis dans le cœur de Judas l’Iscariot, fils de Simon, l’intention de le trahir.
3 Jésus savait que le Père avait tout remis entre ses mains, qu’il était venu de Dieu et qu’il retournait vers Dieu.
4 Il se leva de table, quitta ses vêtements et prit un linge qu’il mit autour de sa taille.
5 Ensuite il versa de l’eau dans un bassin et il commença à laver les pieds des disciples et à les essuyer avec le linge qu’il avait autour de la taille.
6 Il arriva donc vers Simon Pierre qui lui dit: «Toi, Seigneur, tu me laves les pieds!»
7 Jésus lui répondit: «Ce que je fais, tu ne le sais pas maintenant, mais tu le comprendras par la suite.»
8 Pierre lui dit: «Non, jamais tu ne me laveras les pieds.» Jésus lui répondit: «Si je ne te lave pas, tu n’auras pas de part avec moi.»
9 Simon Pierre lui dit: «Seigneur, non seulement les pieds, mais encore les mains et la tête!»
10 Jésus lui dit: «Celui qui s’est baigné n’a besoin que de se laver les pieds pour être entièrement pur, et vous êtes purs, mais pas tous.»
11 En effet, il connaissait celui qui était prêt à le trahir; voilà pourquoi il dit: «Vous n’êtes pas tous purs.»
12 Après leur avoir lavé les pieds, il reprit ses vêtements, se remit à table et leur dit: «Comprenez-vous ce que je vous ai fait?
13 Vous m’appelez Maître et Seigneur, et vous avez raison, car je le suis.
14 Si donc je vous ai lavé les pieds, moi, le Seigneur et le Maître, vous devez aussi vous laver les pieds les uns aux autres,
15 car je vous ai donné un exemple afin que vous fassiez comme je vous ai fait.
16 En vérité, en vérité, je vous le dis, le serviteur n’est pas plus grand que son seigneur, ni l’apôtre plus grand que celui qui l’a envoyé.
17 Si vous savez cela, vous êtes heureux, pourvu que vous le mettiez en pratique.
18 »Je ne parle pas de vous tous: je connais ceux que j’ai choisis. Mais il faut que l’Ecriture s’accomplisse: Celui qui mange le pain avec moi a levé son talon contre moi.
19 Je vous le dis déjà maintenant, avant que cela n’arrive, afin que, lorsque cela arrivera, vous croyiez que moi, je suis.
20 En vérité, en vérité, je vous le dis, qui reçoit celui que j’aurai envoyé me reçoit, moi, et qui me reçoit reçoit celui qui m’a envoyé.»
21 Après avoir dit ces paroles, Jésus fut profondément troublé, et il déclara solennellement: «En vérité, en vérité, je vous le dis, l’un de vous me trahira.»
22 Les disciples se regardaient les uns les autres, sans savoir de qui il parlait.
23 Un des disciples, celui que Jésus aimait, était à table à côté de Jésus.
24 Simon Pierre lui fit donc signe de demander qui était celui dont parlait Jésus.
25 Ce disciple se pencha vers Jésus et lui dit: «Seigneur, qui est-ce?»
26 Jésus répondit: «C’est celui à qui je donnerai le morceau que je vais tremper.» Puis il trempa le morceau et le donna à Judas, fils de Simon, l’Iscariot.
27 Dès que Judas eut pris le morceau, Satan entra en lui. Jésus lui dit: «Ce que tu fais, fais-le rapidement.»
28 Aucun de ceux qui étaient à table ne comprit pourquoi il lui disait cela.
29 Comme Judas tenait la bourse, quelques-uns pensaient que Jésus lui disait: «Achète ce dont nous avons besoin pour la fête» ou qu’il lui demandait de donner quelque chose aux pauvres.
30 Après avoir pris le morceau, Judas sortit aussitôt. Il faisait nuit.
31 Lorsque Judas fut sorti, Jésus dit: «Maintenant, la gloire du Fils de l’homme a été révélée et la gloire de Dieu a été révélée en lui.
32 [Si la gloire de Dieu a été révélée en lui,] Dieu aussi révélera sa gloire en lui-même, et il la révélera très bientôt.
33 Mes petits enfants, je suis encore avec vous pour un peu de temps. Vous me chercherez, et ce que j’ai dit aux Juifs: ‘Vous ne pouvez pas venir où je vais’, je vous le dis à vous aussi maintenant.
34 Je vous donne un commandement nouveau: Aimez-vous les uns les autres. Comme je vous ai aimés, vous aussi, aimez-vous les uns les autres.
35 C’est à cela que tous reconnaîtront que vous êtes mes disciples: si vous avez de l’amour les uns pour les autres.»
36 Simon Pierre lui dit: «Seigneur, où vas-tu?» Jésus répondit: «Tu ne peux pas me suivre maintenant là où je vais, mais tu m’y suivras plus tard.»
37 «Seigneur, lui dit Pierre, pourquoi ne puis-je pas te suivre maintenant? Je donnerai ma vie pour toi.»
38 Jésus répondit: «Tu donneras ta vie pour moi? En vérité, en vérité, je te le dis, le coq ne chantera pas avant que tu ne m’aies renié trois fois.

Retour en haut