Péricope du Jeudi 28 Mars 2024 (Jeudi saint)

Eksodosy 12 : 1 – 14 (MRV)

Ny Paska
1 Ary NY TOMPO niteny tamin’i Mosesy sy i Arona teo amin’ny tany Ejipta hoe:
2 Ity volana ity no volana voalohany ho anareo; ho volana voalohany amin’ny taona ho anareo izany.
3 Mitenena ianareo amin’ny fiangonan’ny Israely manontolo hoe: Amin’ny andro fahafolo amin’ity volana ity dia aoka haka zanak’ondry na zanak’osy iray avy ny isam-pianakaviana, zanak’ondry iray avy isan-trano.
4 Raha vitsy loatra ny iray trano ka tsy mahalany zanak’ondry iray dia aoka izy sy izay namany mifanakaiky trano aminy no haka araka izay isan’ny olona; araka izay tokony ho lanin’ny olona no hifidiananareo ilay zanak’ondry.
5 Zanak’ondry tsy misy kilema, na zanak’osy, ary lahy izay iray taona, no halainareo; halainareo amin’ny ondry na amin’ny osy izany.
6 Hotahirizinareo hatramin’ny andro fahefatra amby folo amin’ity volana ity izany; dia hamono azy amin’ny hariva ny fiangonan’ny Israely manontolo.
7 Ary hakana ny ra ka hatentina amin’ny tolanam-baravarana roa sy amin’ny tataom-baravaran’ny trano izay hihinanana azy.
8 Dia hohanina amin’izany alina izany ny hena; voatsatsika tamin’ny afo no hihinanana azy, miaraka amin’ny mofo tsy misy masirasira sady hampiarahina amin’ny anana mangidy.
9 Aza hanina manta na voahandro amin’ny rano izany fa atsatsiho amin’ny afo mbamin’ny lohany sy ny tongony ary ny taovany.
10 Aza asianareo sisa ho tra-maraina; fa raha toa ka misy sisa tsy lany ka tra-maraina dia hodoranareo amin’ny afo izany.
11 Toy izao no hataonareo rehefa mihinana azy: Ho voasikina ianareo, ary hisy kapa ny tongotrareo, ary ho eny an-tananareo ny tehinareo; dia hohaninareo haingana izany, fa Paska an’NY TOMPO.
12 Fa handeha hamakivaky ny tany Ejipta amin’izany alina izany Aho ka hamono ny lahimatoa rehetra ao amin’ny tany Ejipta, hatramin’ny olona ka hatramin’ny biby fiompy. Hanao fitsarana amin’ireo andriamanitry ny Ejiptiana rehetra Aho. Izaho no TOMPO.
13 Ary ny ra dia ho famantarana ho anareo eo amin’ny trano izay itoeranareo. Koa raha mahita ny ra Aho dia handalo anareo fotsiny ka tsy hisy loza handringana anareo rehefa mamely ny tany Ejipta Aho.
14 Izany andro izany dia ho andro fahatsiarovana ho anareo ka hotandremanareo ho andro firavoravoana ho an’NY TOMPO; hatramin’ny taranakareo fara aman-dimby no hitandremanareo izany ho andro firavoravoana, ho lalàna maharitra.

Exode 12 : 1 – 14 (S21)

Institution de la Pâque
1 L’Eternel dit à Moïse et à Aaron en Egypte:
2 «Ce mois-ci sera pour vous le premier des mois, vous le considérerez comme le premier des mois de l’année.
3 Transmettez ces instructions à toute l’assemblée d’Israël: Le dixième jour de ce mois, on prendra un agneau pour chaque famille, un agneau pour chaque maison.
4 Si la maison est trop peu nombreuse pour un agneau, on le partagera avec le plus proche voisin, en fonction du nombre de personnes. Vous estimerez le nombre de personnes pour l’agneau d’après la part que chacun peut manger.
5 Ce sera un agneau sans défaut, mâle, âgé d’un an. Vous pourrez prendre un agneau ou un chevreau.
6 Vous le garderez jusqu’au quatorzième jour de ce mois, où toute l’assemblée d’Israël le sacrifiera au coucher du soleil.
7 On prendra de son sang et on en mettra sur les deux poteaux et sur le linteau de la porte des maisons où on le mangera.
8 Cette même nuit, on mangera sa viande rôtie au feu; on la mangera avec des pains sans levain et des herbes amères.
9 Vous ne le mangerez pas à moitié cuit et bouilli dans l’eau; au contraire, il sera rôti au feu avec la tête, les pattes et l’intérieur.
10 Vous n’en laisserez rien pour le matin; si toutefois il en reste quelque chose le matin, vous le brûlerez au feu. 11 Quand vous le mangerez, vous aurez une ceinture à la taille, vos sandales aux pieds et votre bâton à la main. Vous le mangerez rapidement. C’est la Pâque de l’Eternel.
12 »Cette nuit-là, je parcourrai l’Egypte et je tuerai tous les premiers-nés du pays, hommes ou animaux. Je mettrai ainsi à exécution mes jugements contre tous les dieux de l’Egypte. Je suis l’Eternel.
13 Pour vous en revanche, le sang servira de signe sur les maisons où vous vous trouverez: je verrai le sang et je passerai par-dessus vous. Il n’y aura pas de fléau qui vous détruise quand je frapperai l’Egypte.
14 Vous rappellerez le souvenir de ce jour en le célébrant par une fête en l’honneur de l’Eternel; cette célébration sera une prescription perpétuelle pour vous au fil des générations.

.

Marka 15 : 16 – 23 (MRV)

Nataon’ny miaramila fihomehezana Jesosy
16 Ary ireo miaramila dia nitondra an’i Jesosy ho ao anatin’ny kianja izay ao anaty rova sady nanangona ny miaramila rehetra iray tarika aminy.
17 Ary nampitafy Azy lamba volomparasy izy ireo sady nandrandrana satroka tsilo ho Azy ka nasatrony ny lohany.
18 Dia niarahaba Azy izy ireo hoe: Arahaba, ry Mpanjakan’ny Jiosy!
19 Ary nikapoka ny lohany tamin’ny volotara izy ireo sady nandrora Azy ka nandohalika sy niankohoka teo anatrehany.
20 Rehefa avy nanao Azy ho fihomehezana izy ireo dia nesoriny Taminy ilay lamba volomparasy ka nampitafiany Azy indray ny akanjony.
Nohomboina teo amin’ny hazofijaliana Jesosy
Dia noentin’ireo hohomboany amin’ny hazofijaliana Izy.
21 Ary noterena hitondra ny hazofijalian’i Jesosy ny lehilahy iray izay nandalo avy tany an-tsaha, atao hoe Simona kireniana, rain’i Aleksandra sy i Rofosy.
22 Ary Jesosy dia noentin’ireo teo amin’ny toerana atao hoe Golgota, izany hoe, raha adika, Ikarandoha.
23 Dia notolorany divay miharo miora Izy nefa tsy nety nisotro.

Marc 15 : 16 – 23 (S21)

16 Les soldats conduisirent Jésus à l’intérieur de la cour, c’est-à-dire dans le prétoire, et ils rassemblèrent toute la troupe.
17 Ils lui mirent un habit pourpre et posèrent sur sa tête une couronne d’épines qu’ils avaient tressée.
18 Puis ils se mirent à le saluer: «Salut, roi des Juifs!»
19 Ils lui frappaient la tête avec un roseau, crachaient sur lui et se mettaient à genoux pour se prosterner devant lui.
20 Après s’être ainsi moqués de lui, ils lui enlevèrent l’habit pourpre, lui remirent ses vêtements et l’emmenèrent pour le crucifier.
Crucifixion et mort de Jésus
21 Ils forcèrent un passant qui revenait des champs à porter la croix de Jésus. C’était Simon de Cyrène, le père d’Alexandre et de Rufus.
22 Ils conduisirent Jésus à l’endroit appelé Golgotha, ce qui signifie «lieu du crâne».
23 Ils lui donnèrent [à boire] du vin mêlé de myrrhe, mais il ne le prit pas.

Retour en haut