Péricope du Vendredi 29 Mars 2024 (Vendredi saint)

Isaia 52.13 – 53.12 (MRV)

Ny fanaovana tsinontsinona ny Mpanompon’NY TOMPO sy ny fanamarinana azy
52.13 Indro, hambinina ny Mpanompoko; hisandratra sy ho ambony Izy ka ho avo indrindra.
52.14 Fa toy ny nigagan’ny maro Anao, simba ny tarehiny ka ohatra ny tsy tarehin’olombelona akory,
ary ny endriny dia ohatra ny tsy endriky ny zanak’olombelona.
52.15 Toy izany no hampitalanjonany ny firenena maro. Hitampim-bava Aminy ny mpanjaka, satria izay tsy mbola nolazaina tamin’ireny no ho hitany ary izay tsy mbola reny akory no hosaintsaininy.
53.1 Iza no nino ny teny nampitondraina anay? Ary iza no nampisehoana ny sandrin’NY TOMPO?
53.2 Fa naniry teo anatrehany tahaka ny zana-kazo madinika Izy, sy tahaka ny solofon-kazo amin’ny tany karankaina; tsy nanana endrika na hatsaran-tarehy Izy; ary raha nijery Azy isika dia tsy nisy hatsaran-tarehy haniriantsika Azy.
53.3 Natao tsinontsinona sy nolavin’ny olona Izy; lehilahy ory sady zatra fijaliana, tahaka izay tsy tian’ny olona hojerena akory Izy; natao tsinontsinona Izy ka tsy mba nahoantsika.
53.4 Nitondra ny aretintsika tokoa Izy sady nivesatra ny fanaintainantsika, kanjo isika kosa dia nihevitra Azy ho nokapohina sy nasian’Andriamanitra ary nampahorina.
53.5 Nefa Izy dia voalefona noho ny fahadisoantsika sy notorotoroina noho ny helotsika; ny famaizana nahazoantsika fihavanana no nihatra Taminy; ary ny dian-kapoka Taminy no nahasitranana antsika.
53.6 Isika rehetra dia samy efa nania tahaka ny ondry, samy efa nivily ho amin’ny lalantsika avy isika rehetra;
ary nataon’NY TOMPO nihatra Taminy avokoa ny helotsika rehetra.
53.7 Nampahorina Izy, nefa nanetry tena ka tsy niloa-bava, tahaka ny zanak’ondry entina hovonoina,
sy tahaka ny ondrivavy izay moana eo anatrehan’ny mpanety azy; Eny, tsy niloa-bava Izy.
53.8 Ny fampahoriana sy ny fitsarana no nenti-nanaisotra Azy; ary iza tamin’izay niara-belona Taminy no nihevitra fa nofongorana niala tamin’ny tanin’ny velona Izy ka ny fahadisoan’ny oloko no nikapohana Azy?
53.9 Natao tao amin’ny olon-dratsy ny fasany, ary teo amin’ny mpanankarena ny toerana nandevenana Azy
na dia tsy nanao ratsy aza Izy sady tsy nisy fitaka teo am-bavany.
53.10 Nefa sitraky NY TOMPO ny hanorotoro sy hampangirifiry Azy; rehefa manolotra ny tenany ho fanati-panonerana Izy dia hahita taranaka sady ho maro andro, ary hotanterahina eo an-tanany ny sitrapon’NY TOMPO.
53.11 Noho ny fisasaran’ny fanahiny dia hahita mazava Izy ka ho afa-po. Ny fahalalana Azy no hanamarinan’ny Mpanompoko marina ny olona maro, ary Izy no hivesatra ny helok’ireo.
53.12 Noho izany dia hanome Azy anjara amin’ny maro Aho ary hizara babo amin’ny mahery Izy, satria naidiny ho amin’ny fahafatesana ny ainy, ary natao ho isan’ny mpanota Izy; eny, Izy no nitondra ny fahotan’ny maro
sady nanao fifonana ho an’ny mpanota.

Esaïe 52.13 – 53.12 (S21)

La personne et l’activité du serviteur de l’Eternel
52.13 Mon serviteur réussira. Il grandira et gagnera en importance, il sera très haut placé.
52.14 Tout comme beaucoup ont été horrifiés en le voyant, tant son visage était défiguré, tant son aspect était différent de celui des humains,
52.15 wil purifiera beaucoup de nations. Devant lui des rois fermeront la bouche, car ils verront ce qu’on ne leur avait pas raconté, ils comprendront ce dont ils n’avaient pas entendu parler.
53.1 Qui a cru à notre prédication? A qui le bras de l’Eternel a-t-il été révélé?
53.2 Il a grandi devant lui comme une jeune plante, comme un rejeton qui sort d’une terre toute sèche. Il n’avait ni beauté ni splendeur propre à attirer nos regards, et son aspect n’avait rien pour nous plaire.
53.3 Méprisé et délaissé par les hommes, homme de douleur, habitué à la souffrance, il était pareil à celui face auquel on détourne la tête: nous l’avons méprisé, nous n’avons fait aucun cas de lui.
53.4Pourtant, ce sont nos souffrances qu’il a portées, c’est de nos douleurs qu’il s’est chargé. Et nous, nous l’avons considéré comme puni, frappé par Dieu et humilié.
53.5 Mais lui, il était blessé à cause de nos transgressions, brisé à cause de nos fautes: la punition qui nous donne la paix est tombée sur lui, et c’est par ses blessures que nous sommes guéris.
53.6 Nous étions tous comme des brebis égarées: chacun suivait sa propre voie, et l’Eternel a fait retomber sur lui nos fautes à tous.
53.7 Il a été maltraité, il s’est humilié et n’a pas ouvert la bouche. Pareil à un agneau qu’on mène à l’abattoir, à une brebis muette devant ceux qui la tondent, il n’a pas ouvert la bouche.
53.8 Il a été enlevé sous la contrainte et sous le jugement, et dans sa génération qui s’est inquiété de son sort? Qui s’est soucié de ce qu’il était exclu de la terre des vivants, frappé à cause de la révolte de mon peuple?
53.9 On a mis son tombeau parmi les méchants, sa tombe avec le riche, alors qu’il *n’avait pas commis de violence et qu’il n’y avait pas eu de tromperie dans sa bouche.
10 L’Eternel a voulu le briser par la souffrance. Si tu fais de sa vie un sacrifice de culpabilité, il verra une descendance et vivra longtemps, et la volonté de l’Eternel sera accomplie par son intermédiaire.
53.11 Après tant de trouble, il verra la lumière et sera satisfait. Par sa connaissance, mon serviteur juste procurera la justice à beaucoup d’hommes; c’est lui qui portera leurs fautes.
53.12 Voilà pourquoi je lui donnerai sa part au milieu de beaucoup et il partagera le butin avec les puissants: parce qu’il s’est dépouillé lui-même jusqu’à la mort et qu’il a été compté parmi les criminels, parce qu’il a porté le péché de beaucoup d’hommes et qu’il est intervenu en faveur des coupables.

.

Marka 15 : 24 – 41 (MRV)

24 Ary nohomboin’ireo tamin’ny hazofijaliana Izy, dia nataony antsapaka ny fizara ny fitafiany, hahitany izay ho azony avy.
25 Tamin’ny ora fahatelo no nanomboany Azy tamin’ny hazofijaliana.
26 Ary ny soratra milaza ny nanamelohana Azy dia voasoratra teo amboniny hoe: ny mpanjakan’ny jiosy.
27 Ary nisy jiolahy roa nohomboin’izy ireo niaraka Taminy tamin’ny hazofijaliana, ny iray dia teo ankavanany ary ny iray dia teo ankaviany
28 Dia tanteraka ny Soratra Masina izay milaza hoe: «Ary natao ho isan’ny mpanota Izy» (Isa 53.12).
29 Ary niteny ratsy Azy sady nihifikifi-doha ny mpandalo ka niteny hoe: Akory izay! Ry Ilay maharava ny tempoly sy mahatsangana azy ao anatin’ny hateloana,
30 vonjeo ny tenanao ka midìna hiala teo amin’ny hazofijaliana!
31 Ary toy izany koa no faneson’ireo lehiben’ny mpisorona, fa niresaka izy ireo sy ny mpanoradalàna hoe: Namonjy ny sasany Izy fa ny tenany dia tsy hainy vonjena.
32 Aoka ny Kristy, Mpanjakan’ny Israely, hidina hiala teo amin’ny hazofijaliana ankehitriny mba ho hitantsika ka hinoantsika! Ary ireo izay niaraka nohomboina Taminy tamin’ny hazofijaliana dia naneso Azy koa.
Ny nahafatesan’i Jesosy
33 Ary nony tamin’ny ora fahenina dia tonga maizina ny tany rehetra ary naharitra hatramin’ny ora fahasivy izany.
34 Ary tamin’ny ora fahasivy dia niantso tamin’ny feo mahery Jesosy ka niteny hoe: Elỳ, Elỳ, lamà sabaktàny?
Izany hoe raha adika: «Andriamanitro ô, Andriamanitro ô, nahoana no dia mahafoy Ahy Ianao?» (Sal 22.2)
35 Ary ny sasany tamin’ireo izay nanatrika teo raha nandre izany dia niteny hoe: Indro, miantso an’i Elia Izy.
36 Ary nisy iray nihazakazaka dia nanatsoboka sipaonjy tamin’ny vinaingitra ka natohiny tamin’ny volotara izany dia natohony hotsentsefin’i Jesosy ary hoy izy: Avelao ho hitantsika na ho avy hampidina Azy i Elia na tsia.
37 Jesosy anefa niantso tamin’ny feo mahery dia afaka ny ainy.
38 Ary ny efitra lamba tao amin’ny tempoly dia triatra nizara roa hatrany ambony ka hatrany ambany.
39 Ary ny kapiteny izay nanatrika nanandrify Azy, raha nahita fa toy izany no nahafaka ny ainy, dia niteny hoe: Marina tokoa fa Zanak’Andriamanitra io Lehilahy io.
40 Ary nisy vehivavy koa nitsinjo teny lavidavitra eny ary isan’ireny i Maria Magdalena sy i Maria, renin’i Jakoba kely, ary i Josesy sy i Salome;
41 ireo dia nanaraka Azy ka nanompo Azy fony Izy tany Galilia; tao koa ireo vehivavy maro izay niara-niakatra Taminy tany Jerosalema.

Marc 15 : 24 – 41 (S21)

24 Ils le crucifièrent, puis ils se partagèrent ses vêtements en tirant au sort pour savoir ce que chacun aurait.
25C’était neuf heures du matin quand ils le crucifièrent.
26 L’inscription indiquant le motif de sa condamnation portait ces mots: «Le roi des Juifs».
27 Ils crucifièrent avec lui deux brigands, l’un à sa droite et l’autre à sa gauche.
28 [Ainsi fut accompli ce que dit l’Ecriture: Il a été compté parmi les criminels.]
29 Les passants l’insultaient et secouaient la tête en disant: «Hé! toi qui détruis le temple et qui le reconstruis en trois jours,
30 sauve-toi toi-même, descends de la croix!»
31 Les chefs des prêtres, avec les spécialistes de la loi, se moquaient aussi entre eux et disaient: «Il en a sauvé d’autres et il ne peut pas se sauver lui-même!
32 Que le Messie, le roi d’Israël, descende maintenant de la croix, afin que nous voyions et que nous croyions!» Ceux qui étaient crucifiés avec lui l’insultaient aussi.
33 A midi, il y eut des ténèbres sur tout le pays, jusqu’à trois heures de l’après-midi.
34 Et à trois heures de l’après-midi, Jésus s’écria d’une voix forte: «Eloï, Eloï, lama sabachthani?» – ce qui signifie: Mon Dieu, mon Dieu, pourquoi m’as-tu abandonné?
35 Quelques-uns de ceux qui étaient là, après l’avoir entendu, disaient: «Voici qu’il appelle Elie.»
36 Et l’un d’eux courut remplir une éponge de vinaigre; il la fixa à un roseau et lui donna à boire en disant: «Laissez donc, voyons si Elie viendra le descendre de là.»
37 Cependant, Jésus poussa un grand cri et expira.
38 Le voile du temple se déchira en deux, depuis le haut jusqu’en bas.
39 Quand l’officier romain qui se tenait en face de Jésus [entendit son cri et] le vit expirer de cette manière, il dit: «Cet homme était vraiment le Fils de Dieu.»
40 Il y avait aussi des femmes qui regardaient de loin. Parmi elles étaient Marie de Magdala, Marie, mère de Jacques le jeune et de Joses, ainsi que Salomé,
41 qui le suivaient et le servaient lorsqu’il était en Galilée, et beaucoup d’autres femmes qui étaient aussi montées avec lui à Jérusalem.

Retour en haut