Péricope du Samedi 30 Mars 2024 (Samedi saint)

Isaia 55 : 1 – 13 (MRV)

Ianareo rehetra izay mangetaheta, avia!
1 E! Ianareo rehetra izay mangetaheta! Mankanesa amin’ny rano; ary ianareo izay tsy manam-bola, avia, mividiana ka homana; eny, avia, mividiana divay sy ronono, nefa tsy amim-bola na amin-karena!
2 Nahoana ianareo no mandany vola amin’izay tsy hanina? Nahoana ianareo no misasatra amin’izay tsy mahavoky? Henoy tsara Aho, hano izay tsara, dia aoka hiravoravo amin’ny matavy ianareo.
3 Atongilano ny sofinareo ka mankanesa atỳ amiko; mihainoa dia ho velona ianareo; ary hanao fanekena mandrakizay aminareo Aho, dia ny famindrampo mahatoky nampanantenaina an’i Davida.
4 Indro, nataoko vavolombelona ho an’ny firenena Izy, ho mpanapaka sy komandy amin’ny firenena.
5 Indro firenena izay tsy fantatrao no hantsoinao ary firenena izay tsy nahalala Anao no hihazakazaka ho eo aminao noho ny amin’NY TOMPO Andriamanitrao, ny Iray Masin’ny Israely izay manome voninahitra anao.
6 Mitadiava NY TOMPO dieny mbola mety ho hita Izy, miantsoa Azy dieny mbola akaiky Izy.
7 Aoka hahafoy ny lalany ny ratsy fanahy, ary hahafoy ny heviny ny tsy marina; ary aoka hiverina ho amin’NY TOMPO ireny, fa hamindra fo aminy Izy; eny, ho amin’Andriamanitsika, fa hamela heloka dia hamela heloka tokoa Izy.
8 Fa ny fihevitro dia tsy fihevitrareo ary ny lalanareo kosa dia tsy mba lalako, hoy NY TOMPO.
9 Fa tahaka ny haavon’ny lanitra amin’ny tany no haavon’ny lalako amin’ny lalanareo sy ny fihevitro amin’ny fihevitrareo.
10 Fa toy ny ranonorana sy ny orampanala milatsaka avy any an-danitra ka tsy miverina any raha tsy efa nahavonto ny tany ka nampaniry sy nampahavokatra azy mba hahatonga voa ho an’ny mpamafy sy hanina ho an’ny mpihinana,
11 dia ho tahaka izany ny teniko izay aloaky ny vavako: Tsy hiverina amiko foana izy raha tsy efa ahatanteraka izay sitrako, ary ambinina amin’izay ampandehanako azy.
12 Fa amin’ny fifaliana no hivoahanareo, ary amin’ny fiadanana no hitondrana anareo; hahavelona hoby eo alohanareo ny tendrombohitra sy ny havoana, ary ny hazo rehetra any an-tsaha dia hitehaka.
13 Haniry ho solon’ny tsilo ny hazo kipreso, ary ho solon’ny sampivato ny mirta; ary ho anarana ho an’NY TOMPO izany, dia ho famantarana mandrakizay izay tsy hesorina.

Esaïe 55 : 1 – 13 (S21)

Le salut pour tous
1 Vous tous qui avez soif, venez vers l’eau, même celui qui n’a pas d’argent! Venez, achetez et mangez, venez, achetez du vin et du lait sans argent, sans rien payer!
2 Pourquoi dépensez-vous de l’argent pour ce qui ne nourrit pas? Pourquoi travaillez-vous pour ce qui ne rassasie pas? Ecoutez-moi vraiment et vous mangerez ce qui est bon, vous savourerez des plats succulents.
3 Tendez l’oreille et venez à moi, écoutez donc et vous vivrez! Je conclurai avec vous une alliance éternelle pour vous assurer les grâces promises à David.
4 Je l’ai établi comme un témoin pour les peuples, comme un guide et un chef pour eux.
5 Tu appelleras des nations que tu ne connais pas, et des nations qui ne te connaissent pas accourront vers toi à cause de l’Eternel, ton Dieu, du Saint d’Israël, parce qu’il te donne sa splendeur.
6 Recherchez l’Eternel pendant qu’il se laisse trouver! Faites appel à lui tant qu’il est près!
7 Que le méchant abandonne sa voie, et l’homme injuste ses pensées! Qu’il retourne à l’Eternel: il aura compassion de lui. Qu’il retourne à notre Dieu, car il pardonne abondamment.
8 En effet, vos pensées ne sont pas mes pensées et mes voies ne sont pas vos voies, déclare l’Eternel.
9 Le ciel est bien plus haut que la terre. De même, mes voies sont bien au-dessus de vos voies, et mes pensées bien au-dessus de vos pensées.
10 La pluie et la neige descendent du ciel et n’y retournent pas sans avoir arrosé la terre, sans l’avoir fécondée et avoir fait germer ses plantes, sans avoir fourni de la semence au semeur et du pain à celui qui mange.
11 Il en va de même pour ma parole, celle qui sort de ma bouche: elle ne revient pas à moi sans effet, sans avoir fait ce que je désire et rempli la mission que je lui ai confiée.
12 Oui, vous sortirez dans la joie et vous serez conduits dans la paix. Les montagnes et les collines éclateront en cris de joie devant vous et tous les arbres de la campagne battront des mains.
13 Au lieu des buissons épineux poussera le cyprès, au lieu de l’ortie poussera le myrte, et cela contribuera à la réputation de l’Eternel, ce sera un signe éternel qui ne disparaîtra jamais.

.

Marka 15 : 42 – 47 (MRV)

Ny nandevenana an’i Jesosy
42 Nony hariva ny andro, satria andro fiomanana, dia ny andro alohan’ny Sabata,
43 dia avy i Josefa avy any Arimatia, lehilahy manankaja izay isan’ny Sinedriona sady niandry ny fanjakan’Andriamanitra koa. Sahy niditra tao amin’i Pilato izy nangataka ny fatin’i Jesosy.
44 Ary gaga i Pilato raha maty sahady Jesosy ka niantso ny kapiteny hankao aminy izy ka nanontaniany azy raha efa ela ny nahafatesany.
45 Ary rehefa nandre tamin’ilay kapiteny izy dia nomeny malalaka an’i Josefa ny faty.
46 Ary nividy lamba hariry madinika i Josefa dia nampidininy ny fatin’i Jesosy ka nofonosiny an’ilay lamba hariry madinika ary napetrany tao amin’ny fasana izay voalavaka tao amin’ny vatolampy, dia nanakodia vato teo amin’ny varavaran’ny fasana izy.
47 Ary i Maria Magdalena sy i Maria, renin’i Josesy, dia nijery izay nametrahany Azy.

Marc 15 : 42 – 47 (S21)

Mise au tombeau du corps de Jésus
42 Le soir venu, comme c’était le jour de la préparation, c’est-à-dire la veille du sabbat,
43 Joseph d’Arimathée arriva. C’était un membre éminent du conseil, qui attendait lui aussi le royaume de Dieu. Il osa se rendre vers Pilate pour demander le corps de Jésus.
44 Pilate s’étonna qu’il soit déjà mort; il fit venir l’officier et lui demanda si Jésus était mort depuis longtemps.
45 Une fois renseigné par l’officier, il fit remettre le corps à Joseph.
46 Joseph acheta un drap de lin, descendit Jésus de la croix, l’enveloppa dans le drap de lin et le déposa dans un tombeau taillé dans la roche. Puis il roula une pierre à l’entrée du tombeau.
47 Marie de Magdala et Marie la mère de Joses regardaient où l’on déposait Jésus.

Retour en haut