Péricope du Dimanche 04 Février 2024

Table des matières

Ancien testament

Joba 7 : 1 – 7 [MRV]
1 Tsy mpiantafika va ny zanak’olombelona etỳ ambonin’ny tany? Ary tsy tahaka ny andron’ny mpikarama va ny androny?
2 Toy ny mpanompo maniry alokaloka ary toy ny mpikarama miandry ny karaman’ny asany,
3 dia toy izany no nanaovana ny volana mampahory ho lovako ary ny alina mahadisadisa ho anjarako.
4 Raha vao mandry aho dia mieritreritra hoe: Rahoviana re aho no hifoha? Fa mihalava ny alina ary tsy mitsahatra mivadibadika aho mandra-pahazava ny andro.
5 Ny nofoko dia mitafy olitra sy takompery toy ny baingan-tany; tonga vakivaky ny hoditro sady mitsiranorano.
6 Faingana noho ny famahanan-tenona ny androko ka lany tsy misy fanantenana!
7 Tsarovy fa tso-drivotra ny aiko! Tsy hahita soa intsony ny masoko.

Epître

1 Korintiana 9 : 16 – 23 [MRV]
16 Fa raha mitory ny Filazantsara aho dia tsy misy reharehako amin’izany, satria tsy maintsy manatanteraka izany aho; fa lozako raha tsy mitory ny Filazantsara aho!
17 Fa raha ny sitrapoko no anaovako izany dia mahazo valim-pitia aho; fa raha tsy ny sitrapoko kosa dia natolotra ahy ho andraikitro izany.
18 Inona ary no valim-pitia azoko? Dia izao: Raha mitory ny Filazantsara aho dia tsy asiako fandoavam-bola ny Filazantsara mba tsy hanamparako ny fahefako amin’ny Filazantsara.
19 Fa na dia olona afaka eo anatrehan’ny olona rehetra aza aho dia mbola nataoko ho mpanompon’ny olona rehetra ihany ny tenako mba hahazoako ny maro araka izay azo atao.
20 Teo amin’ny Jiosy dia tonga toy ny Jiosy aho mba hahazoako ny Jiosy; teo amin’izay ambanin’ny lalàna dia tonga toy izay ambanin’ny lalàna aho na dia tsy ambanin’ny lalàna aza aho, mba hahazoako izay ambanin’ny lalàna;
21 teo amin’izay tsy manana lalàna dia toy izay tsy manana lalàna aho mba hahazoako izay tsy manana lalàna, kanefa tsy mba olona tsy manana lalàna amin’Andriamanitra aho fa ambanin’ny lalànan’i Kristy;
22 teo amin’ny malemy finoana dia tonga malemy finoana aho, mba hahazoako ny malemy finoana; efa tonga zavatra rehetra aho amin’ny olona rehetra, mba hamonjeko ny sasany amin’ny fomba rehetra.
23 Ary izany rehetra izany dia ataoko noho ny Filazantsara mba ho tonga mpiombona aminy aho.

Evangile

Marka 1 : 29 – 39 [MRV]
29 Fa tamin’izay fotoana izay, raha niala avy tao amin’ny sinagoga izy ireo, dia niditra tao an-tranon’i Simona sy i Andrea ry Jesosy sy i Jakoba ary i Jaona.
30 Ary ny rafozambavin’i Simona dia nandry tao, voan’ny tazo; avy hatrany dia nolazain’izy ireo Taminy izany.
31 Dia nanatona Jesosy ka nandray ny tanany ary nampitsangana azy ka afaka ny tazony ary nanompo azy ireo izy.
32 Nony hariva ny andro ka nilentika ny masoandro dia noentina tany Aminy ny marary rehetra sy ny demoniaka.
33 Ny tao an-tanàna rehetra dia tafangona teo anoloan’ny varavarana avokoa.
34 Ary nanasitrana olona maro izay nararin’ny aretina samihafa Izy sady nandroaka demonia maro; tsy navelany hiteny ny demonia satria nahafantatra Azy ireny.
35 Ary nifoha maraina be Izy dia nandeha nankany an-tany efitra, ary tany Izy no nivavaka.
36 Nandeha nitady Azy i Simona sy ny namany,
37 koa rehefa nahita Azy izy ireo dia niteny Taminy hoe: Mitady Anao ny olona rehetra.
38 Fa hoy kosa Izy taminy: Andeha isika hifindra hankany amin’ny tanàna hafa etỳ amin’ny manodidina mba hitoriako teny any koa; fa izay no nahatongavako.
39 Dia nandeha Izy ka nitoriteny tany amin’ny sinagogan’ny olona manerana an’i Galilia sady nandroaka ny demonia.

Retour en haut