Péricope du Dimanche 11 Février 2024

Lévitique
Table des matières

Ancien testament

Levitikosy 13 : 1 – 2, 45 – 46 [MRV]

1 Ary NY TOMPO niteny tamin’i Mosesy sy i Arona hoe:
2 Raha misy mamontsina eo amin’ny hoditry ny nofon’ny olona, na misy manakompery na misy mifaritra mangirana ka eo amin’ny hoditry ny nofony tahaka ny habokana izany, dia hoentina ho eo amin’i Arona mpisorona ilay olona na ho eo amin’iray amin’ireo mpisorona, zanak’i Arona;
45 Lamba rovitra no ho fitafian’ny olona izay efa tena boka ary hisaritaka ny volony dia hisarom-bava izy sady hiantsoantso hoe: Maloto e! Maloto e!
46 Amin’ny andro rehetra izay aharariany amin’izany aretina izany dia haloto izy: Eny, maloto izy ka hitoetra mitokana ary eny ivelan’ny toby no toerana hipetrahany.

1 L’Eternel dit à Moïse et à Aaron:
2 «Lorsqu’un homme aura sur la peau une grosseur, une dartre ou une tache blanche qui ressemblera à une plaie de lèpre sur sa peau, on l’amènera au prêtre Aaron ou à l’un de ses descendants qui seront prêtres.
45 Le lépreux atteint de la plaie portera des vêtements déchirés et aura la tête nue; il se couvrira la barbe et criera: ‘Impur! Impur!’
46 Aussi longtemps qu’il aura la plaie, il sera impur. Il est impur. Il habitera seul et sa tente sera à l’extérieur du camp.

.

Epître

I Korintiana 10.31 – 11.1 [MRV]

10.31 Koa amin’izany, na mihinana na misotro ianareo, na inona na inona ataonareo, dia ataovy ho voninahitr’Andriamanitra izany rehetra izany.
10.32 Aza manao izay hahatafintohina ny Jiosy* na ny Jentilisa* na ny fiangonan’Andriamanitra,
10.33 dia tahaka ahy koa, manao izay hahafinaritra ny olona rehetra amin’ny zavatra rehetra ka tsy mitady ny mahasoa ahy ihany fa ny mahasoa ny maro mba hahatonga azy hovonjena.
11.1 Aoka hanahaka ahy ianareo, dia tahaka ny anahafako an’i Kristy.

10.31 Ainsi donc, que vous mangiez, que vous buviez ou quoi que vous fassiez, faites tout pour la gloire de Dieu.
10.32 Ne soyez une cause de faux pas ni pour les non-Juifs, ni pour les Juifs, ni pour l’Eglise de Dieu.
10.33 Faites comme moi: je m’efforce en tout de plaire à tous, recherchant non mon avantage mais celui du plus grand nombre afin qu’ils soient sauvés.
11.1 Soyez mes imitateurs, comme je le suis moi-même de Christ.

Evangile

Marka 1 : 40 – 45 [MRV]

40 Ary nisy boka iray nanatona Azy ka nitaraina taminy sady nandohalika teo anatrehany no niteny taminy hoe: Raha mety Ianao dia afaka manadio ahy.
41 Ary onena azy Jesosy ka nanatsotra ny tanany dia nikasika azy sady niteny taminy hoe: Mety Aho; madiova ianao.
42 Ary niaraka tamin’izay dia niala taminy ny habokana ka nadio izy.
43 Ary namepetra azy mafy Jesosy sady nampandeha azy avy hatrany
44 no niteny taminy hoe: Tandremo tsara mba tsy hisy holazainao na amin’iza na amin’iza izao, fa mandehana, misehoa aloha amin’ny mpisorona ka manolora ny fanatitra fanadiovana anao, izay nandidian’i Mosesy ho vavolombelona amin’ireo.
45 Nefa lasa Ralehilahy ka nanomboka nitantara sy nampiely izay zava-niseho, hany ka tsy nahazo niditra miharihary tao an-tanàna intsony Jesosy fa nitoetra tany ivelany tany amin’ny tany efitra Izy; dia nanatona Azy ny olona avy teny amin’ny manodidina rehetra.

40 Un lépreux vint à lui et, se jetant à genoux, lui dit en suppliant: «Si tu le veux, tu peux me rendre pur.»
41 Rempli de compassion, Jésus tendit la main, le toucha et dit: «Je le veux, sois pur.»
42 Aussitôt la lèpre le quitta et il fut purifié.
43 Jésus le renvoya sur-le-champ avec de sévères recommandations;
44 il lui dit: «Fais bien attention de ne [rien] dire à personne, mais va te montrer au prêtre et présente pour ta purification ce que Moïse a prescrit, afin que cela leur serve de témoignage.»
45 Cependant cet homme, une fois parti, se mit à proclamer partout la nouvelle et à la propager, de sorte que Jésus ne pouvait plus entrer publiquement dans une ville. Il se tenait dehors, dans des lieux déserts, et l’on venait à lui de partout.

Retour en haut