Péricope du Dimanche 18 Février 2024 (Carême I)

Table des matières

Ancien testament

Genesisy 9 : 8 – 15 [MRV]

8 Ary Andriamanitra mbola niteny tamin’i Noa sy tamin’ireo zanany izay niaraka taminy hoe:
9 Raha ny Amiko dia indro, manorina ny fanekeko aminareo sy amin’ny taranakareo handimby anareo Aho,
10 ary amin’ny zavamananaina rehetra eo aminareo, na ny vorona na ny biby fiompy na ny bibidia rehetra eo aminareo, izay rehetra nivoaka avy tao anatin’ny sambofiara, dia ny biby samihafa rehetra.
11 Dia aoriko ny fanekeko aminareo ka tsy haringako amin’ny safodrano intsony ny nofo rehetra, ary tsy hisy safodrano hanimba ny tany intsony.
12 Ary hoy ihany Andriamanitra: Izao no famantarana ny fanekena izay ataoko Amiko sy aminareo mbamin’ny zavamananaina rehetra eo aminareo hatramin’ny taranaka fara aman-dimby:
13 Ny avako dia apetrako eo amin’ny rahona ho famantarana ny fanekena Amiko sy amin’ny tany.
14 Rehefa mampiangona rahona eo ambonin’ny tany Aho ka hita eo amin’ny rahona ny avana
15 dia hotsarovako ny fanekeko izay Amiko sy aminareo mbamin’ny zavamananaina, dia ny nofo rehetra; tsy hisy safodrano handringana ny nofo rehetra intsony.

8 Dieu dit encore à Noé et à ses fils:
9 «J’établis mon alliance avec vous et avec votre descendance après vous,
10 avec tous les êtres vivants qui sont avec vous, tant les oiseaux que le bétail et tous les animaux de la terre, avec tous ceux qui sont sortis de l’arche, avec tous les animaux de la terre.
11 J’établis mon alliance avec vous: aucune créature ne sera plus supprimée par l’eau du déluge et il n’y aura plus de déluge pour détruire la terre.»
12 Dieu dit: «Voici le signe de l’alliance que j’établis entre moi et vous, ainsi que tous les êtres vivants qui sont avec vous, pour toutes les générations:
13 j’ai placé mon arc parmi les nuages et il servira de signe de l’alliance conclue entre moi et la terre.
14 Quand j’aurai rassemblé des nuages au-dessus de la terre, l’arc apparaîtra parmi les nuages
15 et je me souviendrai de mon alliance entre moi et vous ainsi que tous les êtres vivants de toute espèce: l’eau ne se transformera plus en déluge pour détruire toute créature.

.

Epître

I Petera 3 : 18 – 22 [MRV]

18 Fa Kristy koa aza efa nijaly indray mandeha noho ny ota, ny Marina hamonjy ny tsy marina mba hitondrany antsika ho amin’Andriamanitra ka novonoina araka ny nofo Izy, fa novelomina araka ny fanahy
19 izay nandehanany sy nitoriany teny tamin’ireo fanahy tao an-tranomaizina,
20 dia izay tsy nanaiky fahiny, raha niandry tamin’ny fahari-po Andriamanitra, tamin’ny andron’i Noa ka mbola namboarina ny sambofiara izay nidiran’ny olona vitsy, dia izy valo mianaka, ary namonjena azy ny rano.
21 Izany dia tandindon’ny batisa izay mamonjy anareo koa ankehitriny; tsy fanesorana ny fahalotoan’ny nofo anefa izany fa ny fitadiavana ny fieritreretana tsara eo anatrehan’Andriamanitra, amin’ny nitsanganan’i Jesosy Kristy tamin’ny maty,
22 izay eo ankavanan’Andriamanitra; fa efa lasa ho any an-danitra Izy ka nampanekena Azy ny anjely, ny fahefana ary ny hery.

18 Christ aussi a souffert, et ce une fois pour toutes, pour les péchés. Lui le juste, il a souffert pour des injustes afin de vous conduire à Dieu. Il a souffert une mort humaine, mais il a été rendu à la vie par l’Esprit.
19 C’est alors aussi qu’il est allé faire une proclamation aux esprits en prison,
20 ceux-là mêmes qui avaient été rebelles autrefois, lorsque la patience de Dieu se prolongeait à l’époque de Noé, pendant la construction de l’arche. Un petit nombre de personnes, à savoir huit, sont entrées dans ce bateau et ont été sauvées à travers l’eau.
21 C’était une figure: nous aussi maintenant, nous sommes sauvés par un baptême qui ne consiste pas dans la purification d’une impureté physique, mais dans l’engagement d’une bonne conscience envers Dieu. Il nous sauve à travers la résurrection de Jésus-Christ
22 qui est monté au ciel, a reçu la soumission des anges, des autorités et des puissances et se trouve à la droite de Dieu.

Evangile

Marka 1 : 12 – 15 [MRV]

12 Niaraka tamin’izay dia natosiky ny Fanahy ho any an-tany efitra Izy.
13 Nitoetra tany an-tany efitra efapolo andro Izy ka nalain’i Satana fanahy. Teo amin’ny bibidia Izy, ary nanompo Azy ireo anjely.
14 Rehefa voasambotra i Jaona dia nankany Galilia Jesosy nitory ny Filazantsaran’Andriamanitra
15 ka nanambara hoe: Efa tonga izao ny fotoana ka efa akaiky ny fanjakan’Andriamanitra. Mibebaha ianareo ka minoa ny Filazantsara.

12 Aussitôt, l’Esprit poussa Jésus dans le désert,
13 où il passa quarante jours, tenté par Satan. Il était avec les bêtes sauvages, et les anges le servaient.
14 Après que Jean eut été arrêté, Jésus alla en Galilée. Il proclamait la bonne nouvelle [du royaume] de Dieu
15 et disait: «Le moment est arrivé et le royaume de Dieu est proche. Changez d’attitude et croyez à la bonne nouvelle!»

Retour en haut