Ancien Testament
ISAIA 60 : 1 – 6 (MRV)
1 Mitsangàna, mihazavà, fa tonga ny fahazavanao, ary ny voninahitry NY TOMPO no efa miposaka aminao.
2 Fa indro, manarona ny tany ny haizina, ary manarona ny firenena ny haizim-pito; fa aminao kosa no iposahan’NY TOMPO, ary aminao no isehoan’ny voninahiny.
3 Manatona ny fahazavanao ny firenena maro ary mankeo amin’ny famirapiratan’ny fiposahanao ny mpanjaka. Manintona ny mponina rehetra amin’izao tontolo izao i Jerosalema
4 Atopazy manodidina ny masonao ka jereo: Izy rehetra dia mivory ka mankaty aminao; ny zanakao lahy dia tonga avy lavitra, ny zanakao vavy dia sakelehina.
5 Hahita izany ianao ka ho miramirana, dia hiemponempona sady hohalehibiazina ny fonao, fa hoentina ho anao ny harenan’ny ranomasina ary hafindra ho anao ny fananan’ny firenena.
6 Ho feno rameva betsaka ao aminao, dia rameva tanora avy any Midiana sy Efaha; samy avy any Seba izy rehetra; volamena sy ditin-kazo manitra no hoentiny, ary ny fiderana NY TOMPO no teny mahafaly hambarany.
ESAÏE 60 : 1 – 6 (S21)
1 Lève-toi, brille, car ta lumière arrive et la gloire de l’Eternel se lève sur toi.
2 Certes, les ténèbres recouvrent la terre et l’obscurité profonde enveloppe les peuples, mais sur toi l’Eternel se lèvera, sur toi sa gloire apparaîtra.
3 Des nations marcheront à ta lumière, et des rois à la clarté de ton aurore.
4 Lève tes yeux et regarde autour de toi: ils se rassemblent tous, ils viennent vers toi; tes fils arrivent de loin et tes filles sont portées dans les bras.
5 En le voyant, tu rayonneras de joie, ton cœur bondira et se dilatera, car les richesses de la mer se tourneront vers toi, les ressources des nations viendront chez toi.
6 Tu seras couverte d’une foule de chameaux, de tout jeunes dromadaires venus de Madian et d’Epha. Ils viendront tous de Séba, porteurs d’or et d’encens, et annonceront les louanges de l’Eternel.
.
Epître
EFESIANA 3 : 2 – 6 (MRV)
2 raha mba renareo mantsy ny fitantanan’Andriamanitra ny fahasoavany izay nomeny ahy noho ny aminareo,
3 fa fanambaràna no nampahafantarana ahy ny zavamiafina, araka ny voasoratro tamin’ny teny fohifohy teo.
4 Araka izany, raha mamaky ianareo dia ho takatrareo ny fahafantarako ny zava-niafina momba an’i Kristy,
5 izay tsy mbola nampahafantarina ny zanak’olombelona tamin’ny taranaka lasa. Izany dia tahaka ny fanambaràn’ny Fanahy ankehitriny amin’ny Apostoly masina sy ny mpaminany,
6 dia ny hahatongavan’ny Jentilisa ho mpiray lova sy ho tena iray ary ho mpiombona ny teny fikasana ao amin’i Kristy Jesosy noho ny Filazantsara
EPHÉSIENS 3 : 2 – 6 (S21)
2 si du moins vous avez appris comment je fais part de la grâce de Dieu qui m’a été confiée pour vous.
3 C’est par révélation qu’il m’a fait connaître ce mystère tel que je l’ai déjà décrit en quelques mots.
4 En les lisant, vous pouvez vous rendre compte de la compréhension que j’ai du mystère de Christ.
5 Il n’a pas été porté à la connaissance des hommes des générations passées comme il a maintenant été révélé par l’Esprit à ses saints apôtres et prophètes.
6 Ce mystère, c’est que les non-Juifs sont cohéritiers des Juifs, qu’ils forment un corps avec eux et participent à la même promesse [de Dieu] en [Jésus-]Christ par l’Evangile.
Evangile
MATIO 2 : 1 – 12 (MRV)
1 Rehefa teraka tao Betlehema any Jodia Jesosy, tamin’ny andron’i Heroda mpanjaka, dia indreo, nisy Magy avy tany atsinanana tonga tany Jerosalema ka niteny hoe:
2 Aiza Ilay teraka ho Mpanjakan’ny Jiosy? Fa nahita ny kintany teny atsinanana izahay ka tonga mba hiankohoka eo anatrehany.
3 Ary nony nandre izany i Heroda mpanjaka dia nangorohoro izy mbamin’i Jerosalema manontolo.
4 Dia namory ny lehiben’ny mpisorona rehetra sy ny mpanoradalàna tamin’ny vahoaka izy ka nanontany azy ireo hoe: Aiza moa no hahaterahan’i Kristy?
5 Dia hoy ireo taminy: Ao Betlehema any Jodia; fa izao no voasoratry ny mpaminany:
6 «Ary ianao, ry Betlehema, tanin’i Joda, tsy dia kely indrindra amin’ireo tanàna ao Joda ianao tsy akory; fa avy ao aminao no hiavian’Izay iray ho Mpanapaka, ka Izy no ho Mpiandry ny Israely oloko» (Mik 5.1).
7 Dia nampiantso ireo Magy mangingina i Heroda ka namotopototra fatratra azy ireo ny amin’izay fotoana nisehoan’ilay kintana.
8 Dia naniraka azy ireo hankany Betlehema izy ka niteny hoe: Andeha, hadihadio tsara ny amin’Ilay Zazakely; koa rehefa hitanareo Izy dia ambarao amiko mba hankanesako any koa hiankohoka eo anatrehany.
9 Rehefa nandre ny tenin’ny mpanjaka izy ireo dia lasa; ary indro ilay kintana hitany teny atsinanana, nialoha azy mandra-pijanony teo ambonin’izay nitoeran’ny Zazakely.
10 Koa nony nahita ilay kintana izy ireo dia dibo-kafaliana.
11 Ary rehefa tafiditra tao an-trano tokoa izy ireo dia nahita ny Zazakely sy i Maria reniny ka niankohoka teo anatrehany; ary nony efa nosokafany ireo fitahirizan-drakiny dia nanolotra fanomezana ho Azy izy ireo, dia volamena sy zavamanitra ary miora.
12 Nefa rehefa notoroan’Andriamanitra hevitra tamin’ny nofy izy ireo tsy hiverina any amin’i Heroda dia lalana hafa no nandehanany nody ho any amin’ny fonenany.
MATTHIEU 2 : 1 – 12 (S21)
1 Jésus naquit à Bethléhem en Judée, à l’époque du roi Hérode. Or, des mages venus d’Orient arrivèrent à Jérusalem
2 et dirent: «Où est le roi des Juifs qui vient de naître? En effet, nous avons vu son étoile en Orient et nous sommes venus pour l’adorer.»
3 Quand le roi Hérode apprit cela, il fut troublé et tout Jérusalem avec lui.
4 Il rassembla tous les chefs des prêtres et spécialistes de la loi que comptait le peuple et leur demanda où le Messie devait naître.
5 Ils lui dirent: «A Bethléhem en Judée, car voici ce qui a été écrit par le prophète:
6 Et toi, Bethléhem, terre de Juda, tu n’es certes pas la plus petite parmi les principales villes de Juda, car de toi sortira un chef qui prendra soin d’Israël, mon peuple.»
7 Alors Hérode fit appeler en secret les mages; il s’informa soigneusement auprès d’eux du moment où l’étoile était apparue,
8 puis il les envoya à Bethléhem en disant: «Allez prendre des informations exactes sur le petit enfant. Quand vous l’aurez trouvé, faites-le-moi savoir, afin que j’aille moi aussi l’adorer.»
9 Après avoir entendu le roi, ils partirent. L’étoile qu’ils avaient vue en Orient allait devant eux jusqu’au moment où, arrivée au-dessus de l’endroit où était le petit enfant, elle s’arrêta.
10 Quand ils aperçurent l’étoile, ils furent remplis d’une très grande joie.
11 Ils entrèrent dans la maison, virent le petit enfant avec Marie, sa mère, se prosternèrent et l’adorèrent. Ensuite, ils ouvrirent leurs trésors et lui offrirent en cadeau de l’or, de l’encens et de la myrrhe.
12 Puis, avertis dans un rêve de ne pas retourner vers Hérode, ils regagnèrent leur pays par un autre chemin.