Ancien Testament
ISAIA 40 : 1 – 11 (MRV)
1 Ampiononinareo, ampiononinareo ny oloko, hoy Andriamanitrareo.
2 Mitenena amin’ny fon’i Jerosalema ka ambarao aminy fa tapitra ny adiny sady voaonitra ny helony, ary efa nandray indroa heny tamin’ny tanan’NY TOMPO izy ho valin’ny fahotany rehetra.
3 Injany misy feo miantso hoe: Savaonareo ny lalana ho an’NY TOMPO any an-tany efitra! Manaova ianareo lalambe ho an’Andriamanitsika any an-tany foana!
4 Aoka hasandratra ny lohasaha rehetra, aoka haetry ny tendrombohitra sy ny havoana rehetra! Aoka ny be havoana ho tonga tany marina, ary ny tany saro-dalana ho tonga lemaka!
5 Dia hiseho ny voninahitry NY TOMPO ary hiara-mahita izany ny nofo rehetra; fa ny vavan’NY TOMPO no efa niteny.
6 Injany misy miteny hoe: Miantsoa! Ary hoy ny navaliny: Inona anefa no antso hataoko? Ahitra ny nofo rehetra, tahaka ny vonin-javatra any an-tsaha ny hatsaran-tarehiny rehetra.
7 Maina ny ahitra, malazo ny voniny, rehefa tsofin’ny fofonain’NY TOMPO. Eny, ahitra tokoa ny olona:
8 Maina ny ahitra, malazo ny voniny, fa ny tenin’Andriamanitsika dia haharitra mandrakizay.
9 Ry Ziona, izay mitondra teny soa mahafaly ô, miakara any an-tendrombohitra avo; ry Jerosalema, izay mitondra teny soa mahafaly ô, asandrato mafy ny feonao, asandrato fa aza matahotra; lazao amin’ny tanànan’ny Joda hoe: Indro Andriamanitrareo!
10 Indro NY TOMPO Andriamanitra ho avy amin’ny heriny ka ny sandriny ihany no hanapaka; indro, ny valim-pitia hatolony dia eny Aminy ary ny valin’asa homeny dia eo anoloany.
11 Hitondra ny ondriny tahaka ny mpiandry ondry Izy, ny sandriny no hanangonany ny zanak’ondry ka hotrotroiny eo an-tratrany ireny, ary hotarihiny miadana ny ondrivavy mampinono.
ESAÏE 40 : 1 – 11 (S21)
1 «Consolez, consolez mon peuple, dit votre Dieu.
2 Parlez au cœur de Jérusalem, criez-lui que sa période de combat est terminée, que sa faute est expiée, qu’elle a reçu de l’Eternel le salaire de tous ses péchés.»
3 Une voix crie dans le désert: «Préparez le chemin de l’Eternel, faites une route bien droite pour notre Dieu dans les endroits arides!
4 Toute vallée sera comblée, toute montagne et toute colline abaissées. Ce qui est tortueux sera redressé et les endroits rocailleux aplanis.
5 Alors la gloire de l’Eternel sera révélée, et au même instant tout homme la verra. Oui, c’est l’Eternel qui l’affirme.»
6 Une voix a dit: «Proclame un message!» Et j’ai répondu: «Que dois-je proclamer?» «Toute créature est comme l’herbe, et toute sa beauté comme la fleur des champs.
7 L’herbe sèche et la fleur tombe quand le vent de l’Eternel souffle dessus. Vraiment, le peuple est pareil à l’herbe:
8 l’herbe sèche et la fleur tombe, mais la parole de notre Dieu subsiste éternellement.»
9 Monte sur une haute montagne, Sion, pour annoncer la bonne nouvelle! Elève avec force ta voix, Jérusalem, pour proclamer la bonne nouvelle! Elève ta voix, n’aie pas peur! Dis aux villes de Juda: «Voici votre Dieu!»
10 Le Seigneur, l’Eternel vient avec puissance, et son bras lui assure la souveraineté. Il a son salaire avec lui et sa récompense est devant lui.
11 Pareil à un berger, il s’occupera de son troupeau, il prendra les agneaux dans ses bras et les portera contre sa poitrine; il conduira les brebis qui allaitent.
.
Epître
TITOSY 2.11-14 ; 3.4-7 (MRV)
2.11 Fa efa miseho ny fahasoavan’Andriamanitra izay famonjena ny olona rehetra.
2.12 Izany dia mampianatra antsika handa izay toe-panahy tsy araka an’Andriamanitra sy ny filan’izao tontolo izao fa ny mba ho velona amin’ny onony sy ny marina ary ny toe-panahy araka an’Andriamanitra amin’izao fiainana ankehitriny izao,
2.13 eo am-piandrasana ny fanantenana mahafinaritra sy ny fisehoan’ny voninahitr’Andriamanitra lehibe sady Mpamonjy antsika, dia Jesosy Kristy.
2.14 Nanolotra ny tenany hamonjy antsika Izy mba hanavotany antsika ho afaka amin’ny ota rehetra sy hanadiovany izay olona ho an’ny tenany sady ho mazoto indrindra amin’ny asa tsara.
3.4 Fa rehefa niseho ny fahamoram-panahin’Andriamanitra, Mpamonjy antsika, sy ny fitiavany ny olona,
3.5 dia tsy tamin’ny asa mety ho nataontsika tamin’ny fahamarinana, fa araka ny famindrampony kosa no namonjeny antsika, rehefa nosasana tamin’ny fahaterahana indray sy ny fanavaozana nataon’ny Fanahy Masina,
3.6 izay narotsany betsaka tamintsika tamin’ny alalan’i Jesosy Kristy, Mpamonjy antsika,
3.7 mba hohamarinina amin’ny fahasoavany isika ka ho tonga mpandova araka ny fanantenana ny fiainana mandrakizay.
TITE 2.11-14 ; 3.4-7 (S21)
2.11 En effet, la grâce de Dieu, source de salut pour tous les hommes, a été révélée.
2.12 Elle nous enseigne à renoncer à un mode de vie impie et aux convoitises de ce monde et à vivre dans le temps présent conformément à la sagesse, la justice et la piété
2.13 en attendant notre bienheureuse espérance, la manifestation de la gloire de notre grand Dieu et Sauveur Jésus-Christ.
2.14 Il s’est donné lui-même pour nous afin de nous racheter de toute faute et de se faire un peuple qui lui appartienne, purifié et zélé pour de belles œuvres.
3.4 Mais lorsque la bonté de Dieu notre Sauveur et son amour pour les hommes ont été révélés,
3.5 il nous a sauvés. Et il ne l’a pas fait à cause des actes de justice que nous aurions pu accomplir, mais conformément à sa compassion, à travers le bain de la nouvelle naissance et le renouvellement du Saint-Esprit
3.6 qu’il a déversé avec abondance sur nous par Jésus-Christ notre Sauveur.
3.7 Ainsi, déclarés justes par sa grâce, nous sommes devenus ses héritiers conformément à l’espérance de la vie éternelle.
Evangile
LIOKA 3 : 15 – 22 (MRV)
15 Raha mbola niandry ny olona ka samy nieritreritra an’i Jaona tao am-pony, na izy no Kristy na tsia,
16 dia hoy i Jaona tamin’izy rehetra: Izaho dia manao batisa anareo amin’ny rano, fa avy Izay mahery noho izaho ka tsy mendrika hamaha ny fehin-kapany akory aza aho; Izy no hanao batisa anareo amin’ny Fanahy Masina sy ny afo;
17 eny an-tanany ny fikororohany hanadiovany tsara ny ao am-pamoloany ka hanangonany ny vary ho ao amin’ny sompiny; fa ny akofa sy ny mololo dia hodorany amin’ny afo tsy azo vonoina.
18 Fananarana maro hafa koa no notorìny tamin’ny olona.
19 Fa i Heroda mpanapaka, nony nanarin’i Jaona noho ny amin’i Herodiasy, vadin’ny rahalahiny, sy noho ny ratsy rehetra izay nataony,
20 dia nanidy an’i Jaona tao an-tranomaizina ho fanampin’izany rehetra izany koa.
21 Rehefa natao batisa ny vahoaka rehetra, ary Jesosy koa efa natao batisa sy nivavaka, dia nisokatra ny lanitra;
22 ary ny Fanahy Masina nidina teo amboniny, koa ny endriny dia tahaka ny voromailala. Dia nisy feo avy tany an-danitra hoe: Ianao no Zanako malalako; Ianao no sitrako.
LUC 3 : 15 – 22 (S21)
15 Le peuple était dans l’attente et tous se demandaient en eux-mêmes si Jean n’était pas le Messie.
16 Alors il leur dit: «Moi, je vous baptise d’eau; mais il vient, celui qui est plus puissant que moi, et je ne suis pas digne de détacher la courroie de ses sandales. Lui, il vous baptisera du Saint-Esprit et de feu.
17 Il a sa pelle à la main; il nettoiera son aire de battage et il amassera le blé dans son grenier, mais il brûlera la paille dans un feu qui ne s’éteint pas.»
18 C’est ainsi, avec encore beaucoup d’autres encouragements, que Jean annonçait la bonne nouvelle au peuple.
19 Cependant, Hérode le tétrarque, à qui Jean faisait des reproches au sujet d’Hérodiade, la femme de son frère [Philippe], et de toutes les mauvaises actions qu’il avait commises,
20 ajouta encore à toutes les autres celle d’enfermer Jean en prison.
21 Comme tout le peuple était baptisé, Jésus aussi fut baptisé. Pendant qu’il priait, le ciel s’ouvrit
22 et le Saint-Esprit descendit sur lui sous une forme corporelle, comme une colombe. Et une voix fit entendre du ciel ces paroles: «Tu es mon Fils bien-aimé, tu as toute mon approbation.»