
Ancien Testament
1 Mitsangàna, mihazavà, fa tonga ny fahazavanao, ary ny voninahitry NY TOMPO no efa miposaka aminao.
2 Fa indro, manarona ny tany ny haizina, ary manarona ny firenena ny haizim-pito; fa aminao kosa no iposahan’NY TOMPO, ary aminao no isehoan’ny voninahiny.
3 Manatona ny fahazavanao ny firenena maro ary mankeo amin’ny famirapiratan’ny fiposahanao ny mpanjaka. Manintona ny mponina rehetra amin’izao tontolo izao i Jerosalema
4 Atopazy manodidina ny masonao ka jereo: Izy rehetra dia mivory ka mankaty aminao; ny zanakao lahy dia tonga avy lavitra, ny zanakao vavy dia sakelehina.
5 Hahita izany ianao ka ho miramirana, dia hiemponempona sady hohalehibiazina ny fonao, fa hoentina ho anao ny harenan’ny ranomasina ary hafindra ho anao ny fananan’ny firenena.
6 Ho feno rameva betsaka ao aminao, dia rameva tanora avy any Midiana sy Efaha; samy avy any Seba izy rehetra; volamena sy ditin-kazo manitra no hoentiny, ary ny fiderana NY TOMPO no teny mahafaly hambarany.
1 Debout, Jérusalem ! Brille avec éclat : en effet, ta lumière arrive, la gloire du Seigneur se lève sur toi !
2 Regarde : la nuit couvre la terre, un brouillard enveloppe les peuples. Mais sur toi, le Seigneur se lève
et sa gloire brille sur toi.
3 Les autres peuples marchent vers ta lumière, et les rois se dirigent vers la clarté qui s’est levée sur toi.
4 Lève les yeux et regarde autour de toi ! Tous se rassemblent et viennent vers toi. Tes fils arrivent de loin, tes filles sont portées dans les bras.
5 En voyant cela, tu brilleras de joie, ton cœur battra de bonheur. En effet, les richesses de la mer arriveront chez toi, les trésors des autres peuples parviendront jusqu’à toi, Jérusalem.
6 Des troupeaux de chameaux te couvriront, de jeunes chameaux de Madian et d’Éfa. Ils viendront tous de Saba. Ils apporteront de l’or et de l’encens et ils chanteront devant tous la louange du Seigneur.
.
Epître
2 raha mba renareo mantsy ny fitantanan’Andriamanitra ny fahasoavany izay nomeny ahy noho ny aminareo,
3 fa fanambaràna no nampahafantarana ahy ny zavamiafina, araka ny voasoratro tamin’ny teny fohifohy teo.
4 Araka izany, raha mamaky ianareo dia ho takatrareo ny fahafantarako ny zava-niafina momba an’i Kristy,
5 izay tsy mbola nampahafantarina ny zanak’olombelona tamin’ny taranaka lasa. Izany dia tahaka ny fanambaràn’ny Fanahy ankehitriny amin’ny Apostoly masina sy ny mpaminany,
6 dia ny hahatongavan’ny Jentilisa ho mpiray lova sy ho tena iray ary ho mpiombona ny teny fikasana ao amin’i Kristy Jesosy noho ny Filazantsara
2 Vous avez sans doute entendu parler du service que Dieu, dans sa bonté, m’a chargé d’accomplir pour vous, afin de réaliser son projet.
3 Il m’a ouvert les yeux pour me faire connaître ce projet caché, je viens de vous en parler un peu.
4 En lisant ma lettre, vous pouvez voir combien je connais le mystère que Dieu réalise par le Christ.
5 Ce mystère, Dieu ne l’avait pas fait connaître aux ancêtres. Mais aujourd’hui, il vient de le faire connaître par son Esprit à ses apôtres saints et à ses prophètes.
6 Voici ce mystère : en étant unis au Christ Jésus par la Bonne Nouvelle, ceux qui ne sont pas juifs reçoivent en partage les mêmes biens que les Juifs. Ils font partie du même corps, ils participent à la même promesse.
Evangile
1 Rehefa teraka tao Betlehema any Jodia Jesosy, tamin’ny andron’i Heroda mpanjaka, dia indreo, nisy Magy avy tany atsinanana tonga tany Jerosalema ka niteny hoe:
2 Aiza Ilay teraka ho Mpanjakan’ny Jiosy? Fa nahita ny kintany teny atsinanana izahay ka tonga mba hiankohoka eo anatrehany.
3 Ary nony nandre izany i Heroda mpanjaka dia nangorohoro izy mbamin’i Jerosalema manontolo.
4 Dia namory ny lehiben’ny mpisorona rehetra sy ny mpanoradalàna tamin’ny vahoaka izy ka nanontany azy ireo hoe: Aiza moa no hahaterahan’i Kristy ?
5 Dia hoy ireo taminy: Ao Betlehema any Jodia; fa izao no voasoratry ny mpaminany:
6 «Ary ianao, ry Betlehema, tanin’i Joda, tsy dia kely indrindra amin’ireo tanàna ao Joda ianao tsy akory; fa avy ao aminao no hiavian’Izay iray ho Mpanapaka, ka Izy no ho Mpiandry ny Israely oloko» (Mik 5.1).
7 Dia nampiantso ireo Magy mangingina i Heroda ka namotopototra fatratra azy ireo ny amin’izay fotoana nisehoan’ilay kintana.
8 Dia naniraka azy ireo hankany Betlehema izy ka niteny hoe: Andeha, hadihadio tsara ny amin’Ilay Zazakely; koa rehefa hitanareo Izy dia ambarao amiko mba hankanesako any koa hiankohoka eo anatrehany.
9 Rehefa nandre ny tenin’ny mpanjaka izy ireo dia lasa; ary indro ilay kintana hitany teny atsinanana, nialoha azy mandra-pijanony teo ambonin’izay nitoeran’ny Zazakely.
10 Koa nony nahita ilay kintana izy ireo dia dibo-kafaliana.
11 Ary rehefa tafiditra tao an-trano tokoa izy ireo dia nahita ny Zazakely sy i Maria reniny ka niankohoka teo anatrehany; ary nony efa nosokafany ireo fitahirizan-drakiny dia nanolotra fanomezana ho Azy izy ireo, dia volamena sy zavamanitra ary miora.
12 Nefa rehefa notoroan’Andriamanitra hevitra tamin’ny nofy izy ireo tsy hiverina any amin’i Heroda dia lalana hafa no nandehanany nody ho any amin’ny fonenany.
1 Jésus naît à Bethléem, en Judée, au moment où Hérode le Grand est roi. Alors, des sages viennent de l’est et arrivent à Jérusalem.
2 Ils demandent : « Où est le roi des Juifs qui vient de naître ? Nous avons vu son étoile se lever à l’est, et nous sommes venus l’adorer. »
3 Quand le roi Hérode apprend cela, il est troublé, et tous les habitants de Jérusalem aussi.
4 Le roi réunit tous les chefs des prêtres de son peuple avec les maîtres de la loi. Il leur demande : « À quel endroit est-ce que le Messie doit naître ? »
5 Ils lui répondent : « Le Messie doit naître à Bethléem, en Judée. En effet, le prophète a écrit :
6 “Et toi, Bethléem, du pays de Juda, tu n’es sûrement pas la moins importante des villes de Juda. Oui, un chef va venir de chez toi, il sera le berger de mon peuple, Israël.” »
7 Alors Hérode fait appeler les sages en secret. Il leur demande : « À quel moment est-ce que l’étoile est apparue ? »
8 Ensuite il les envoie à Bethléem en disant : « Allez vous renseigner exactement sur l’enfant. Quand vous l’aurez trouvé, venez me prévenir, et moi aussi, j’irai l’adorer. »
9-10 Après ces paroles du roi, les sages se mettent en route. Ils aperçoivent l’étoile qu’ils ont vue à l’est. Ils sont remplis d’une très grande joie en la voyant. L’étoile avance devant eux. Elle arrive au-dessus de l’endroit où l’enfant se trouve, et elle s’arrête là.
11 Les sages entrent dans la maison, et ils voient l’enfant avec Marie, sa mère. Ils se mettent à genoux et adorent l’enfant. Ensuite, ils ouvrent leurs bagages et ils lui offrent des cadeaux : de l’or, de l’encens et de la myrrhe.
12 Après cela, Dieu les avertit dans un rêve de ne pas retourner chez Hérode. Alors ils prennent un autre chemin pour rentrer dans leur pays.
