
Ancien Testament
1 Indro ny Mpanompoko izay tantanako, dia Ilay voafidiko sady ankasitrahiko. Napetrako tao aminy ny Fanahiko; hanao fitsarana marina ho an’ny Jentilisa Izy.
2 Tsy hiantsoantso Izy, na hanandratra ny feony, na hanao izay handrenesana ny feony eny an-dalana.
3 Tsy hotapahiny ny volotara torotoro, ary tsy hovonoiny ny lahin-jiro manetona; hanao fitsarana marina tokoa Izy.
4 Tsy ho reraka Izy na ho kivy, mandra-panoriny ny rariny amin’ny tany; ary ny nosy dia hiandry ny lalànany.
5 Izao no lazain’NY TOMPO Andriamanitra, izay nahary ny lanitra sy nanenjana azy, izay namelatra ny tany sy ny vokatra avy aminy, izay manome fofonaina ny mponina ao aminy sy fanahy ho an’izay mandeha eo aminy:
6 Izaho TOMPO no niantso anao tamin’ny fahamarinana sy mihazona anao amin’ny tananao, ary miaro anao Aho ka hanao anao ho fanekena ho an’ny olona, ho fanazavana ny Jentilisa,
7 hampahiratra ny mason’ny jamba, hamoaka ny voafonja hiala ao an-tranomaizina ary izay mipetraka ao amin’ny maizina hiala tao amin’ny trano famatorana.
1 Le Seigneur dit : « Voici mon serviteur. Je le tiens par la main, c’est lui que j’ai choisi avec joie. J’ai mis mon esprit sur lui, pour qu’il fasse connaître le droit aux peuples.
2 Il ne crie pas, il ne parle pas fort, on n’entend pas sa voix dans la rue.
3 Il ne casse pas le roseau courbé. Il n’éteint pas la flamme qui devient faible. Mais il fait réellement connaître le droit.
4 Il ne se découragera pas, il n’abandonnera pas avant d’établir le droit sur la terre. Les peuples éloignés désirent recevoir son enseignement. »
5 Dieu, le Seigneur, a créé le ciel et il l’a déroulé. Il a étendu la terre avec toutes les plantes. Il donne la vie aux peuples qui l’habitent, le souffle à ceux qui y vivent. Voici ce qu’il dit à son serviteur :
6« Moi, le Seigneur, je t’ai appelé par une décision juste. Je te prends par la main, c’est moi qui t’ai formé. En toi, je réalise mon alliance avec le peuple, tu es la lumière des habitants de la terre.
7 Tu ouvriras les yeux des aveugles, tu feras sortir les prisonniers de leur prison, tu retireras de leur cellule ceux qui attendent dans le noir.
.
Epître
Asan’ny Apostoly 10 : 34 – 38 (MRV)
34 Dia niloa-bava i Petera ka niteny hoe: Hitako marina tokoa izao fa tsy mizaha tavan’olona Andriamanitra;
35 fa amin’ny firenena rehetra, izay olona matahotra Azy ka manao ny marina no ankasitrahany.
36 Ianareo mahalala ny teny izay nampitondrainy ho amin’ny Zanak’Israely, mitory teny soa milaza fiadanana amin’ny alalan’i Jesosy Kristy izay Tompon’izao rehetra izao,
37 dia ilay teny natomboka hatrany Galilia ka notorina tany Jodia* rehetra taorianan’ny batisa izay notorin’i Jaona,
38 dia ny amin’i Jesosy avy any Nazareta izay nohosoran’Andriamanitra tamin’ny Fanahy Masina sy ny hery ary nandehandeha nanao soa sy nahasitrana izay rehetra azon’ny herin’ny devoly, satria nomba Azy Andriamanitra.
Actes des Apôtres 10 : 34 – 38 (PDV)
34 Alors Pierre prend la parole et dit : « Maintenant, je comprends vraiment que Dieu accueille tout le monde.
35 Si quelqu’un le respecte avec confiance et fait ce qui est juste, cette personne plaît à Dieu. C’est vrai dans tous les pays.
36 Dieu a envoyé sa parole au peuple d’Israël : il lui a annoncé la Bonne Nouvelle de la paix par Jésus-Christ, qui est le Seigneur de tous.
37 Tout a commencé après que Jean a lancé cet appel : “Faites-vous baptiser !” Vous savez ce qui est arrivé, d’abord en Galilée, puis dans toute la Judée.
38 Vous savez comment Dieu a répandu la puissance de l’Esprit Saint sur Jésus de Nazareth. Jésus est passé partout en faisant le bien. Il guérissait tous ceux qui étaient prisonniers de l’esprit du mal, parce que Dieu était avec lui.
Evangile
13 Ary tamin’izay Jesosy dia avy tany Galilia ka tonga teo amoron’i Jordana, dia nanatona an’i Jaona Izy mba hataony batisa.
14 Fa nandà Azy i Jaona ka niteny hoe: Izaho no tokony hataonao batisa ka Ianao indray va no mankaty amiko?
15 Nefa namaly azy Jesosy hoe: Ekeo ihany ankehitriny, fa izao no mety amintsika mba hahatanteraka ny fahamarinana rehetra. Dia nekeny Izy.
16 Ary raha vao vita batisa Jesosy dia niakatra avy tao amin’ny rano avy hatrany; ary indro, nisokatra Taminy ny lanitra, ary hitany ny Fanahin’Andriamanitra nidina tahaka ny voromailala nankeo amboniny.
17 Ary injao nisy feo avy tany an-danitra hoe: Ity no Zanako malalako izay sitrako.
13 Alors Jésus vient de la Galilée jusqu’au Jourdain. Il arrive auprès de Jean pour que Jean le baptise,
14 mais Jean n’est pas d’accord. Il dit à Jésus : « C’est moi qui ai besoin d’être baptisé par toi, et c’est toi qui viens vers moi ! »
15 Jésus lui répond : « Accepte cela pour le moment. Oui, c’est ainsi que nous devons faire tout ce que Dieu demande. » Alors Jean accepte.
16 Dès que Jésus est baptisé, il sort de l’eau. Au même moment, le ciel s’ouvre. Jésus voit l’Esprit de Dieu qui descend comme une colombe et qui vient sur lui.
17 Une voix vient du ciel et dit : « Celui-ci est mon Fils très aimé. C’est lui que j’ai choisi avec joie. »
