
Ancien Testament
7 Koa ianao, ry zanak’olona, dia notendreko ho mpitily ho an’ny taranak’Israely, koa raha mandre ny teny aloaky ny vavako ianao dia izany no hoentinao mananatra azy.
8 Raha hoy Aho amin’ny ratsy fanahy: E! Ry ilay ratsy fanahy, ho faty tokoa ianao, nefa tsy mety mananatra azy ianao hiala amin’ny alehany, dia ho fatin’ny helony ihany izany ratsy fanahy izany, fa ny rany dia hadiniko amin’ny tananao.
9 Fa raha mananatra ny ratsy fanahy hiala amin’ny lalany ratsy ihany kosa ianao, fa izy no tsy mety miala amin’izany, dia ho fatin’ny helony ihany izy nefa voavonjinao ny ainao.
7 « Ézékiel, toi qui n’es qu’un homme, je fais de toi un guetteur pour le peuple d’Israël. Tu écouteras mes paroles et tu avertiras les Israélites de ma part.
8 Supposons ceci : Je dois prévenir un homme mauvais qu’il va mourir sûrement. Mais tu ne l’avertis pas, tu ne lui demandes pas de changer sa vie. Alors, cet homme mourra à cause de ses fautes, mais je te demanderai des comptes pour sa mort.
9 Au contraire, tu avertis l’homme mauvais, tu lui demandes de changer sa vie, mais il ne le fait pas. Cet homme-là mourra à cause de ses fautes, mais toi, tu sauveras ta vie. »
.
Epître
Ny fifankatiavana
8 Aza avela hisy trosa tsy voaloa na amin’iza na amin’iza, afa-tsy ny fifankatiavanareo ihany; fa izay tia ny namany dia nahatanteraka ny lalàna.
9 Fa ny hoe : «Aza mijangajanga, aza mamono olona, aza mangalatra, aza mitsiriritra zavatr’olona» (Eks 20.13-17), mbamin’izay didy hafa rehetra dia samy efa ao anatin’izao teny izao hoe : «Tiava ny namanao tahaka ny tenanao» (Lev 19.18).
10 Ny fitiavana dia tsy manisy ratsy ny namana; koa ny fitiavana no fanatanterahana ny lalàna.
Aimer les autres, c’est obéir à la loi de Dieu
8 N’ayez aucune dette envers personne, sauf la dette de l’amour que vous devez avoir entre vous. Celui qui aime les autres obéit parfaitement à la loi.
9 En effet, vous connaissez les commandements : « Ne commets pas d’adultère. Ne tue personne. Ne vole pas. Ne désire pas ce qui ne t’appartient pas. » Ces commandements et tous les autres sont contenus dans cette parole : « Aime ton prochain comme toi-même ! »
10 Quand on aime, on ne fait aucun mal à son prochain. Par conséquent, aimer, c’est obéir parfaitement à la loi.
Evangile
Ny hampiverenana ny rahalahy izay nanota
15 Ary raha manota ny rahalahinao dia mandehana anaro izy rehefa mitokana ianareo roa lahy. Raha mihaino anao izy dia efa azonao ny rahalahinao;
16 fa raha tsy mihaino anao kosa izy dia ento miaraka aminao ny olona iray na roa mba hohamafisina amin’ny tenin’ny vavolombelona roa na telo ny teny rehetra (Deo 19.15).
17 Ary raha tsy mety mihaino an’ireo izy dia ambarao amin’ny fiangonana; ary raha tsy mety mihaino ny fiangonana koa izy dia aoka hataonao ho tahaka ny Jentilisa sy ny mpamory hetra.
18 Lazaiko aminareo marina tokoa: Na inona na inona fehezinareo etỳ ambonin’ny tany dia hofehezina any an-danitra; ary na inona na inona vahànareo etỳ ambonin’ny tany dia hovahana any an-danitra.
Ny fiombonam-bavaka
19 Lazaiko aminareo koa: Raha misy roa aminareo mifanaiky etỳ ambonin’ny tany na amin’inona na amin’inona ka hangataka izany dia ho azony avy amin’ny Raiko izay any an-danitra izany.
20 Fa na aiza na aiza no iangonan’ny roa na telo amin’ny anarako dia eo afovoany Aho.
Comment agir avec celui qui fait du mal
15 « Si ton frère te fait du mal, va le voir et fais-lui des reproches quand tu es seul avec lui. S’il t’écoute, tu as gagné ton frère.
16 S’il ne t’écoute pas, retourne le voir avec une ou deux personnes. De cette façon, “on jugera l’affaire avec deux ou trois témoins”.
17 S’il refuse de les écouter, dis-le à l’Église. S’il refuse d’écouter l’Église, traite-le comme un non-Juif ou comme un employé des impôts.
18 « Je vous le dis, c’est la vérité : tout ce que vous refuserez sur la terre, on le refusera dans le ciel. Tout ce que vous accueillerez sur la terre, on l’accueillera dans le ciel.
19 « Je vous le dis encore, c’est la vérité : si deux d’entre vous, sur la terre, se mettent d’accord pour prier au sujet d’une affaire, mon Père qui est dans les cieux fera pour eux ce qu’ils demandent.
20 Oui, quand deux ou trois sont réunis en mon nom, je suis là au milieu d’eux. »
