Péricope du Dimanche 13 Septembre 2026

Table des matières

Ancien Testament

Genesisy 50 : 15 – 21 (MRV)

Ny fiafaran’ny fiainan’i Josefa
15 Rehefa hitan’ny rahalahin’i Josefa fa maty ny rainy dia hoy izy ireo : Sao dia hankahala antsika i Josefa ka hamaly antsika tokoa noho ny ratsy rehetra nataontsika taminy !
16 Koa nandefa iraka nankany amin’i Josefa izy ireo ka niteny hoe: Nanafatra ny rainao, fony izy tsy mbola maty,
17 hoe : Izao no holazainareo amin’i Josefa : Mamelà re ny fahadisoan’ny rahalahinao sy ny fahotany fa nanao ratsy taminao izy ! Eny, mamelà ankehitriny ny fahadisoan’ny mpanompon’ny Andriamanitry ny rainao ! Nitomany i Josefa rehefa niteny izany taminy izy ireo.
18 Koa nanatona azy ny rahalahiny ka niankohoka teo anatrehany sady niteny hoe : Indreto izahay ho mpanomponao.
19 Fa hoy i Josefa tamin’izy ireo : Aza matahotra ! Moa solon’Andriamanitra va aho ?
20 Ianareo no nisaina hanisy ratsy ahy fa Andriamanitra kosa nisaina izany ho soa, mba hahatonga izany ho tahaka ny amin’izao anio izao, hamelona olona betsaka.
21 Ankehitriny, aza matahotra ianareo, fa izaho no hiantoka anareo sy ny zanakareo madinika. Dia nampionona azy sy nilaza teny malefaka taminy izy.

Joseph pardonne à ses frères
15 Après la mort de Jacob leur père, les frères de Joseph se disent : « Maintenant, Joseph va peut-être nous considérer comme des ennemis. Il va peut-être nous rendre tout le mal que nous lui avons fait. »
16 Alors ils envoient à Joseph ce message : « Avant de mourir, ton père a donné cet ordre :
17 “Dites de ma part à Joseph : S’il te plaît, pardonne à tes frères leur faute, tout le mal qu’ils t’ont fait !” Oui, pardonne-nous cette faute, à nous qui servons le même Dieu que ton père. » Quand Joseph entend ces paroles, il se met à pleurer.
18 Ses frères viennent eux-mêmes le trouver. Ils se jettent à ses pieds en disant : « Nous sommes tes esclaves ! »
19 Joseph leur répond : « N’ayez pas peur ! Je ne suis pas à la place de Dieu.
20 Vous avez voulu me faire du mal, mais Dieu a voulu changer ce mal en bien. Il a voulu sauver la vie d’un grand nombre de gens, comme vous le voyez aujourd’hui.
21 Maintenant, n’ayez pas peur ! Je prendrai soin de vous et de vos familles. » Par ces paroles pleines d’affection, Joseph rend courage à ses frères.

.

Epître

Romana 14 : 7 – 9 (MRV)

7 Fa tsy misy velona ho an’ny tenany isika ary tsy misy maty ho an’ny tenany.
8 Satria raha velona isika dia velona ho an’ny Tompo ary raha maty isika dia maty ho an’ny Tompo; koa amin’izany, na velona na maty isika dia an’ny Tompo ihany.
9 Fa izany no nahafatesan’i Kristy sy nahavelomany indray, mba ho Tompon’ny maty sy ny velona Izy.

Romains 14 : 7 – 9 (PDV)

7 Personne parmi nous ne vit pour soi-même, et personne ne meurt pour soi-même.
8 Si nous vivons, nous vivons pour le Seigneur, si nous mourons, nous mourons pour le Seigneur. Alors, en vivant ou en mourant, nous appartenons au Seigneur.
9 Oui, le Christ est mort et il est revenu à la vie, pour être le Seigneur des morts et des vivants.

Evangile

Matio 18 : 15 – 20 (MRV)

Ny fifamelan-keloky ny mpirahalahy
21 Dia nanatona i Petera ka niteny Taminy hoe: Tompoko, impiry moa no hanotan’ny rahalahiko amiko ka havelako izy? Hatramin’ny impito va?
22 Fa hoy Jesosy taminy: Tsy lazaiko aminao hoe: Hatramin’ny impito, fa hatramin’ny impito amby fitopolo.
Fanoharana ny amin’ilay mpanompo tsy namindra fo
23 Koa amin’izany, ny fanjakan’ny lanitra dia tahaka ny mpanjaka iray izay ta hanamarina ny amin’ny toe-bolany amin’ny mpanompony.
24 Ary raha vao nanamarina izy dia nisy iray noentina teo aminy, izay nitrosa talenta iray alina.
25 Ary satria tsy nanan-kaloa izy io dia nasain’ny tompony hamidy izy sy ny vady aman-janany mbamin’ny fananany rehetra mba handoavana ny trosa.
26 Dia niankohoka teo anatrehany ilay mpanompo ka niteny hoe : Tompoko, omeo andro aho fa haloako ny anao rehetra.
27 Onena azy ny tompon’izany mpanompo izany ka nandefa azy sady namoy ny trosa taminy.
28 Nefa nony niala teo ilay mpanompo dia nahita mpanompo namany iray, izay nitrosa denaria zato taminy; dia nosamboriny Ilehio ka nokendainy sady nataony hoe: Aloavy izay trosako any aminao.
29 Fa niankohoka ilay mpanompo namany ka nifona taminy hoe: Omeo andro aho fa haloako ny anao.
30 Nefa tsy nety izy fa lasa nampiditra azy tao an-tranomaizina mandra-pandoany ny trosa.
31 Nony hitan’ireo mpanompo namany izay efa nataony dia nalahelo indrindra izy ireo ka nandeha nanao tatitra tamin’ny tompony momba ny zava-niseho rehetra.
32 Dia nampiantsoin’ny tompony Ralehilahy ka noteneniny hoe: Ry mpanompo ratsy fanahy, efa nafoiko manontolo ny trosa taminao satria nifona tamiko ianao;
33 moa tsy tokony mba ho namindra fo tamin’ny mpanompo namanao koa va ianao tahaka ny namindrako fo taminao ?
34 Dia tezitra ny tompony ka nanolotra azy ho amin’ny mpampijaly mandra-pandoany ny trosa rehetra.
35 Ary tahaka izany koa no hataon’ny Raiko izay any an-danitra aminareo, raha tsy samy mamela ny rahalahinareo amin’ny fonareo avy ianareo.

Le serviteur qui refuse de pardonner
21 Alors Pierre s’approche de Jésus et lui demande : « Seigneur, quand mon frère me fait du mal, je devrai lui pardonner combien de fois ? Jusqu’à 7 fois ? »
22 Jésus lui répond : « Je ne te dis pas jusqu’à 7 fois, mais jusqu’à 70 fois 7 fois.
23 C’est pourquoi le Royaume des cieux ressemble à ceci : Un roi veut régler ses comptes avec ses serviteurs. 24 Il commence. On lui amène un serviteur qui lui doit des millions de pièces d’argent.
25 Le serviteur ne peut pas rembourser. Alors le roi donne cet ordre : “Vendez-le comme esclave ! Vendez aussi sa femme, ses enfants et tout ce qu’il a ! Et qu’il paie sa dette !”
26 Mais le serviteur se met à genoux devant le maître et il lui dit : “Sois patient avec moi, et je te rembourserai tout !”
27 Le maître est plein de pitié pour son serviteur. Il supprime sa dette et le laisse partir.
28 « Le serviteur sort. Il rencontre un de ses camarades de travail qui lui doit 100 pièces d’argent. Le serviteur le saisit. Il lui serre le cou et lui dit : “Rembourse ce que tu me dois !”
29 Son camarade se jette à ses pieds et il le supplie en disant : “Sois patient avec moi, et je te rembourserai !”
30 Mais le serviteur refuse. Il fait jeter son camarade en prison, en attendant qu’il rembourse sa dette.
31 Les autres serviteurs voient ce qui est arrivé. Ils sont vraiment tristes, ils vont tout raconter à leur maître.
32 Alors le maître fait venir le serviteur et il lui dit : “Mauvais serviteur ! J’ai supprimé toute ta dette parce que tu m’as supplié.
33 Toi aussi, tu devais avoir pitié de ton camarade, comme j’ai eu pitié de toi !”
34 Le maître est en colère. Il envoie le serviteur en prison pour le punir. Le serviteur restera là en attendant qu’il rembourse toute sa dette. »
35 Et Jésus ajoute : « Mon Père qui est dans les cieux vous fera la même chose, si chacun de vous ne pardonne pas à ses frères et sœurs de tout son cœur. »

Retour en haut