Péricope du Dimanche 12 Mai

Table des matières

Actes des Apôtres

Asan’ny Apostoly 1 : 15 – 26 (MRV)

15 Tamin’izany andro izany dia nitsangana teo afovoan’ireo rahalahy i Petera; tokony ho roapolo amby zato no isan’ny olona vory teo tamin’izay ka hoy izy:
16 Ry rahalahy, tsy maintsy notanterahina ilay tenin’ny Soratra Masina izay nampilazain’ny Fanahy Masina mialoha an’i Davida, ny amin’i Jodasy izay tonga mpitarika ireo olona nisambotra an’i Jesosy;
17 izy iny dia isantsika ihany ka nahazo anjara tamin’izao fanompoana izao koa.
18 Ary izany lehilahy izany dia nahazo saha tamin’ny tambin’ny fahotany; ary potraka niankohoka izy, dia vaky ny kibony ka nipoaka sady nivaroraka avokoa ny tsinainy.
19 Ary fantatr’izay rehetra monina eto Jerosalema izany, koa ny anaran’io saha io, amin’ny fitenin-dry zareo, dia atao hoe Akeldama, izany hoe Sahan-dra.
20 Fa voasoratra ao amin’ny bokin’ny Salamo hoe: «Aoka ho lao ny fonenany ary aoka tsy hisy olona honina ao.» (Sal 69.25) ary koa: «Aoka ho lasan’olon-kafa ny anjara raharahany.» (Sal 109.8)
21 Koa amin’ireo lehilahy niaraka tamintsika mandrakariva ireo, raha nifanerasera tamintsika Jesosy Tompo, nanomboka tamin’ny batisan’i Jaona ka
22 hatramin’ny andro nampiakarana Azy niala tamintsika, dia tokony hisy iray ho namantsika mba ho vavolombelon’ny nitsanganany.
23 Ary nanokana roa lahy izy ireo, dia i Josefa, antsoina hoe Barsabasy, izay antsoina koa hoe Josto, sy i Matia. 24 Dia nivavaka izy hoe: Ianao, Tompo ô, izay mahalala ny fon’ny olona rehetra, asehoy izay nofidinao amin’izy roa lahy ireto,
25 mba hahazoany anjara amin’izao fanompoana sy ny maha apostoly izao, izay nialan’i Jodasy ho any amin’ny anjara toerany.
26 Dia nanao antsapaka ho azy izy ireo ka nianjera tamin’i Matia ny antsapaka; ary izy izany no lany ho naman’ny apostoly iraika amby folo lahy.

Matthias désigné à la place de Judas
15 A cette époque-là, Pierre se leva au milieu des disciples; le nombre des personnes réunies était d’environ 120. Il dit:
16 «Mes frères, il fallait que s’accomplisse l’Ecriture, ce que le Saint-Esprit avait annoncé d’avance par la bouche de David au sujet de Judas, devenu le guide de ceux qui ont arrêté Jésus.
17 Il était l’un des nôtres et il avait part au même ministère.
18 Cet homme a acheté un champ avec le salaire du crime; il y est tombé en avant, s’est éventré et toutes ses entrailles sont sorties.
19 Tous les habitants de Jérusalem l’ont appris, c’est pourquoi ce champ a été appelé dans leur langue ‘Hakeldama’, c’est-à-dire ‘le champ du sang’.
20 Or il est écrit dans le livre des Psaumes: Que sa maison devienne déserte et que personne ne l’habite! et: Qu’un autre prenne sa charge!
21 « Il faut donc choisir un homme parmi ceux qui nous ont accompagnés tout le temps où le Seigneur Jésus a vécu avec nous,
22 depuis le baptême de Jean jusqu’au jour où il a été enlevé du milieu de nous. Il nous sera associé comme témoin de sa résurrection.»
23 Ils en présentèrent deux: Joseph appelé Barsabbas, surnommé Justus, et Matthias.
24 Puis ils firent cette prière: «Seigneur, toi qui connais le cœur de tous, désigne lequel de ces deux hommes tu as choisi
25 pour prendre part à ce ministère et à cette charge d’apôtre que Judas a abandonnés pour aller à la place qui est la sienne.»
26 Ils tirèrent au sort et le sort tomba sur Matthias, qui fut associé aux onze apôtres.

.

Epître

1 Jaona 4 : 11 – 16 (MRV)

11 Ry malala, raha izany no nitiavan’Andriamanitra antsika dia mba tokony hifankatia kosa isika.
12 Tsy mbola nisy olona nahita an’Andriamanitra na oviana na oviana. Raha mifankatia isika dia mitoetra ato amintsika Andriamanitra ary tanteraka ato amintsika ny fitiavany.
13 Izao no ahafantarantsika fa mitoetra ao Aminy isika, ary Izy ato amintsika, dia ny nanomezany antsika ny Fanahiny.
14 Ary izahay dia efa nahita ka manambara fa ny Ray no naniraka ny Zanaka ho Mpamonjy izao tontolo izao.
15 Na iza na iza manaiky fa Zanak’Andriamanitra Jesosy dia mitoetra ao aminy Andriamanitra, ary izy kosa ao amin’Andriamanitra.
16 Ary isika dia mahalala sy mino ny fitiavan’Andriamanitra antsika.

11 Bien-aimés, puisque Dieu nous a tant aimés, nous devons nous aussi nous aimer les uns les autres.
12 Personne n’a jamais vu Dieu. Si nous nous aimons les uns les autres, Dieu demeure en nous et son amour est parfait en nous.
13 Nous reconnaissons que nous demeurons en lui et qu’il demeure en nous au fait qu’il nous a donné de son Esprit.
14Et nous, nous avons vu et nous attestons que le Père a envoyé le Fils comme Sauveur du monde.
15 Celui qui déclare publiquement que Jésus est le Fils de Dieu, Dieu demeure en lui et lui en Dieu.
16 Or nous, nous avons connu l’amour que Dieu a pour nous et nous y avons cru. Dieu est amour et celui qui demeure dans l’amour demeure en Dieu, et Dieu demeure en lui.

Evangile

Jaona 17 : 11 – 19 (MRV)

11 Ary tsy ho eto amin’izao tontolo izao intsony Aho, fa izy ireto no ho eto amin’izao tontolo izao, ary Izaho mankany Aminao. Ray masina ô, tehirizo ireo amin’ny anaranao izay nomenao Ahy mba ho iray ihany izy, tahaka ny maha iray Antsika.
12 Raha mbola teo aminy Aho dia nitahiry azy tamin’ny anaranao izay nomenao Ahy; ary notandremako izy ka tsy misy very, afa-tsy ilay zanaky ny fahaverezana ihany mba hahatanteraka ny Soratra Masina.
13 Fa ankehitriny mankany Aminao Aho; ary izany teny izany no lazaiko eto amin’izao tontolo izao mba hananany ny fifaliako tanteraka ao aminy.
14 Efa nomeko azy ny teninao; ary halan’izao tontolo izao izy satria tsy avy amin’izao tontolo izao, tahaka Ahy tsy avy amin’izao tontolo izao.
15 Izaho tsy mangataka Aminao mba hampiala azy amin’izao tontolo izao fa ny mba hiaro azy amin’ilay ratsy. 16 Tsy avy amin’izao tontolo izao izy, tahaka Ahy tsy avy amin’izao tontolo izao.
17 Manamasìna azy amin’ny fahamarinana, ny teninao no fahamarinana.
18 Tahaka ny nanirahanao Ahy ho amin’izao tontolo izao no mba nanirahako azy kosa ho amin’izao tontolo izao.
19 Ary ho an’ireto no anamasinako ny tenako mba hanamasinan’ny fahamarinanao azy.

11 Désormais je ne suis plus dans le monde, mais eux, ils sont dans le monde, tandis que je vais vers toi. Père saint, garde-les en ton nom, ce nom que tu m’as donné, afin qu’ils soient un comme nous.
12 Lorsque j’étais avec eux [dans le monde], je les gardais en ton nom. J’ai protégé ceux que tu m’as donnés et aucun d’eux ne s’est perdu, à part le fils de perdition afin que l’Ecriture soit accomplie.
13 Maintenant je vais vers toi et je dis ces paroles dans le monde afin qu’ils aient en eux ma joie, une joie complète.
14 Je leur ai donné ta parole et le monde les a détestés parce qu’ils ne sont pas du monde, tout comme moi, je ne suis pas du monde.
15 Je ne te demande pas de les retirer du monde, mais de les préserver du mal.
16 Ils ne sont pas du monde, tout comme moi, je ne suis pas du monde.
17 Consacre-les par ta vérité! Ta parole est la vérité.
18 Tout comme tu m’as envoyé dans le monde, je les ai moi aussi envoyés dans le monde,
19 et je me consacre moi-même pour eux afin qu’eux aussi soient consacrés par la vérité.

Retour en haut