Péricope du Jeudi 09 Mai – Ascension

Table des matières

Actes des Apôtres

Asan’ny Apostoly 1 : 1 – 11 (MRV)

1 Ry Teofilo, Ilay boky voalohany dia nosoratako momba izay natombok’i Jesosy natao sy nampianarina,
2 hatramin’ny andro nampiakarana Azy, rehefa avy nodidiany tamin’ny alalan’ny Fanahy Masina ny Apostoly izay nofidiny.
3 Niseho tamin’ireo tamin’ny famantarana maro koa Izy fa velona, taorianan’ny nijaliany; eny, niseho tamin’izy ireo nandritra ny efapolo andro Izy ary nilaza ny amin’ny fanjakan’Andriamanitra.
4 Raha niara-nisakafo tamin’izy ireo Jesosy dia namepetra azy tsy hiala tao Jerosalema fa hiandry ny teny fikasan’ny Ray izay efa renareo tamiko, hoy Izy;
5 fa i Jaona dia nanao batisa tamin’ny rano fa ianareo kosa dia hatao batisa amin’ny Fanahy Masina rehefa afaka andro vitsivitsy.
6 Koa izay tafangona teo dia nanontany Azy hoe: Tompoko, amin’izao va no hampodianao ny fanjakana ho amin’ny Israely?
7 Fa hoy kosa Izy taminy: Tsy anjaranareo ny hahafantatra ny andro na ny fotoana izay efa notendren’ny Ray amin’ny fahefany irery ihany.
8 Fa hahazo hery ianareo amin’ny hahatongavan’ny Fanahy Masina aminareo ka ho vavolombeloko any Jerosalema sy manerana an’i Jodia sy i Samaria ary hatrany amin’ny faran’ny tany.
9 Rehefa nilaza izany Jesosy dia nakarina, raha mbola nijery izy ireo; nisy rahona nitondra Azy ka tsy hitan’ny masony intsony Izy.
10 Ary raha mbola nandinika ny lanitra izy ireo tamin’ny nandehanan’i Jesosy dia indreo, nisy roa lahy tonga teo anilany, niakanjo fotsy,
11 ary niteny hoe: Ry lehilahy galiliana, nahoana no mijanona eto mijery ny lanitra ianareo? Iny Jesosy izay nampiakarina niala taminareo ho any an-danitra iny dia mbola ho avy indray tahaka ny nahitanareo Azy niakatra ho any an-danitra.

1 Cher Théophile, dans mon premier livre, j’ai parlé de tout ce que Jésus a commencé de faire et d’enseigner
2 jusqu’au jour où il a été enlevé au ciel après avoir donné ses ordres, par le Saint-Esprit, aux apôtres qu’il avait choisis.
3 Après avoir souffert, il se présenta à eux vivant et leur en donna de nombreuses preuves: pendant 40 jours, il se montra à eux et parla de ce qui concerne le royaume de Dieu.
4 Alors qu’il se trouvait en leur compagnie, il leur recommanda de ne pas s’éloigner de Jérusalem, mais d’attendre ce que le Père avait promis, «ce que je vous ai annoncé, leur dit-il,
5 car Jean a baptisé d’eau, mais vous, dans peu de jours, vous serez baptisés du Saint-Esprit.»
6 Alors que les apôtres étaient réunis, ils lui demandèrent: «Seigneur, est-ce à ce moment-là que tu rétabliras le royaume pour Israël?»
7 Il leur répondit: «Ce n’est pas à vous de connaître les temps ou les moments que le Père a fixés de sa propre autorité.
8 Mais vous recevrez une puissance lorsque le Saint-Esprit viendra sur vous, et vous serez mes témoins à Jérusalem, dans toute la Judée, dans la Samarie et jusqu’aux extrémités de la terre.»
9 Après avoir dit cela, il s’éleva dans les airs pendant qu’ils le regardaient et une nuée le cacha à leurs yeux.
10 Et comme ils avaient les regards fixés vers le ciel pendant qu’il s’en allait, deux hommes habillés de blanc leur apparurent
11 et dirent: «Hommes de Galilée, pourquoi restez-vous à regarder le ciel? Ce Jésus qui a été enlevé au ciel du milieu de vous reviendra de la même manière que vous l’avez vu aller au ciel.»

.

Epître

Efesiana 4 : 1 – 13 (MRV)

1 Ary noho izany izaho, mpifatotra noho ny amin’ny Tompo, dia mangataka anareo mba handeha mendrika ny fiantsoana izay niantsoana anareo
2 amin’ny fanetren-tena rehetra sy ny fahalemem-panahy, amin’ny fahari-po, mifandefitra amin’ny fitiavana,
3 mazotoa mitana ny firaisana avy amin’ny Fanahy amin’ny fehim-pihavanana.
4 Iray ny tena ary iray ny Fanahy, dia araka ny niantsoana anareo ho amin’ny fanantenana iray;
5 iray ny Tompo, iray ny finoana, iray ny batisa,
6 iray Andriamanitra sady Rain’izy rehetra, izay ambonin’izy rehetra sy manerana azy rehetra ary ao amin’izy rehetra.
7 Fa samy nomena ny fahasoavana araka ny refin’ny fanomezan’i Kristy avy isika rehetra.
8 Koa izany no ilazany hoe: «Raha niakatra ho any amin’ny avo Izy dia nitondra olona maro ho babo ka nanome fanomezana ho an’ny olona» (Sal 68.18).
9 Ary ny amin’ny hoe: Niakatra Izy, inona moa izany, afa-tsy ny nidinany ho any ambanin’ny tany koa?
10 Izay nidina, dia Izy koa no Ilay niakatra any ambonin’ny lanitra rehetra mba hamenoany ny zavatra rehetra.
11 Izy no nanome ny sasany ho Apostoly, ny sasany ho mpaminany, ny sasany ho evanjelista, ary ny sasany ho mpiandry sy mpampianatra,
12 mba ho fanomanana ny olona masina, ho amin’ny asan’ny fanompoana, ho amin’ny fampandrosoana ny tenan’i Kristy,
13 mandra-pahatongantsika rehetra ho amin’ny firaisan’ny finoana sy ny fahalalana tsara ny Zanak’Andriamanitra ka ho lehilahy lehibe, araka ny refin’ny halehiben’ny fahafenoan’i Kristy;

1 Je vous encourage donc, moi, le prisonnier dans le Seigneur, à vous conduire d’une manière digne de l’appel que vous avez reçu.
2 En toute humilité et douceur, avec patience, supportez-vous les uns les autres dans l’amour.
3 Efforcez-vous de conserver l’unité de l’Esprit par le lien de la paix.
4 Il y a un seul corps et un seul Esprit, de même que vous avez été appelés à une seule espérance par votre vocation.
5 Il y a un seul Seigneur, une seule foi, un seul baptême,
6 un seul Dieu et Père de tous. Il est au-dessus de tous, agit à travers tous et habite en [nous] tous.
7 Cependant, à chacun de nous la grâce a été donnée à la mesure du don de Christ.
8 C’est pourquoi il est dit: Il est monté sur les hauteurs, il a emmené des prisonniers et il a fait des dons aux hommes.
9 Or, que signifie: Il est monté, sinon qu’il est aussi [d’abord] descendu dans les régions les plus basses de la terre?
10 Celui qui est descendu, c’est celui qui est monté au-dessus de tous les cieux afin de remplir tout l’univers.
11 C’est lui qui a donné les uns comme apôtres, les autres comme prophètes, les autres comme évangélistes, les autres comme bergers et enseignants.
12 Il l’a fait pour former les saints aux tâches du service en vue de l’édification du corps de Christ,
13 jusqu’à ce que nous parvenions tous à l’unité de la foi et de la connaissance du Fils de Dieu, à la maturité de l’adulte, à la mesure de la stature parfaite de Christ.

Evangile

Marka 16 : 9 – 20 (MRV)

9 Rehefa tafatsangana tamin’ny marainan’ny andro voalohany amin’ny herinandro Jesosy dia niseho voalohany tamin’i Maria Magdalena, ilay namoahany demonia fito, Izy.
10 Ary nandeha i Maria ka nilaza tamin’ireo izay efa nomba an’i Jesosy, izay mbola nisaona sy nitomany.
11 Ary izy ireo, na dia nandre aza fa velona Izy sady efa hitan-dRavehivavy, dia mbola tsy nety nino ihany.
12 Taorianan’izany Jesosy dia niseho tamin’ny endrika hafa tamin’ny roa lahy namany, izay nankany an-tsaha.
13 Izy ireo koa dia nandeha nilaza tamin’ireo namany hafa; kanefa na ireo koa aza tsy ninoany.
14 Rehefa afaka izany dia niseho tamin’ny iraika amby folo lahy Jesosy, raha nipetraka nisakafo izy ireo; ary nanome tsiny azy ireo Izy noho ny tsy finoany sy ny hamafin’ny fony, satria tsy nino ireo izay nahita Azy efa tafatsangana izy.
15 Ary hoy Izy taminy: Mandehana any amin’izao tontolo izao ianareo ka mitoria ny Filazantsara amin’ny olombelona rehetra.
16 Izay mino sy atao batisa no hovonjena, fa izay tsy mety mino no hohelohina.
17 Ary izao famantarana izao no hanaraka izay mino: Handroaka demonia amin’ny anarako izy; hiteny amin’ny fiteny izay tsy mbola hainy izy;
18 handray menarana izy, na dia misotro zava-mahafaty aza izy dia tsy hampaninona azy izany; hametra-tanana amin’ny marary izy dia ho sitrana ireny.
19 Ary Jesosy Tompo, rehefa avy niteny tamin’izy ireo, dia nampiakarina ho any an-danitra ka mipetraka eo ankavanan’Andriamanitra.
20 Fa izy ireo kosa dia lasa ka nitoriteny manerana ny tontolo, ary ny Tompo niara-niasa taminy ka nanamarina ny teny tamin’ny famantarana nampombaina azy. Amena.

Apparitions de Jésus ressuscité
9 [Ressuscité le dimanche matin, Jésus apparut d’abord à Marie de Magdala, dont il avait chassé sept démons.
10 Elle partit l’annoncer à ceux qui avaient été avec lui et qui étaient tristes et pleuraient,
11 mais quand ils entendirent qu’il était vivant et qu’elle l’avait vu, ils ne la crurent pas.
12 Après cela, il apparut sous une autre forme à deux d’entre eux qui se rendaient à la campagne.
13 Eux aussi revinrent l’annoncer aux autres, qui ne les crurent pas non plus.
14 Enfin, il apparut aux onze pendant qu’ils étaient à table, et il leur reprocha leur incrédulité et la dureté de leur cœur, parce qu’ils n’avaient pas cru ceux qui l’avaient vu ressuscité.
15 Puis il leur dit: «Allez dans le monde entier proclamer la bonne nouvelle à toute la création.
16 Celui qui croira et qui sera baptisé sera sauvé, mais celui qui ne croira pas sera condamné.
17 Voici les signes qui accompagneront ceux qui auront cru: en mon nom, ils pourront chasser des démons, parler de nouvelles langues,
18 attraper des serpents, et s’ils boivent un breuvage mortel, celui-ci ne leur fera aucun mal; ils poseront les mains sur les malades et ceux-ci seront guéris.»
19 Après leur avoir parlé, le Seigneur fut enlevé au ciel, et il s’assit à la droite de Dieu.
20 Quant à eux, ils s’en allèrent prêcher partout. Le Seigneur travaillait avec eux et confirmait la parole par les signes qui l’accompagnaient.]

Retour en haut