Péricope du Dimanche 05 Mai

Table des matières

Actes des Apôtres

Asan’ny Apostoly 10 : 25 – 48 (MRV)

25 Raha vao niditra i Petera dia nitsena azy i Kornelio ka niankohoka teo amin’ny tongony sady nitsaoka azy. 26 Nefa nampitsangana azy i Petera ka niteny hoe: Mitsangàna fa izaho dia olona ihany.
27 Nony niresaka taminy izy dia niditra tao an-trano ka nahita ny olona maro tafangona tao.
28 Dia hoy izy taminy: Ianareo dia mahalala fa fady amin’ny Jiosy ny hifandray na hiantrano amin’ny olona hafa firenena; nefa izaho dia efa nampahafantarin’Andriamanitra fa tsy misy olona azoko atao hoe fady na tsy madio.
29 Noho izany dia tsy nandà ny hankaty aho rehefa nampiantsoana; koa manontany aho: Inona moa no nampiantsoanareo ahy?
30 Hoy i Kornelio: Telo andro lasa izay, tamin’ny ora toy izao, raha nivavaka teto an-tranoko aho tamin’ny ora fahasivy, dia indro, nisy lehilahy niakanjo mamirapiratra nitsangana teto anatrehako
31 ka niteny hoe: Ry Kornelio, efa re ny vavaka ataonao ary efa tsarovana eo anatrehan’Andriamanitra ny fiantranao.
32 Koa maniraha hankany Jopa ka ampanalao i Simona izay antsoina koa hoe Petera; miantrano ao an-tranon’i Simona mpandon-koditra eo amoron-dranomasina izy.
33 Niaraka tamin’izay dia nandefa olona tany aminao aho; ary tsara ny nahatongavanao. Koa ankehitriny, izahay rehetra dia efa eto anatrehan’Andriamanitra mba hihaino izay rehetra nampilazain’ny Tompo anao.
Ny toritenin’i Petera
34 Dia niloa-bava i Petera ka niteny hoe: Hitako marina tokoa izao fa tsy mizaha tavan’olona Andriamanitra; 35 fa amin’ny firenena rehetra, izay olona matahotra Azy ka manao ny marina no ankasitrahany.
36 Ianareo mahalala ny teny izay nampitondrainy ho amin’ny Zanak’Israely, mitory teny soa milaza fiadanana amin’ny alalan’i Jesosy Kristy izay Tompon’izao rehetra izao,
37 dia ilay teny natomboka hatrany Galilia ka notorina tany Jodia rehetra taorianan’ny batisa izay notorin’i Jaona,
38 dia ny amin’i Jesosy avy any Nazareta izay nohosoran’Andriamanitra tamin’ny Fanahy Masina sy ny hery ary nandehandeha nanao soa sy nahasitrana izay rehetra azon’ny herin’ny devoly, satria nomba Azy Andriamanitra.
39 Vavolombelon’ny zavatra rehetra izay nataony tany amin’ny tanin’ny Jiosy sy tany Jerosalema izahay; Izy dia novonoiny rehefa nahantony teo amin’ny hazo;
40 nefa natsangan’Andriamanitra kosa tamin’ny andro fahatelo ka nasehony marina,
41 tsy tamin’ny olona rehetra, fa tamin’ny vavolombelona izay efa notendren’Andriamanitra rahateo, dia taminay izay niara-nihinana sy nisotro taminy, rehefa nitsangana tamin’ny maty Izy.
42 Ary nandidy anay Izy hitory amin’ny olona ka hanambara fa Izy no voatendrin’Andriamanitra ho Mpitsara ny velona sy ny maty.
43 Izy no ambaran’ny mpaminany rehetra fa amin’ny anarany no hahazoan’izay rehetra mino Azy famelan-keloka.
Mandray ny Fanahy Masina ny Jentilisa
44 Raha mbola nilaza izany teny izany i Petera dia nilatsaka tamin’izay rehetra nandre ny teny ny Fanahy Masina.
45 Talanjona ny mino isan’ny voafora izay niaraka tamin’i Petera, satria nirotsaka tamin’ny Jentilisa koa ny fanomezana, dia ny Fanahy Masina.
46 Ary nandre azy niteny tamin’ny fiteny tsy fantatra sy nankalaza an’Andriamanitra izy ireo. Dia hoy i Petera:
47 Moa misy olona mahazo mandrara ny rano tsy hanaovana batisa azy ireto, izay efa nandray ny Fanahy Masina tahaka antsika koa va?
48 Dia nasainy natao batisa amin’ny anaran’i Jesosy Kristy izy ireo. Ary nangatahin’ireo mba hijanona ao aminy andro vitsivitsy i Petera.

25 Lorsque Pierre entra, Corneille, qui était venu à sa rencontre, se jeta à ses pieds et se prosterna.
26 Mais Pierre le releva en disant: «Lève-toi! Moi aussi, je suis un être humain.»
27 Tout en conversant avec lui, il entra et trouva beaucoup de personnes réunies.
28 «Vous savez, leur dit-il, qu’il est interdit à un Juif de se lier à un étranger ou d’entrer chez lui, mais Dieu m’a montré qu’il ne faut déclarer aucun être humain souillé ou impur.
29 C’est pourquoi je n’ai pas eu d’objection à venir quand vous m’avez appelé. Je vous demande donc pour quelle raison vous m’avez fait venir.»
30 Corneille répondit: «Il y a trois jours, [je jeûnais] jusqu’à cette heure-ci [et] je priais dans ma maison à trois heures de l’après-midi; un homme aux vêtements resplendissants s’est alors présenté devant moi et a dit:
31 ‘Corneille, ta prière a été exaucée et Dieu s’est souvenu des dons que tu as faits.
32 Envoie donc quelqu’un à Jaffa et fais venir Simon, surnommé Pierre. Il est logé dans la maison de Simon le tanneur, près de la mer. [Lorsqu’il sera venu, il te parlera.]’
33 J’ai alors tout de suite envoyé quelqu’un vers toi et tu as bien fait de venir. Maintenant donc nous sommes tous devant Dieu pour écouter tout ce que le Seigneur t’a ordonné de nous dire.»
34 Alors Pierre prit la parole et dit: «En vérité, je reconnais que Dieu ne fait pas de favoritisme
35 et que dans toute nation celui qui le craint et qui pratique la justice lui est agréable.
36 Il a envoyé sa parole aux Israélites en leur annonçant la paix par Jésus-Christ, qui est le Seigneur de tous.
37 Vous savez ce qui est arrivé dans toute la Judée, après avoir commencé en Galilée suite au baptême que Jean a prêché.
38 Vous savez comment Dieu a déversé une onction de Saint-Esprit et de puissance sur Jésus de Nazareth, qui allait de lieu en lieu en faisant le bien et en guérissant tous ceux qui étaient sous la domination du diable, parce que Dieu était avec lui.
39 Nous sommes témoins de tout ce qu’il a fait dans le pays des Juifs et à Jérusalem. Lui qu’ils ont tué en le clouant sur la croix,
40 Dieu l’a ressuscité le troisième jour et a permis qu’il apparaisse,
41 non à tout le peuple, mais aux témoins choisis d’avance par Dieu, à nous qui avons mangé et bu avec lui après sa résurrection.
42 Jésus nous a ordonné de prêcher au peuple et d’attester que c’est lui que Dieu a désigné juge des vivants et des morts.
43 Tous les prophètes rendent de lui le témoignage que toute personne qui croit en lui reçoit par son nom le pardon des péchés.»
44 Pierre parlait encore quand le Saint-Esprit descendit sur tous ceux qui écoutaient la parole.
45 Tous les croyants circoncis qui étaient venus avec Pierre furent stupéfaits de ce que le don du Saint-Esprit était déversé même sur les non-Juifs.
46 En effet, ils les entendaient parler en langues et célébrer la grandeur de Dieu. Alors Pierre dit:
47 «Peut-on refuser l’eau du baptême à ceux qui ont reçu le Saint-Esprit tout comme nous?»
48 et il ordonna de les baptiser au nom du Seigneur. Ils lui demandèrent alors de rester quelques jours avec eux.

.

Epître

I Jaona 4 : 7 – 10 (MRV)

Andriamanitra dia fitiavana
7 Ry malala, aoka hifankatia isika; fa avy amin’Andriamanitra ny fitiavana, ary izay rehetra tia no naterak’Andriamanitra sady mahalala an’Andriamanitra.
8 Izay tsy tia dia tsy mba mahalala an’Andriamanitra satria Andriamanitra dia fitiavana.
9 Izao no nanehoana ny fitiavan’Andriamanitra eto amintsika: Andriamanitra dia naniraka ny Zanany Lahitokana tamin’izao tontolo izao mba hahavelona antsika amin’ny alalany.
10 Izao no fitiavana: Tsy ny nitiavantsika an’Andriamanitra fa ny nitiavany antsika ka nirahiny ny Zanany
ho avotra noho ny fahotantsika.

L’amour de Dieu et l’amour mutuel
7 Bien-aimés, aimons-nous les uns les autres, car l’amour vient de Dieu, et toute personne qui aime est née de Dieu et connaît Dieu.
8 Celui qui n’aime pas n’a pas connu Dieu, car Dieu est amour.
9 Voici comment l’amour de Dieu s’est manifesté envers nous: Dieu a envoyé son Fils unique dans le monde afin que par lui nous ayons la vie.
10 Et cet amour consiste non pas dans le fait que nous, nous avons aimé Dieu, mais dans le fait que lui nous a aimés et a envoyé son Fils comme victime expiatoire pour nos péchés.

Evangile

Jaona 15 : 9 – 17 (MRV)

9 Tahaka ny nitiavan’ny Ray Ahy no nitiavako anareo; tomoera amin’ny fitiavako ianareo.
10 Raha mitandrina ny didiko ianareo dia hitoetra amin’ny fitiavako, tahaka ny nitandremako ny didin’ny Raiko sy ny itoerako amin’ny fitiavany.
11 Izany zavatra izany dia efa nolazaiko taminareo mba ho ao aminareo ny fifaliako ka ho feno ny fifalianareo.
12 Izao no didiko, dia ny mba hifankatiavanareo tahaka ny nitiavako anareo.
13 Tsy misy manana fitiavana lehibe noho izao, dia ny manolotra ny ainy hamonjy ny sakaizany.
14 Ianareo no sakaizako, raha manao araka izay andidiako anareo.
15 Tsy hataoko hoe mpanompo intsony ianareo, fa ny mpanompo dia tsy mahalala izay ataon’ny tompony; fa nataoko hoe sakaiza ianareo satria izay rehetra reko tamin’ny Raiko no nambarako taminareo.
16 Tsy ianareo no nifidy Ahy fa Izaho no nifidy anareo ka nanendry anareo mba handeha sy hamoa, ary mba haharetan’ny vokatrareo, mba homen’ny Ray anareo izay rehetra hangatahinareo amin’ny anarako na inona na inona.
17 Izany zavatra izany no andidiako anareo mba hifankatiavanareo.

9 « Tout comme le Père m’a aimé, moi aussi, je vous ai aimés. Demeurez dans mon amour.
10 Si vous gardez mes commandements, vous demeurerez dans mon amour, de même que j’ai gardé les commandements de mon Père et que je demeure dans son amour.
11 Je vous ai dit cela afin que ma joie demeure en vous et que votre joie soit complète.
12 Voici mon commandement: aimez-vous les uns les autres comme je vous ai aimés.
13 Il n’y a pas de plus grand amour que de donner votre vie pour vos amis.
14 Vous êtes mes amis si vous faites ce que je vous commande.
15 Je ne vous appelle plus serviteurs parce que le serviteur ne sait pas ce que fait son seigneur, mais je vous ai appelés amis parce que je vous ai fait connaître tout ce que j’ai appris de mon Père.
16 Ce n’est pas vous qui m’avez choisi, mais c’est moi qui vous ai choisis, et je vous ai établis afin que vous alliez, que vous portiez du fruit et que votre fruit demeure. Alors, ce que vous demanderez au Père en mon nom, il vous le donnera.
17 Ce que je vous commande, c’est de vous aimer les uns les autres.

Retour en haut