Péricope du Dimanche 28 Avril

Table des matières

Actes des Apôtres

Asan’ny Apostoly 9 : 26 – 31 (MRV)

26 Rehefa tonga tany Jerosalema i Saoly dia nitady hiaraka tamin’ny mpianatra; nefa natahotra azy izy rehetra ka tsy nino azy ho mpianatra.
27 Fa naka azy i Barnabasy ka nitondra azy ho any amin’ny Apostoly, ary nanambara tamin’izy ireo ny nahitany ny Tompo teny an-dalana sy ny nitenenany taminy ary ny nahasahiany nitory ny anaran’i Jesosy tany Damaskosy.
28 Dia niara-niditra sy nivoaka tamin’ireo tany Jerosalema izy sady nitory tamim-pahasahiana tamin’ny anaran’ny Tompo
29 ary niresaka sy niady hevitra tamin’ireo Helenista izy, nefa ireo kosa dia nitady izay hahafaty azy.
30 Nony fantatry ny rahalahy izany dia noentiny nidina nankany Kaisaria izy ka nampandehaniny ho any Tarsosy.
31 Dia nandry fahalemana ny fiangonana manerana an’i Jodia sy i Galilia ary i Samaria ka sady nandroso tsara sy nandeha tamin’ny fahatahorana ny Tompo no nihamaro noho ny fampaherezan’ny Fanahy Masina.

26 Arrivé à Jérusalem, Saul essaya de se joindre aux disciples, mais tous avaient peur de lui car ils ne croyaient pas qu’il était un disciple.
27 Alors Barnabas le prit avec lui, le conduisit vers les apôtres et leur raconta comment, sur le chemin, Saul avait vu le Seigneur qui lui avait parlé et avec quelle assurance il avait prêché à Damas au nom de Jésus.
28 Saul allait et venait avec eux dans Jérusalem et s’exprimait en toute assurance au nom du Seigneur.
29 Il parlait aussi et discutait avec les Hellénistes, mais ceux-ci cherchaient à le supprimer.
30 L’ayant appris, les frères l’emmenèrent à Césarée et le firent partir pour Tarse.
31 L’Eglise était en paix dans toute la Judée, la Galilée et la Samarie; elle s’édifiait, marchait dans la crainte du Seigneur et grandissait grâce à l’aide du Saint-Esprit.

.

Epître

I Jaona 3 : 18 – 24 (MRV)

18 Anaka, aoka tsy ho tia amin’ny teny na amin’ny lela isika, fa amin’ny asa sy amin’ny marina.
19 Izany no hahafantarantsika fa avy amin’ny marina isika sy hampahatokiantsika ny fontsika eo anatrehany,
20 na amin’inona na amin’inona no anamelohan’ny fontsika antsika, satria Andriamanitra dia lehibe noho ny fontsika ka mahalala ny zavatra rehetra.
21 Ry malala, raha tsy manameloka antsika ny fontsika dia manana toky eo anatrehan’Andriamanitra isika.
22 Ary na inona na inona no angatahintsika dia raisintsika avy Aminy satria mitandrina ny didiny sy manao izay ankasitrahana eo imasony isika.
23 Ary izao no didiny dia ny hinoantsika ny anaran’i Jesosy Kristy Zanany sy ny hifankatiavantsika araka ny didy nomeny antsika.
24 Ary izay mitandrina ny didiny no mitoetra ao Aminy, ary Izy kosa ao aminy. Izany no ahafantarantsika fa mitoetra ao amintsika Izy, amin’ny alalan’ny Fanahy izay nomena antsika.

18 Petits enfants, n’aimons pas en paroles et avec la langue, mais en actes et avec vérité.
19 Par là nous saurons que nous sommes de la vérité et nous rassurerons notre cœur devant lui.
20 En effet, même si notre cœur nous condamne, Dieu est plus grand que notre cœur et il connaît tout.
21 Bien-aimés, si notre cœur ne nous condamne pas, nous avons de l’assurance devant Dieu.
22 Quoi que nous demandions, nous le recevons de lui, parce que nous gardons ses commandements et faisons ce qui lui est agréable.
23 Et voici quel est son commandement : c’est que nous croyions au nom de son Fils Jésus-Christ et que nous nous aimions les uns les autres, comme il [nous] l’a ordonné.
24 Celui qui garde ses commandements demeure en Dieu et Dieu demeure en lui; et nous reconnaissons qu’il demeure en nous à l’Esprit qu’il nous a donné.

Evangile

Jaona 15 : 1 – 8 (MRV)

1 Izaho no tena voaloboka ary ny Raiko no mpamboly.
2 Ny sampany rehetra eo Amiko izay tsy mamoa dia esoriny; fa ny sampany rehetra izay mamoa kosa dia dioviny mba hamoa bebe kokoa.
3 Efa madio rahateo ianareo noho ny teniko izay nolazaiko taminareo.
4 Tomoera ao Amiko ary Izaho ao aminareo. Tahaka ny sampany tsy mahay mamoa ho azy, raha tsy mitoetra amin’ny voaloboka izy, dia toy izany koa ianareo, raha tsy mitoetra ao Amiko.
5 Izaho no voaloboka, ianareo no sampany. Izay mitoetra ao Amiko ary Izaho ao aminy dia mamoa be izy; fa raha misaraka Amiko kosa ianareo dia tsy mahay manao na inona na inona.
6 Raha misy tsy mitoetra ao Amiko dia ariana eny ivelany tahaka ny sampany izy ka malazo; ary angonina izy ka atsipy ao amin’ny afo dia ho may.
7 Raha mitoetra ao Amiko ianareo ka mitoetra ao anatinareo ny teniko dia angataho izay tianareo na inona na inona fa ho tonga aminareo izany.
8 Izany no ankalazana ny Raiko mba hamoazanareo be ka ho tonga mpianatro ianareo.

1 C’est moi qui suis le vrai cep, et mon Père est le vigneron.
2 Tout sarment qui est en moi et qui ne porte pas de fruit, il l’enlève; et tout sarment qui porte du fruit, il le taille afin qu’il porte encore plus de fruit.
3 Déjà vous êtes purs à cause de la parole que je vous ai annoncée.
4 Demeurez en moi et je demeurerai en vous. Le sarment ne peut pas porter de fruit par lui-même, sans rester attaché au cep; il en va de même pour vous si vous ne demeurez pas en moi.
5 Je suis le cep, vous êtes les sarments. Celui qui demeure en moi et en qui je demeure porte beaucoup de fruit, car sans moi vous ne pouvez rien faire.
6 Si quelqu’un ne demeure pas en moi, il est jeté dehors comme le sarment et il sèche; puis on ramasse les sarments, on les jette au feu et ils brûlent.
7 Si vous demeurez en moi et que mes paroles demeurent en vous, vous demanderez ce que vous voudrez et cela vous sera accordé.
8 Ce qui manifeste la gloire de mon Père, c’est que vous portiez beaucoup de fruit. Vous serez alors vraiment mes disciples.

Retour en haut