Pericope du Dimanche 14 Janvier 2024

Ancien testament

1 SAMOELA 3 : 3 – 19 [MB]
3 sady tsy mbola maty ny jiron’Andriamanitra, ary i Samoela koa dia nandry tao amin’ny tempolin’NY TOMPO
izay nisy ny vata misy ny faneken’Andriamanitra,
4 dia niantso an’i Samoela NY TOMPO, ary hoy izy hoe: Inty aho.
5 Dia nihazakazaka nankeo amin’i Ely izy ka niteny hoe: Inty aho, fa niantso ahy ianao. Nefa hoy i Ely: Tsy
niantso aho, miverena matory. Dia lasa natory izy.
6 Mbola niantso azy indray NY TOMPO hoe: Ry Samoela! Dia nifoha indray i Samoela ka nankao amin’i Ely ary
niteny hoe: Inty aho, fa niantso ahy ianao. Nefa hoy izy: Tsy niantso aho, anaka; andeha miverina matory.
7 Mbola tsy nahafantatra NY TOMPO mantsy i Samoela sady tsy mbola nanehoana ny tenin’NY TOMPO.
8 Ary niantso an’i Samoela fanintelony NY TOMPO. Dia nifoha izy ka nankao amin’i Ely ary niteny hoe: Inty
aho, fa niantso ahy ianao. Tamin’izay dia fantatr’i Ely fa NY TOMPO no niantso ny zaza.
9 Koa hoy i Ely tamin’i Samoela: Andeha matory ihany; ary raha toa miantso anao Izy dia valio hoe: Mitenena,
TOMPO ô, fa mihaino ny mpanomponao. Dia lasa natory teo amin’ny fandrianany i Samoela.
10 Ary avy NY TOMPO dia nijoro teo ka niantso toy ny teo ihany hoe: Ry Samoela, ry Samoela ô! Dia namaly i
Samoela hoe: Mitenena, fa mihaino ny mpanomponao.
11 Ary hoy NY TOMPO tamin’i Samoela: Indro Izaho hanao zavatra eo amin’ny Israely, koa izay rehetra
mandre izany dia hangintsina ny sofiny roa.
12 Amin’izany andro izany dia hotanterahiko amin’i Ely izay zavatra rehetra voalazako ny amin’ny taranany;
hatomboko izany ka hotanterahiko.
13 Fa efa nambarako taminy fa hotsaraiko mandrakizay ny taranany noho ny heloka izay fantany, satria
nahatonga ozona ho an’ny tenany ny zanany nefa tsy nosakanany.
14 Koa izany no nianianako ny amin’ny taranak’i Ely, fa tsy hisy fanatitra hahafaka ny heloky ny taranak’i Ely
mihitsy, na fanatitra alatsa-dra izany na fanatitra avy amin’ny zavamaniry.
15 Dia natory i Samoela mandra-paharain’ny andro; nony maraina dia namoha ny varavaran’ny tranon’NY
TOMPO izy. Ary natahotra hilaza ny fahitana tamin’i Ely i Samoela.
16 Fa niantso an’i Samoela i Ely ka niteny hoe: Ry Samoela, zanako! Dia hoy izy: Inty aho.
17 Ary hoy izy: Inona no zavatra nolazain’NY TOMPO taminao? Miangavy anao aho, aza afeninao ahy;
hataon’Andriamanitra aminao anie izany; eny, mihoatra noho izany aza, raha misy afeninao ahy ny zavatra
rehetra nolazainy taminao.
18 Dia nambaran’i Samoela taminy avokoa ny zavatra rehetra fa tsy nisy nafeniny. Dia hoy i Ely: Izy no
TOMPO, aoka Izy hanao izay sitraky ny fony.
19 Ary nitombo i Samoela sady nomba azy NY TOMPO ka tsy nisy navelany ho raraka an-tany ny teniny.

1 SAMUEL 3 : 3 – 19 [PDV]
3 Samuel aussi dort dans la maison du Seigneur, près du coffre sacré. La lampe de Dieu brûle encore.
4 Le Seigneur appelle : « Samuel ! » Samuel répond : « Je suis là. »
5 Puis il court auprès d’Héli et lui dit : « Tu m’as appelé. Je suis là. » Mais Héli répond : « Je ne t’ai pas appelé.
Retourne te coucher. » Samuel va se recoucher.
6 Le Seigneur appelle Samuel une deuxième fois : « Samuel ! » Samuel va près d’Héli et lui dit : « Tu m’as
appelé. Je suis là. » Héli répond : « Je ne t’ai pas appelé, mon fils. Retourne te coucher. »
7 Samuel ne connaît pas encore le Seigneur, car celui-ci ne lui a jamais parlé.
8 Le Seigneur appelle Samuel une troisième fois. Samuel se lève. Il va près d’Héli et lui dit : « Tu m’as appelé. Je
suis là. » Alors Héli comprend que c’est le Seigneur qui appelle l’enfant.
9 Il dit à Samuel : « Retourne te coucher. Et si on t’appelle, tu diras : “Parle, Seigneur, ton serviteur écoute !” »
Samuel va se coucher à sa place habituelle.
10 Le Seigneur vient et se tient là. Comme les autres fois, il appelle : « Samuel ! Samuel ! » Et Samuel répond : «
Parle, ton serviteur écoute. »
11 Le Seigneur dit à Samuel : « Je vais frapper Israël d’un grand malheur. Tous ceux qui apprendront la
nouvelle seront effrayés.
12 Je vais envoyer à Héli et à sa famille tous les malheurs que j’ai annoncés, vraiment tous.
13 Héli est prévenu, je condamne sa famille pour toujours à cause de sa faute. Il sait que ses fils m’insultent.
Pourtant, il les laisse faire.
14 C’est pourquoi je fais ce serment à la famille d’Héli : rien n’effacera jamais sa faute, aucun sacrifice, aucune
offrande ! »
15 Samuel reste couché jusqu’au matin. Puis il va ouvrir les portes de la maison du Seigneur. Samuel a peur de
raconter à Héli ce qu’il a vu.
16 Mais Héli l’appelle et lui dit : « Samuel, mon fils ! » Samuel répond : « Je suis là ! »
17 Héli demande : « Qu’est-ce que le Seigneur t’a dit ? Ne me cache rien ! Si tu me caches un seul mot, que
Dieu te punisse très sévèrement ! »
18 Alors Samuel raconte tout à Héli, il ne lui cache rien. Héli dit : « Il est le Seigneur, il peut faire ce qui lui
semble bon ! »
19 Samuel devient grand. Le Seigneur est avec lui. Et tout ce que Samuel dit de la part du Seigneur, le Seigneur
le fait.

Nouveau testament

1 KORINTIANA 6 : 13 – 20 [MBP]
13 Ny hanina dia ho an’ny kibo, ary ny kibo dia ho an’ny hanina; nefa samy holevonin’Andriamanitra ireo
zavatra roa ireo. Fa ny tena kosa dia tsy ho an’ny fijangajangana fa ho an’ny Tompo; ary ny Tompo ho an’ny
tena.
14 Ary Andriamanitra efa nanangana ny Tompo sady hanangana antsika koa amin’ny heriny.
15 Tsy fantatrareo va fa momba ny tenan’i Kristy ny tenanareo? Moa hanala ny momba ny tenan’i Kristy va
aho ka hanolotra izany ho momba ny tenan’ny vehivavy janga? Sanatria izany!
16 Moa tsy fantatrareo va fa izay miray amin’ny vehivavy janga dia tena iray aminy? Fa hoy Andriamanitra:
«Ho nofo iray ihany izy roa» (Gen 2.24).
17 Fa izay miray amin’ny Tompo kosa dia iray fanahy Aminy.
18 Mandosira ny fijangajangana. Izay fahotana rehetra ataon’ny olona dia eny ivelan’ny tena ihany; fa ny
mpijangajanga kosa dia manota mihatra amin’ny tenany.
19 Ahoana ary? Moa tsy fantatrareo fa ny tenanareo dia tempolin’ny Fanahy Masina izay ao anatinareo sady
efa azonareo tamin’Andriamanitra? Koa tsy tompon’ny tenanareo ianareo.
20 Fa olom-boavidy ianareo, koa mankalazà an’Andriamanitra amin’ny tenanareo.

1 CORINTHIENS 6 : 13 – 20 [PDV]
13 Vous dites aussi : « La nourriture est pour le ventre, et le ventre est pour la nourriture. » Oui, mais Dieu
détruira la nourriture et le ventre. D’autre part, on ne peut pas faire n’importe quoi avec son corps. Le corps
est pour le Seigneur, et le Seigneur est pour le corps.
14 Dieu a réveillé de la mort le Seigneur, et nous aussi, il nous réveillera de la mort par sa puissance.
15 Vos corps font partie du corps du Christ, vous ne savez donc pas cela ? Eh bien, est-ce que je vais prendre
une partie du corps du Christ pour en faire une partie du corps d’une prostituée ? Sûrement pas !
16 Celui qui s’unit à une prostituée devient avec elle un seul corps, vous ne savez donc pas cela ? En effet, les
Livres Saints disent : « Les deux deviendront comme une seule personne. »
17 Mais celui qui s’unit au Seigneur, dans son cœur, devient comme une seule personne avec lui.
18 Évitez à tout prix de faire n’importe quoi avec votre corps. Tous les autres péchés que les gens peuvent
commettre sont à l’extérieur du corps. Mais si quelqu’un fait n’importe quoi avec son corps, il fait quelque
chose de mal contre son corps.
19 Vous le savez : votre corps est le temple de l’Esprit Saint. Cet Esprit est en vous, et Dieu vous l’a donné. Vous
ne vous appartenez pas à vous-mêmes.
20 Dieu vous a achetés très cher pour vous rendre libres. Alors rendez gloire à Dieu par votre corps !

Evangile

JAONA 1 : 35 – 42 [MBP]
35 Nony ampitson’iny indray dia nijanona Jaona sy ny mpianany roa lahy;
36 ary nijery an’i Jesosy nitsangantsangana izy ka nanao hoe: Indro ny Zanak’ondrin’Andriamanitra!
37 Ary ireo mpianatra roa lahy ireo, rehefa nandre azy niteny, dia nanaraka an’i Jesosy.
38 Ary Jesosy nitodika ka nahita azy manaraka, dia nanao taminy hoe: Inona no tadiavinareo? Ary hoy izy roa
lahy taminy: Raby (izay atao hoe, raha adika, Mpampianatra ô, aiza Hianao no mitoetra?
39 Hoy Izy taminy: Avia, fa ho hitanareo. Koa dia nandeha izy ka nahita izay nitoerany ary nitoetra teo aminy
tamin’izany andro izany; ary efa tokony ho ora fahafolo tamin’izay.
40 Andrea, rahalahin’i Simona Petera, no anankiray tamin’izy roa lahy, izay nandre ny tenin’i Jaona ka
nanaraka an’i Jesosy.
41 Izy no nahita an’i Simona rahalahiny aloha, dia hoy izy taminy: Efa nahita ny Mesia izahay (izay atso hoe,
raha adika, ny Kristy).
42 Dia nitondra azy ho any amin’i Jesosy izy. Ary nony nijery azy Jesosy, dia hoy Izy: Hianao no Simona, zanak’i
Jaona; ianao hatao hoe Kefasy (izay atao hoe, raha adika, Petera)

JEAN 1 : 35 – 42 [PDV]
Jésus appelle ses premiers disciples
35 Le jour suivant, Jean est là de nouveau avec deux de ses disciples.
36 Il regarde avec attention Jésus qui passe et il dit : « Voici l’agneau de Dieu. »
37 Les deux disciples de Jean entendent ces paroles et ils suivent Jésus.
38 Jésus se retourne. Il voit que les disciples le suivent et il leur demande : « Qu’est-ce que vous cherchez ? » Ils
lui répondent : « Rabbi, où est-ce que tu habites ? » Le mot « Rabbi » veut dire « Maître ».
39 Jésus leur répond : « Venez, et vous verrez. » Ils viennent, ils voient où Jésus habite et ils restent avec lui ce
jour-là. Il est environ quatre heures de l’après-midi.
40 L’un des deux hommes qui ont entendu les paroles de Jean et qui ont suivi Jésus s’appelle André. C’est le
frère de Simon-Pierre.
41 André rencontre d’abord son frère Simon et il lui dit : « Nous avons trouvé le Messie. » Le mot « Messie »
veut dire « Christ ».
42 Il conduit Simon auprès de Jésus. Jésus regarde Simon avec attention et il lui dit : « Tu es Simon, le fils de
Jean. Tu t’appelleras Céphas. » Ce nom veut dire « Pierre ».

Retour en haut