Péricope du Dimanche 21 Janvier 2024

Table des matières

Ancien testament

Jona  3 : 1 – 10 [MBP]
1 Tonga fanindroany tamin’i Jona ny tenin’NY TOMPO hoe:
2 Mitsangàna ka mankanesa any Ninive, ilay tanàna lehibe; ary ambarao aminy ny teny izay lazaiko aminao.
3 Dia nitsangana i Jona ka nankany Ninive araka ny tenin’NY TOMPO. Ary Ninive dia tanàna lehibe teo anatrehan’Andriamanitra, fa lalana hateloana no amakivakiana azy.
4 Dia nanomboka nandeha lalana indray andro tao an-tanàna i Jona ka nanambara hoe: Rehefa afaka efapolo andro dia horavana i Ninive.
5 Dia nino an’Andriamanitra ny mponina tao Ninive ka niantso fifadian-kanina sady nitafy lamba fisaonana, hatramin’ny lehibe ka hatramin’ny kely.
6 Nony efa ren’ny mpanjakan’i Ninive izany dia nitsangana niala tamin’ny sezafiandrianany izy ka nanaisotra ny akanjom-boninahiny, dia nisarona lamba fisaonana izy sady nipetraka tamin’ny lavenona.
7 Ary araka ny didin’ny mpanjaka sy ny mpanapaka dia nasaina nantsoina sy nambara manerana an’i Ninive hoe: Aza avela hisy hanendry hanina akory, na olona na biby fiompy, dia ny ondry aman’osy sy ny omby; eny, aza avela hisy hihinana na hisotro rano akory ireo.
8 Fa aoka samy hisarona lamba fisaonana ny olona sy ny biby fiompy, ary aoka hitaraina mafy amin’Andriamanitra izy ireo, ary aoka samy hahafoy ny lalan-dratsiny sy ny herisetra fanaon’ny tanany avy izy rehetra.
9 Fa angamba hiverina ihany Andriamanitra ka hanenina ary hiala amin’ny fahatezerany mirehitra mba tsy hahalany ritra antsika?
10 Ary rehefa hitan’Andriamanitra ny nataon’ireo ny amin’ny nialany tamin’ny lalan-dratsiny dia nanenina Izy ny amin’ny loza izay nolazainy hamelezany azy ka tsy nataony izany.

Jonas 3 : 1 – 10 [PDV]
1 Une deuxième fois, le Seigneur dit à Jonas :
2 « Debout ! Va à Ninive , la grande ville. Annonce-lui le message que je te donne. »
3 Alors Jonas se lève. Il part, mais cette fois, il va à Ninive, comme le Seigneur l’a demandé. Ninive est une ville extraordinairement grande. Il faut trois jours pour la traverser.
4 Jonas entre dans la ville, il marche pendant un jour entier. Il annonce aux gens : « Dans quarante jours, Ninive sera détruite ! »
5 Aussitôt, les gens de Ninive croient à la parole de Dieu. Ils décident de ne rien manger. Tous mettent des habits de deuil, les riches comme les pauvres.
6 Le roi de Ninive apprend la nouvelle. Il se lève de son siège. Il enlève son habit royal, il met un habit de deuil, et s’assoit sur de la cendre.
7 Puis le roi et ses ministres donnent cet ordre : « Criez dans la ville ces paroles : “Il est interdit aux habitants et aux bêtes, bœufs, moutons et chèvres, de manger et de boire !
8 Tout le monde doit mettre des habits de deuil, les gens et les bêtes ! Chacun doit crier vers Dieu de toutes ses forces. Chacun doit abandonner sa mauvaise conduite et arrêter les actions violentes qu’il fait !
9 Qui sait ? Dieu changera peut-être d’avis. Il abandonnera sa colère contre nous, et nous ne mourrons pas.” »
10 Dieu voit leurs efforts pour abandonner leur mauvaise conduite. Il change d’avis. Il regrette le mal qu’il voulait leur faire, et il ne le fait pas.

Epître

1 Korintiana 7 : 29 – 31 [MBP]
29 Fa izao no lazaiko, ry rahalahy: Efa fohy ny andro, koa aoka mba ho toy ny tsy manambady ny manana amin’izao sisa izao;
30 aoka mba ho toy izay tsy mitomany ny mitomany; aoka mba ho toy izay tsy mifaly ny mifaly; aoka mba ho toy izay tsy manana ny mividy;
31 ary aoka mba ho toy izay tsy mankafy an’izao fiainana izao loatra ny mampiasa an’izao fiainana izao, fa mandalo ny endrik’izao fiainana izao.

1 Corinthiens 7 : 29 – 31 [PDV]
29 Frères et sœurs chrétiens, je vous le dis, il reste peu de temps. Dès maintenant, ceux qui ont une femme doivent vivre comme s’ils n’en avaient pas.
30 Ceux qui pleurent doivent vivre comme s’ils ne pleuraient pas. Ceux qui sont dans la joie doivent vivre comme s’ils n’étaient pas dans la joie. Ceux qui achètent doivent vivre comme si les choses achetées n’étaient pas à eux.
31 Ceux qui profitent de ce monde doivent vivre comme s’ils n’en profitaient pas. En effet, le monde d’aujourd’hui ne va pas durer toujours.

Evangile

Marka 1 : 14 – 20 [MBP]
14 Rehefa voasambotra i Jaona dia nankany Galilia Jesosy nitory ny Filazantsaran’Andriamanitra
15 ka nanambara hoe: Efa tonga izao ny fotoana ka efa akaiky ny fanjakan’Andriamanitra. Mibebaha ianareo ka minoa ny Filazantsara.
16 Ary raha nandalo teny amoron’ny Ranomasin’i Galilia Izy dia nahita an’i Simona sy i Andrea, rahalahin’i Simona, nanarato teo amin’ny ranomasina, fa mpanarato izy ireo.
17 Hoy Jesosy taminy: Andeha hanaraka Ahy fa hataoko mpanarato olona ianareo.
18 Dia nandao ny harato niaraka tamin’izay izy ireo ka nanaraka Azy.
19 Ary rehefa nandroso kelikely Izy dia nahita an’i Jakoba, zanak’i Zebedio, sy i Jaona rahalahiny izay teo an-tsambokely koa nanamboatra ny haratony.
20 Dia niantso azy ireo niaraka tamin’izay Izy; ary nandao an’i Zebedio rainy mbamin’ny olona nokaramainy tao an-tsambokely izy mirahalahy dia nanaraka an’i Jesosy

Marc 1 : 14 – 20 [PDV]
16 Jésus marche le long du lac de Galilée. Il voit Simon et André, le frère de Simon. Ce sont des pêcheurs, et ils sont en train de jeter un filet dans le lac.
17 Jésus leur dit : « Venez avec moi, et je ferai de vous des pêcheurs d’hommes. »
18 Aussitôt, ils laissent leurs filets et ils suivent Jésus.
19 En allant un peu plus loin, Jésus voit Jacques et Jean, deux frères. Ce sont les fils de Zébédée. Ils sont dans leur barque et réparent leurs filets.
20 Aussitôt Jésus les appelle. Ils laissent leur père Zébédée dans la barque avec les ouvriers, et ils s’en vont avec Jésus.

Retour en haut