Péricope du Dimanche 21 Avril

Table des matières

Acte des Apôtres

Asan’ny Apostoly 4 : 8 – 12 (MRV)

8 Dia feno ny Fanahy Masina i Petera ka nilaza taminy hoe: Ry mpanapaka ny vahoaka sy loholona,
9 raha nadinina izahay androany ny amin’ny asa tsara natao tamin’ny nahasitranana ilay lehilahy malemy,
10 dia aoka ho fantatrareo rehetra sy ny vahoaka Israely rehetra fa ny anaran’i Jesosy Kristy avy any Nazareta, izay nohomboinareo tamin’ny hazofijaliana, kanefa natsangan’Andriamanitra tamin’ny maty kosa, tamin’ny alalany no nitsanganan’io lehilahy sitrana io eto imasonareo.
11 Ity no vato izay nolavinareo mpanao trano, nefa tonga fehizoro (Sal. 118. 22).
12 Tsy misy famonjena avy amin’ny hafa na iza na iza; satria tsy misy anarana hafa ambanin’ny lanitra nomena ny olona izay hahazoantsika famonjena.

8 Alors Pierre, rempli du Saint-Esprit, leur dit: «Chefs du peuple et anciens [d’Israël],
9 on nous interroge aujourd’hui sur un bienfait accordé à un infirme, afin que nous disions comment il a été guéri.
10 Sachez-le bien, vous tous, et que tout le peuple d’Israël le sache: c’est par le nom de Jésus-Christ de Nazareth, celui que vous avez crucifié et que Dieu a ressuscité, oui, c’est par lui que cet homme se présente en pleine santé devant vous.
11 Jésus est la pierre rejetée par vous qui construisez et qui est devenue la pierre angulaire.
12 Il n’y a de salut en aucun autre, car il n’y a sous le ciel aucun autre nom qui ait été donné parmi les hommes, par lequel nous devions être sauvés.»

.

Epître

I Jaona 3 : 1 – 2 (MRV)

1 Endre! Manao ahoana ny fitiavana nasehon’ny Ray ho antsika, dia ny niantsoana antsika hoe zanak’Andriamanitra sady izany tokoa isika! Noho izany dia tsy mahalala antsika izao tontolo izao satria tsy nahalala Azy izy.
2 Ry malala, ankehitriny aza dia zanak’Andriamanitra isika, nefa tsy mbola naseho izay ho toetsika rahatrizay. Fantatsika fa rehefa miseho Izy dia ho tahaka Azy isika ka ho hitantsika Izy amin’izay tena maha Izy Azy.

1 Voyez quel amour le Père nous a témoigné pour que nous soyons appelés enfants de Dieu! [Et nous le sommes!] Si le monde ne vous connaît pas, c’est qu’il ne l’a pas connu, lui.
2 Bien-aimés, nous sommes maintenant enfants de Dieu, et ce que nous serons un jour n’a pas encore été révélé. [Mais] nous savons que, lorsque Christ apparaîtra, nous serons semblables à lui parce que nous le verrons tel qu’il est.

Evangile

Jaona 10 : 11 – 18 (MRV)

11 Izaho no Mpiandry Tsara; ny Mpiandry Tsara manolotra ny ainy hamonjy ny ondry.
12 Ary ny mpikarama, satria tsy mpiandry na tompon’ny ondry izy, koa raha mahita ny amboadia avy, dia mandao ny ondry ka mandositra, ary ny amboadia misambotra ny ondry ka mampihahaka azy;
13 mandositra izy, satria mpikarama ka tsy mitandrina ny ondry.
14 Izaho no Mpiandry Tsara; ary fantatro ny Ahy, sady fantany Aho,
15 dia tahaka ny ahafantaran’ny Ray Ahy sy ny ahafantarako ny Ray; ary Izaho manolotra ny aiko hamonjy ny ondry.
16 Manana ondry hafa izay tsy amin’ity vala ity Aho; ary ireny koa dia tsy maintsy ho entiko ka hihaino ny feoko; ary ho tonga andiany iray izy, sady iray ihany ny Mpiandry.
17 Ary izany no itiavan’ny Raiko Ahy, satria Izaho manolotra ny aiko mba handraisako azy indray.
18 Tsy misy manaisotra ny aiko amiko, fa ny tenako ihany no manolotra azy. Manana fahefana hanolotra azy Aho, ary manana fahefana haka azy indray. Izany didy izany dia azoko tamin’ny Raiko.

11 Je suis le bon berger. Le bon berger donne sa vie pour ses brebis.
12 Le simple salarié, quant à lui, n’est pas le berger et les brebis ne lui appartiennent pas. Lorsqu’il voit venir le loup, il abandonne les brebis et prend la fuite; alors le loup s’en empare et les disperse.
13 [Le simple salarié s’enfuit] car il travaille pour de l’argent et ne se soucie pas des brebis.
14 Moi, je suis le bon berger. Je connais mes brebis et elles me connaissent,
15 tout comme le Père me connaît et comme je connais le Père. Je donne ma vie pour mes brebis.
16 J’ai encore d’autres brebis, qui ne sont pas de cet enclos; celles-là aussi, il faut que je les amène; elles écouteront ma voix et il y aura un seul troupeau, un seul berger.
17 Le Père m’aime, parce que je donne ma vie pour la reprendre ensuite.
18 Personne ne me l’enlève, mais je la donne de moi-même. J’ai le pouvoir de la donner et j’ai le pouvoir de la reprendre. Tel est l’ordre que j’ai reçu de mon Père.»

Retour en haut