Péricope du Dimanche 14 Avril

Table des matières

Acte des Apôtres

Asan’ny Apostoly 3 : 13 – 19 (MRV)

13 Andriamanitr’i Abrahama, Andriamanitr’Isaka ary Andriamanitr’i Jakoba, Andriamanitry ny razantsika, no nanome voninahitra an’i Jesosy Mpanompony, izay natolotrareo sy nolavinareo teo anatrehan’i Pilato, rehefa nokasainy halefa.
14 Ianareo kosa dia nandà Ilay Masina sy Marina ka mpamono olona no nangatahinareo halefa ho anareo;
15 fa ny Tompon’ny aina kosa novonoinareo; nefa Izy dia natsangan’Andriamanitra tamin’ny maty, ary vavolombelon’izany izahay.
16 Ny finoana ny anarany no nampahatanjaka io lehilahy hitanareo sy fantatrareo io, noho ny anarany; eny, ny finoana izay azo amin’ny alalany no nahazoany izao fahasitranana feno izao teto imasonareo rehetra.
17 Ankehitriny ary, ry rahalahy, fantatro fa tamin’ny tsy fahalalana no nanaovanareo izany, ary toy izany koa ny mpanapaka anareo.
18 Nefa izany no nahatanterahan’Andriamanitra ny zavatra nampilazainy mialoha tamin’ny vavan’ny mpaminany rehetra, fa hiaritra fahoriana ny Kristiny.
19 Koa mibebaha ianareo ary miverena mba hamafana ny fahotanareo

13 Le Dieu d’Abraham, d’Isaac et de Jacob, le Dieu de nos ancêtres, a révélé la gloire de son serviteur Jésus, celui que vous avez fait arrêter et renié devant Pilate qui était, lui, d’avis de le relâcher.
14 Mais vous, vous avez renié celui qui était saint et juste et vous avez demandé qu’on vous accorde la grâce d’un meurtrier.
15 Vous avez fait mourir le Prince de la vie que Dieu a ressuscité, nous en sommes témoins.
16 C’est par la foi en son nom qu’il a raffermi celui que vous voyez et connaissez; c’est la foi en Jésus qui a donné à cet homme une entière guérison en présence de vous tous.
17 Maintenant, frères, je sais que vous avez agi par ignorance, tout comme vos chefs.
18 Mais Dieu a ainsi accompli ce qu’il avait annoncé d’avance par la bouche de tous les prophètes, à savoir que son Messie devait souffrir.
19 Changez donc d’attitude et convertissez-vous pour que vos péchés soient effacés!

.

Epître

I Jaona 2 : 1 – 5 (MRV)

1 Anaka, izany zavatra izany no soratako aminareo mba tsy hanotanareo. Ary raha misy manota dia manana Solovava ao amin’ny Ray isika, dia Jesosy Kristy, Ilay Marina.
2 Izy no avotra noho ny fahotantsika, ary tsy noho ny antsika ihany, fa noho ny an’izao tontolo izao koa.
3 Ary izao no ahafantarantsika fa mahalala Azy isika dia ny fitandremantsika ny didiny.
4 Izay milaza hoe: Fantatro Izy, nefa tsy mitandrina ny didiny, dia mpandainga, ary ny marina dia tsy ao anatiny.
5 Fa na iza na iza mitandrina ny teniny dia tanteraka ao aminy marina tokoa ny fitiavana an’Andriamanitra. Izany no ahafantarantsika fa ao Aminy isika.

1 Mes petits enfants, je vous écris cela afin que vous ne péchiez pas. Mais si quelqu’un a péché, nous avons un défenseur auprès du Père, Jésus-Christ le juste.
2 Il est lui-même la victime expiatoire pour nos péchés, et non seulement pour les nôtres, mais aussi pour ceux du monde entier.
3 Si nous gardons les commandements de Christ, nous savons par là que nous l’avons connu.
4 Celui qui prétend l’avoir connu alors qu’il ne garde pas ses commandements est un menteur, et la vérité n’est pas en lui.
5 Mais l’amour de Dieu est vraiment parfait en celui qui garde sa parole: c’est à cela que nous reconnaissons que nous sommes en lui.

Evangile

Lioka 24 : 35 – 48 (MRV)

35 Ary ireo kosa dia nilaza izay efa niseho teny an-dalana sy ny nahafantarany Azy teo am-pamakiana ny mofo.
36 Raha mbola nilaza izany izy ireo dia nitsangana teo afovoany Jesosy ka niteny taminy hoe: Fiadanana ho anareo.
37 Dia taitra sady raiki-tahotra izy ireo satria nihevitra ho nahita matoatoa.
38 Nefa hoy Jesosy taminy: Nahoana no taitra ianareo? Ary nahoana no tonga ao am-ponareo ny fisalasalana?
39 Jereo ny tanako sy ny tongotro, fa Izaho no Izy; tsapao Aho ka jereo, fa ny matoatoa dia tsy mba manana nofo sy taolana, tahaka izao ahitanareo Ahy izao.
40 Rehefa niteny izany Izy dia nasehony azy ny tanany sy ny tongony.
41 Ary raha mbola tsy nino ihany izy ireo noho ny hafaliana sady mbola talanjona dia hoy Jesosy taminy: Manana zavatra azo hanina va ianareo atỳ?
42 Dia nomeny tapaky ny hazandrano voatono sy tantely Izy.
43 Dia noraisiny izany ka nohaniny teo anatrehan’ireo.
44 Dia hoy Izy taminy: Izao no teniko izay efa voalazako taminareo, fony mbola teo aminareo Aho, fa tsy maintsy ho tanteraka izay rehetra voasoratra momba Ahy ao amin’ny lalànan’i Mosesy sy ny Mpaminany ary ny Salamo.
45 Dia nanokatra ny sain’ireo Izy hahalala ny Soratra Masina.
46 Ary hoy Izy taminy: Toy izao no voasoratra: Kristy hiaritra ka hitsangana amin’ny maty amin’ny andro fahatelo;
47 ary hotorina amin’ny anarany ny fibebahana sy ny famelan-keloka amin’ny firenena rehetra, manomboka eto Jerosalema.
48 Ianareo no vavolombelon’izany.

35 Alors les deux disciples racontèrent ce qui leur était arrivé en chemin et comment ils l’avaient reconnu au moment où il rompait le pain.
36 Ils parlaient encore quand [Jésus] lui-même se présenta au milieu d’eux et leur dit: «Que la paix soit avec vous!»
37 Saisis de frayeur et d’épouvante, ils croyaient voir un esprit,
38 mais il leur dit: «Pourquoi êtes-vous troublés et pourquoi de pareilles pensées surgissent-elles dans votre cœur?
39 Regardez mes mains et mes pieds: c’est bien moi. Touchez-moi et regardez: un esprit n’a ni chair ni os comme, vous le voyez bien, j’en ai.»
40 En disant cela, il leur montra ses mains et ses pieds.
41 Cependant, dans leur joie, ils ne croyaient pas encore et ils étaient dans l’étonnement. Alors il leur dit: «Avez-vous ici quelque chose à manger?»
42 Ils lui présentèrent un morceau de poisson grillé [et un rayon de miel].
43 Il en prit et mangea devant eux.
44 Puis il leur dit: «C’est ce que je vous disais lorsque j’étais encore avec vous: il fallait que s’accomplisse tout ce qui est écrit à mon sujet dans la loi de Moïse, dans les prophètes et dans les psaumes.»
45 Alors il leur ouvrit l’intelligence afin qu’ils comprennent les Ecritures
46 et il leur dit: «Ainsi, il était écrit [– et il fallait que cela arrive –] que le Messie souffrirait et qu’il ressusciterait le troisième jour,
47 et que la repentance et le pardon des péchés seraient prêchés en son nom à toutes les nations, à commencer par Jérusalem.
48 Vous êtes témoins de ces choses.

Retour en haut