Péricope du Dimanche 07 Avril

Table des matières

Acte des Apôtres

Asan’ny Apostoly 4 : 32 – 35 (MRV)

Ny nifankatiavan’ny mpianatra sy ny fahazotoany
32 Niray fo sy fanahy ny olona rehetra izay nino ka tsy nisy na dia iray aza nanonona ny fananany ho azy manokana, fa niombonany avokoa ny zavatra rehetra nananany.
33 Tamin’ny hery be no nanambaràn’ny Apostoly ny nitsanganan’i Jesosy Tompo; ary fahasoavana be no tao amin’izy rehetra.
34 Fa tsy nisy olona nahantra teo aminy; ary izay nanana tany na trano, raha nivarotra izany dia nitondra ny vola vidin’ny zavatra lafo
ka nametraka izany teo anoloan’ny tongotry ny Apostoly dia nozaraina tamin’izy rehetra araka izay nilainy avy izany.

32 La foule de ceux qui avaient cru n’était qu’un cœur et qu’une âme. Personne ne disait que ses biens lui appartenaient en propre, mais ils mettaient tout en commun.
33 Avec beaucoup de puissance, les apôtres rendaient témoignage de la résurrection du Seigneur Jésus, et une grande grâce reposait sur eux tous.
34 Il n’y avait aucun nécessiteux parmi eux: tous ceux qui possédaient des champs ou des maisons les vendaient, apportaient le prix de ce qu’ils avaient vendu
35 et le déposaient aux pieds des apôtres; et l’on faisait des distributions à chacun en fonction de ses besoins.

.

Epître

I Jaona 5 : 1 – 6 (MRV)

1 Izay rehetra mino fa Jesosy no Kristy dia naterak’Andriamanitra ; ary izay rehetra tia Izay niteraka dia tia izay naterany koa.
2 Izao no ahafantarantsika fa tia ireo zanak’Andriamanitra isika, dia ny itiavantsika an’Andriamanitra sy ny anatanterahantsika ny didiny.
3 Fa izao no fitiavana an’Andriamanitra, dia ny hitandremantsika ny didiny. Ary tsy mavesatra ny didiny
4 satria izay rehetra naterak’Andriamanitra dia maharesy izao tontolo izao; ary ny fandresena izay nandresy izao tontolo izao dia ny finoantsika.
5 Iza moa no maharesy izao tontolo izao afa-tsy izay mino fa Jesosy no Zanak’Andriamanitra?
6 Izy ilay avy tamin’ny rano sy ny ra, dia Jesosy Kristy; tsy tamin’ny rano ihany, fa tamin’ny rano sy ny ra. Ary ny Fanahy no manambara satria ny Fanahy no fahamarinana.

1 Quiconque croit que Jésus est le Messie est né de Dieu, et si quelqu’un aime un père, il aime aussi son enfant.
2 Nous reconnaissons que nous aimons les enfants de Dieu au fait que nous aimons Dieu et respectons ses commandements.
3 En effet, l’amour envers Dieu consiste à respecter ses commandements. Or, ses commandements ne représentent pas un fardeau,
4 puisque tout ce qui est né de Dieu remporte la victoire contre le monde, et la victoire qui a triomphé du monde, c’est votre foi.
5 Qui est victorieux du monde? N’est-ce pas celui qui croit que Jésus est le Fils de Dieu?
6 C’est lui, Jésus-Christ, qui est venu à travers l’eau et le sang; non avec l’eau seulement, mais avec l’eau et le sang. Et c’est l’Esprit qui en rend témoignage, parce que l’Esprit est la vérité.

Evangile

Jaona 20 : 19 – 31 (MRV)

19 Nony harivan’ilay andro voalohany amin’ny herinandro, raha voarindrina ny varavaran’ny toerana izay niangonan’ny mpianatra, noho ny fahatahorany ny Jiosy, dia tonga Jesosy ka nitsangana teo afovoany sady niteny taminy hoe: Fiadanana ho anareo!
20 Rehefa nilaza izany Izy dia nasehony azy ny tanany sy ny lanivoany. Dia faly ny mpianatra raha nahita ny Tompo.
21 Ary hoy indray Jesosy taminy: Fiadanana ho anareo; tahaka ny nanirahan’ny Ray Ahy no anirahako anareo kosa.
22 Rehefa nilaza izany Izy dia nanisy fofonaina ka hoy Izy taminy: Raiso ny Fanahy Masina;
23 na helok’iza na helok’iza no avelanareo dia voavela izany; ary na an’iza na an’iza kosa no tsy avelanareo dia tsy voavela izany.
24 Fa i Tomasy, iray tamin’ny roa amby folo lahy, ilay antsoina hoe Kambana, dia tsy mba teo amin’izy ireo raha tonga Jesosy.
25 Dia hoy ny mpianatra sasany taminy: Efa nahita ny Tompo izahay. Fa hoy kosa izy: Raha tsy hitako eo amin’ny tanany ny holatra navelan’ny fantsika ka atehiko eo amin’ny holatra navelan’ny fantsika ny rantsan-tanako, ary ataoko eo amin’ny lanivoany koa ny tanako dia tsy mba hino aho.
26 Nony afaka havaloana dia tafangona teo indray ny mpianany ary teo koa i Tomasy. Dia tonga Jesosy, rehefa voarindrina ny varavarana, ka nitsangana teo afovoany sady niteny hoe: Fiadanana ho anareo!
27 Ary hoy Izy tamin’i Tomasy: Atehefo eto ny rantsantananao ka jereo ny tanako; ary atehefo eto koa ny tananao ka ataovy amin’ny lanivoako; ary aza ho isan’izay tsy mino fa minoa.
28 Dia namaly i Tomasy hoe: Tompoko sy Andriamanitro!
29 Hoy Jesosy taminy: Satria nahita Ahy ianao dia nino; sambatra kosa izay tsy nahita nefa mino.
30 Ary nisy famantarana maro hafa koa nataon’i Jesosy teo imason’ny mpianatra, izay tsy voasoratra amin’ity boky ity;
31 fa voasoratra izao mba hinoanareo fa Jesosy no Kristy, Zanak’Andriamanitra, ary mba hanananareo fiainana amin’ny anarany, raha mino ianareo.

19 Le soir de ce même dimanche, les portes de la maison où les disciples se trouvaient [rassemblés] étaient fermées car ils avaient peur des chefs juifs; Jésus vint alors se présenter au milieu d’eux et leur dit: «Que la paix soit avec vous!»
20 Après avoir dit cela, il leur montra ses mains et son côté. Les disciples furent remplis de joie en voyant le Seigneur.
21 Jésus leur dit de nouveau: «Que la paix soit avec vous! Tout comme le Père m’a envoyé, moi aussi je vous envoie.»
22 Après ces paroles, il souffla sur eux et leur dit: «Recevez le Saint-Esprit!
23 Ceux à qui vous pardonnerez les péchés, ils leur seront pardonnés; ceux à qui vous les retiendrez, ils leur seront retenus.»
24 Thomas appelé Didyme, l’un des douze, n’était pas avec eux lorsque Jésus vint.
25 Les autres disciples lui dirent donc: «Nous avons vu le Seigneur.» Mais il leur dit: «Si je ne vois pas dans ses mains la marque des clous, si je n’y mets pas mon doigt et si je ne mets pas ma main dans son côté, je ne croirai pas.»
26 Huit jours après, les disciples de Jésus étaient de nouveau dans la maison et Thomas se trouvait avec eux. Jésus vint alors que les portes étaient fermées, se tint au milieu d’eux et dit: «Que la paix soit avec vous!»
27 Puis il dit à Thomas: «Avance ton doigt ici et regarde mes mains. Avance aussi ta main et mets-la dans mon côté. Ne sois pas incrédule, mais crois!»
28 Thomas lui répondit: «Mon Seigneur et mon Dieu!» Jésus lui dit:
29 «Parce que tu m’as vu, tu as cru. Heureux ceux qui n’ont pas vu et qui ont cru!»
30 Jésus a accompli encore, en présence de ses disciples, beaucoup d’autres signes qui ne sont pas décrits dans ce livre.
31 Mais ceux-ci ont été décrits afin que vous croyiez que Jésus est le Messie, le Fils de Dieu, et qu’en croyant vous ayez la vie en son nom.

Retour en haut