Péricope du Dimanche 31 Mars 2024 (Pâques)

Table des matières

Acte des Apôtres

Asan’ny Apostoly 10 : 34 – 43 (MRV)

Ny toritenin’i Petera
34 Dia niloa-bava i Petera ka niteny hoe: Hitako marina tokoa izao fa tsy mizaha tavan’olona Andriamanitra;
35 fa amin’ny firenena rehetra, izay olona matahotra Azy ka manao ny marina no ankasitrahany.
36 Ianareo mahalala ny teny izay nampitondrainy ho amin’ny Zanak’Israely, mitory teny soa milaza fiadanana amin’ny alalan’i Jesosy Kristy izay Tompon’izao rehetra izao,
37 dia ilay teny natomboka hatrany Galilia ka notorina tany Jodia rehetra taorianan’ny batisa izay notorin’i Jaona,
38 dia ny amin’i Jesosy avy any Nazareta izay nohosoran’Andriamanitra tamin’ny Fanahy Masina sy ny hery ary nandehandeha nanao soa sy nahasitrana izay rehetra azon’ny herin’ny devoly, satria nomba Azy Andriamanitra.
39 Vavolombelon’ny zavatra rehetra izay nataony tany amin’ny tanin’ny Jiosy sy tany Jerosalema izahay; Izy dia novonoiny rehefa nahantony teo amin’ny hazo;
40 nefa natsangan’Andriamanitra kosa tamin’ny andro fahatelo ka nasehony marina,
41 tsy tamin’ny olona rehetra, fa tamin’ny vavolombelona izay efa notendren’Andriamanitra rahateo, dia taminay izay niara-nihinana sy nisotro taminy, rehefa nitsangana tamin’ny maty Izy.
42 Ary nandidy anay Izy hitory amin’ny olona ka hanambara fa Izy no voatendrin’Andriamanitra ho Mpitsara ny velona sy ny maty.
43 Izy no ambaran’ny mpaminany rehetra fa amin’ny anarany no hahazoan’izay rehetra mino Azy famelan-keloka.

34 Alors Pierre prit la parole et dit: «En vérité, je reconnais que Dieu ne fait pas de favoritisme
35 et que dans toute nation celui qui le craint et qui pratique la justice lui est agréable.
36 Il a envoyé sa parole aux Israélites en leur annonçant la paix par Jésus-Christ, qui est le Seigneur de tous.
37 Vous savez ce qui est arrivé dans toute la Judée, après avoir commencé en Galilée suite au baptême que Jean a prêché.
38 Vous savez comment Dieu a déversé une onction de Saint-Esprit et de puissance sur Jésus de Nazareth, qui allait de lieu en lieu en faisant le bien et en guérissant tous ceux qui étaient sous la domination du diable, parce que Dieu était avec lui.
39 Nous sommes témoins de tout ce qu’il a fait dans le pays des Juifs et à Jérusalem. Lui qu’ils ont tué en le clouant sur la croix,
40 Dieu l’a ressuscité le troisième jour et a permis qu’il apparaisse,
41 non à tout le peuple, mais aux témoins choisis d’avance par Dieu, à nous qui avons mangé et bu avec lui après sa résurrection.
42 Jésus nous a ordonné de prêcher au peuple et d’attester que c’est lui que Dieu a désigné juge des vivants et des morts.
43 Tous les prophètes rendent de lui le témoignage que toute personne qui croit en lui reçoit par son nom le pardon des péchés.»

.

Epître

Kolosiana 3 : 1 – 4 (MRV)

1 Koa raha niara-natsangana tamin’i Kristy ianareo dia katsaho ny zavatra any ambony, any amin’ny itoeran’i Kristy, izay mipetraka eo ankavanan’Andriamanitra.
2 Saino ny zavatra any ambony fa tsy ny zavatra etỳ an-tany.
3 Fa efa maty ianareo, ary miara-miafina amin’i Kristy ao amin’Andriamanitra ny fiainanareo.
4 Rehefa hiseho Kristy fiainantsika dia hiara-miseho Aminy amin’ny voninahitra koa ianareo.

La vie nouvelle en Christ
1 Si donc vous êtes ressuscités avec Christ, recherchez les choses d’en haut, où Christ est assis à la droite de Dieu.
2 Attachez-vous aux réalités d’en haut, et non à celles qui sont sur la terre.
3 En effet, vous avez connu la mort et votre vie est cachée avec Christ en Dieu.
4 Quand Christ, notre vie, apparaîtra, alors vous apparaîtrez aussi avec lui dans la gloire.

Evangile

Marka 16 : 1 – 8 (MRV)

Ny fitsanganan’i Jesosy tamin’ny maty
1 Rehefa lasa ny andro Sabata dia nandeha nividy zavamanitra i Maria Magdalena sy i Salome ary i Maria, renin’i Jakoba, mba hoentiny hanosorana ny fatin’i Jesosy.
2 Nony marainan’ny andro voalohany amin’ny herinandro dia nankany amin’ny fasana izy ireo raha vao niposaka ny masoandro.
3 Ary niresaka izy ireo hoe: Iza re no hanampy antsika hanakodia ny vato hiala amin’ny varavaran’ny fasana?
4 Fa nony nitraka izy ireo dia indro, hitany fa efa voakodia niala ny vato, nefa lehibe ilay vato.
5 Ary raha niditra tao anatin’ny fasana izy ireo dia nahita zatovo iray nipetraka teo amin’ny ankavanana, niakanjo akanjo fotsy, dia raiki-tahotra izy ireo.
6 Fa hoy ilay zatovo taminy: Aza matahotra ianareo; Jesosy avy any Nazareta izay voahombo tamin’ny hazofijaliana no tadiavinareo; efa nitsangana Izy; tsy ato Izy; jereo fa teo no nametrahana Azy.
7 Koa mandehana ianareo dia lazao amin’ny mpianany sy i Petera fa mialoha anareo any Galilia Izy. Any no hahitanareo Azy, araka izay nolazainy taminareo.
8 Dia nandeha izy ireo ka lasa nandositra niala tao amin’ny fasana, fa toran-kovitra sady natahotra. Ary tsy mba nilaza na inona na inona tamin’olona izy satria natahotra.

Résurrection de Jésus
1 Lorsque le sabbat fut passé, Marie de Magdala, Marie la mère de Jacques et Salomé achetèrent des aromates afin d’aller embaumer Jésus.
2 Le dimanche, elles se rendirent au tombeau de grand matin, au lever du soleil.
3 Elles se disaient entre elles: «Qui nous roulera la pierre qui ferme l’entrée du tombeau?»
4 Mais quand elles levèrent les yeux, elles s’aperçurent que la pierre, qui était très grande, avait été roulée.
5 Elles pénétrèrent dans le tombeau, virent un jeune homme assis à droite, habillé d’une robe blanche, et elles furent épouvantées.
6 Il leur dit: «N’ayez pas peur. Vous cherchez Jésus de Nazareth, celui qui a été crucifié. Il est ressuscité, il n’est pas ici! Voici l’endroit où on l’avait déposé.
7 Mais allez dire à ses disciples et à Pierre qu’il vous précède en Galilée: c’est là que vous le verrez, comme il vous l’a dit.»
8 Elles sortirent du tombeau et s’enfuirent, toutes tremblantes et bouleversées, et elles ne dirent rien à personne car elles étaient effrayées.

Retour en haut