Salamo 69 (MRV)
1 Vonjeo aho, Andriamanitra ô, fa efa mihatra amin’ny aiko ny rano.
2 Milentika amin’ny fotaka mandrevo aho ka tsy misy hifaharana; efa miditra amin’ny rano lalina aho ka mandifotra ahy ny riaka.
3 Sasatry ny mitaraina aho, maimay ny tendako; pahina ny masoko raha miandry an’Andriamanitro aho.
4 Maro noho ny volon-dohako ny isan’izay mankahala ahy tsy amin’antony. Mahery izay ta hahafaty ahy, dia ny fahavaloko tsy amin’antony; mampanonitra ahy izay tsy nalaiko izy.
5 Andriamanitra ô, Ianao mahalala ny hadalako ary ny heloko tsy mba miafina Aminao.
6 Aoka tsy ho menatra noho ny amiko izay olona miandry Anao, RY TOMPO, Andriamanitra Tompon’izao rehetra izao ô ! Aoka tsy ho very hevitra noho ny amiko izay olona mitady Anao, ry Andriamanitry ny Israely ô.
7 Fa noho ny Aminao no itondrako latsa; safotry ny henatra ny tavako.
8 Efa tonga vahiny amin’ny rahalahiko aho; eny, tonga olon-ko azy amin’ny zanak’Ineny aho.
9 Fa ny firehetako ny amin’ny tranonao no naha ritra aina ahy ary ny latsa nataon’izay nandatsa Anao dia nihatra tamiko.
10 Nitomany sady nifady hanina aho, dia natao latsa ho ahy izany.
11 Akanjo fisaonana no nataoko fitafiako, dia efa ambentinteny tamin’ireny aho.
12 Miresaka ahy izay mipetraka eo am-bavahady ary ataon’ny mpisotro toaka an-kira aho.
13 Fa izaho dia hivavaka Aminao amin’ny andro fankasitrahana, TOMPO ô, dia Aminao, Andriamanitra ô, noho ny haben’ny famindramponao ! Valio aho araka ny hamarinan’ny famonjenao !
14 Afaho amin’ny fotaka aho ka aza avela hilentika ! Vonjeo amin’izay mankahala ahy sy amin’ny rano lalina aho !
15 Aza avela hanafotra ahy ny rano mandriaka, na hitelina ahy ny lalina, ary aza avela hikatom-bava amiko ny lavaka fantsakana !
16 Valio aho, TOMPO ô, fa tsara ny famindramponao; todiho aho, araka ny haben’ny antranao
17 ary aza manafina ny tavanao amin’ny mpanomponao ! Fa azom-pahoriana aho, koa faingàna hamaly ahy Ianao !
18 Hatòny aho ka avoty ! Eny, vonjeo aho noho ny ataon’ny fahavaloko !
19 Ianao no mahalala ny latsa mihatra amiko sy ny fahamenarako ary ny fahafaham-boninahitro; eo anatrehanao ny mpandrafy ahy rehetra.
20 Ny latsa dia nanorotoro ny foko ka reraka aho; niandry antra aho nefa tsy nisy, ary mpampionona nefa tsy nahita.
21 Fa zava-mangidy no nomeny hohaniko ary vinaingitra no natolony ahy hosotroina raha nangetaheta aho.
22 Aoka ho tonga fandrika ho azy ny latabatra eo anoloany ary ho tonta ho azy ny fiadanam-piainany !
23 Aoka ho jamba ny masony mba tsy hahita ary ampangozohozoy mandrakariva ny lamosiny !
24 Aidino aminy ny fahatezeranao ary aoka hahatratra azy ny firehetan’ny fahaviniranao !
25 Aoka ho foana ny tobiny; aza avela hisy hitoetra ao an-dainy !
26 Fa izay efa nasianao no nenjehiny ary ny fahararian’ny efa voatsindronao dia lazalazainy.
27 Aoka hiampy ny helony ary aoka tsy hiditra amin’ny fahamarinanao izy !
28 Aoka hovonoina tsy ho eo amin’ny bokin’ny velona ny anarany ary aoka izy tsy hosoratana miaraka amin’ny marina !
29 Fa izaho dia ory sy mijaly, Andriamanitra ô; aoka ny famonjenao no hanandratra ahy !
30 Hankalaza ny anaran’Andriamanitra amin’ny hira aho ary hidera Azy amin’ny fisaorana.
31 Fa izany dia ho sitraky NY TOMPO mihoatra noho ny vantotra ombilahy izay manan-tandroka sady mivaky kitro.
32 Hahita izany ny mpandefitra ka ho faly; aoka ho velona ny fonareo, ry mpitady an’Andriamanitra.
33 Fa mihaino ny mahantra NY TOMPO, ary tsy mba hataony tsinontsinona ny olony mifatotra.
34 Aoka hidera Azy ny lanitra sy ny tany, ny ranomasina sy izay rehetra mihetsika ao aminy !
35 Fa Andriamanitra hamonjy an’i Ziona sady hanangana ny tanànan’i Joda ary hitoetra ao ny olony ka ho tompony,
36 dia handova azy ny taranaky ny mpanompony ary hitoetra ao izay tia ny anarany.
Psaume 69 (PDV)
1 Chant de David, pris dans le livre du chef de chorale. Sur un instrument à cordes.
2 Ô Dieu, sauve-moi, j’ai de l’eau jusqu’au cou !
3 Je m’enfonce dans un fossé plein de boue et je n’ai rien pour me retenir. Puis je coule dans l’eau profonde, et le courant m’entraîne.
4 Je suis épuisé à force de crier, ma gorge est brûlante, mes yeux se fatiguent à attendre mon Dieu.
5 Ceux qui me détestent sans raison sont plus nombreux que les cheveux de ma tête. Ils sont puissants, ceux qui me détruisent et qui m’en veulent injustement. Ce que je n’ai pas volé, est-ce que je peux le rendre ?
6 Ô Dieu, tu connais ma bêtise, mes fautes ne sont pas cachées pour toi.
7 Seigneur, Dieu de l’univers, ceux qui comptent sur toi, je ne veux pas qu’ils aient honte à cause de moi. Dieu d’Israël, ceux qui te cherchent, que personne ne les insulte à cause de moi !
8 Pour toi, je supporte les insultes, la honte couvre mon visage.
9 Je suis devenu un étranger pour mes frères, un inconnu pour les fils de ma mère.
10 Oui, l’amour ardent que j’ai pour ta maison me brûle comme un feu, et les insultes de ceux qui t’insultent tombent sur moi.
11 Quand je pleure et quand je jeûne, des gens m’insultent,
12 quand je mets un habit de deuil, ils se moquent de moi.
13 Ceux qui sont assis sur la place publique parlent contre moi, et les buveurs chantent des chansons sur moi.
14 Et moi, je te prie, Seigneur, c’est le moment de m’écouter. Ô Dieu, ton amour est immense, réponds-moi ! Oui, tu es vraiment mon sauveur.
15 Ne me laisse pas m’enfoncer dans la boue, sors-moi de là ! Arrache-moi à ceux qui me détestent et à l’eau profonde !
16 Que l’eau ne m’entraîne pas dans son courant, que le fossé ne m’avale pas, que la tombe ne se referme pas sur moi !
17 Seigneur, réponds-moi ! Oui, ton amour me fait du bien. Dans ta grande tendresse, tourne-toi vers moi !
18 Ne cache plus ton visage à ton serviteur. Je suis très malheureux, vite, réponds-moi !
19 Viens près de moi, sauve ma vie ! À cause de mes ennemis, libère-moi !
20 Tu le sais, on m’insulte, on m’enlève mon honneur, on me couvre de honte. Tous mes ennemis sont là devant toi.
21 L’insulte m’a blessé, je ne peux pas guérir. J’attends un geste d’amitié, mais rien ne vient. Je cherche quelqu’un qui m’encourage, mais je ne trouve personne.
22 Mes ennemis ont mis du poison dans ma nourriture, et quand j’ai soif, ils me font boire du vinaigre.
23 Que leurs bons repas soient un piège pour eux et pour leurs invités !
24 Que leurs yeux ne voient plus clair, qu’ils deviennent aveugles ! Fais-leur courber le dos sans arrêt !
25 Répands sur eux ta grande colère, qu’elle les brûle comme un feu !
26 Que leur camp soit détruit, que personne n’habite plus sous leurs tentes !
27 Celui que tu as déjà frappé, ils le font souffrir davantage. Et ils ajoutent des souffrances à ceux que tu as blessés.
28 Charge-les de toutes leurs fautes, ne leur pardonne plus !
29 Efface leurs noms du livre des vivants, ne les compte pas parmi ceux qui t’obéissent !
30 Et moi, je suis malheureux et je souffre, mais ton secours me protégera, ô Dieu.
31 Je chanterai le nom de Dieu, j’annoncerai sa grandeur en lui disant merci.
32 La louange plaît davantage au Seigneur qu’un bœuf, qu’un taureau avec cornes et sabots.
33 En voyant cela, les gens simples sont dans la joie. Longue vie à vous qui cherchez Dieu !
34 Oui, le Seigneur écoute les pauvres, il ne rejette pas ses amis quand ils sont en prison.
35 Ciel et terre, et vous, les mers avec tout ce qui remue en vous, chantez la louange du Seigneur !
36 Oui, Dieu sauvera Jérusalem, il reconstruira les villes de Juda. Son peuple s’y installera, il en prendra possession.
37 Les enfants des serviteurs de Dieu recevront ces villes en partage, et ceux qui aiment le Seigneur habiteront à cet endroit.
.
Isaia 50 : 4 – 9a (MRV)
4 NY TOMPO Andriamanitra no nanome Ahy ny lelan’ny efa mahay, mba hahaizako milaza teny hampatanjaka izay reraka; fohaziny isa-maraina isa-maraina Aho; eny, fohaziny ny sofiko mba hihaino tahaka ny efa mahay.
5 Nanokatra ny sofiko NY TOMPO Andriamanitra ary tsy nanohitra na nihemotra Aho.
6 Natolotro ho amin’ny mpikapoka ny lamosiko ary ny takolako ho amin’izay manongotra ny volombavako. Tsy nafeniko tamin’ny henatra sy ny rora ny tavako.
7 Nefa NY TOMPO Andriamanitra no namonjy Ahy ka tsy resin-kenatra Aho; efa nohamafisiko ho tahaka ny vatoafo ny tavako ka fantatro fa tsy hitsanga-menatra Aho.
8 Efa akaiky izay manamarina Ahy: Iza no hiady Amiko ? Andeha hiara-mitsangana isika ! Iza no manana ady Amiko ? Aoka izy ho avy eto Amiko.
9 Indro NY TOMPO Andriamanitra no hamonjy ahy, koa iza no hanameloka ahy?
Esaïe 50 : 4 – 9a (PDV)
4 Le Seigneur Dieu m’enseigne ce que je dois dire pour encourager celui qui n’a plus de force. Chaque matin, il me réveille pour que j’écoute comme un bon disciple.
5 Le Seigneur Dieu m’ouvre l’oreille, et je ne résiste pas, je ne recule pas.
6 Je présente mon dos à ceux qui me frappent, je tends les joues à ceux qui m’arrachent la barbe. Je ne protège pas mon visage contre ceux qui m’insultent et qui crachent sur moi.
7 Le Seigneur Dieu vient à mon secours, c’est pourquoi leurs insultes ne me touchent pas. Je rends mon visage dur comme pierre. Je sais que je ne serai pas vaincu.
8 Le Seigneur est près de moi, il me donnera raison. Est-ce que quelqu’un veut me faire un procès ? Allons ensemble au tribunal ! Est-ce que quelqu’un veut m’accuser ? Qu’il s’avance vers moi !
9 Oui, le Seigneur Dieu vient à mon secours. Qui peut alors me condamner ?
